Manome ohatra tsara ve ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao?
Toko Faha-3
Manome ohatra tsara ve ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao?
1-3. Inona avy moa no fanontaniana lehibe apetratsika mikasika ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao? b) Nahoana no mety izany?
NA INONA na inona hevitrao ny amin’ny fivavahana, dia azo antoka fa ekenao ny hoe nananany hery lehibe teo amin’ny olona. Niaiky ny amin’izany toy izao ny “encyclopédie” iray navoaka tamin’ny 1970: “Ny fivavahana no anankiray tamin’ny hery lehibe indrindra nandritra ny fotoana nisian’ny Tantara.” — World Book Encyclopedia. 15
2 Rehefa jerena ny vokany teo amin’ny olona an-jato tapitrisany maro, moa ve ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao tena hery manohana ny fandriampahalemana sy ny filaminana tokoa? Sa kosa izy ireo nandray anjara tamin’ny fikorontanana manjaka eto an-tany? Moa ve izy ireo tsy ho anisan’ny tompon’andraikitra lehibe indrindra amin’ny tarehin-javatra ankehitriny hitan’ny olombelona tandindomin’ny fandringanana haneran-tany.
3 Mety hahagaga anao ireo fanontaniana ireo, nefa tadidio izay nambaran’i Jesosy Kristy toy izao mikasika an’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny: “Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.” (Matio 15:14). Amin’izao andro izao dia misy fivavahana lazaina fa kristiana an-jatony maro, milaza ho manana mpikambana efa ho arivo tapitrisa, amin’ny fitambarany. Ireo firenena ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no anisan’ny matanjaka indrindra eo amin’izao tontolo izao. Tsy isalasalana mihitsy fa nisy heriny lehibe teo amin’ny toe-piainana maneran-tany ny fampianaran’ireo fivavahana lazaina fa kristiana. Moa àry ve ny fihetsiny mifanaraka amin’ny fihamboany ho solontenan’Andriamanitra sy Jesosy Kristy sy ho manaraka ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra? Sa, miaraka amin’ireo fivavahana hafa eo amin’izao tontolo izao, raha ny marina dia mitarika ny olona hanohitra an’Andriamanitra izy, dia fanoherana tsy hitondra afa-tsy ho amin’ny loza?
4, 5. Ahoana moa no mety hanampian’ny valin’ireo fanontaniana ireo antsika hahatsapa raha mendrika itokiana ny Baiboly?
4 Raha toa ianao sy ny ankohonanao ka mikatsaka fiadanana sy filaminana, dia tokony handinika amim-pahatsorana an’ireo fanontaniana ireo ianao. Hampiharihary aminao zavatra hafa koa ny valiny. Izany dia hahatonga anao hahalala raha mendrika itokiana ny Baiboly ary raha voamarina ny filazany ho Tenin’Andriamanitra. Nahoana?
5 Satria antitranterin’ny Baiboly fa misy fivavahana marina ary misy fivavahan-diso. Ambarany fa Andriamanitra tsy mankasitraka sy mitahy afa-tsy ny fanompoam-pivavahana miorina amin’ny fahamarinana sy tsy misy fihatsarambelatsihy sy fitaka (Matio 15:7-9; Jaona 4:23, 24; Titosy 1:16). Asehony fa ny fanompoam-pivavahana marina mifanaraka tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ihany no mety hanosika ny olona hiaina ao anatin’ny fandriampahalemana sy ny firaisan-tsaina, sady mifaneho fitiavana amim-pahatsorana (Isaia 32:17, 18; Jaona 13:35). Raha marina izany dia tsy misy na dia iray aza amin’ny fivavahana mifanohitra amin’ny Baiboly àry afaka mitondra ho an’ny olona ny fiadanana sy ny filaminana marina. Inona no asehon’ny zava-mitranga?
INONA NO OHATRA OMEN’IREO FIVAVAHANA EO AMIN’IZAO TONTOLO IZAO RAHA NY AMIN’NY ADY?
