Ny fisafidianana izay miantoka ny fiainana ao anatin’ny tena fiadanana sy filaminana
Toko Faha–16
Ny fisafidianana izay miantoka ny fiainana ao anatin’ny tena fiadanana sy filaminana
1. Raha manao ny fisafidianana tsara isika, fiadanana inona moa no mety hitantsika dieny izao?
TOY inona moa ny fahasambarana manana zava-kendrena eo amin’ny fiainana, mahalala izay haleha! Ary endrey ny fampaherezana azo rehefa manana antoka fa tsy misy lalana tsaratsara kokoa noho izany! Mitondra fiadanan-tsaina sy fo ny fananana toky toy izany. Mety hahita an’io fiadanana io sy hanana izany fahatokiana izany anefa ianao, raha manao fisafidianana tsara dieny mbola misy fotoana.
2. Inona moa no anovan’ny fahalalana an’i Jehovah sy ny fikasany tanteraka ny fiheverantsika ny fiainana?
2 Asehon’ny zavatra rehetra fa tsy afaka miantehitra amin’izao tontolo izao ankehitriny isika, ho loharanon’ny tena fiadanana sy filaminana. Izany no antony ampitodihan’ny Baiboly antsika, tsy ho amin’izao tontolo izao, na ho amin’ny tenantsika ihany, fa ho amin’i Jehovah Andriamanitra ho hany Loharanon’ny tena fiadanana sy filaminana. Rehefa tonga amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fikasany ny amin’ny olombelona isika, dia fantatsika ny antony maha-eto an-tany antsika sy ny mahatonga ny tarehin-javatra manjaka ankehitriny. Fantatsika ny fisafidianana farany tokony hataon’ny olona rehetra, ary fantatsika fa io raharaha io, milaza ny amin’ny fiandrianan’i Jehovah manerana izao rehetra izao, dia mikasika antsika rehetra sy ny fanantenantsika fiainana. Araka ny fanazavan’ny Tenin’Andriamanitra, dia takatsika ny tena fototry ny zava-manahirana ny olombelona. Noho ny Tenin’Andriamanitra, dia azontsika atao ny mahita raha toa ny zava-kendrena noferantsika ka marina sy mampiseho fahendrena sy ny hiaina mifanaraka amin’ny fitsipika ara-pitondrantena tsy miovaova sy mendrika inoana. Eny, na dia eo anoloan’ny aretina, ny fahanterana na ny fahafatesana aza, dia manana antoka mampahery isika fa raha manao ny sitrapon’i Jehovah isika, dia hiaina ao anatin’ny fahasalamana tsara ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina, raha ilaina izany dia amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty.
3. Nahoana moa Jehovah no afaka manatanteraka ny fanantenantsika rehetra?
3 Amin’izany dia takatra ny antony ananaran’ny Isaia 26:4 antsika amin’izao teny izao: “Matokia an’i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.” Tsy miova, tsitoha sy mandrakizay Jehovah ka tsy isalasalana mihitsy fa miankina aminy ny fahatanterahan’ny fanantenantsika rehetra. Irinao ve ny hahafeno ny fepetra ilaina mba hananana fitarihany sy ny fiarovany, tsy ankehitriny fotsiny, fa mandrakizay, ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenainy? Raha izany no izy, inona no tokony hataonao?
4. Mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah, inona moa no tokony hatao, ary azo atao ve izany?
4 Nanalavitra an’Andriamanitra ny olombelona noho ny fahotan’ireo ray aman-drenintsika voalohany. Noho izany, izay rehetra maniry hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah dia tokony hampihavanina aminy sy hampifamatotra fifandraisana tsara aminy. Nomen’Andriamanitra ny tsirairay avy amintsika ny fahafahana hanao izany noho ny Zanany, izay nanolotra ny ainy ho sorona ho an’izao tontolo izao (II Korintiana 5:19-21; Efesiana 2:12, 13). Tsy ampy anefa ny milaza fa maniry ny hanana ny fisakaizan’Andriamanitra isika.
