Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fiadanana sy filaminana maneran-tany — fanantenana azo antoka

Ny fiadanana sy filaminana maneran-tany — fanantenana azo antoka

Toko Faha-9

Ny fiadanana sy filaminana maneran-tany — fanantenana azo antoka

1, 2. Inona avy moa ireo toe-javatra voambara ao amin’ny Baiboly hahatonga ny tany ho fonenana mahafinaritra tokoa?

 METY ho toerana onenana mahafinaritra sy mahavariana tokoa ny tany raha toa ka manjaka maneran-tany ny tena fiadanana sy filaminana. Na dia tsy izany velively aza no hita amin’izao fotoana izao, dia ambaran’ny Baiboly fa ny tany dia tsy maintsy ho tonga fonenana kanto tokoa hahafahan’ny taranak’olombelona hifaly an-tsakany sy an-davany amin’ny fiainana.

2 Inona avy moa ireo fitahiana ampanantenaina, ary ahoana no mety hahazoantsika antoka fa tena hisy tokoa izany?

ANTONY MAFY ORINA TOKONY HAHAZOANA TOKY

3, 4. a) Inona no azontsika tsoahina avy amin’ny maha-ara-dalàna an’ireo lalàna fototra eo amin’izao rehetra izao? b) Iza moa no Mpanao an’ireny lalàna ireny? Noho izany, inona no azontsika itokisana?

3 Izao rehetra izao dia eo ambanin’ny lalàna fototra izay mahazatra antsika ny ankamaroany ka tsy tsapantsika intsony. Miposaka sy milentika ny masoandro, mandalo amin’ny ambaratongam-piovaovany ny volana ary mifandimby ireo fizaran-taona; izany rehetra izany dia manampy amin’ny tsy fiovan’ny fiainan’ny olona. Azon’ny olona atao ny manorina fanisan’andro sy manao volavolan-kevitra taona maro mialoha, noho ny fahafantarana fa ara-dalàna ny fihetsehan’ny masoandro, ny volana sy ireo planeta. Inona no azontsika tsoahina avy amin’izany?

4 Mendrika itokiana ny Mpanao an’ireo lalàna ireo; azo antoka ny teniny sy ny ataony. Amin’ny anaran’ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany no ampanantenan’ny Baiboly fahatongavan’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina iray (Isaia 45:18, 19). Eo amin’ny fiainana andavanandro dia ara-dalàna ny hianteherana kely amin’ny olon-kafa: ny mpivarotra, ny mpizara taratasy, ny sakaiza akaiky, ets. Amin’izany, moa ve isika tsy tokony hiantehitra be lavitra amin’Andriamanitra sy amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenany tsy mety diso? — Isaia 55:10, 11.

5. Moa ve misy antony manosika mampiseho fitiavan-tena eo ambadik’ireo fampanantenan’Andriamanitra, ka hahatonga antsika hisalasala ny amin’ny fahamarinany?

5 Marina fa matetika ny olona no tsy azo antoka loatra satria tia tena. Nefa ny fampanantenana rehetra omen’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly dia miharihary fa nomena mba hahasoa antsika, fa tsy noho ny fitiavan-tena. Tsy afaka manome na inona na inona azy isika, ary ny finoana ny Teniny dia tsy mitondra soa manokana na inona na inona ho an’ny olona iray. Ankasitrahan’Andriamanitra kosa anefa ireo izay mino azy noho izy ireo tia azy, dia izy sy ny lalany. — Salamo 50:10-12, 14, 15.

6. Karazam-pinoana manao ahoana moa no avelan’ny Baiboly ho azontsika?

6 Ankoatr’izany, ny Baiboly dia mitodika any amin’ny fahaizantsika mieritreritra. Tsy mitady finoana jamba na fetezana hinohino zavatra foana amintsika izy. Ny finoana marina dia lazainy ho “fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita” (Hebreo 11:1). Ao amin’ny Baiboly Andriamanitra dia manome antsika antony mafy orina tokony hananana finoana. Manjary mihamiharihary hatrany izany antony izany, arakaraka ny ahazoantsika fahalalana ny Tenin’Andriamanitra ka ahatsapantsika ny fahamarinany eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fahatanterahan’ny faminaniany. — Salamo 34:9-11.

