Ny fanajana ny aina izay fanomezana
Toko Faha-14
Ny fanajana ny aina izay fanomezana
1, 2. Nahoana moa isika no tokony hanana fanajana lalina ny aina izay fanomezana?
ANANKIRAY amin’ny fanorenan’ny tena fiadanana sy filaminana ny fanajana lalina ny aina izay fanomezana. Mampalahelo anefa fa olona marobe no tsy manana izany fanajana izany. Miharihary fa afaka maka ny ain’olon-kafa ny olona amin’ny famonoana azy; nefa tsy misy mihitsy olona afaka manome fiainana indray ho an’izay namoy ny ainy.
2 Tokony hoheverintsika ho adidy masina àry ny fanajana ny aina. Adidy amin’iza? Amin’ilay Mpanao ny aina, izay nanambaran’ny mpanao salamo hoe: “Fa ao aminao”, izany hoe ao amin’i Jehovah Andriamanitra, “no misy loharanon’aina.” (Salamo 36:9). Avy aminy ny aintsika, tsy hoe fotsiny satria izy no namorona ny olombelona, fa satria koa izy no nanome ho an’ny olona, fahafahana hitombo hatramin’izao fotoana izao ka nanome azy ny fomba hitanana ny aina (Asan’ny apostoly 14:16, 17). Ambonin’izany dia nataony izay hahatonga ny zanany ho Mpanavotra na Mpanao fanavotana ny fianakavian’olombelona, ka izany dia novidiny tamin’ny rany sarobidy. (Romana 5:6-8; Efesiana 1:7). Izany izao no anolorany an’izay maniry hanaiky izany, ny fanantenana kanto ny hiaina ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina. Moa ve tsy izany no tena irintsika? Koa tsy tokony haneho fanajana lehibe sy fankasitrahana lalina ve isika noho ny aina izay fanomezan’Andriamanitra? Ahoana izany?
3. Amin’ny fomba ahoana moa no mety hahatonga an’izay manaiky ny herisetra ho fanalana andro hanova ny fihetsiny eo anoloan’ny aina?
3 Voalohany indrindra aloha, raha miahy tokoa ny amin’ny fanajana ny aina isika, dia tsy hifanerasera amin’ireo izay, noho ny fialam-boly fotsiny, dia mameno ny sainy amin’ny fijeren-javatra manindrahindra ny herisetra. Tamin’ny fandraisana ny herisetra ho “fanalana andro”, dia olona marobe no tonga masiaka sy tsy mihontsina eo anoloan’ny fahorian’olombelona sy ny famoizana aina. Mianatra ny ho velona ho an’ny ankehitriny fotsiny izy ireny ary tsy maneho fiheverana firy ny amin’ny fahasambarana amin’ny ho avy na ny an’ny mpiara-belona aminy. Nefa kosa, raha mankasitraka an’Andriamanitra isika noho ny hatsaram-pony sy ny fanantenana omeny antsika, dia hanohitra izany toe-tsaina izany isika. Hamboly fanajana ny aina izay fanomezan’Andriamanitra, isika. Izany dia hisy vokany eo amin’ny fomba ampiasantsika ny fiainantsika, ny fifandraisantsika amin’ny mpiara-belona amintsika ary na dia ny fomba fiheverantsika an’ireo izay tsy mbola teraka akory aza.
AOKA ISIKA HANAJA NY AIN’IREO MBOLA TSY TERAKA
4. a) Amin’ny fotoana toy inona moa ny aina no afindra? b) Inona moa no mampiseho fa mihevitra ny ain’olombelona alohan’ny hahaterahana mihitsy Andriamanitra?
4 Tombontsoa kanto avy amin’Andriamanitra ny fahafahana hampita ny aina. Tsy eo am-pahaterahana akory no amindrana ny aina fa eo am-pahatorontoronina. Araka ny asehon’ny Encyclopédie britannique, dia amin’izay no “manomboka ny fiainana na ny tantaran’ilay olona amin’ny maha-olona miavaka sy manana aina 37”. Toy izany koa, ny fiheveran’Andriamanitra ny ain’olombelona dia manomboka alohan’ny hahaterahana. Raha niteny tamin’Andriamanitra Davida mpanao salamo dia nanoratra toy izao: “Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. (...) Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry [ny faritra rehetra aminy, MN ].” — Salamo 139:13-16; Mpitoriteny 11:5.
