Nahoana no miahy ny amin’ny hafa?
Toko Faha-15
Nahoana no miahy ny amin’ny hafa?
1. a) Nahoana moa no misy olona be dia be nanapa-kevitra ny tsy hikarakara afa-tsy ny tenany ary tsy hiahy loatra ny amin’ny hafa? b) Inona no vokatr’izany?
AMIN’IZAO andro izao dia vitsy ny olona miahy ny amin’ny mpiara-belona aminy. Marina fa isika rehetra dia tonga teto an-tany nomena fahafahana ho tia daholo. Nefa rehefa hitan’ny olona iray ny fanandramana manambaka azy na tsikariny fa tsy takatry ny olona ny fiezahan’ny tenany haneho fitiavana, dia mety ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra hatreo fa aleo mikarakara ny tena ihany. Ny hafa koa, rehefa mahita fa ireo manambaka ny olona amim-pitiavan-tena dia matetika no manana fanambinana ara-nofo, dia mety hieritreritra fa izany no hany fomba hahitana fahombiazana eo amin’ny fiainana. Noho izany ny ankamaroan’ny olona dia tsy manana afa-tsy sakaiza marina vitsy dia vitsy, raha manana aza. Manjaka ny fiahiahiana. Inona no anton’izany tarehin-javatra izany?
2. a) Ahoana moa no ampahafantaran’ny Baiboly ny antony lalina miteraka ny zava-manahirana? b) Inona moa no dikan’ny hoe “mahalala” an’Andriamanitra?
2 Ny tsy fahampiam-pitiavana, dia ny karazam-pitiavana miahy amim-pahatsorana izay hahasoa mandrakizay ny hafa. Ary nahoana no tsy hita io fitiavana io? Nivantana hatramin’ny fototry ny zava-manahirana ny Baiboly ka manambara toy izao: “Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.” (I Jaona 4:8). Marina fa misy olona tia tena mihambo ho mahalala an’Andriamanitra ary mankany am-piangonana mihitsy aza. Nefa raha ny marina dia tsy tena mahalala an’Andriamanitra izy ireny. Mba “hahalalana” azy, dia tokony ho fantarina ny amin’ny maha-izy azy, hekena ny fahefany ary dia hiasa araka izany (Jeremia 22:16; Titosy 1:16). Noho izany, ny fiainana tena sambatra tokoa dia tsy mety ho hita raha tsy maneho fitiavana ny hafa isika ary manao toy izany koa amintsika ny mpiara-belona amintsika. Tsy afaka manao toy izany anefa isika raha tsy mianatra hahalala tsara an’Andriamanitra ka mampihatra izay nianarantsika.
3. Ahoana moa no nanehoan’Andriamanitra tamin’ny olona ny fitiavany lehibe?
3 Izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra [voalohany], fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika. Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia koa isika.” (I Jaona 4:9-11). Tsy navelan’Andriamanitra hamono ny fitiavany ny fitondrantenan’ny olona feno fitiavan-tena. Izao no vakintsika mikasika izany ao amin’ny Romana 5:8: “Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.”
4. Manao ahoana ny fihetseham-ponao eo anatrehan’Andriamanitra?
4 Moa ve ianao mahalala olona be dia be izay tsy nanao na inona na inona ho anao mihitsy, nefa tianao tokoa ka vonona ny ho faty noho izy ireny ianao? Raha manan-janaka ianao, ny firaiketam-po voajanahary dia manosika anao hiaro ny ainy, na dia hanaovanao vy very ny ainao aza izany. Hanaiky ny hahafatesan’ny zanakao ve ianao mba hamonjena olona tsy fantatra? Izany anefa no karazam-pitiavana nasehon’Andriamanitra tamintsika (Jaona 3:16). Amin’ny fahafantarana izany, manao ahoana ny fihetseham-ponao eo anoloany? Raha ankasitrahantsika amim-pahatsorana izay nataony ho antsika, dia tsy havesatra amintsika ny fanarahana ny didiny. — I Jaona 5:3.
