Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahoviana no ho tonga ny fandringanana an’izao tontolo izao voalazan’ny faminaniana

Rahoviana no ho tonga ny fandringanana an’izao tontolo izao voalazan’ny faminaniana

Toko Faha-7

Rahoviana no ho tonga ny fandringanana an’izao tontolo izao voalazan’ny faminaniana

1. Inona moa no fikasan’Andriamanitra kanto ho an’ny taranak’olombelona?

 TOY inona moa no ho fahamaivamaivanana raha tsy nisy intsony ny ady sy ny fanaovana heloka bevava ary ny fandotoana! Hahafinaritra tokoa ny hiaina eo ambanin’ny fitondrana iray tena araka ny rariny sy ny hahita tsy fananana ahiahy tanteraka, ho an’ny tena sy ho an’ny ankohonan’ny tena! Asehon’ny Baiboly fa hataon’Andriamanitra izay tena hisian’izany zavatra izany. Rahoviana anefa?

2. a) Rehefa ho tonga ny “andron’i Jehovah”, iza no ho taitra? b) Ahoana no azontsika isorohana izany tsy ho tonga amintsika koa?

2 Raha niresaka ny amin’ny fandringanana haneran-tany hahatonga hety ny fanorenana ny fandaharan-javatra vaovao sy marina nampanantenain’Andriamanitra ny apostolin’i Jesosy Kristy iray dia nanoratra toy izao: “Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo [Jehovah, MN].” Raha efa izany dia niteny tamin’ireo olona mianatra sy mampihatra ny Tenin’Andriamanitra izy ka izao no teny nanampiny: “Fa hianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.” (I Tesaloniana 5:2, 4). Ho taitra ireo izay tsy mihevitra an’io fampitandremana io. Rehefa ho tonga ny “andron’i Jehovah”, izy ireny dia toy ny biby voaray tampoka ao amin’ny fandrika tsy azony andosirana. Nefa tsy voatery ho tonga amin’izany akory ianao. Araka ny voalazan’io andinin-teny io, ny olona sasany dia “tsy ao amin’ny maizina”, tsy noho ny fahendren’ny tenany, fa noho izy ireny mianatra sy mandatsaka am-po ny Tenin’Andriamanitra. Inona no ambarany mikasika ny androntsika? — Lioka 21:34-36.

3, 4. a) Aiza moa no ahitantsika ny tena hevitr’ireo zava-miseho amin’izao taonjato faharoapolo izao? b) Inona moa ireo hevitra lehibe efatra voatantara ao amin’ny Baiboly ka hodinihintsika?

3 Lazalazainy ny mitranga amin’izao taonjato faharoapolo izao. Nefa efa ho roa arivo taona mialoha no nanaovany an’io filazalazana io. Raha fantatry ny rehetra tsara ny ankamaroan’ireny zava-niseho ireny, dia ny Baiboly no hany manome ny heviny feno.

4 Anisan’ny fanazavana omen’ny Baiboly mikasika ny androntsika, dia hita: 1) Ny fanambarana ny amin’ny taona voafaritra mazava tsy maintsy hanomezan’Andriamanitra “ho an’izay tiany”, ny zo hanapaka eo amin’ny “fanjakan’ny olona”. 2) Ny fitohitohizan’ny fandehan-javatra hiseho lehibe tsy maintsy hitranga mandritra ny fe-potoana lazaina hoe ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. 3) Fanazavana ny amin’ny faharetan’ny fotoana manomboka eo amin’ny fiantombohan’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” ka hatreo amin’ny fandringanana haneran-tany voalazan’ny faminaniana. 4) Filazana ny amin’ny toe-javatra vaovao sy mahataitra iray eo amin’ny raharahan’izao tontolo izao ho ny famantarana farany manambara fa madiva hitranga io fandringanana io. Aoka hojerentsika mifanesy ny tsirairay avy amin’ireo hevitra ireo.