7. Amin’ny fampanantenana fitahiana ho avy, moa ve ny Baiboly mitady izay hinoantsika zavatra tsy azo atao?

7 Ireo fampanantenana fitahiana ho avy voarakitra ao amin’ny Baiboly dia mihoatra lavitra noho izay rehetra sahin’ny olona atolotra antsika. Ny Baiboly anefa akory tsy mangataka antsika mba hino zavatra mifanohitra amin’izay mety ho tsapan’ny olombelona. Ankoatr’izany koa, ny fampanantenany dia tsy mifanohitra amin’ny fanirian’ny olona ara-dalàna. Hahita fanamarinana an’izany isika amin’ny fandinihana ny sasantsasany amin’ny fitahiana kanto nampanantenaina.

TSY MAINTSY HO TONGA FONENANA PARADISA NY TANY

8, 9. a) Inona moa no dikan’ny teny hoe “paradisa”? b) Efa nisy teto an-tany ve ny Paradisa? d) Inona moa no milaza fa mbola fikasan’Andriamanitra foana ny hanorina ny paradisa eto an-tany?

8 Amin’ny olona marobe, ny teny hoe “paradisa” dia mampahatsiahy toerana iray tsy araka ny fahita mandrakariva na tsy misy mihitsy aza. Io teny io anefa dia avy amin’ny teny mitovitovy aminy (hebreo: pardès; persiana: pairidaêza; grika: paradeisos) nampiasaina fahizay mba hanondroana zavatra tena nisy teto an-tany. Ireo teny rehetra ireo dia milaza indrindra ny amin’ny “saha tsara tarehy” na “zaridaina”. Sahala amin’ny tamin’ny andro fahiny, amin’izao andro izao koa dia misy saha maro, izay midadasika tokoa ny sasany, ary hita avy hatrany tokoa fa tia ny mandinika amim-pahafinaretana ny hakantony ny olona. Mampanantena anefa ny Baiboly fa ho avy ny andro hanovana ny planetantsika manontolo ho saha midadasika, ho zaridaina na paradisa.

9 Rehefa namorona ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany Andriamanitra dia nomeny ho toerana fonenana ho azy ireo ny sahan’i Edena, anarana izay ny dikany dia hoe “Paradisam-pahafinaretana”. Tsy tokony ho voafetra ho amin’io toerana io anefa ny paradisa, satria izao no ambaran’ny Baiboly: “Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy.” (Genesisy 1:28; 2:8, 9). Tokony hanitatra ny paradisa hatrany amin’ny faran’ny tany àry ny olona. Tsy nanova na inona na inona ny amin’io fikasan’Andriamanitra io ny tsy fankatoavan’i Adama sy Eva. Raha nampiseho Jesosy Kristy fa mbola tian’Andriamanitra foana ny hanovana ny tany ho paradisa, dia nampanantena ny lehilahy iray maty teo anilany ka naneho ny finoany azy ho Zanak’Andriamanitra izy, fa hanana fahafahana hiaina ao amin’ny paradisa an-tany io (Lioka 23:39-43, MN ). Ahoana no hahatanterahan’io fikasana io?

10. Araka ny Apokalypsy 11:18, inona avy moa no vato misakana ny paradisa hoesorin’Andriamanitra?

10 Nampanantena Andriamanitra fa amin’ny “fahoriana lehibe” ho avy, dia hanaisotra izay rehetra misakana ny fanorenana ny paradisa izy amin’ny fandringanana an’ireo izay manimba ny tany (Apokalypsy 11:18). Hotontosainy amin’izany izay tsy ho azon’ireo fitondram-panjakan’olombelona atao na oviana na oviana. Hataony manjavona tsy ho hita amin’ny tany izay rehetra mandoto azy sy mamabo azy mba hanomezana fahafaham-po ny fitiavany harena ara-barotra, izay rehetra manimba azy amin’ny ady atao hahafaka ny hetahetam-pahefana ananany, farany dia izay rehetra manaram-po loatra amin’ny fampiasana izany noho ny tsy fahampian’ny fankasitrahana sy fanajana an’Andriamanitra, na dia ao aza ny fanomezany amim-pahalalan-tanana rehetra.