5. a) Inona moa no “didy vaovao” nomen’i Jesosy ho an’ny mpianany? b) Mikasika izany, ahoana no azontsika ampisehoana ny fifikirantsika amin’Andriamanitra? d) Inona àry no adidintsika amin’ireo mpiara-miasa amintsika?
5 Ny alina talohan’ny hahafatesany, dia nomen’i Jesosy ho an’ny mpianany ny didy iray tokony hampiavaka azy ireny amin’ny olon-kafa rehetra eo amin’izao tontolo izao: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo.” “Vaovao” io didy io amin’ny heviny hoe nandidy azy ireny Jesosy mba ho tia ny mpiara-belona aminy, tsy toy ny nifankatiavan’izy ireny fotsiny, fa “tahaka ny nitiavako anareo”. Raha lazaina amin’ny teny hafa, izy ireny dia tokony ho vonona ny ho faty ho an’ny hafa avy (Jaona 13:34, 35; I Jaona 3:16). Amin’ny fanehoana fitiavana toy izany no ampisehoantsika ny fifikirantsika amin’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana? Satria amin’izany no anaporofoantsika fa mandainga Satana rehefa milaza fa tsy misy olona hanohy hankato an’Andriamanitra mihitsy rehefa tandindomin-doza ny ainy na ny fanahiny (Joba 2:1-10). Hita avy hatrany fa mba hanarahana an’io “didy vaovao” io, dia ilaina ny hiahiana ny amin’ny hafa amim-pahatsorana Tsy tokony hitsitsy fiezahana mihitsy ny tena ary ho vonona ny hanome ny ain’ny tena mihitsy aza mba hanampiana ara-panahy sy ara-nofo ny mpanompon’Andriamanitra hafa, araka izay ilainy. — Jakoba 1:27; 2:15,16; I Tesaloniana 2:8.
6. Iza koa moa no tokony hanehoantsika fitiavana, ary nahoana?
6 Nefa tsy tokony ho voafetra ho amin’ireo rahalahintsika ao amin’ny finoana ihany akory ny asam-pitiavana ataontsika. Ny nahafatesan’i Kristy dia tsy ho an’ireo tonga mpianany nandritra ny nanaovany ny fanompoany teto an-tany ihany, fa ho an’izao tontolo izaon’ny olombelona. Izany no antony ananaran’ny Soratra masina antsika amin’izao teny izao: “Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” (Galatiana 6:10). Isan’andro isika dia manana fotoana maro hahafahana manao soa. Raha tsy teritery isika fa manalalaka ny fontsika ka miseho ho malala-tanana amin’ny fanehoana fitiavana ny hafa, dia hanaporofo tokoa isika fa ‘zanaky ny Raintsika Izay any an-danitra; fa izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina’. — Matio 5:43-48.
AOKA ISIKA HANAJA NY TENAN’NY HAFA SY NY FANANANY
7. Inona moa no mety hanan-kery eo amin’ny ataontsika amin’ny hafa?
7 Miaina ao anatin’izao tontolo izao tsy manam-pitiavana isika. Tsapanao angamba fa tsy naneho fiheverana foana ny namanao ianao. Na dia ireo mahalala ny tokony hataony aza dia mahazo fahazaran-dratsy mora foana amin’ny fifampikasohana amin’ny olon-kafa (I Korintiana 15:33). Noho izany, raha ta-hanompo an’Andriamanitra ny olona iray, dia tokony hanao fiezahana amim-pieritreretana tsara izy mba ‘hanavaozana ny sainy’. (Romana 12:1, 2). Tokony hovany ny fihetsiny eo anoloan’ilay olona sy ny fananan’ny namany.
8. a) Ahoana moa no ampisehoan’ny olona ny tsy firaharahany ny fananan’olon-kafa? b) Inona moa no torohevitra araka ny Baiboly hisakana antsika tsy hanao toy izany?