5. Nahoana moa no tsy azo ekena ny fanaporofoan-kevitra aroso mba hanandramana hanamarina ny fanalana zaza?
5 Amin’izao androntsika izao dia ain-jaza an-tapitrisany maro mbola tsy teraka akory no iniana tapahina amin’ny alalan’ny fanalana zaza. Ara-drariny ve izany? Misy milaza fa ny zaza mbola vao hateraka dia tsy mahatsapa izay atao hoe fiainana ary tsy afaka manana fiainana mahaleotena, any ivelan’ny kibon-dreniny. Nefa marina koa izany raha ny amin’ny zaza vao teraka izay tsy mahalala na inona na inona akory ny amin’izay atao hoe fiainana ary tsy afaka manohy miaina raha tsy misy ny fikarakarana hatrany hataon’ny ray aman-dreniny na ny olon-kafa. Ny pitiny bitika velona miforona ao an-kibon’ny reny amin’ny fotoana mahatorontoronina azy dia manana izay rehetra ilaina mba hahatongavana ho zaza raha tsy faranana ny fisiany. Saika hatraiza hatraiza dia heverina ho heloka bevava ny famonoana zaza vao teraka. Na dia rehefa teraka tsy tonga volana aza ny zaza iray dia misy fiezahana lehibe atao mba hamonjena azy. Amin’izany, nahoana no tsy hoheverina ho heloka bevava ny famaranana ny fisian’ny zaza iray mbola tsy teraka mba hisakanana azy tsy hitombo ka hahita masoandro? Nahoana moa ny aina no tsy tokony hoheverina ho masina afa-tsy any ivelan’ny kibon-dreniny fa tsy ao anatiny?
6. Ahoana moa no ampisehoan’ny Baiboly ny fiheveran’Andriamanitra mikasika an’ireo izay minia mamarana ny fiainan’ny zaza iray vao hateraka?
6 Ny zava-dehibe dia tsy ny fiheveran’ny olona, fa ny an’Andriamanitra, Mpanao ny aina. Eo imason’i Jehovah, ny ain’ny zaza iray vao hateraka dia sarobidy ka tsy tokony hatao kilalao. Teo amin’ny Isiraely fahizay, dia nanome lalàna izy izay nikendry indrindra ny fiarovana ny ain’ny zaza mbola tsy teraka. Raha toa, tamin’ny fifandirana nampifanohitra lehilahy roa, ka naratra ny vehivavy bevohoka iray na afa-jaza, dia nanomana sazy mafy io lalàna io (Eksodosy 21:22, 23). Miharihary fa ny finiavana hamarana ny fiainan’ny zaza vao torontoronina iray dia mbola vao mainka ho ratsy kokoa. Araka ny lalàn’Andriamanitra, isaky ny nisy ain’olona nafoy tamin’ny fanaovana fanahy iniana, dia nomelohina ho faty tamin’ny naha-mpamono olona ilay meloka (Nomery 35:30, 31). Mbola sarobidy toy izany foana eo imason’Andriamanitra ny aina.
7. Arovana amin’inona moa isika amin’ny fanajana ny sitrapon’Andriamanitra mikasika ny ain’ny zaza iray mbola tsy teraka?
7 Mitondra soa tokoa ny fanajana lalina ny sitrapon’Andriamanitra mikasika ny ain’ny zaza iray vao hateraka. Amin’ny fanaovana ny ray aman-dreny ho tompon’andraikitra tanteraka amin’ny aina hateraka, no isakanan’Andriamanitra ny fahalotoam-pitondrantena miaraka amin’ny voka-dratsiny rehetra, dia: ny aretin-dratsy toy ny tety, ny fananana anaka tsy irina, ny zazasary, ny tokantrano rava sy ny fahorian-tsaina vokatry ny fieritreretana ratsy. Izany fanajana izany dia mety hanamora dieny izao ny fiadanana ao anatin’ny fianakaviana ary hanampy be dia be amin’ny fitondrana fitahiana ho avy ho antsika.
NY FANAJANA NY AIN’NY TENANTSIKA
8. Nahoana moa isika no tokony hanaja ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fomba fitondrantsika ny tenantsika?