11. a) Inona moa no zava-niseho ara-tantara mampiseho fa ny fanorenana indray ny paradisa eto an-tany dia tsy mifanohitra amin’izay tsapan’ny olombelona? b) Mahatonga antsika ho afaka hino inona moa io ohatra io?

11 Amin’izay ny tany manontolo dia hivelatra toy ny voninkazo. Ho voadio ny rivotra eo aminy sy ny ranony ary ny taniny. Izany fanorenana indray ny paradisa izany akory tsy hoe kanto loatra ka tsy azo inoana, mifanohitra amin’ny zavatra mety ho tsapan’ny olombelona. Fahiny, rehefa nivoaka avy amin’ny fahababoana tany Babylonia ny firenen’Isiraely, dia nampiorim-ponenana azy indray tao amin’ny taniny Jehovah Andriamanitra. Rehefa tafaverina tany aminy ny Isiraelita dia nahita ny tany rava. Nefa, noho ny fitahian’Andriamanitra sy ny asan’izy ireo, tsy ela ny toerana dia voaova, hany ka nihiaka toy izao ny vahoaka teny amin’ny manodidina: “Ity tany (...) ity dia tonga tahaka ny saha Edena.” Ny hazo kypreso sy myrta no haniry ho solon’ny tsilo sy ny sampivato. Nanjary nahavokatra aoka izany ny tany ka nanilika izay rehetra nety ho loza avy amin’ny mosary (Ezekiela 36:29, 30, 35; Isaia 35:1, 2; 55:13). Nefa, izay nataon’Andriamanitra tamin’izany tao amin’ilay tany kelin’i Palestina, dia mampanantena ny hanao izany indray izy amin’ny ambaratonga maneran-tany, mba hahafahan’ny olona rehetra hifaly amin’ny fanomezany sy ny fahafinaretana hiaina ao amin’ny paradisa. — Salamo 67:6, 7; Isaia 25:6.

NY FARAN’NY FAHANTRANA SY NY FANANDEVOZANA ARA-TSOSIALY

12. Inona avy moa no toe-piainana sy toetry ny asa tokony hiova raha tian’ny olona tokoa ny hifaly amin’ny fiainana?

12 Tsy misy olona na iza na iza mahalala fa amin’izao andro izao ny fahantrana sy ny fanandevozan’ireo fandaharana ara-toe-karena dia fisehoan-javatra hita indray maneran-tany. Tsy ho fifaliana ny fiainana ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra raha mbola hisy olona an-tapitrisany maro ihany hanohy hiasa amin’ny karaman’olo-mahantra na hanatontosa asa dridralava mahatonga ny olona ho toy ny kodiarana tsy manana ny maha-izy azy ao amin’ny milina goavana iray.

13-15. a) Inona moa no ohatra ara-tantara mampiseho amintsika ny sitrapon’Andriamanitra amin’izany lafiny izany? b) Tamin’ny ahoana moa izany fandaharana izany no nitondra filaminana sy fahasambarana ho an’ny olona tsirairay avy sy ny isam-pianakaviana?

13 Ireo didy nomen’Andriamanitra ny Isiraely fahiny dia mahatonga antsika ho afaka hahafantatra hoe inona no sitrapony ny amin’ny olona amin’izany. Ny tsirairay avy tamin’ny fianakaviana isiraelita dia nandray tany ho fananana nolovana (Mpitsara 2:6). Marina fa ny Jiosy dia nanana zo hivarotra ny taniny ary hivaro-tena ho andevo mihitsy aza raha tsy afaka nandoa ny trosany. Nampanao fitandremana anefa Jehovah mba hanalavirana ny fanangonan-tany sy ny fanandevozana maharitra. Tamin’ny fomba ahoana no nanaovany izany?