6. Alohan’ny mety hisian’ny tena fiadanana, inona moa no tokony hataon’ny olona?
6 Raha miresaka ny amin’Andriamanitra ny Baiboly dia milaza azy ho “Andriamanitry ny fiadanana” (Romana 16:20). Ireo mpanompony dia mahazo baiko “hitady fihavanana sy hanaraka azy”, “hanefy ny sabany ho fangady”, sy tsy hianatra ady intsony (I Petera 3:11; Isaia 2:2-4). Tsy mety ho tafaorina manerana ny tany ny fandriampahalemana raha tsy manomboka ‘ho tia ny namany tahaka ny tenany’ ny olombelona. — Matio 22:39.
7-12. Inona moa no asehon’ny zava-mitranga raha ny amin’ny hahafantarana hoe moa ve nampianatra ny karazam-pitiavana manohana ny fisian’ny fandriampahalemana maneran-tany ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao?
7 Moa ve ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao nampianatra ny mpikambana ao aminy haneho izany fitiavana izany? Nampianatra azy ireny ve izy fa io fitiavana io dia tokony handresy ny fefy ara-pirenena sy ara-pirazanana ary ny tsy fitovian’ny fiteny? Moa ve ireo Fiangonana ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, katolika sy protestanta, nanamarina ny fihamboany ho manara-dia an’i Jesosy Kristy, ilay “Andrian’ny fiadanana”? Na dia mety hahagaga ny olona maro aza izany, dia ny mifanohitra amin’izany no asehon’ny Tantara.
8 Nanao izao fanamarihana izao ny New York Times: “Taloha ireo filoha katolika teo an-toerana dia saika nanohana foana ireo adin’ny fireneny, ka nitso-drano ny andia-tafika ary nanao vavaka hahazoana fandresena, raha mbola nivavaka ampahibemaso ny toby ankilany, antokon’ny eveka [katolika] hafa hahazoana vokany mifanohitra amin’izany 16.” Nanao toy izany koa ireo filoha protestanta.
9 Ohatra lehibe iray ny Ady Lehibe Voalohany izay nipoaka teo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana mihitsy. Nitovy finoana ny ankamaroan’ny olona tao amin’ny toby roa. Tantarain’ny gazety belza atao hoe La Dernière Heure fa nandritra io ady io dia nanambara toy izao tamin’ireo miaramila frantsay ny kardinaly katolika Amette tany Paris:
“Ry rahalahiko, namana ao amin’ny tafika frantsay sy ny mpiray dina aminy be voninahitra, miandany amintsika ilay Andriamanitra tsitoha. (...) Eo anilan’ireo miaramilantsika mahery fo Andriamanitra ao amin’ny ady, manamafy ny sandriny sy manatanjaka azy ireny hamely ny fahavalo izy. (...) Hanome fandresena antsika Andriamanitra 17.”
10 Tamin’izay fotoana izay ihany koa, amin’ny toby hafa, raha niteny tamin’ireo miaramila alemana ny arseveka katolikan’i Cologne, dia nanambara toy izao:
“Momba antsika Andriamanitra amin’ity ady ho an’ny rariny ity (...) Mandidy anareo, amin’ny anaran’Andriamanitra, izahay, hiady hatramin’ny indray mitete farany amin’ny ranareo ho voninahitra sy lazan’ny tany. Fantatr’Andriamanitra (...) fa aty amintsika ny zo ka hanome antsika ny fandresena izy 17.”
11 Misolo tena an’Andriamanitra ve ireo Fiangonana rehefa manome toromarika mifanipaka sy feno fankahalana toy izany? Taorian’ny nanafihan’Italia an’i Etiopia tamin’ny 1935, dia nanao izao famoaboasan-kevitra izao ny Pittsburgh Courrier:
“Manaraka ny faneva ny Eglizy, na dia vonton’ny ran’ireo niharam-pahavoazana tsy manan-tsiny tamin’ny ady mampiseho hadalana natao tamin’ny anaran’ny sivilizasiona aza io faneva io. (...)
“Ireo Fiangonana protestanta dia nanao toy ny Eglizy katolika izay nankasitraka na mahalana no tsy nankasitraka an’izany fandrobana izany, izany fanambakana sy famonoana olona amin’ny ambaratonga iraisam-pirenena izany. (...)
“Ny mahatonga indrindra ny fahosana ara-panahin’ny Fiangonana kristiana amin’izao andro izao dia ny fanekeny lembenana amin’ny ratsy heverina fa iadiany 18.”