8 Any amin’ny tany sasany, dia mahatafintohina ny tsy firaharahana ny fananan’ny hafa. Mba “hilalaovana”, ny tanora dia mandrava fananana manokana sy an’ny vahoaka, na minia manimba zavatr’olona niasa mafy mba hahazoana azy ireny. Ankoatr’izany dia olona marobe no manameloka ny fandravaravan-javatra tsy amin’ny antony, sady manao izany koa ny tenany, ohatra, amin’ny fanipazana fako eny an-jaridaina, eny amin’ny arabe sy ny trano fanaovan-draharaha ho an’ny vahoaka ary na aiza na aiza alehany. Fanehoana fiheverana ve izany? Amin’izany ve no anarahana an’ity torohevitra nomen’i Jesosy ity: ‘Na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” (Matio 7:12). Asehonao amin’ny fitondrantenanao ve fa mifanaraka an-tsakany sy an-davany amin’ny fikasan’Andriamanitra ianao, dia ny hanova ny tany ho paradisa?
9. a) Ahoana moa no ikasihan’ny halatra ny olona rehetra? b) Nahoana moa Andriamanitra no tsy mankasitraka ny halatra?
9 Mba hiarovana ny ainy sy ny fananany, dia olona marobe no manidy mafy ny varavarany, mametaka makarakara vy eo anoloan’ny varavarankeliny sy manana alika mpiambina. Mampitombo ny vidin’entany ireo magazay ifidianan’ny mpividy ihany izay hovidiny, mba hanonerana ny fatiantoka amin’ny halatra. Mitombo ny olona mangalatra, nefa tsy tokony ho izany no izy ny amin’ireo izay miomana hiaina ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaon’Andriamanitra. Tokony hianatra hanao izay hampandry fahizay ny mpiara-belona aminy izy. Asehon’ny Baiboly fa “fanomezan’Andriamanitra” ny ho “finaritra amin’ny fisasarany rehetra”. Tsy ara-drariny àry ny hanesorana amin’ny olona iray ny vokatry ny asany (Mpitoriteny 3:13; 5:18). Olona tsy marina maro no niova. Tsy vitan’ny hoe nifady ny fangalarana fotsiny izy ireny, fa nianatra nitady fifaliana tamin’ny fanomezana koa (Asan’ny apostoly 20:35). Noho izy ireny maniry hahazo sitraka amin’Andriamanitra, dia nalatsany am-po ity torohevitra voasoratra ao amin’ny Efesiana 4:28 ity: “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.”
10. a) Ahoana moa, amin’ny tenintsika, no azontsika anehoana fiheverana ny hafa? b) Inona moa no hahatonga antsika ho afaka haneho fitiavana ny namantsika?
10 Matetika ny hoe ‘manome izay tsy manana’ dia ny maneho hatsaram-po aminy fotsiny, indrindra fa ao anatin’ny fahoriana. Nefa rehefa hita ny tsy fahalavorariantsika na ny fahadisoantsika, inona no mitranga indraindray. Tsy mahalana no andrenesana teny mahery vaika, kiakiaka, teny maharary na fanamarihana manafintohina. Na dia ireo mahalala ny maha-ratsy ny fitenenana toy izany aza dia tsy mahomby foana amin’ny fifehezana ny lelany. Inona no azon’izy ireny atao mba hanasitranana ny fahalemeny? Rehefa fotorana, ny tsy ampy aminy, dia ny fitiavana, ary izany dia manaporofo fa tokony hianatra hahalala kokoa an’Andriamanitra izy. Izay mahatakatra tokoa ny halehiben’ny fanehoan’Andriamanitra famindram-po aminy, dia tsy ho sahirana hamela ny heloky ny namany. Ny vao mainka tsaratsara kokoa ihany, amin’ny fanahafana ny ohatra omen’Andriamanitra, dia ho azony atao aza ny hahatsiaro fa mila ny hanampy an’ilay niteraka fahatafintohinana izy, amin’ny fanolorana fanipazan-kevitra feno fahamoram-panahy ho azy mba hahafahany hihatsara. — Matio 18:21-35; Efesiana 4:31 ka hatramin’ny 5:2.