5. Amin’ny antony manosika inona moa no tokony hitadiavantsika ny ho sakaizan’i Jehovah?
5 Tokony hanana faniriana mafy ny hanaporofo amin’Andriamanitra isika fa mitady fisakaizana aminy isika ary madio ny antony manosika antsika hanao izany. Azo antoka fa tsy ho faly Jehovah raha maniry hanana fisakaizana aminy isika mba handosirana ny loza voambara fotsiny. Marina fa mahatonga ny androntsika ho sarotra ny fahantomoran’ny fampiharana ny didim-pitsarany. Tsy ampy anefa ny fitadiavana ny fankasitrahany mandritra ny fe-potoana iray, na mba hahatafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” antomotra fotsiny. Tokony ho mandrakizay no hanaovana izany. Ny tena fitiavana ihany no hahatonga antsika ho afaka hanana izany antony madio manosika izany. Mba hahafahantsika mampiseho ny fahatsoran’ny faniriantsika hahazo sitraka aminy, Jehovah Andriamanitra dia nanonona tao amin’ny Teniny, fepetra sasany tokony hofenointsika mba hihavanana aminy.
FINOANA VELONA
6. Mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah, manao ahoana moa no tokony ho fatokisantsika azy?
6 Jehovah dia Andriamanitry ny fahamarinana. Afaka sady tokony hanana fitokisana tanteraka ny fampanantenany isika. Marina tokoa fa “raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady azy”. (Hebreo 11:6.) Manana finoana toy izany ve ianao? Raha izany no izy dia hanana fahatokiana ianao fa izay rehetra ataon’Andriamanitra dia ataony noho ny fikasana tsara sy marina, ary araka izay hahasoa antsika indrindra foana no ataony. Noho ny asa famoronany ary indrindra fa noho ny Teniny voasoratra, dia takatrao fa tsy hoe faran’izay hendry sy tsitoha fotsiny izy, fa feno hatsaram-po koa. Hita avy hatrany fa tsy hamela na oviana na oviana ny fotopoto-pitsipiny marina na ny fikasany izy. Nefa, na dia tsy tanteraka aza isika ka manao fahadisoana, dia manao izay hahazoantsika fitahiana izy, raha tia ny rariny isika. Tokony hiaiky ny amin’izany isika raha tiantsika ny hanana ny karazam-pinoana izay hampahery antsika sy hanatanjaka antsika amin’ny toe-javatra rehetra.
7. Ahoana moa no hiarovan’ny fitokisana ny fahamarinana sy ny fahendren’i Jehovah antsika?
7 Amin’izany, na dia rehefa hahitsy, hotenenina na hofehezina aza isika, dia ho fantatsika fa ny hahasoa antsika mandrakizay no anaovana izany. Amin’izany isika dia hanana fitokisana an’i Jehovah Andriamanitra, toy ny ianteheran’ny zanakalahy na ny zanakavavy iray amin’ny rainy tia, hendry sy matanjaka (Salamo 103:13, 14; Ohabolana 3:11, 12). Rehefa manana finoana toy izany isika, dia tsy hisalasala ny amin’ny toroheviny feno fahendrena, na ny amin’ny maha-ara-drariny ny lalany, na dia mbola tsy takatsika tanteraka aza ny zavatra sasany. Hiaro antsika izany, satria amin’izany isika dia hitoetra eo amin’ireo izay nahatonga ny mpanao salamo iray hanoratra toy izao: “Be fiadanana izay tia ny lalànao, ary tsy misy mahatafintohina azy.” — Salamo 119:165; Ohabolana 3:5-8.
8. a) Nahoana moa no tsy ampy ny finoana? b) Manosika antsika hanao inona moa ny andinin-teny ao amin’ny Asan’ny apostoly 3:19?
8 Nefa, araka ny asain’ny Jakoba 2:20, 26 marihina, dia “tsy vanona ny finoana tsy misy asa”, “maty”. Manosika hiasa ny tena finoana. Inona moa no anankiray amin’ny zavatra voalohany anosehan’ny finoana marina antsika mba hatao? Manosika antsika izy hanaraka an’ity fananaran’ny apostoly Petera ity: “Mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo [Jehovah, MN]”. (Asan’ny apostoly 3:19). Inona no dikan’io andinin-teny io?
AHOANA NO HIBEBAHANA SY HIVERENANA
9. a) Inona moa no atao hoe tena fibebahana? b) Ny amin’inona moa no tokony hibebahantsika?