12 Tao anatin’ny Ady Lehibe Faharoa sy ireo ady taty aoriana dia nanaraka fihetsika toy izany ihany koa ireo Fiangonana. Fa inona no holazaina ny amin’ireo fivavahana tsy kristiana? Hafa noho izany ve no nataony? Matetika ireo mpiray finoana ao amin’ny fivavahana tsy kristiana no nifamono tamin’ny fifamelezana sy ny ady mahery vaika ambaran’ny Tantara be dia be. Matetika ny fampianarana ara-pivavahan’izy ireny no manohana ny herisetra sy ny fandatsahan-dra.
13. Moa ve ny Baiboly mankasitraka an’ireo filoha ara-pivavahana izay, amin’ny anaran’ny fandriampahalemana, dia milatsaka hanao fanoherana mahery vaika ny fitondram-panjakana misy?
13 Marina fa amin’ny fotoam-pandriampahalemana ireo filoha ara-pivavahana dia manandratra ny fandriampahalemana, satria be mpanaraka izany. Indraindray dia azonao atao ny mandre na mamaky ny fanambarana ataon’ny sasany aminy izay manohitra ny ady, na dia tsy tian’ny maro aza izany. Nefa kosa marobe amin’ireny filoha ara-pivavahana ireny ihany no mampiseho fa tsy mitady amim-pahatsorana ny fandriampahalemana izy ireny, satria miditra amin’ny fanaovan-javatra misy fanoherana izay matetika tokoa no mahery vaika. Vitan’ny sasany mihitsy aza ny mamporisika ny olona hiady sy hikomy amin’ny fitondram-panjakana eo an-toerana. Melohin’ny Baiboly anefa ny fihetsika toy izany. — Romana 12:17-19; 13:1, 2.
14. a) Ahoana moa no teny ara-panoharana ilazalazana an’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao ao amin’ny Baiboly? b) Ampangaina ny amin’inona moa “Babylona Lehibe”?
14 Lehibe aoka izany ny herin’ireo fivavahana eo amin’ireo firenena eo amin’izao tontolo izao, hany ka ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny fitambaran’ireny fivavahana ireny ho toy ny empira. Omeny anarana hoe “Babylona Lehibe” izy ka lazalazainy ho “tanàna lehibe, izay manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany”. (Apokalypsy 17:3-5, 15, 18.) Koa satria ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao tsy lavina fa ‘nijangajanga’ mba hahazoana tombontsoa ara-politika, ara-barotra sy ara-tsosialy, io empira ara-pivavahana io, Babylona Lehibe, dia lazalazaina amin’ny endriky ny “vehivavy janga”. Izao no lazaina mikasika azy: “Ary teo anatiny no nahitana ny ran’ (...) izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 18:24). Tafintohina ve ianao amin’ny famakiana fa ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao no tompon’andraikitra lehibe indrindra amin’ny famonoana olona rehetra natao nandritra ny fotoana nisian’ny tantaran’izao tontolo izao? Nefa, ny fitaomany sy ny ohatra nomeny tamin’ny fanohanana ireo ady, ary ny kroazada feno fandatsahan-dra sy ny fanenjehana ara-pivavahana nataony, dia mampiseho indrindra ny andraikiny. — Jereo Matio 23:33-36; 27:20-23, 25.
15. Raha maniry tokoa ny fandriampahalemana ny mpikambana ao amin’ireo Fiangonana, tokony ho vonona ny hamaly fanontaniana inona mikasika ny fivavahany izy ireo?
15 Ampianarin’ny Baiboly fa tokony ‘hifankatia isika, — tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy [Satana Devoly] ka namono ny rahalahiny’. (I Jaona 3:10-12.) Mbola manahaka an’i Kaina foana anefa ny olona, ary nitso-drano an’ireo nanao toy izany ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao. Raha anisan’ny Fiangonana iray ianao, dia manontania tena toy izao: “Ahoana ny amin’ny fivavahako? Raha mpikambana ao ny olona rehetra, moa ve hitsahatra ny ady ka tena ho tonga toeram-piadanana tokoa ny tany?”
MAMPORISIKA NY HANANANA FITONDRANTENA TSARA VE IREO FIVAVAHANA EO AMIN’IZAO TONTOLO IZAO?