8 Inona no ho lazaina ny amin’ny fomba itondranao ny tenanao sy ampiasanao ny fiainanao? Milaza toy izao ny olona sasany: “Tsy nangataka ny ho teraka aho. Afaka mampiasa ny fiainako hanaovana izay heveriko ho tsara aho.” Nefa tokony ho nangatahina ve ny fanomezana iray vao hankasitrahana? Tsy azo lavina fa ny fiainana fotsiny dia efa zavatra tsara dia tsara; ny faharatsiana sy ny tsy fahatanterahan’ny olona no manaisotra aminy ny fifaliana sasany. Tsy Andriamanitra no tokony homena tsiny noho izany. Mampanantena izy fa hanitsy izany amin’ny alalan’ny Fanjakany. Tokony hampiasa ny fiainantsika amin’ny fanehoana fanajana ny sitrapo sy ny fikasan’Andriamanitra àry isika. — Romana 12:1.
9. Inona moa no lazain’ny Baiboly mikasika ny hatendàn-kanina sy ny fimamoana?
9 Ny fomba iray hanehoana ny fankasitrahantsika dia ny fihinanana sy ny fisotroana amim-pahalalana onony. Melohin’Andriamanitra ny hatendàn-kanina sy ny fimamoana (Ohabolana 23:20, 21). Nefa, toy ny mahatsara ny fihinanana amin’ny antonony, dia azo atao koa ny mampiasa fisotro misy alkaola amim-pahalalana onony. Izany no asehon’ny andinin-teny maro ao amin’ny Soratra masina. — Deoteronomia 14:26; Isaia 25:6; Lioka 7:33, 34; I Timoty 5:23.
10. a) Ahoana moa no ampihariharian’ny mpimamo ny tsy fahampian’ny fanajany ny aina? b) Araka ny asehon’ny I Korintiana 6:9, 10, nahoana moa no zava-dehibe ny hanariana ny fimamoana?
10 Tsy ny fisotroana àry, fa ny fimamoana no melohin’ny Baiboly, ary izany dia noho ny antony tsara. Ny mpimamo iray dia manimba ny tenany, manao zavatra amin-kadalana ary mety hampidi-doza ny hafa mihitsy aza (Ohabolana 23:29-35; Efesiana 5:18). Matetika ny fimamoana no miteraka aretin’aty ary mety hanafohy ny androm-piainan’ilay manaram-po amin’izany. Any Etazonia fotsiny, izay angamba eo amin’ny sivy tapitrisa eo ny olona tia fisotroana be na kely kokoa, isan-taona, ny toa fatiantoka vokatry ny fimamoana, na karama izany, na loza, na fitsaboana sy heloka bevava, dia tombanana ho eo amin’ny 4 000 tapitrisa ariary. Ny vidin’ny tokantrano rava, ny aina simba sy ny fahorian’olombelona dia “mihoatra noho izay rehetra mety ho fanombanana”. (The Pharmacological Basis of Therapeutics, 1970, p. 291). Tsy mahagaga àry raha nanambara toy izao ny apostoly Paoly: “Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga (...) sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” — I Korintiana 6:9, 10.
11. Mety ve ny handosirana ny zava-manahirana manokana amin’ny fimamoana?
11 Marina fa misy kivy aoka izany noho ny tarehin-javatra maneran-tany. Ny ady, ny heloka bevava, ny fisondrotan’ny vidim-piainana, ny fahantrana, ny fahasahiranana sy ny fanerena isan-karazany dia mahamafy ny zava-manahirana. Nefa tsy misy na inona na inona azo amin’ny faniriana handositra an’izany rehetra izany amin’ny alalan’ny fimamoana manimba. Tsy miteraka afa-tsy zava-manahirana vaovao ho antsika sy ny mpiara-belona amintsika izany; amin’ny farany izany dia mampanary antsika ny fahamendrehantsika ka manaisotra izay rehetra mety ho hevitry ny fiainantsika.
FAMPIASANA FANAFODY MAHANKONA
12. Nahoana moa no misy olona marobe mitodika any amin’ny fanafody mahadomelina?
12 Amin’ny fiezahany handositra ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana, dia mitombo isa ny olona mitodika any amin’ny fanafody mahankona. Marina fa fanafody mahankona maro no ampiasaina amin’ny fitsaboana, ary mety hila izany ny olona marary mba hahasitrana azy. Fa inona no holazaina ny amin’ireo izay mampiasa fanafody mahankona nefa tsy marary akory, fa noho ny faniriany fotsiny hahatsiaro fahafinaretana sasany na endrika haravoravoana mihitsy aza? Simban’izany ve ny fiainan’ireny olona ireny?