14 Araka ny Lalàna nomen’i Jehovah ho an’ny olony, ny taona fahafito nanompoana dia tokony ho “taom-panafahana”, ka ny andevo isiraelita rehetra dia tsy maintsy nafahana. Ankoatr’izany, isaky ny dimampolo taona ny firenena manontolo dia nandray anjara tamin’ny taona “Jobily”, izay ‘hiantsoana fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy’. (Deoteronomia 15:1-9; Levitikosy 25:10). Amin’izay ny tany lova namidy dia tokony hiverina amin’ny tompony voalohany, ary tsy maintsy nafahana ny andevo isiraelita rehetra, na dia tsy naharitra fito taona aza ny fanompoany. Ny Jobily dia fotoana nahafaly nivorian’ny fianakaviana ary nandray “fiaingana vaovao” ny fiainana ara-toe-karen’ny firenena. Araka izany dia tsy raikitra akory ny fivarotana ny tany, satria rehefa dinihana, ny fivarotana rehetra dia “fanekena amin’ny fanofana” fotsiny ihany, izay tapitra, fara fahelany tamin’ny taona jobily nanaraka. — Levitikosy 25:8-24.

15 Ireny lalàna rehetra ireny dia nanampy tamin’ny fomba mahatalanjona mba tsy hisian’ny fivadibadihan’ny toe-karem-pirenena, ary mba hisian’ny filaminana sy ny fiadanan’ny isam-pianakaviana. Rehefa notandremana izany dia nisakana ny firenena tsy ho latsaka tao anatin’ny tarehin-javatra mampalahelo misy amin’izao fotoana izao any amin’ny tany maro izay ahitana kilasy roa: ny olona manan-karena dia manan-karena sy ny olona mahantra dia mahantra. Ny soa nentin’izany ho an’ny mponina tsirairay avy dia nanatanjaka an’ilay firenena, satria tsy nisy mihitsy olona diso anjara na nitambesaran’ny toe-piainana ara-toe-karena tsy ara-drariny. Mikasika ny andro nanjakan’i Solomona, mpanjaka izay nitodika tany amin’i Jehovah mba hahazoana fahendrena, dia izao no ambaran’ny Baiboly: “Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay (...), samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona.” (I Mpanjaka 5:5). Amin’izao androntsika izao dia olona maro be no tsy afaka mampiasa ny talentany sy ny fahaizany noho izy voahidy ao anatin’ny fandaharana ara-toe-karena manery azy ireny hanaraka ny fanirian’ny olona iray monja na ny antokon’olom-bitsy. Teo ambanin’ny lalàn’Andriamanitra, ny olona be herim-po dia nandray fanampiana, mba hahafahany mitondra amin’ny fomba feno, fiadanana sy fahasambarana ho an’ny rehetra. Izany rehetra izany dia mahatonga antsika hahazo an-tsaina kely amin’ny fahafahana manokana, ny amin’ny fahatsiarovana fa ilaina sy ny amin’ny ho fahamendrehan’ireo hahazo ny fiainana ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra.

16. Raha ny amin’ny toe-piainana, hanome inona ho an’ny vahoakany rehetra moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

16 Ny faminanian’i Mika 4:3, 4 dia ho tanteraka hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny tany. Ireo tia ny fiadanana izay hiaina eo ambanin’ny fitondram-panjakana marin’Andriamanitra dia “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny (...), ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny”. Tsy hisy na dia iray aza amin’ireo vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra hiaina ao amin’ny trano bongo iray na ao amin’ny tanànan’ny mpiasa misy mponina mihoa-pampana. Samy hanana tany sy trano daholo izy rehetra (Isaia 65:21, 22). Ny Mpanjaka, Jesosy Kristy, dia nampanantena fa “ny malemy fanahy (...) no handova ny tany”, ary satria izy manana “ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany”, dia ho azony atao ny hahatonga izany. — Matio 5:5; 28:18.

FAHASALAMANA SY FIAINANA MAHARITRA

17-19. a) Inona moa no mampiseho fa faniriana voa-janahary ny fahasalamana sy ny fahelavelona? b) Inona moa no zava-misy mikasika ny hazo sasany, manipika ny fahafohezan’ny androm-piainan’ny olombelona? d) Nahoana moa ny zavatra azon’ny atidohan’olombelona atao no mampiseho fa ara-dalàna ny nanaovana ny olombelona ho velona mandrakizay?