16. a) Nahoana moa ny fifikirana amin’ny tena fitsipika ara-pitondrantena no anton-javatra tena lehibe mitondra fiadanana sy filaminana? b) Araka ny filazan’ny Baiboly, inona moa no manohana ny fitondrantena tsara?
16 Mety ho hita ve ny fihavanana marina amin’ny namana na ny tena filaminana raha tsy misy fanajana ireo fitsipika ara-pitondrantena? Azo antoka fa tsia. Raha tsy izany dia tsy hisy afa-tsy lainga, halatra, fanitsakitsaham-bady sy fanao hafa sahala amin’izany. Tokony hanohana ny fitondrantena tsara ny fitiavana amim-pahatsorana ny namana. Izany no asehon’ny Baiboly toy izao:
“Izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna. Fa ny hoe: “Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr’olona”, mbamin’izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin’izao teny izao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.” — Romana 13:8-10.
17, 18. a) Moa ve isika afaka manantena ny hahazo ny fiadanan’Andriamanitra raha tsy manaraka fotopoto-pitsipika marina? b) Iza moa no mamaritra ireny fotopoto-pitsipika ireny?
17 Nefa, ny zavatra mbola lehibe kokoa ihany, heverinao ve fa azo atao ny hihavana amin’Andriamanitra ka hahazo antoka ny amin’ny fankasitrahany sy ny fiarovany raha tsy manaraka ny tena fitsipika ara-pitondrantena? Ho afaka hanaja sy hanome voninahitra an’Andriamanitra ve ianao raha tsy mitaky fanarahana lalàm-pitondrantena toy izany amin’ireo ankasitrahany Andriamanitra?
18 Mba hitakiana ny rariny, dia tsy isalasalana mihitsy fa tokony hampahafantarin’Andriamanitra mazava amin’ny zavaboariny ny hoe inona avy ireo fotopoto-pitsipiny ara-pitondrantena. Ny filazana fa ny tsirairay avy dia samy tokony ho afaka hamaritra sy hanaraka ny fotopoto-pitsipiky ny tenany dia ho hadalana tsy misy hafa amin’ny fanizingizinana fa azon’ny tsirairay avy atao ny mamaritra sy manaraka ny lalàn’ny tenany momba ny fifamoivoizana. Fantatrao izay haterak’izany. Asehon’ny Baiboly ara-dalàna tokoa fa lalana tokana ihany no mitondra ny fankasitrahan’Andriamanitra, fa ny lalana hafa rehetra kosa dia mitarika ho amin’ny fandringanana. — Matio 7:13, 14.
19. Raha nanome ohatra tsara eo amin’ny fitondrantena ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, karazam-pitondrantena manao ahoana moa no ho azonao antenaina ho hita eo amin’ireo mpikambana ao aminy?
19 Moa ve ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana mampiseho amim-pahatokiana ny Baiboly amin’ny fanohanana ireo fotopoto-pitsipiny ara-pitondrantena ary moa ve izy amin’izany manome ohatra ho an’ny olon-kafa rehetra eo amin’izao tontolo izao? Inona no ahariharin’ny fitondrantenan’ny mpikambana ao aminy? Lazain’ny Baiboly fa “ny vokatry ny Fanahy [fanahin’Andriamanitra] (...) dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana [finoana, MN ], fahalemem-panahy, fahononam-po”. (Galatiana 5:22, 23.) Manome izany vokatra izany ve ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao? Sa ianao mahamarika eo anivony, vokatra “lo” be dia be, dia “ny asan’ny nofo (...) fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy”? (Galatiana 5:19-21.) Mampitaha ny olona amin’ny hazo ny Baiboly ka manambara fa ny “hazo” rehetra manome voa toy izany dia tokony hofoanana. — Matio 7:17-19; 12:33.
20-22. Raha ny amin’ny fitondrantena tsara, inona avy moa no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika, raha ny amin’ireo mpiray Fiangonana amintsika? b) Araka ny filazan’ny Baiboly, inona moa no fihetsika tokony harahina eo anoloan’ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona zatra manao fitondrantena maloto? d) Amin’izany lafiny izany, inona moa no ataon’ireo Fiangonana?