9 Araka ny filazan’ny Baiboly, ny fibebahana dia milaza fiovana, — fiovan-tsaina arahin’ny alahelo sy ny nenina noho ny fanarahana fitondrantena iray na fanaovan-javatra azo tsinina (II Korintiana 7:9-11). Mba hananana ny “andro famelombelomana” nampanantenain’Andriamanitra, dia tsy ampy ny mibebaka noho ny amin’ny zava-dratsy natao tamin’ny lasa. Tokony hibebaka kosa isika satria fantatsika fa mpanota mihitsy ny maha-isika antsika, noho isika taranak’i Adama. Nanantitrantitra toy izao ny apostoly Jaona: “Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena (...) mampandainga Azy [Andriamanitra], ary ny teniny tsy ato anatintsika.” (I Jaona 1:8, 10). Tokony hampiseho tsara ny Mpamorona antsika isika, amin’ny fanompoana azy, ‘tahaka ny endriny, araka ny tarehiny’. Nefa misakana antsika tsy hanao izany amin’ny fomba tonga lafatra ny fahotana nolovana; “tsy mahatratra ny zava-kendrena isika”, araka ny tena hevitry ny teny hoe “fahotana” ampiasaina ao amin’ny Baiboly. — Genesisy 1:26; Romana 3:23.
10, 11. a) An’iza moa ny aintsika, ary nahoana? b) Noho izany, ahoana moa no tokony hampiasantsika ny fiainantsika?
10 “Mpitrosa” eo anatrehan’Andriamanitra àry isika, ary mila ny famelany (Matio 6:12, MN). Tsapantsika fa azy ny aintsika, satria izy no Mpamorona antsika. Fantatsika koa anefa fa noho ny sorona ain’olombelona tanteraka nataon’ny Zanany, ny olona rehetra (noho izany dia isika koa) dia novidina na navotana. Noho isika “olom-boavidy” lafo toy izany, dia tsy tokony ho “andevon’olona” isika, na ho andevon’ny fanirian’ny tenantsika mampiseho fitiavan-tena akory aza (I Korintiana 7:23). Nefa, talohan’ny hahalalana sy hanekena ny fahamarinana, moa ve tsy toy izany daholo isika rehetra? — Jaona 8:31-34.
11 Ankamaminao ve ny nanomezan’Andriamanitra ny Zanany, ary moa ve takatrao ao am-ponao izay rehetra nataon’Andriamanitra ho anao mba hahafahanao miala amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana? Amin’izany, raha tsy velona mba hankato ny Mpamorona anao ianao tamin’ny lasa, dia tsy isalasalana mihitsy fa anenenanao amim-pahatsorana izany. Izany dia hanosika anao hibebaka amin’ny fonao rehetra noho ny nanarahana ny fitsipi-pitondrantenan’izao tontolo izao, izay mifanohitra amin’ny sitrapo sy ny fikasan’Andriamanitra. — Asan’ny apostoly 17:28, 30; Apokalypsy 4:11.
12. Ahoana moa no anaporofoan’ny olona nibebaka fa nanary ny fitondrantenany teo aloha izy?
12 Ny fibebahana marina dia mitarika ny olona iray “hiverina”, araka ny hevitry ny matoanteny hoe “miova”. Izay mibebaka amim-pahatsorana dia tsy mianina amin’ny fanenenana noho ny nampiasany tamin’ny fomba ratsy ny fiainany tamin’ny lasa; ariany io lalan-diso io ka manjary halany tokoa ny fomba ratsy fanaovany zavatra. Porofoiny izany amin’ny ‘fiverenana’ sy amin’ny fanatontosana ny sitrapon’Andriamanitra. Mampifanaraka ny fiainany amin’ny fikasan’Andriamanitra izy. Manao “asa miendrika ny fibebahana” izy. — Asan’ny apostoly 26:20; Romana 6:11.
13. a) Inona moa no tian’i Jesosy holazaina raha nanambara tamin’ny mpianany izy fa tokony ‘handa tena’ izy ireo? b) Nahoana moa isika no manaiky tanteraka ny sitrapon’i Jehovah, ary inona no vokatr’izany eo amin’ny fiainantsika?