11. Nahoana moa isika no hifady ny fampiasana fitenenan-dratsy, na dia amin’ireo manevateva antsika aza?
11 Marina fa ny olona rehetra ifampiraharahantsika akory tsy hampihatra daholo an’ireo torohevitra tsara dia tsara voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo. Na dia atosiky ny fahatsorana tokoa aza isika dia mety hahazo fitenenan-dratsy feno halozana. Inona no hataontsika amin’izay? Izao no torohevitra omen’ny Baiboly antsika: “Aza mety ho resin’ny ratsy hianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.” (Romana 12:17-21; I Petera 2:21-23). Ny faharetantsika tsy ampoizina aza dia mety hanova ny fihetsik’ilay miteny ratsy antsika ka hahatonga azy ho afaka haneho toetra tsara kokoa amintsika Na inona na inona fihetsiny, dia zavatra iray loha no azo antoka: rehefa manaraka ny lalan’Andriamanitra isika, dia manaporofo fa manohana ny fomba fanapahany, miorina amin’ny fitiavana.
NY FOMBA HANDRESENA NY FITOMPOAN-TENY FANTATRA ARA-PIRAZANANA, ARA-PIRENENA SY ARA-TSOSIALY
12, 13. Ahoana moa no anampian’ny Baiboly antsika handresy ny fitompoan-teny fantatra ara-pirazanana sy ara-pirenena ary ara-tsosialy?
12 Ny olona iray manana ny tena fitiavana dia tsy mba manaiky ny hampanan-kery eo aminy ny firazanana, na ny firenena, na ny laharana ara-tsosialin’ny mpiara-belona aminy. Nahoana? Satria fantany ity fahamarinana voarakitra ao amin’ny Baiboly ity: “Ny firenena rehetra [nataon’Andriamanitra] avy amin’ny iray ihany.” (Asan’ny apostoly 17:26). Araka izany dia mpihavana ny olona rehetra, ary noho izany dia tsy misy firazanana ambony avy hatrany noho ny hafa mihitsy.
13 Tsy misy mihitsy olona manana antony azo ekena mba hireharehana ny amin’ny fiaviany, ny firazanany, ny fireneny na ny toerany ara-tsosialy. Marina tokoa “fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23.) Mba hahatongavana amin’ny fahamarinana, ny olona rehetra dia miankina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy. Ahariharin’ny Baiboly ankoatr’izany fa ny olona izay manaiky ny fanavotana ka hotsimbinina amin’ny “fahoriana lehibe” antomotra, dia avy amin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. — Apokalypsy 7:9, 14-17.
14. Nahoana moa ny fahatsapan-javatra ratsy manokana no tsy antony azo ekena mba hananana fankahalana ny firazanana na firenena sasany?
14 Mba hanandramana manamarina ny fitompoany teny fantatra, ny olona iray dia mety hanonona zava-niseho nahasosotra nitranga taminy niaraka tamin’ny olona iray hafa firenena na firazanana noho ny azy. Tokony hotadidiany anefa fa ny zavatra ratsy hitany akory tsy mikasika izay rehetra anisan’io firazanana na firenena io. Ankoatr’izany dia tsy isalasalana fa efa nisy olona iray firazanana na firenena aminy nanao zava-dratsy sahala amin’izany. Raha manantena isika ny hiaina ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao sy milamin’Andriamanitra, dia tokony hesorintsika tsy ho ao am-pontsika izay rehetra mety ho fieboeboana mila hanalavitra antsika amin’ny olon-kafa.
15. Raha toa ny fanamarihana ataontsika mikasika ny firazanana na ny firenena iray ka mahatafintohina rahalahy ao amin’ny finoana iray, inona moa no ho vokatr’izany ho antsika eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy?
15 Na ho ela na ho haingana dia miseho amin’ny tenintsika ny fihetseham-pontsika. Hoy Jesosy Kristy: “Fa amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany.” (Lioka 6:45). Raha toa ny teny ataontsika ahitana taratry ny fitompoan-teny fantatra mikasika ny firazanana na ny firenena iray ka mahatafintohina olona izay manomboka mankafy ny fanomezan’Andriamanitra famonjena, hanao ahoana ny toerantsika? Mety ho ratsy dia ratsy ho antsika ny vokatry ny teny tsy mampiseho fahatsaram-panahy firy nataontsika, satria izao no nambaran’i Jesosy: “Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.” — Marka 9:42.