20 Raha manaraka fivavahana iray ianao dia manontania tena toy izao: “Moa ve aho matoky ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantenan’ny mpikambana ao aminy? Raha manahaka ny fitondrantenan’izy ireo ny mponina rehetra amin’ny tany, moa ve izany hamarana ny fanaovana heloka bevava, ny fanaovana raharaha tsy marina, ny ady sy ny fahalotoam-pitondrantena?”
21 Milaza ny marina miharihary amintsika ny Baiboly rehefa mampitandrina antsika fa “ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa” ary “ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”. (Galatiana 5:9; I Korintiana 15:33.) Izany no antony nanoratan’ny apostoly nahazo tsindrimandry toy izao, tamin’ny kristiana: ‘Aza miharoharo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany hianareo. (...) Esory aminareo ilay mpanao ratsy.”’ — I Korintiana 5:11-13.
22 Marina fa mety ho solafaka ny olona iray ary rehefa avy eo dia hanitsy tena. Fa inona no holazaina ny amin’ireo noresahin’ny apostoly, ireo zatra manao zavatra toy izany ka ataony ho anisan’ny fiainany izany? Raha mihambo ho manompo an’Andriamanitra ireny olona ireny, dia mpihatsaravelatsihy izy. Tsy isalasalana mihitsy fa mankahala ny fihatsarambelatsihy ianao, ary ahariharin’ny Baiboly fa halan’Andriamanitra ny fihatsarambelatsihy sy ny zatra mihatsaravelatsihy (Matio 23:27, 28; Romana 12:9). Ahoana ny amin’ny fivavahanao? Moa ve ireo filohany miaro ny mpikambana ao aminy amin’ny loza ara-panahy, amin’ny ‘fitenenana eo anatrehan’ny mpanatrika rehetra izay zatra manota’? (I Timoty 5:20, MN.) Moa ve laviny ireo mikiry manao ratsy tsy misy fanehoana fibebahana amim-pahatsorana? Sa ireny olona ireny avelany hijanona ho mpikambana ao amin’ny fiangonana sy hohajaina tsara sady hanimba ny hafa? Moa ve ireo filoha ao amin’ny Fiangonanao miaro ny fitondrantena tsara “amin’ny molotra” fotsiny, sady manala tsiny ny ratsy na amin’ny “fanakimpiana ny maso” amin’ny fanao ratsy? — Matio 15:7, 8.
23. a) Inona moa no ambaran’ny mpitondra fivavahana maro mikasika ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady sy ny fivadian’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy? b) Inona no lazain’ny Baiboly mikasika an’ireo zavatra ireo?
23 Manerana ny tany dia miavosa ny porofo manohitra an’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao, mampiseho fa izy ireo dia tsy nahaforona ny tena hery ho fiarovana ny fitondrantena tsara mbamin’ny filaminana sy ny fiadanana entiny. Mitombo hatrany amin’izao fotoana izao ny filoha ara-pivavahana milaza ampahibemaso fa tsy hoe tsy maintsy ho zavatra ratsy akory ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady sy ny fivadian’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Angamba ny tenanao mihitsy no efa namaky fanambarana toy izany tao amin’ny gazety. Izany dia taratry ny fiheverana be mpitia eo amin’ireo fivavahan’izao tontolo izao, fa tsy ny an’ny Baiboly izay milaza toy izao:
“Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita [lehilahy mandry amin’ny lehilahy, MN ] sy ny mpangalatra sy ny mpierina [matimatin-karena, MN] sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” — I Korintiana 6:9, 10.
24. Ahoana no mety hahafantaran’ny olona iray amin’ny fomba azo antoka izay heverin’ny mpitondra fivavahany?
24 Angamba ianao mino fa mifikitra mafy amin’ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ireo filoha eo amin’ny fivavahanao. Nefa moa ve mba efa nanontanianao manokana ny mpitondra fivavahanao izay heveriny ny amin’ireo zavatra ireo? Manana zo sy adidy mihitsy aza hahalala izany ianao, satria iankinan’ny ainao izany.
TSY FATRA-PITIA HARENA SY TSY TIA TENA VE?
25. Inona moa no vokatry “ny fitiavam-bola” eo amin’ny fifandraisan’ny olombelona?
25 Ny faniriana mihoa-pampana sy ny fitiavan-tena amin’izao andro izao no miteraka indrindra ny ady sy ny tsy filaminana. Lazain’ny Baiboly fa “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra”. (I Timoty 6:10.) Moa ve ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao, indrindra fa ny an’ny finoana lazaina fa kristiana tsy manana izany fitiavam-bola izany?