17 Nefa na dia izany toe-piainana izany aza dia tsy hanome anao fiadanana sy filaminana raha mbola hahatandindomin-doza ny ho avinao ihany ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesana. Moa ve tsy ara-dalàna na mifanohitra amin’ny zavatra tsapan’ny olombelona ny hanantenana ho voaro amin’izany loza izany indray andro any? Na manao ahoana na manao ahoana, dia tsy mifanohitra amin’ny toe-tenan’olombelona akory ny faniriana an’izany filaminana izany, satria nisy olona nandany ny androm-piainany rehetra sy nandany fananana hikatsahana izany.

18 Tsy ho hita fa tsy ara-dalàna velively ny fanantenana fahasalamana sy fiainana maharitra, fa moa tsy ny mifanohitra amin’izany ve no toa tsy araka ny fandrindran-kevitra? Araka ny tokony ho izy ve ny hahafatesan’ny olona eo amin’ny taona anombohany mandray soa avy amin’ny fahalalana, ny fanandramana ary ny fahaizana azony mandritra ny andro iainany, nefa ny hazo sasany velona mandritra ny an’arivo taonany maro? Nahoana ny olona nomena fahiratan-tsaina no hanana fiainana mihelina raha oharina amin’ny an’ny hazo iray tsy mahatsiaro tena sy tsy manan-tsaina? Tsy ho ara-dalàna kokoa ve ny hahaveloman’ny olona ela kokoa noho ny zavamaniry?

19 Ambaran’ny boky hoe Science Year (1967) fa araka ny fiheveran’ireo manam-pahaizana mpandinika momba ny fahanterana, “dia saika nitana ny zava-miafina rehetra ny aminy ny fandrosoana ho amin’ny fahanterana 32”. Velona eritreritra koa ireo manam-pahaizana noho ny atidohan’olombelona natao miharihary hitana filazana azo lazaina hoe tsy misy fetra. Ilay “biochimiste” atao hoe Isaac Asimov dia nilaza fa ny “fandaharam-panakilasian’ny” atidoha dia “afaka tanteraka mitahiry ny filazana rehetra sy ny fahatsiarovana rehetra mety ho tian’ny olombelona hotehirizina, — inarivo tapitrisa mihoatra noho izay asaina tehiriziny amin’izao fotoana izao aza 33”. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny atidohanao dia afaka mitahiry, tsy ny filazana rehetra voangona ao anatin’ny androm-piainana misy fitopolo na valopolo taona ihany, fa inarivo tapitrisa mihoatra koa! Raha izany no izy, moa ve mahagaga raha toa ny olona manana hetahetam-pahalalana aoka izany, manana faniriana hahafantatra sy hanatontosa zavatra sasany? Diso fanantenana anefa izy noho ny fahafohezan’ny androm-piainany. Ara-dalàna ve ny hananan’ny olona faritra amin’ny tena mahatalanjona toy ny atidohan’olombelona ka tsy hampiasa afa-tsy tapany kely dia kely amin’ny fahafahany miasa? Moa ve tsy ara-drariny kokoa ny hanekena ny fanazavan’ny Baiboly ilazana fa Jehovah Andriamanitra dia namorona ny olombelona mba hiaina mandrakizay eto an-tany ary nanome azy atidoha ilaina amin’izany?

20. Inona moa no fampanantenan’Andriamanitra raketin’ny Baiboly, mikasika ny vokatry ny fahotana sy ny fahafatesana koa aza?

20 Asehon’ny Baiboly fa tamin’ny voalohany ny olombelona dia nanana fahafahana ho velona mandrakizay, nefa veriny izany noho ny fikomiany. “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romana 5:12). Manamarina izany ny zavatra hitan’ny olombelona, satria manjaka hatraiza hatraiza eo amin’ny olona ny fahotana sy ny fahafatesana. Ny Baiboly koa anefa dia mirakitra an’ity fampanantenan’Andriamanitra ity, fa ao amin’ny paradisa tafaorina indray, dia “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. (Apokalypsy 21:3, 4; 7:16, 17). Ambarany tsy mety hisy fihambahambana mihitsy fa ny fikasan’Andriamanitra dia ny hahavelona mandrakizay ny olona afaka amin’ny vokatry ny fahotana (Romana 5:21; 6:23). Mbola tsaratsara kokoa ihany ny fampanantenany fa ireo fitahiana ao amin’ny fandaharan-javatra vaovaon’Andriamanitra dia hitatra ho an’ireo maty an-tapitrisany maro. Noho ny inona? Amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty, satria tsy maintsy foanana ny fasana iombonan’ny maty. Mikasika izany dia nanambara tamim-pahatokiana toy izao Jesosy Kristy: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [any amin’ny fasana fahatsiarovana, MN ] ny feony; dia hivoaka izy.” — Jaona 5:28-29.