16. Ahoana moa no nampisehoan’i Jesosy fa tokony hiahy ny amin’ny hafa tsy misy fizahan-tavan’olona isika?
16 Manana adidy hihevitra ny mpiara-belona aminy ny kristiana, na toy inona na toy inona firazanany, fireneny na laharany ara-tsosialy (Jakoba 2:1-9). Nanazava tsara an’io hevitra io Jesosy tamin’ny filazana toy izao: “Fa raha manao fanasana hianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba; dia ho sambatra hianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo.” (Lioka 14:13, 14). Amin’ny fiahiana amim-pahatsorana ny amin’ny hafa no anaporofoantsika ny faniriantsika hanome taratry ny toetran’Andriamanitra marina tokoa.
AOKA ISIKA HIHEVITRA AMIM-PITIAVANA IZAY HAHASOA NY HAFA MANDRAKIZAY
17. a) Inona moa no zavatra sarobidy indrindra mety ho azontsika zaraina amin’ny mpiara-belona amintsika? b) Inona moa no tokony hanosika antsika hizara izany?
17 Mazava ho azy fa tsy ny amin’izay ilain’ny mpiara-belona amintsika ara-nofo ihany no tokony hahintsika. Tsy ho feno koa ny fitiavantsika raha mianina amin’ny fisehoana ho tsara fanahy amin’ny olona avy amin’ny firazanana rehetra, ny firenena rehetra sy ny toe-piainana ara-tsosialy rehetra isika. Mba hahatonga ny fiainany hisy heviny tokoa, dia tokony hahalala an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany ny olona. Tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’ny Rainy, dia izao no nambaran’i Jesosy Kristy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Raha namaky an’ity boky ity hatreto ianao, dia fantatrao izao ny fomba hahazoana an’io loka io. hitanao izay ambaran’ny Soratra masina mikasika ny ‘fahoriana lehibe’ voambara sy ny porofo hita maso manamarina ny fahantomorany. Fantatrao fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana ho an’ny olona. Mila an’izany fahalalana iankinan’ny aina izany anefa ny olon-kafa. Moa ve ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny mpiara-belona aminao manosika anao haniry hizara izany fahalalana izany amin’ny hafa?
18. a) Araka ny Matio 24:14, inona moa no asa nambaran’i Jesosy fa hatao amin’izao androntsika izao? b) Ahoana moa no tokony hiheverantsika ny fahafahana mandray anjara amin’io asa io atolotra antsika?
18 Raha niresaka ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” izy dia izao no nambaran’i Jesosy: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN). Toy inona moa ny tombontsoa amin’izany hoe solontenan’ilay Tompo-piandrianana tampony eo amin’izao rehetra izao, dia Jehovah, amin’ny maha-vavolombelona! Mbola atolotra anao ihany ny fahafahana handray anjara amin’io asa manokana nambaran’ny Zanak’Andriamanitra io, nefa tsy haharitra ela intsony.
19. Nahoana moa ny tsy fahampian’ny fitokisana ny fahaizanao no tsy tokony hisakana anao tsy handray anjara amin’io asa io?
19 Raha mikasa handray anjara amin’io asa io amin’ny maha-vavolombelona kristian’i Jehovah ianao, dia tadidio fa tsy ny fahaizanao manokana akory no zava-dehibe; Andriamanitra no manokatra ny fon’ireo izay mihaino tsara ny vaovao tsara (Asan’ny apostoly 16:14). Raha tsara fandray ny fonao, dia mety hampiasa anao mba hanatanteraka ny sitrapony Jehovah. Hafatra avy aminy izany, ary izy no mampitombo azy (I Korintiana 3:6). Hevero ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Ary manana izany fahatokiana izany ny amin’Andriamanitra izahay amin’ny alalan’i Kristy. Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin’inona na amin’inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin’Andriamanitra.” — II Korintiana 3:4-6.
20. a) Moa ve hihaino tsara ny vaovao tsara daholo ny olona rehetra? b) Ilaina ve ny hitoriana amin’ny olona tsy miraika na manohitra mihitsy aza?