26, 27. Ahoana moa no nampihariharian’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao ny fihetsiny eo anoloan’ny vola sy ny fananana ara-nofo?
26 Moa ve ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana tsy zatra ny mitaky ny denarian’ny fanompoam-pivavahana (denier de culte) na ny ampahafolon-karena, ny mananty rakitra, ny mandamina kermesy mba hahazoam-bola sy ny mangata-bola ampahibemaso ao amin’ny radio, ny televiziona na amin’ny alalan’ny taratasy? Rehefa mila ny asan’ny mpitondra ara-pivavahana iray ny mpiangona, moa ve izy tsy mandrakariva tsy maintsy manakarama azy ireny, na amin’ny batisa izany, na amin’ny fampakaram-bady na amin’ny fandevenana? Maneran-tany, ny olona, mahantra aoka izany indraindray, dia angataham-bola hanorenana trano fiangonana na tempoly andaniam-bola be.
27 Any amin’ny tany maro ireo fivavahana dia nanangona harena be ary tonga tompon’ny tany maro. Tamin’ny taonjato fahasivy ambin’ny folo dia tsy latsaka ny antsasaky ny tany sy fananana tsy azo afindra toy ny trano tany Meksika no an’ny Eglizy katolika tao amin’io tany io 19. Toy izany koa, any amin’ny tany maro hafa tapahin’ny fivavahana tsy kristiana, dia matetika tokoa ireo tempoly no ahitana harena be indrindra, ka mandrakariva izany no mifanohitra an-karihary amin’ny fahantran’ny ankamaroan’ny mponina.
28. Asehoy ny fifanoheran’izany fihetsika izany amin’ny fiheveran’i Jesosy Kristy sy ireo apostoliny?
28 Izany dia mifanohitra amin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy izay nanambara toy izao tamin’ny mpianany: “Efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana.” (Matio 10:8). Asehon’ny fitantaran’ny Baiboly antsika fa teo amin’ny kristiana voalohany, dia natao an-tsitrapo, tsy misy faneriterena, daholo, ny fanomezana rehetra (Asan’ny apostoly 11:29, 30; II Korintiana 9:7). Ireo izay nitondra, ny apostoly sy ny mpianatra hafa, dia tsy enta-mavesatra ho an’ireo rahalahiny kristiana ary tsy nanan-karena avy amin’izy ireo. Niasa tamin’ny tanany izy (Asan’ny apostoly 18:1-4; 20:33-35). Afaka milaza toy izany ve ianao raha ny amin’ireo filoha ara-pivavahana fantatrao?
29. Inona moa no fifanahafana misy eo amin’ireo filoha ara-pivavahana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny sy ireo izay nanohitra an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany?
29 Ampitahao amin’ireo filoha ara-pivavahana nanohitra an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana ireo mpitondra fivavahana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Marina fa nanao asa fiantrana izy ireny, nefa tia voninahitra sy toerana mampiavaka izy ireny ary nitady sitraka tamin’ireo filoha ara-politika (Matio 6:2; Marka 12:38-40; Jaona 11:47, 48; 19:15). Nambaran’i Jesosy tsy an-kifonofono tamin’ireny olona ‘tia vola’ ireny fa naharikoriko teo imason’Andriamanitra izy ireny noho ny fihatsarambelatsihiny. Izy ireny dia nampitahainy tamin’ny “fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra”. Raha efa izany dia nanampy teny toy izao izy: “Dia tahaka izany koa hianareo raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.” — Lioka 16:14, 15; Matio 23:27, 28.
INONA NO NIAFARAN’NY FANDAVANA NY BAIBOLY?
30. Araka ny Isaia 48:17, 18, inona moa no azon’izay rehetra mihaino ny didin’i Jehovah?
30 Izao no nambaran’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny firenen’Isiraely izay nilaza ho nanompo azy: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa (...) Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko [mitandrema ny didiko, MN ]! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.” — Isaia 48:17, 18.
31-33. Inona moa no aseho eo raha ny amin’ny fihetsiky ny mpitondra fivavahana maro eo anoloan’ny Tenin’Andriamanitra?