13 Ankoatry ny fibebahana sy ny fiverenana, dia ilaina ny ‘handavana ny tena’, araka ny nolazain’i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany (Matio 16:24). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy tompon’ny tenantsika intsony isika ary afointsika izay lazaina fa “zo” ny hiaina araka ny faniriantsika feno fitiavan-tena tsy misy fiheverana ny sitrapo sy ny fikasan’Andriamanitra. Ekentsika kosa fa Jehovah Andriamanitra dia manana zo tanteraka ny hampiasa ny fiainantsika, tsy noho izy Mpamorona fotsiny, fa satria indrindra ny Zanany nividy ny taranak’olombelona manontolo tamin’ny alalan’ny sorom-panavotany. Araka ny nolazain’ny apostoly Paoly dia: “Tsy tompon’ny tenanareo ianareo fa olom-boavidy ianareo”. (I Korintiana 6:19, 20). Izany no antony tsy anararaotantsika loatra ny fahafahana kanto omen’ny fahamarinana antsika, fa manaiky an-tsakany sy an-davany ny sitrapon’Andriamanitra isika, eo ambany fitarihan’ny Zanany (Galatiana 5:13; I Petera 2:16). Manao toy izany isika satria marina izany, nefa koa satria isika tia an’i Jehovah Andriamanitra ‘amin’ny fontsika rehetra, ny fanahintsika rehetra, ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra’. (Marka 12:29, 30). Moa ve izany tsy tokony hanosika antsika hanokana fifikirana tsy voazarazara ho an’Andriamanitra? Enta-mavesatra loatra ve izany? Vao mainka kosa aza isika mifaly amin’ny fiainana tsy mbola nisy toy izany. — Matio 11:28-30.
‘FANAOVANA FANAMBARANA AMPAHIBEMASO HAHAZOANA FAMONJENA’
14. a) Ahoana no azontsika ilazana amin’i Jehovah fa manaiky azy ho Tompontsika ara-dalàna isika? b) Araka ny Romana 10:10, 13, inona koa no ilaina?
14 Tsara dia tsara ny hivavahana amin’Andriamanitra mba hanehoana ny finoantsika ny fanomezany sy hanekena fa izy no Tompontsika ara-dalana. Nefa afaka sy tokony hanao zavatra mihoatra noho izany isika. Izao no vakintsika ao amin’ny Romana 10:10, 13: “Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena [anaovana fanambarana ampahibemaso, MN] hahazoana famonjena. (...) Fa “izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo [Jehovah, MN] no ho vonjena”. Tokony ho sambatra àry isika haneho ampahibemaso ny finoantsika an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fanomezany, amin’ny fo safononoky ny fankasitrahana. Ny fomba hanaovana izany dia mahafaoka ny batisa.
15. Nahoana moa ianao no tokony hieritreritra tsara ny amin’ny batisa?
15 Rehefa nanomboka ny fanompoany ampahibemaso teo amin’izao tontolo izaon’ny olombelona Jesosy Kristy, dia nanatona an’i Jaona Mpanao batisa izy mba hataony batisa. Araka ny Baiboly, dia izao no nambarany tamin’Andriamanitra tamin’izany: “Inty Aho tonga hanao ny sitraponao.” (Hebreo 10:9; Salamo 40:7, 8). Nodidian’i Jesosy hatao batisa koa izay rehetra ho tonga mpianany. Moa ve ianao vonona ny hatao batisa ho mariky ny fahatongavanao ho mpianany? — Matio 28:19, 20.
16. a) Ahoana no mety hahafantaranao raha vonona ho amin’ny batisa ianao? b) Inona moa no ataon’ny mpiandraikitra prezidà mba hanampiana an’ireo izay miomana ho amin’ny batisa?