20 Hita avy hatrany fa tsy tokony hantenaintsika akory ny hihainoan’ny olona rehetra tsara ny vaovao tsara. Marobe aminy no tsy hiraika; ny sasany hanohitra izany. Miova anefa ny olona. Tonga apostolin’i Jesosy Kristy be zotom-po Saoly avy any Tarsosy, izay nanenjika ny kristiana (I Timoty 1:12, 13). Na tsapan’ny olona izany na tsia, dia mila ny hafatra momba ilay Fanjakana izy ireny. Noho izany no tokony hampisehoantsika azy izany amim-piaikena mafy. Hiahy amim-pahatsorana ny amin’izay hahasoa azy ireny isika, fa tsy izay hahasoa ny tenantsika ihany. Ho vonona isika ny handany hery tsy voafetra ho azy ireny, mba hanaovana izay hahasoa azy mandrakizay (I Tesaloniana 2:7, 8). Na dia tsy mihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana aza izy ireny, dia ilaina ny asa. Misy fanambarana vita, ankalazaina ny anaran’i Jehovah ary ‘avahana’ ny olona. — Matio 25:31-33.
NIAHY NY AMIN’NY ANKOHONANAO VE IANAO?
21. Inona moa no andraikitra mipetraka amin’ny filoham-pianakaviana raha ny amin’izay mikasika ny fahasalamana ara-panahin’ny ankohonany?
21 Nefa ny fiezahana ataonao mba hanampiana ny hafa handray soa amin’ny fandaharana maneho fahamoram-panahy avy amin’i Jehovah, dia tsy tokony ho voafetra amin’ny olona any ivelany. Ny andraikitra voalohany indrindra ananan’ny loham-pianakaviana iray dia ny hamonjena ny ankohonan’ny tenany. Ny fandrosoan’ny mpianakaviny amin’ny ara-panahy dia miankina mivantana amin’ny tsy fahatapahan’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fianaram-pianakaviana mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra omaniny. Raha toa ny vavaka tononin’ny ray iray amin’ny anaran’ny fianakaviany ka maneho ny halalin’ny fandavan-tenany sy ny fankasitrahany, izany dia mety hanova ny fihetsiky ny mpianakavy rehetra.
22. Nahoana moa no zava-dehibe ny hanitsian’ny ray an’ireo zanany, ary inona no antony tokony hanosika azy hanao izany?
22 Ny loham-pianakaviana koa dia manana adidy hanitsy ny zanany. Rehefa misy zava-manahirana mitranga, ny lalana mora dia ny fiheverana izany ho toy ny tsy misy. Nefa tsy manefa ny adidiny ny ray raha tsy manitsy ny zanany raha tsy efa sosotra ny tenany na efa tena ratsy ny zava-manahirana. Araka ny Ohabolana 13:24, ‘ny ray izay tia zanaka dia manafay azy raha mbola kely’. Na dia rehefa vizana amin’ny faran’ny andro aza izy, ny ray tia iray dia hanao zavatra mety eo amin’ny fomba fanitsiany ny zanany. Ankoatr’izany dia haneho fitiavana izy amin’ny fanazavana amin’izy ireny amim-paharetana ny antony anaovana ny fanitsiana sy amin’ny fiheverana izay mety ho takatry ny sain’ny tsirairay avy sy mety ho vitany ara-pihetseham-po sy ara-batana (Efesiana 6:4; Kolosiana 3:21). Raha ray ianao, tia ny zanakao toy izany ve ianao? Amin’ny fisehoana ho vonona ny hiantsoroka izany andraikitra izany, dia hoporofoinao fa tsy ny ankehitriny ihany fa ny ho avin’ny ankohonanao koa no ahinao. — Ohabolana 23:13, 14; 29:17.
23. Ahoana moa no azon’ny reny iray ampisehoana fa mihevitra amim-pahatsorana ny fahasalamana ara-panahin’ny ankohonany izy?