21, 22. Nahoana moa no tsy hevi-dravina akory ny fanantenana hahita fahasalamana tsara indray?

21 Mamoaka “fanafody mahagaga” ny fitsaboana amin’ny andro ankehitriny ary mahavita zava-malaza tsy ho azo ninoana taonjato vitsivitsy monja teo aloha ny fandidiana. Moa ve àry isika tokony hisalasala ny amin’ny fahafahan’ny Mpamorona ny olombelona manatontosa zavatra mbola mahatalanjona kokoa ihany mba hanomezana indray fahasalamana tsara dia tsara ho an’ny olona manana fo marina, ary mba hampiverina ho amin’ny fahatanorana indray aza, tsy misy fampiasana hopitaly, efitrano fandidiana na faritra amin’ny tena nataon’olombelona? Noho ny hatsaram-pony dia nomen’Andriamanitra porofo isika fa tsy hevi-dravina akory ny fitahiana toy izany.

22 Fony teto an-tany ny Zanany dia nomen’Andriamanitra fahefana hanao asa fanasitranana lehibe. Nasehony tamintsika koa fa tsy misy fahosana, na kilema na aretina tsy azon’Andriamanitra sitranina. Rehefa niangavy an’i Jesosy ny boka iray mba hanasitrana azy, dia nangoraka azy Kristy, nanendry azy ary nilaza taminy hoe: “Madiova hianao.” Milaza mazava ny fitantarana fa “nadio tamin’ny habokany niaraka tamin’izay izy”. (Matio 8:2, 3.) Tsy tany amin’ny toerana nitokana tsy hitan’ny mason’ny vahoaka akory no nanaovan’i Jesosy an’izany fanasitranana izany. Izao no nosoratan’i Matio Levy mpanoratra tantara: “Ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ny tongotr’i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy; ka dia talanjona ny vahoaka (...); dia nankalaza an’Andriamanitry ny Isiraely izy.” (Matio 15:30, 31). Vakio, ohatra, ny Jaona 9:1-21, dia ho hitanao fa velona sy feno filazana zavatra nisy hentitra ny fitantarana ny fanasitranany. Afa-tsy izany dia vavolombelona maro no nanamarina azy, anisan’izany ny dokotera iray natao hoe Lioka. — Marka 7:32-37; Lioka 5:12-14, 17-25; 6:6-11; Kolosiana 4:14.

23, 24. Nahoana moa no tsy hoe tsy ara-dalàna akory ny hinoana fa ho velona indray ny maty eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra?

23 Noho ny antony sahala amin’izany ihany, dia tsy misy tokony hisalasalana ny amin’ny fampanantenan’ny Baiboly fa ‘hisy fitsanganan’ny’ maty (Asan’ny apostoly 24:15). Amin’izao andro izao ny olona dia afaka mitahiry ny feo, ny endrika sy ny fihetsehan’ny olona iray amin’ny horonan-tsary na ny horonam-peo ka mamerina azy indray, taona maro aty aorian’ny nahafatesany. Moa ve ny Mpamorona izay mahalala tsy misy diso ny firafetan’ny ataoma sy molekiola amin’ny tenan’ny olombelona tsy afaka manao toy izany ary mihoatra lavitra aza? Raha afaka mitahiry sy mampifanaraka filazana an’arivo tapitrisany maro ny “ordinateurs” nataon’ny olona, moa ve tsy ara-dalàna ny hieritreretana fa afaka mitadidy tsy misy diso ny maha-izy ireo maty Andriamanitra, mba hamelomana azy indray? — Joba 14:13.