16 Tombontsoa lehibe ny ho vavolombelon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa, vavolombelon’ilay hany Andriamanitra marina sy Tompom-piandrianana ara-dalàna eo amin’izao tontolo izao. Aoka hojerentsika indray izay voafaoka ao anatin’izany: Tamim-pitiavana, dia nomen’i Jehovah anao ny fahafahana hahazo ny fankasitrahany sy hampifamatotra fifandraisana aminy. Mba hanaovana izany, dia ilainao ny hananana finoana. Tokony hinoanao tokoa fa ny Baiboly dia teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra (II Timoty 3:16, 17). Ilaina koa ny hanehoana finoana an’i Jesosy Kristy ho ny hany fomba mahatonga anao ho afaka hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra (Asan’ny apostoly 4:12). Tokony hekenao fa miankina tanteraka amin’i Jehovah Andriamanitra ianao ary maniry amim-pahatsorana ny ho eo ambany fifehezany amin’ny andro iainanao rehetra, mba hanatontosa ny sitrapony, tsy mandritra ny taona vitsivitsy monja, fa ho mandrakizay. Izany tokoa ve ny fanirian’ny fonao? Araka ny efa nianaranao, mba hanaovana toy izany, dia ilaina ny tsy ho ‘naman’izao tontolo izao’. (Jaona 17:16; I Jaona 2:15.) Mba hanaporofoana ny fibebahanao sy ny hoe ‘niverina ianao’, dia tsy maintsy namela ireo fanao mifanohitra amin’ny fotopoto-pitsipika marin’Andriamanitra ianao, ary izao ianao dia miezaka amim-pahatsorana mba hanao izay angatahin’Andriamanitra aminao. Moa ve ny fitiavanao an’i Jehovah amin’ny fo tsotra manosika anao hanavao ny sainao sy hanova ny fiheveranao ny fiainana (Romana 12:1, 2)? Raha izany no izy, dia mamporisika anao ny Baiboly hanao “fanambarana ampahibemaso” ny finoanao. Raha izany no fanirianao, dia mety ny hilazanao azy amin’ny mpiandraikitra-prezidà ao amin’ny kongregasionan’ny vavolombelona kristian’i Jehovah iarahanao. Hanao fandaharana izy, mba hahafahanao hijery indray an’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly, ho fanomanana anao ho amin’ny batisa.
17. Nahoana moa ny batisa no tena ilaina mba hahazoana famonjena?
17 Ampiarahin’ny Soratra masina amin’ny famonjena ny batisa, ary takatra ny mahatonga izany. Rehefa avy niresaka ny amin’i Noa sy ny ankohonany izay novonjena tamin’ny safodrano naneran-tany ny apostoly Petera, dia izao no nambarany: “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io, — tsy fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.” (I Petera 3:21). Ahoana no tokony handraisana izany? Tsy ny rano anaovana batisa akory no mamonjy an’ireo atao batisa. Nefa kosa ireo milatsaka hatao batisa dia mitady ny famelan’Andriamanitra ny fahotany, mba hananana fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra. Fantatr’izy ireny fa mety ho azo izany famelana izany noho ny finoana ny vidin’ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy. Miorina amin’ny finoana toy izany, dia mangataka amin’Andriamanitra izy ireny mba hamela ny helony, ary maneho izany izy amin’ny fanatonana hatao batisa (Asan’ny apostoly 2:38). Omen’Andriamanitra azy ireny ny fieritreretana tsara nangatahiny. Amin’izany izy dia afaka na voavonjy amin’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny, ary hatreo izy dia manana ny fanantenana kanto atolotra an’ireo izay manao ny sitrapon’Andriamanitra (Galatiana 1:3, 4; I Jaona 2:17). Noho izany ny batisa kristiana dia tena ilain’izay rehetra maniry ho velona ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina nampanantenain’Andriamanitra efa akaiky izao.
18. Amin’ny alalan’ny Baiboly, hazavao ny fomba tokony hanohizantsika hanao “fanambarana ampahibemaso” ny finoantsika?
18 Mazava ho azy fa ny batisa akory tsy manamarika ny faran’ny ‘fanambarana ampahibemaso ny finoanao’. Raha tianao ny hanana hatrany ny fankasitrahan’i Jehovah, dia tsy tokony hitsahatra ny hiantso azy sy hitady ny fitarihany mihitsy ianao. Ny tokony hanaovana izany dia tsy takona ao an-tokantrano ihany, fa ampahibemaso koa. Mety àry ny handraisana anjara amin-jotom-po amin’ny asa manokana nankinin’i Jesosy Kristy amin’izay rehetra manaiky ho eo ambany fahefany. Izany dia ny fitoriana ny vaovao tsara’ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany sy ny fanaovana mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra. — Matio 24:14; 28:19.