1914—TAONA VOAMARIKA

5. Oviana moa ny vavolombelon’i Jehovah no nahatakatra fa ny Baiboly dia manondro ny taona 1914 ho taona tena lehibe?

5 Ireo faminanian’ny Baiboly dia nanamarika ny taona 1914 ho ny daty hahatonga zavatra hiseho any an-danitra lehibe tokoa, tsy maintsy hisy vokany lehibe dia lehibe eo amin’ny raharahan’ny olombelona. Vao tamin’ny 1876, ny vavolombelon’i Jehovah (fantatra tamin’izany tamin’ny anarana hoe “Mpianatra ny Baiboly”) dia nahatakatra an’io toe-javatra io ka nampiely hevitra be dia be ny amin’izany. Azonao atao ny mandinika amin’ny antsipiriany an’io zavatra io ao amin’ny Baibolinao ihany.

6. a) Sokafy ny Baibolinao amin’ny bokin’i Daniela, toko faha-3, andininy faha-33 sy toko faha-4, andininy faha-14, ary lazao ny hoe ny amin’ny inona no resahina. b) Iza moa no omen’i Jehovah ny “fanjakana”?

6 Sokafy izy ao amin’ny toko faha-3 sy faha-4 amin’ny bokin’i Daniela. Voarakitra ao ny faminaniana iray mampiharihary ny fikasan’Andriamanitra mikasika ny fampiharana ny fiandrianany eto an-tany. Ny zava-kendren’io faminaniana io voambara dia ny “hahafantaran’ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany”. (3:33; 4:14). Fantatsika fa Jesosy Kristy no nofidin’ny Avo Indrindra homena ny “fanjakana”. Ny boky farany ao amin’ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny fotoana nanomezana ny “Fanjakana amin’izao tontolo izao” ho an’i Kristy, ilay Mpanjaka any an-danitra (Apokalypsy 11:15; 12:10). Milaza àry izany fa ny faminanian’i Daniela dia mikasika ny fotoana tsy maintsy handraisan’ilay Andriamanitra avo indrindra anjara eo amin’ny raharahan’ny olombelona mba hanomezana ny “fanjakana amin’izao tontolo izao” ho an’ny Zanany, dia Jesosy Kristy; Araka ny filazan’io faminaniana io, rahoviana no tokony hitrangan’izany?

7. Lazao ny ventin-kevitra voalaza amin’ilay nofy ara-paminaniana voatantara ao amin’ny Daniela, toko faha-4, ary ahoana no nahatanterahan’izany tamin’i Nebokadnezara?

7 Ilay nofy ara-paminaniana nosoratan’i Daniela dia miresaka ny amin’ny hazo lehibe dia lehibe iray nokapaina ka nasiana fehy vy sy varahina ny fotony mandra-pahatapitry ny “fetr’andro fito” aminy. Nambara fa mandritra io fe-potoana io dia homena “fom-biby” izy. (Daniela 4-14). inona no dikan’izany? Naniraka an’i Daniela mpaminaniny Andriamanitra mba hanome ny fanazavana azy: Tokony hesorina tsy ho eo amin’ny seza fiandrianany Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona ka horoahina tsy ho eo afovoan’ny olona mba hiaina toy ny biby. Rehefa afaka fito taona, dia hody indray ny sain’ny mpanjaka, hanaiky ny fahambonian’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra izy ary ho tafaverina indray eo amin’ny seza fiandrianany (Daniela 4:17-34). Nefa nisy heviny mbola lehibe kokoa ihany izany rehetra izany. Izany no antony nanoratana an’io fitantarana io ao amin’ny Baiboly.

8. a) Mikasika ny fanjakana inona moa ny hevitr’ilay faminaniana lehibe kokoa? b) Amin’ny fahatanterahany lehibe, mampiseho inona moa ny nikapana ilay hazo, ary amin’ny heviny ahoana no hoe ‘nanomezana fom-biby azy’?