24 Amin’izany koa Jehovah Andriamanitra, noho ny hatsaram-pony, dia nanome antsika ny fomba hampiorenana mafy ny finoantsika an’io fanantenana kanto io. Nomeny ny Zanany ny fahefana hanome ohatra kely ny amin’izay hataony amin’ny ambaratonga lehibe mandritra ny fotoan’ny fanjakany araka ny rariny eto an-tany. Nanangana maty tokoa Jesosy Kristy, ary teo anatrehan’ny vavolombelona no nanaovany izany. Tany akaikin’i Jerosalema izy dia nanangana an’i Lazarosy efa nanomboka ho lo ny fatiny. Hita àry fa misy antony mafy orina tokony hinoana ny fitsanganan’ny maty. — Lioka 7:11-17; 8:40-42, 49-56; Jaona 11:38-44.

MOA VE NY TANY HO AFAKA HANDRAY NY MPONINA TOY IZANY?

25, 26. Ho ampy ve ny toerana ho an’ny hitsangana amin’ny maty rehetra?

25 Moa ve ny planetantsika ho afaka handray tsy hananosarotra ny mponina hitombo noho ny fitsanganan’ny maty? Tamin’ny 1960 ny Dr Albert Elder, prezidàn’ny Fikambanana amerikana momba ny “chimie”, dia nanambara toy izao:

 “Efa nisy 5 000 taona mahery ny tantaran’olombelona vao nahatratra 1 100 tapitrisa ny isan’ny mponina teto amin’izao tontolo izao, tany amin’ny 1820. Tao anatin’ny taonjato nanaraka dia avy roa heny ny isan’ny mponina. Amin’izao fotoana izao izy dia eo amin’ny 2 800 tapitrisa, ary eo amin’ny voalohandohan’ireo taona 1960 izy dia mety hahatratra 3 000 tapitrisa [izany tokoa no hita]. Araka izany, tao anatin’ny 50 taona latsaka, dia nisy fitomboan’ny mponina sahala amin’izay nitranga tao anatin’ny taonjato 50 34.”

26 Hita àry fa ny mponina amin’ny tany amin’izao andro izao dia mampiseho tapany lehibe amin’ny isan’ny olona rehetra velona teto amin’ny planetantsika. Araka izany, dia izao no azo novakina tamin’ny 1966: “Notombanana fa ny isan’ny mponina amin’izao andro izao dia mampiseho ny 25 isan-jato amin’ny olona rehetra velona hatramin’izay 35.” Amin’izay dia azo tombanana ho 14 000 000 000 ny isan’ny olona rehetra velona tao anatin’ny fotoana nisian’ny tantaran’olombelona. Ny velaran’ny tany maina anefa dia 148 822 000 kilaometatra tsimivadimandry, izany hoe iray hektara tsara ho an’ny olona tsirairay avy efa velona. Noho izany dia ho ampy ny toerana, tsy ho an’ny fambolena vokatra ihany, fa ho an’ny ala koa, ny tendrombohitra sy ny toerana hafa koa, nefa tsy hahatsiaro ho teritery ireo mponina ao amin’ny paradisa an-tany. Ankoatr’izany, dia tsy tokony hohadinoina fa araka ny filazan’ny Baiboly dia tsy ho tafita velona daholo akory ny mponina amin’ny tany rehetra amin’izao fotoana izao, — tsy izany velively, — mba hiaina ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenaina.

27. Ho afaka hanome sakafo ho an’ny mponina rehetra eo aminy ve ny tany?

27 Moa ve ny tany ho afaka hamokatra sakafo ampy ho an’ny mponina toy izany? Araka ny filazan’ireo manam-pahaizana, dia ho afaka hanao izany izy, na dia ao anatin’ny toe-piainana ankehitriny aza. Ny revio Time (13 jolay 1970) dia namoaka fitantarana fa ny Fandaminan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo sy ny fambolena dia “manamafy fa ny vokatra mety ho azo avy amin’ny fambolena dia ampy hamelomana olona 157 000 tapitrisa”. Io tarehi-marika io anefa dia mihoatra lavitra noho ny isan’ireo velona rehetra teto an-tany, araka ny fanombanana.