13. Inona avy moa ireo vokatry ny fampiasana fanafody mahankona sasany, ary inona no asehon’ny fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly raha ny amin’izany fampiasana izany?
13 Amin’izao fotoana izao, amin’ny fikatsahany an’ireny fahafinaretana ireny, dia olona marobe no mampiasa fanafody mahankona mahery dia mahery toy ny “héroïne” sy ny “cocaïne” na fanafody mahankona “psychédélique” toy ny L.S.D. Misy hafa koa mihinana “amphétamines” sy “barbituriques” be dia be. Inona ny vokany? Ny fampiasana ireo fanafody mahankona ireo dia mampanary azy mora foana ny fifehezan-tena ary miteraka eo aminy vokany azo ampitahaina amin’izay voamarika eo amin’ny olona mamo iray. (I Korintiana 6:9, 10; Ohabolana 23:33). Fantatra amin’ny ankapobeny, na dia eo amin’ireo mpitia fanafody mahankona aza, fa mety hampidi-doza izy ireny. Ohatra, any New York, dia ny fampiasana “héroïne” no antony lehibe indrindra miteraka fahafatesana eo amin’ny olona 18 ka hatramin’ny 35 taona. Endrey izany tsy firaharahana lalina ny aina izay fanomezana!
14, 15. Na dia tsy heverina ho fampiasana fanafody mahankona aza mandrakariva ny fampiasana “marijuana”, nahoana moa izay mifoka azy no tsy maneho fanajana amim-pahatsorana ny aina izay fanomezana?
14 Fa inona no holazaina ny amin’ny fampiasana “marijuana” (karazan-drongony), izay mandrakariva no tsy heverina ho fitiavana fanafody mahavery saina? Mampidi-doza koa izy io noho ny antony mihoatra ny iray. Ny anankiray amin’ny antony dia voasoritra ao amin’ny trakitra iray navoakan’ny ministeran’ny Fahasalamana, ny Fanabeazana sy ny Raharaha ara-tsosialy any Etazonia. Hazavainy fa “ny olona mampiasa fanafody mahankona tsy ara-dalàna dia mety hahita fanafody mahankona maro karazana amin’ny fifampikasohany amin’ireo izay mivarotra izany sy mampiasa azy”. Toy izany koa, ny rapaoro iray navoaka tao amin’ny U.S. News & World Report tamin’ny 1 febroary 1971, dia nanambara toy izao, teo ambanin’ny lohateny hoe “Fahitan-javatra vao haingakaingana mikasika ny marijuana”: “Asehon’ny zava-mitranga fa ny olona nitodika tany amin’ny marijuana noho ny antony ara-tsaina — tamin’ny finoana fa izany dia hanampy azy ireny handresy ny fahasahiranany na ny fahakiviany — dia mety hampiasa fanafody mahankona mahery kokoa rehefa avy eo.”
15 Nefa raha tsy izany aza no hita, ny fifohana marijuana fotsiny dia mety hampidi-doza. Tsy dia mitovy loatra ireo fiheverana mikasika izany; nefa tsara ny mamaky izay nahariharin’ny famotopotorana iray toy izao: “Ny fampiasana marijuana bebe ihany dia mety hiteraka fotoana mamparary saina tsy ampoizina sy mafy dia mafy, — na dia mihelina aza, — izay miseho amin’ny nofy, ny fahitan-javatra tsy tena misy, ny firintondrintonana, ny fahakiviana sy ny tahotra 38.” Milaza koa io fitantarana io ihany fa ny fampiasana marijuana tsy tapaka dia mety hiteraka fahavoazana ara-batana, ohatra, “manimba ny aty, misy vokany ratsy eo amin’ny lafiny mikasika ny fandovan-toetra, miteraka fahavoazan’ny atidoha sy tsy metimety amin’ny lalan-drivotra ambony”. Rehefa jerena amin’ny mety ho loza haterany, moa ve izay mampiasa marijuana manaja ny aina izay fanomezana?