ANKAMAMIO NY FIFANDRAISANAO AMIN’ANDRIAMANITRA
19, 20. Nahoana moa no zava-dehibe ny fianarana manokana mba hitanana fifandraisana tsara amin’i Jehovah?
19 Raha nanorina fifandraisana tamin’Andriamanitra ianao, ahoana no azonao itanana izany, tsy hoe mba hahatafita velona amin’ny fandravana izao tontolo izao efa akaiky ihany, fa mba hanompoana an’i Jehovah mandrakizay ao anatin’ny fifaliana, ny fiadanana sy ny filaminana koa?
20 Ho fanombohana dia tokony hampitombo hatrany ny fahalalanao mikasika azy ianao. Hahazo fanampiana amin’izany ianao amin’ny alalan’ny fianarana manokana ny teniny, ary hahazo fanampiana bebe kokoa ihany amin’ny fampiharana isan’andro ny zavatra nianaranao. Mety hitondra fifaliana lehibe ho anao ny fahazoana harem-pahalalana sy fahaizana ary fahendrena noraketin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, ny Baiboly. Azonao atao ny hanahaka an’ilay resahin’ny Salamo 1:1-3 amin’izao teny izao: “Sambatra ny olona izay (...) ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” Raha mamboly fitiavana marina ny fahamarinana sy fahalalana an’Andriamanitra tokoa ianao, dia handeha ao amin’ny “làlana mahafinaritra” ary ho ‘fiadanana ny alehanao rehetra’, satria hanana ny fahendrena ilaina mba hanatrehana ny zava-manahirana rehetra eo amin’ny fiainana ianao (Ohabolana 3:13, 17, 18). Ny hetahetam-pahalalana anananao, asehon’ny fankafizanao tokoa ny fianarana ny Baiboly, dia hanaporofo fa miomana hiaina ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao ianao, rehefa ho henika ny “fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina” ny tany. — Isaia 11:9.
21. Nahoana moa ny fahazotoana mamonjy fivoriana no tapany iray tena ilaina amin’ny fiainan’ny olon’i Jehovah?
21 Mba ‘hihazonana mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany’, dia tena ilaina koa ny hiaraha-mivory amin’ny mpanompo mahatokin’i Jehovah hafa. Amin’ny fanatrehana tsy tapaka an’ireo fivorian’ny olon’i Jehovah, dia tena hahazo famporisihana ho amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara” tokoa ianao, ka hahazo fampaherezana mba hitana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra (Hebreo 10:23-25). Hatanjaka ianao amin’ny fiarahana amin’io “fianakaviana” lehibe mahafinaritra io, satria ho hitanao ao ny porofo fa efa misy sahady ny fiadanana sy ny filaminana ampanantenain’Andriamanitra fa homena antsika ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaony. — Salamo 133:1; I Korintiana 14:26, 33.
22. Ahoana moa no azon’ireo “loholona” ao amin’ny kongregasiona anampiana antsika rehefa mahita fanoherana na fahasahiranana manokana isika?
22 Eo anivon’ny kogregasiona dia azonao atao ny manararaotra ny fandaharana hafa iray koa mampiseho fahamoram-panahy. Jesosy Kristy, ilay “Mpiandry” tsara, dia manana eto an-tany, ‘mpiandry lefitra’, dia “loholona” ara-panahy, izay tokony hikarakara ny ‘ondriny’. Izany dia anton-javatra tena lehibe mitondra fiadanana sy filaminana izay manjaka amin’izao fotoana izao eo amin’ireo kongregasionan’ny vahoakan’Andriamanitra eto an-tany (I Petera 5:2, 3) Ireny lehilahy ireny dia ‘fierena amin’ny rivotra sy fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ranovelona ao amin’ny tany karakaina, alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana’. (Isaia 32:1, 2). Eny, amin’ny fotoam-pikorontanana sy fanerena ary fihenjanana ateraky ny fanoheran’ny olona eo amin’izao tontolo izao na ny fahasahiranana manokana, ireny lehilahy efa matotra ireny na “loholona” ara-panahy dia afaka manome anao fanohanana mafy noho ny finoany sahala amin’ny vatolampy, sy ny tsy fivadihany tsy azo hozongozonina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Afaka manome torohevitra anao izy ireny, afaka manome fanampiana sy fampaherezana izay hamelombelona anao.