23 Raha miara-miasa amin’ny vadiny ny reny mba hikarakara ny fahasalamana ara-panahin’ny zanany, dia manampy be dia be amin’ny fitondrana fahasambarana ao an-tokantrano izy. Mandrakariva, rehefa manana fitiavana lalina ny zanany ny reny iray ka mampiasa tsara ny fotoanany mba hamolavolana azy ireny amin’ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra, dia tsapa amin’ny fitondrantenan’izy ireny sy ny fihetsiny eo anoloany izany (Ohabolana 29:15). Na dia ao amin’ireo tokantrano tsy misy ray aza, ny reny iray izay mampianatra tsara ny Baiboly ka mampiseho ohatra tsara, dia mety hahazo vokatra tsara.
24. a) Raha mahita fanoherana avy amin’ny vadiny ny vehivavy kristiana iray, inona moa no tokony hotadidiany ao an-tsaina? b) Ahoana no hanehoany fitiavana marina amin’ny vadiny tsy mino?
24 Fa ahoana raha tsy manaiky ny Tenin’Andriamanitra ny lehilahy ka manenjika ny vadiny? Inona no fitsipi-pitondrantena harahin’ilay vehivavy? Raha tia an’i Jehovah izy dia tsy handa azy. Hotadidiany fa Satana no nilaza hoe hahafoy an’Andriamanitra ny olona raha iharam-pitsapana, ka azo antoka fa tsy ho tiany ny hiandany amin’i Satana (Joba 2:1-5; Ohabolana 27:11). Ankoatr’izany, ny Baiboly dia mananatra azy ho tia ny lahy sy hiahy ny amin’izay hahasoa azy mandrakizay. Raha miala amin’ny fahamarinana anefa izy dia tsy haneho fitiavana toy izany; tsy isalasalana fa izany dia hiteraka famoizany ny fiainana mandrakizay, toy izany koa ho an’ny lahy. Nefa kosa raha miorina mafy hatrany amin’ny finoana izy, dia afaka manampy azy hahazo ny famonjena (I Korintiana 7:10-16; I Petera 3:1, 2). Afa-tsy izany koa, raha manohy manatanteraka ny voady nataony tamin’ny fampakaram-bady izy, na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza, dia haneho fanajana lalina an’ilay Mpanao ny fanambadiana, dia Jehovah Andriamanitra.
25. Ahoana moa no ikasihan’ny fanapahan-kevitry ny ray na ny reny ny fanantenan’ireo zanany fiainana?
25 Ny vady mino iray dia manana antony lehibe tokony tsy hivadihana amin’Andriamanitra hatrany na dia ao aza ny fanoherana mety ho hitany. Izany dia ny amin’ny zanaka. Heverin’Andriamanitra amim-pankasitrahana ny zanaka madinik’ireo mpanompony mahatoky ary manome toky antsika izy fa raha mankato izy ireny, dia ho voaro amin’ny “fahoriana lehibe” efa antomotra. Na dia ao amin’izay tsy ahitana afa-tsy anankiray amin’ny ray aman-dreny manompo an’i Jehovah Andriamanitra aza, dia heverin’Andriamanitra ho ‘masina” ny zanaka kely. (I Korintiana 7:14). Fa ahoana raha toa ny vady mino ka ‘mitady fialan-tsiny’ mba tsy hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra intsony? Hamoy ny fankasitrahan’Andriamanitra izany vady izany, tsy ho an’ny tenany ihany, fa ho an’ireo zanany kely koa (Hebreo 12:25). Endrey izany fatiantoka mahatsiravina!
26. Mba hitondra soa ho an’ny tenantsika sy ny hafa, inona moa no tokony hataontsika?
26 Araka izany dia miharihary fa eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana dia ilaintsika ny miahy, tsy ny amin’ny tenantsika ihany, fa ny amin’ny mpiara-belona amintsika koa. Raha mizatra ny manao zavatra ho an’ny hafa tsy misy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena isika dia handray soa avy amin’ny fitiavan’ny hafa koa ny tenantsika (Lioka 6:38). Mba hanehoana fitiavana marina sy hanaovana izay tsy hahatonga ho voavilin’ny fiheveran-dison’olombelona, dia ilaintsika ny hahatongavana amin’ny fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra sy ny hitanana fifandraisana tsara aminy. Nefa izany dia miankina amin’ny fisafidianana tokony hataon’ny tsirairay avy manokana.
[Fanontaniana]