31 Asehon’ny zava-mitranga anefa fa tsy nihaino ny didin’Andriamanitra ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao. Raha ny marina, ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mitombo ny isan’ny mpitondra fivavahana maneho an-karihary ny tsy fahampian’ny finoany ny Baiboly amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry azy. Ny gazety mivoaka ara-potoana atao hoe Science tamin’ny novambra 1972, dia niresaka ny amin’ny fivorian’ny mpandini-draharaha kaliforniana momba ny fanabeazana, nisy “eveka ‘mormon’ sy tranainy ao amin’ny katedraly episkopaliana Grace any San Francisco” nanohana ny tsangan-kevitra ny amin’ny evaolisiona manohitra ny fitantarana ny famoronana voalaza ao amin’ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly 20.
32 Na dia milaza fa manaiky ny tapany lehibe amin’ny Baiboly ho ara-tsindrimandry aza ny Nouvelle encyclopédie catholique (anglisy) dia manambara toy izao: “Miharihary anefa fa fanambarana maro ao amin’ny Baiboly no tsy marina rehefa tsaraina amin’ny fahazavan’ny fahalalana ara-tsiansa sy ara-tantara amin’ny andro ankehitriny 21.”
33 Ahitana fiheverana sahala amin’izany ao amin’ny boky batista iray (Broadman Bible Commentary 22). Tamin’ny 1972, tamin’ny fivoriambe iray nataon’ny batista tany Atsimo (ny lehibe indrindra amin’ny Fiangonana protestanta any Etazonia), dia nisy fanapahan-kevitra naroso mba hisakanana ny fampielezana sy hanoratana indray an’io boky io, noho izy nanohana ny tsy maha-marina ny Baiboly. Nolavina anefa io fanapahan-kevitra io, satria 4 no ho 1 no nandà. — The Christian Century, 2 aogositra 1972.
34, 35. Niafara tamin’inona moa ny fandavana an’ireo fampianaran’ny Baiboly? b) Azo atao ara-drariny ve ny manantena an’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao hitondra fiadanana sy filaminana ho an’ny olombelona?
34 Inona no vokatr’izany? Moa ve ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao afaka nampihem-bidy ireo fampianaran’ny Baiboly sady nanohana ny fitondrantena tsara izay mitondra fandriampahalemana sy filaminana? Mifanohitra lavitra amin’izany no hita, satria niharatsy ny toe-piainana eo amin’izao tontolo izao, ary hatramin’ny elabe ny fivavahana lazaina fa kristiana dia ny tapany amin’izao tontolo izao voakasika indrindra amin’ny fanaovana heloka bevava, ny faharatsiam-pitondrantena, ny fampiasana fanafody mahankona, ny fifampiandaniana ara-pirazanana ary ny ady. Mihamahita fikorontanana, fisaratsarahana, fandraisana kolikoly ara-politika sy fikororosian’ny fitondrantena ireo firenena tsy kristiana. Araka ny voalazan’ny Baiboly, “ny tenin’i Jehovah dia nolaviny, ka inona intsony ny fahendrena ananany?” — Jeremia 8:9.
35 Tsy azo lavina ny zava-mitranga maneran-tany. Porofoiny fa tsy mahaforona ny tena hery mitondra fiadanana sy filaminana akory ireo fivavahana. Milaza inona ho antsika izany?
AKAIKY NY FARAN’IREO FIVAVAHANA EO AMIN’IZAO TONTOLO IZAO?
36, 37. Inona moa ho anjaran’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao ambaran’ny Baiboly?
36 Izao no nambaran’i Jesosy Kristy: “Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.”(Matio 15:13). Ny voa ratsy avy amin’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao dia mampiseho fa tsy nambolen’Andriamanitra izy ireny. Tsy vitan’ny hoe mampitandrina antsika fotsiny ny Baiboly fa tsy hampiorina na oviana na oviana ny fiadanana sy ny rariny ireny fivavahana ireny, fa ambarany koa ny amin’ny fandravana azy efa antomotra.
37 Manondro an’ireny fivavahana ireny amin’ny anarana hoe “Babylona Lehibe”, vehivavy janga, Andriamanitra, ka milaza toy izao, mikasika an’io empira ara-pivavahana io:
“Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony. (...) Ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy; fa mahery ny Tompo [Jehovah, MN ] Andriamanitra, Izay nitsara azy.” — Apokalypsy 18:5-8.