23. Nahoana moa no tsy havelantsika hanakorontana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny tsy fahatanterahan’ny hafa?
23 Marina fa ny tsy fahatanterahan’olombelona dia hiseho, na dia eo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra aza. Manao fahadisoana daholo isika rehetra isan’andro (Jakoba 3:2). Nefa moa ve isika ho tafintohina amin’ny tsy fahatanterahan’ireo rahalahintsika ka hamela ny kilemany hanakorontana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra? Koa satria isika rehetra manao fahadisoana daholo ary milaza zavatra anenenantsika atỳ aoriana, moa ve isika tsy tokony ho vonona ny hanome ho an’ny hafa ny famindrampo sy ny famelana izay antenaintsika fa mba handraisan’ny tenantsika soa koa (Matio 6:14, 15)? Raha tiantsika ny hanaporofo fa mendrika ny hiaina ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao sy mandry fahizay nampanantenain’Andriamanitra isika, dia tokony hasehontsika dieny izao fa afaka ny hiaina amim-pilaminana amin’ny mpiara-belona amintsika isika. Tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra isika raha tsy tia koa an’ireo rahalahintsika izay noho izy no nahafatesan’i Kristy. — I Jaona 4:20, 21.
24. Inona moa no toerana tokony hotanan’ny vavaka eo amin’ny fiainantsika?
24 Ny fifandraisana tsara tananao amin’Andriamanitra dia manome zo anao hanana tombontsoa kanto hafa iray, dia: ny fanatonana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka amin’ny fahatokiana fa mihaino anao izy. Ankamamio io tombontsoa io ka hararaoty isan’andro, ao anatin’ny andro. Hanana zava-manahirana ianao; mety hanome fanahiana anao ny tsy fahatanterahanao. Manoro hevitra anao toy izao anefa ny Baiboly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” — Filipiana 4:6, 7.
25. Inona moa no hanampy antsika hiaritra rehefa handalo fitsapana isika na henjehina noho ny finoantsika?
25 Tamin’ny fifidianana ny hanompo an’i Jehovah Andriamanitra, ilay tena Loharanon’ny fiadanana sy ny filaminana, sy tamin’ny fanaovana ny fandaharan-javany vaovao sy marina ho fototry ny fanantenanao, dia nanao fiaingana tsara ianao. Ankehitriny, araka ny nohazavain’ny apostoly, dia “tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra”. (Hebreo 10:36.) Rehefa nanandrana ireo fitahiana entin’ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah Andriamanitra ianao, dia manàna fahavononana tsy hiala mihitsy. Aza avela hanintona anao ireo fahafinaretana mihelina eo amin’izao tontolo izao. Na dia mety hiteraka fitsapana mafy sy fanenjehana aza izao tontolo izao fahavalo, dia aza hadinoina fa mihelina koa izany. Tsinontsinona ny fahoriana toy izany raha oharina amin’ny fitahiana homen’i Jehovah Andriamanitra an’ireo izay tia azy. — II Korintiana 4:16-18.
26. a) Inona moa no antony manokana tokony hifaliantsika? b) Toy ny mpanao salamo iray, tokony hanao ahoana moa ny fihetseham-pontsika eo anatrehan’i Jehovah sy ny fifandraisantsika aminy?
26 Mahareta ao amin’ny lalan’ny fitiavam-bavaka, amin’ny fananana fahatokiana fa izany no fomba fiaina tsara indrindra amin’izao andro izao ka tsy maintsy hitarika anao ho amin’ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaon’Andriamanitra izany (I Timoty 4:8). Mifalia amin’ny fahitana ireo porofon’ny fahantomoran’io fandaharan-javatra vaovao io, izay hitondra fiadanana sy filaminana mandrakizay. Raha mbola mitana ny fifandraisanao amin’i Jehovah Andriamanitra ianao, enga anie ianao ka hanana foana izao fihetseham-po nasehon’ny mpanao salamo nahazo tsindrimandry iray izao:
“Vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao Jehovah (...) no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.” — Salamo 73:26-28.
[Fanontaniana]