16. Tandindomin-doza lehibe hafa inona koa moa ny mpitia fanafody mahankona iray, ary ahoana no tokony ho herin’izany eo amin’ny fiheverantsika?
16 Misy antony hafa iray lehibe koa tsy tokony hampiasana fanafody mahankona mba hahatsiarovana fahafinaretana sandoka. Mety hitarika ny olona iray hipetraka eo ambany kapoakan’ny demonia izany. Maro amin’ireo mpitia fanafody mahankona mihitsy no miaiky fa ny fampiasana azy dia matetika arahin’ny fanaovana sikidy. Tsy vaovao akory izany fifandraisan’ny fanafody mahankona sy ny fanaovana sikidy izany. Fahiny dia nampiasa fanafody mahankona ireo mpanao ody ratsy. Tao amin’ny Dictionnaire interprétatif des mots du Nouveau Testament (anglisy) nosoratany, dia nanao izao fanamarihana izao i Vine: “Amin’ny fanaovana ody ratsy, ny fampiasana fanafody mahankona, tsy mahery na mahery, dia mandrakariva no narahin’ny fandraikiraikena, ny fitalahoana atao amin’ny hery tsy hita (..), mba hahatonga an’ilay mpangataka ho taitra amin’ny fahaizana sy ny hery miafin’ilay mpanao ody ratsy.” Nanao an’io famoaboasan-kevitra io i Vine, mikasika ny teny grika nadika hoe “fanaovana ody ratsy” (pharmakia, ara-bakiteny, “fampiasana fanafody mahankona”) ao amin’ny Galatiana 5:20 (jereo koa Apokalypsy 9:21; 18:23). Amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny lasa, ny fampiasana fanafody mahankona àry dia mety hametraka ny olona iray ho eo ambany fitarihan’ny demonia. Ahoana no mety hisetran’izay maniry ny ho mpanompo mahatokin’i Jehovah ny loza toy izany noho ny fitiavana hahatsiaro fifaliana mihelina fotsiny?
17, 18. a) Inona moa no voka-dratsy hafa miaraka amin’ny fitiavana zavatra mahankona? b) Ahoana moa no fiheveran’ny vavolombelon’i Jehovah ny fampiasana fanafody mahankona?
17 Ny toe-javatra fantatra loatra koa dia ny fampiasana fanafody mahankona mifamatotra tsy misaraka amin’ny fanaovana heloka bevava sy ny toe-pitondrantena mikororosy mampiavaka ny fitambaran’olona. Ny fivarotana fanafody mahankona tsy ara-dalàna dia loharanom-pidiram-bola lehibe ho an’ny fanaovana heloka bevava voalamina. Olona mpitia fanafody mahankona marobe no manao halatra sy fandrobana mba hampaharetana ny fahazaran-dratsiny. Misy mivaro-tena. Fianakaviana an’arivony maro no rava rehefa tonga mpitia fanafody mahankona ny anankiray taminy. Ny reny bevohoka mampiasa fanafody mahankona dia manimba ny zanany, izay maty eo am-piterahana azy ny sasany. Any amin’ny ankamaroan’ny tany, raha tsy nahazoan-dalana avy amin’ny mpitsabo, ny fananana sy ny fampiasana an’ireny fanafody mahankona mampidi-doza ireny dia raran’ny lalàna. — Matio 22:17-21.
18 Irinao ve ny hanaraka fanao iray miteraka izany voka-dratsiny rehetra izany? Tsy tia izany ny vavolombelona kristian’i Jehovah. Tsy maniry tanteraka izy ny hampiasa fanafody mahankona mba hahatsiarovana fahataitairana mafy na mba handosirana ny zava-misy. Manana fanajana lalina ny aina izy ary miezaka hampiasa ny ainy amin’ny fomba mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
NY FAMPIASANA SIGARA SY PARAKY MBAMIN’NY ZAVATRA SAHALA AMINY
19. Amin’ny ahoana moa ny fampiasana paraky na sigara, “bétel”, sy ravina “coca” no misy fifandraisana amin’ny fanajana ny aina izay fanomezana?