38. Amin’ny fomba ahoana no hahatongavan’izany fandringanana izany, ary amin’ny alalan’iza?
38 Mariho fa ny fandravana ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso dia tsy maintsy hitranga amin’ny fomba tampoka sy tsy ampoizina, toy ny “indray andro monja”. Horobain’ireo firenena ara-politika ny fananana nangoniny rehetra, ka ho taitra sy ho ketraka aoka izany ny olona maro. — Apokalypsy 18:10-17, 21; 17:12, 16.
39. a) Ao amin’ny Apokalypsy 18:4, inona moa no fananarana omena an’ireo izay mitady ny fankasitrahan’Andriamanitra? b) Inona no manosika azy ireny hanao toy izany?
39 Izany no antony ahazoantsika izao fananaran’Andriamanitra izao: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” (Apokalypsy 18:4). Izany dia milaza fiheverana an’io empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso io toy ny fiheveran’Andriamanitra azy sy fankahalana azy noho ny vokatra lo avy aminy, noho ny fihatsarambelatsihiny sy ny finoanoam-poana. Tokony ho zavatra maharikoriko “Babylona Lehibe” rehefa heverina ny fomba nanalany baraka an’Andriamanitra, ka izany dia nitondra fijaliana sy fampahoriana ny vahoaka (Romana 2:24; Jeremia 23:21, 22). Raha miaiky ny amin’izany ianao dia hanaisotra ny fanohananao azy, ka hampiseho amin’izany fa manaiky an-tsakany sy an-davany ny fanamelohan’Andriamanitra azy ianao.
40. a) Inona koa moa no tokony hotadiavin’izay rehetra maniry hanana fiadanana sy filaminana? b) Mba hahitana an’ireo mpanaraka ny fanompoam-pivavahana marina, karazan’olona manao ahoana moa no tokony hotadiavina?
40 Nefa, raha mikatsaka ny fiadanana sy ny filaminana ho anao sy ny ankohonanao ianao, dia tsy afaka ny hianina amin’ny fialana amin’ny fivavahan-diso. Tokony hotadiavinao izao ny fanompoam-pivavahana marina tsy misy fihatsarambelatsihy hitondra ho anao ny fiadanana sy ny fiarovan’Andriamanitra rehefa hamely ny fandringanana voambara. Izay rehetra mandray anjara amin’io fanompoam-pivavahana marina io dia tokony ho olona efa ‘nanefy ny sabany ho fangady ka tsy mianatra ady intsony’. (Isaia 2:4). Tokony hino ny Tenin’Andriamanitra izy ireo ka hampihatra azy amim-pahatsorana, amin’ny fanekena hotarihiny eo amin’ny fiainany (Salamo 119:105). Tokony haneho fitiavana amim-pahatsorana ny namany koa izy ireo (Jaona 13:35; Romana 13:8). Misy ny olona toy izany amin’izao andro izao. Ny fiadanana sy ny filaminana ananany dia manamarina ny fahamarinan’ny herin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra.
41. Inona no ho azon’ny tenanao mihitsy hamarinina amin’ny famonjena an’ireo fivorian’ny vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Efitrano Fanjakana?
41 Ny vavolombelona kristian’i Jehovah izay nanome anao an’ity boky ity, dia miahy be dia be ny amin’ny tarehin-javatra mampidi-doza nitarihan’ny fivavahan-diso ny olona. Miezaka amim-pahatsorana izy ireny mba hanome ho an’ny Tenin’Andriamanitra ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany. Asaina ianao ho tonga ao amin’ireo fivoriany ao amin’ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana ka ny tenanao mihitsy no hahatsapa ny hoe manao ahoana ny famoazany ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra sy ny fananany ny fiadanana sy ny filaminana aterak’izany. Ho hitanao koa ny fomba fianarany sy fampiharany izay takin’Andriamanitra amin’ny olona rehetra maniry ho tafita velona ka hiditra ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina ampanantenainy.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 25]
Fantatrao ve fa nandray anjara toy izany tamin’ny ady ireo Fiangonana?
[Sary, pejy 30]
Izany ve no karazam-pitari-dalana irinao ho an’ny ankohonanao?