28. Rehefa ho velona mandrakizay ny olona, nahoana moa no tsy hisy fihoaran’ny isan’ny mponina?

28 Mety koa ny mahatsiahy fa araka ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny voalohany, ny olona mpivady voalohany dia nahazo baiko ‘hameno ny tany ka hampanompo azy’, amin’ny fanitarana ny sisin’ny sahan’i Edena ho tonga hatrany amin’ny faran’ny tany (Genesisy 1:18). Tsy ny hisian’ny mponina mihoa-pampana eto amin’ny planetantsika àry no resahina, fa ny famenoana azy amin’ny antonony, ka ny tany ‘hampanompoina’ toy izany dia ho saha maneran-tany sahala amin’ny fonenan’ny olona voalohany. Noho izany, io baikon’Andriamanitra io dia mampahafantatra fa amin’ny fotoana sy amin’ny fomba voatendrin’Andriamanitra, dia hitsahatra ny fitomboana eo amin’ny olona. Amin’Andriamanitra izay nanome ho an’ny olona ny fahafahana hitombo, dia tsy miteraka zava-manahirana mihitsy akory izany.

FANORENANA AZO ANTOKA HO AN’NY FAHASAMBARANA MANDRAKIZAY

29, 30. a) Inona moa no vokatry ny fifandraisantsika amin’ny hafa eo amin’ny fahasambarantsika? b) Nahoana moa isika no mahazo matoky fa ao anatin’ny fandaharana vaovaon’Andriamanitra, dia ireo tia ny fiadanana sy ny filaminana ihany no hahazo ny fiainana mandrakizay?

29 Na dia afaka miaina eo afovoan’ny toerana kanto iray aza ianao, mahita fiadanana ara-nofo, manana asa mahavariana ary salama tsara, dia tsy hitondra fahasambarana maharitra ho anao izany. Eto an-tany tokoa dia efa misy olona manana izany zavatra rehetra izany, nefa tsy sambatra izy ireny. Nahoana? Noho ny fifandraisany amin’ny olona manodidina azy, izay mety ho tia tena, tia fifandirana, mpihatsaravelatsihy na mahadikidiky. Ny fahasambarana maharitra ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra dia ho avy amin’ny fiovan-toetran’ny olona maneran-tany indrindra. Koa satria izy ireny ho tia sy hanaja an’Andriamanitra ka hitady izay hanatanterahana ny fikasany, dia hanana fanambinana ara-panahy izy ireny. Raha tsy misy izany dia tsinontsinona ny fanambinana ara-nofo ary tsy mitondra fahafaham-po mihitsy.

30 Ny fahasambarana dia tsy miankina firy amin’ny zavatra ara-nofo fa miankina be lavitra amin’ny olona manodidina antsika, dia olona tsara fanahy, manetry tena sy mampiseho fitiavana azontsika tiavina tokoa, azontsika itokisana ary maneho fihetseham-po toy izany koa amintsika (Salamo 133:1; Ohabolana 15:17, MN ). Ny fitiavana an’Andriamanitra no fanorenan’ny tena fitiavana ny namana, izay hahatonga ny fiainana hahafinaritra tokoa ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina. Tsy hanome ny fiainana mandrakizay afa-tsy ho an’ireo izay nanaporofo ny fitiavany azy sy ny mpiara-belona aminy Andriamanitra. Raha manana olona toy izany ho mpiara-monina, sakaiza sy mpiara-miasa ianao, dia ho afaka hifaly amin’ny tena fiadanana sy filaminana ao anatin’ny fahasambarana maharitra. — I Jaona 4:7, 8 20, 21.

31. Raha irintsika tokoa ny hiaina ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaon’Andriamanitra, inona moa no tokony hataontsika dieny izao?

31 Koa satria misokatra eo anoloantsika ny fahatsinjovan-javatra kanto toy izany, ny fahendrena miseho amin’ny atao dia mitaky ny hianaranao ny hoe inona avy ireo fepetra tsy maintsy takina mba hanatanterahana izany. Dieny izao ianao dia tokony hampifanaraka ny fiainanao amin’ireo fepetra marina notononin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny ho an’ireo izay hotsimbinina amin’ny “fahoriana lehibe” ho avy. — II Petera 3:11-13.

[Fanontaniana]