19 Ny fampiasana paraky na sigara ary, any amin’ny tany sasany, ny “bétel” sy ny ravina “coca” dia vao mainka miely aoka izany amin’izao andro izao. Olona an-tapitrisany maro no manao izany, na dia ekena aza fa manimba ny tena sy ny saina koa aza amin’ny toe-javatra sasany, izany fanao izany. Nisy fitondram-panjakana nampitandrina ny olona tamin’ny sigara na paraky izay mampitombo ny aretina toy ny homamiadana (cancer) amin’ny avokavoka, ny tsy metimety amin’ny fo, ny “bronchite” maharitra sy ny “emphysème” (fivontosana vokatry ny fidiran’ny rivotra any amin’ny faritra amin’ny tena). Mampiseho fanajana ny aina izay fanomezana ve ny tena amin’ny fampiasana ireny zavatra manimba ireny?
20, 21. a) Moa ve ny tsy fanamelohan’Andriamanitra mivantana ny fanao toy izany milaza fa tsara izy ireny? b) Inona avy moa no fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly mampiseho fa ireny fanao ireny dia tokony harian’izay maniry amim-pahatsorana hanao ny sitrapon’Andriamanitra?
20 Hisy angamba hilaza fa noforonin’Andriamanitra ireny zavatra ireny. Marina izany; toy izany koa anefa ny holatra, nefa ny karazany sasany dia miteraka fahafatesana ho an’izay mihinana azy. Mety hilaza ny olona hafa iray fa tsy miresaka mivantana ny amin’ireny fahazarana ireny ny Baiboly ary tsy manameloka azy. Marina izany, nefa araka ny efa hitantsika, dia zavatra maro tsy melohin’ny Baiboly amin’ny fomba hentitra no miharihary fa ratsy. Tsy misy andinin-teny na dia iray aza ao amin’ny Baiboly mandrara ny fampiasana ny tokotanin’ny mpifanila trano aminao ho fanariam-pako; nefa, ny didy mibaiko mba ‘ho tia ny namana tahaka ny tena’ dia ampy hampiaiky antsika fa ratsy ny fomba toy izany. — Matio 22:39.
21 Ao amin’ny II Korintiana 7:1, ny Tenin’Andriamanitra dia mananatra antsika mba “hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy (esprit), ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra”. Ny zavatra “masina” dia “madio, mangarangarana, tsy misy pentina, tsy misy loto”. Madio hatrany sy tsy misy faharatsiana mihitsy Jehovah Andriamanitra; tsy mietry na oviana na oviana izy mba hanao zavatra amin’ny fomba maloto. Rariny àry ny hangatahan’Andriamanitra antsika mba “hahatanteraka ny fahamasinana” hatrany araka izay amelan’ny toe-tenan’olombelona antsika (Romana 12:1). Antenainy koa ny ‘hitiavantsika azy amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra’. Ahoana anefa no hahafahantsika hanao izany raha manaraka fanao mandoto ny tenantsika sy manimba ny fahasalamantsika ary manafohy ny androm-piainantsika isika? — Marka 12:29, 30.
22. Inona moa no mety hanampy ny olona iray hanafa-tena amin’io fahazaran-dratsy io?
22 Na dia mety ho “andevon’ny” anankiray amin’ireny fanao ireny aza ny olona iray dia mety handresy ka ho afaka amin’izany. Ny olona toy izany dia ‘azo havaozina amin’ny hery izay mampiasa ny sainy’. (Efesiana 4:23, MN.) Izany dia manolotra azy fomba fiaina vaovao izay mitondra fahafaham-po sy manome voninahitra an’Andriamanitra.
AOKA ISIKA HANAJA NY AINA ASEHON’NY RA
23. a) Inona moa no hany fampiasana ny ra ankasitrahan’Andriamanitra eo amin’ny lalàna nomeny ho an’ny Isiraely? b) Nahoana moa ny hevitr’ireny fanatitra ireny no manosika antsika hihevitra amim-pitandremana ny sitrapon’Andriamanitra mikasika izany?
23 Rehefa ny aina no resahina, dia tokony hohajaina koa ny ra. Nataon’Andriamanitra ho mariky ny aina ny ran’olona na biby. Izany no asehon’ny lalàna nomeny an’i Noa sy ny zanany, niaviantsika rehetra, sy ilay nomeny ny firenen’Isiraely taty aoriana. Tokana ihany ny fampiasana ny ra nankasitrahan’Andriamanitra, dia ny nampiasana azy ho sorona naterina teo amin’ny alitara, araka ny toromarika nomeny. (Genesisy 9:3, 4; Levitikosy 17:10-14). Ireny fanatitra rehetra ireny dia tandindon’ny an’ny Zanak’Andriamanitra, izay nandatsaka ny rany ho an’ny taranak’olombelona (Hebreo 9:11-14). Izany dia tokony hanosika antsika hitandrina tsara tokoa ny sitrapon’Andriamanitra mikasika an’io raharaha io.
24. Inona moa no asehon’ny Asan’ny apostoly 15:28, 29, raha ny amin’ny fiheverana kristiana mikasika ny fampiasana ny ra?
24 Mbola manan-kery foana eo amin’ny kristiana marina ve ireo fepetra nomanin’Andriamanitra ny amin’ny fampiasana ny ra? Eny, araka ny asehon’ny fanambarana ara-dalàna nataon’ny apostoly sy ireo loholona hafa tao amin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Notarihin’ny fanahin’Andriamanitra izy ireny, ka nanoratra toy izao: “Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina [noho izany dia tsy nalatsa-dra] ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa.” — Asan’ny apostoly 15:28, 29.
25. Amin’ny fomba ahoana moa no ampisehoan’izao tontolo izao ny tsy firaharahany ny lalàn’Andriamanitra mikasika ny ra?
25 Nefa, amin’izao andro izao, dia olona marobe no tsy miraharaha tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra mikasika an’io zavatra tena ilaina amin’ny fiainana io. Mampiasa ny ra tsy ahoan-tsy ahoana izy amin’ny sakafo, ny fanafody ary na dia amin’ny zavatra atao varotra toy ny zezika aza. Nefa moa ve izany tsy toetra mampiavaka ny izao tontolo izao tsy miraharaha aoka izany ny aina izay fanomezana? Nefa kosa raha heverintsika amim-pahatsorana ho sarobidy ny aina sy ny trosa tokony haloantsika amin’Andriamanitra, dia tsy hanao tsinontsinona ny sitrapony isika ary tsy hanala baraka azy amin’ny fandikana ny didiny.
26, 27. Nahoana moa izay tsy hankato an’Andriamanitra mba hiarovana ny ainy amin’izao fotoana izao no tsy haneho fanajana amim-pahatsorana ny aina izay fanomezan’Andriamanitra?
26 Araka izany, na dia tokony hiahy ny amin’ny fahasalamantsika aza isika ka hitady hiaro ny aintsika izay fanomezan’Andriamanitra, dia hanaiky ihany isika fa misy fetra sasany tsy maintsy tandremana. Izany no nasehon’ny Zanak’Andriamanitra mazava tamin’ny filazana toy izao: “izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hiaro izany ho amin’ny fiainana mandrakizay.” — Jaona 12:25.
27 Inona no tiany holazaina? Fa raha tsy maintsy mifidy ny tena mpanompon’Andriamanitra na hisetra ny fahafatesana amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra na tsy hankato azy mba hiarovana ny fiainany amin’izao fotoana izao, dia haleony ny fahafatesana toy izay ny tsy fankatoavana. Raha tsy nankato an’Andriamanitra Jesosy Kristy, na dia ny tenany koa aza dia nety ho afa-nandositra ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana. Talohany dia nisy olona naneho fifikirana tsy azo nohozongozonina toy izany tamin’ny sitrapon’Andriamanitra (Matio 26:38, 39, 51-54; Hebreo 11:32-38). Tsy navelany hisakana azy tsy ho mendrika ny fiainana mandrakizay ny fiainana ankehitriny.
28. Amin’ny fampitomboana ny fiheverana araka ny Baiboly mikasika ny fiainana, miomana ho amin’inona moa isika?
28 Toy izany ve ny fiheveranao ny fiainana? Takatrao ve fa mba hampisy heviny azy tokoa, dia tokony hiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ianao? Amin’ny fambolena fiheverana toy izany dieny izao, dia miomana hiaina ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra ianao. Amin’ny toe-javatra rehetra sy amin’ny fotoana rehetra, dia tsy hanana ahiahy tanteraka ny tsirairay avy, noho ny fahafantarana fa izay rehetra hiaina amin’izany eto an-tany dia hanaja amim-pahatsorana ny aina izay fanomezan’Andriamanitra.
[Fanontaniana]