8 Io heviny lehibe kokoa io dia mikasika fitondram-panjakana iray izay hitondra soa ho an’ny zavaboary rehetra eto an-tany. Araka ny faminaniana, izy io dia hitondra “sakafo ho an’ny rehetra” ary koa fiarovana, na dia ho an’ny biby sy ny vorona aza (Daniela 4:9; jereo Matio 13:31, 32). Ny hany fitondram-panjakana tena afaka ny hanome zavatra toy izany dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Nandritra ny taonjato maro, ireo fotopoto-pitsipika marina amin’io fiandrianana io dia naseho tamin’ny alalan’ny fitondram-panjakan’i Joda, manana ho mpitarika azy, mpanjaka iray avy amin’ny taranak’i Davida nanana fiandrianana, tany Jerosalema. Nefa noho ny fivadihan’ireo vahoakan’io fanjakana io, dia navelan’i Jehovah izy haongan’i Nebokadnezara, mpanjaka babyloniana. Toy ny hoe nokapaina ilay hazo lehibe hita tamin’ny nofy ary nofatorana fehy vy ny fotony. Hatreo ireo fitondram-panjakana jentilisa dia nampihatra fanapahana maneran-tany, dia Babylona, notarihin’i Nebokadnezara, nanana ny fahamboniana. Ny Baiboly dia manondro an’ireny fanjakana jentilisa ireny ho ‘bibi-dia’. (Daniela 8:1-8, 20-22). Raha ny amin’ny fitondram-panjakana amin’ny tany, dia araka ny nanambaran’ny anjelin’ny lanitra azy àry ny fitrangan-javatra: “Ary aoka ho fom-biby no ho ao aminy; ary aoka ho fetr’andro fito no holanina aminy”. (Daniela 4:13). Nefa, amin’ny farany ireo “fetr’andro fito” ireo dia ho tapitra, hesorina ny “fehy” ary hitombo ilay “hazo” rehefa hanomboka hampiharin’ilay homen’i Jehovah ny “fanjakana amin’izao tontolo izao”, araka ny fampanantenany, ny fanapahana eo amin’izao tontolo izao.

9, 10. a) Toy inona moa ny faharetan’ny tsirairay avy amin’ny “fetr’andro fito”? Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly izany? b) Oviana no nanomboka ny “fetr’andro fito”, toy inona ny halavany, ary oviana no nifaranany?

9 Haharitra toy inona ireo “fetr’andro fito” ireo? Maherin’ny fito taona araka ny masoandro, satria rehefa taonjato maro taty aoriana, dia nasehon’i Jesosy Kristy fa mbola tsy tapitra izany. Tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nisy firesahana ny amin’izany ho toy ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”, izany hoe ireo firenena jentilisa, izay nitana ny fanapahana maneran-tany hatramin’ny nandresen’ny Babyloniana an’i Jerosalema, tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana. — Lioka 21:24, MN.

10 Jereo ny fomba ampisehoan’ny Baiboly fa izany dia “fotoana” ara-paminaniana. Araka ny Apokalypsy 11:2, 3, dia mitovy amin’ny roa amby efapolo volana na telo taona sy tapany ny 1 260 andro. Ao amin’ny Apokalypsy 12:6, 14, dia misy firesahana andro mitovy isa amin’izany (1 260), nefa mitovy amin’ny “fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro”, na “fetr’andro” telo sy tapany. Ny tsirairay avy amin’ireny “fetr’andro” ireny àry dia mifanitsy amin’ny 360 andro (31⁄2 x 360 = 1 260). Ankoatr’izany, ny andro tsirairay avy amin’ny “fetr’andro” voalazan’ny faminanian’i Daniela dia mitovy amin’ny taona iray manontolo, araka ny fitsipika hoe: “ny andro iray hosoloana taona iray”, nosoratan’ny mpaminanin’Andriamanitra roa nahazo tsindrimandry (Nomery 14:34; Ezekiela 4:6). Rehefa voaporofo izany, dia tsy sarotra ny mamantatra fa ny “fetr’andro fito” (7 x 360) dia manome 2 520 taona. Raha isaina manomboka eo amin’ny fararanon’ny taona 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana izany, rehefa naongan’i Babylona ny fanjakan’Andriamanitra tandindona tany Joda, ireo 2 520 taona dia mitarika antsika ho amin’ny fararanon’ny 1914 (6061⁄4 + 19133⁄4 = 2 520), daty tsy maintsy nanankinana tamin’i Jesosy Kristy, niakatra teo amin’ny seza fiandrianany tany an-danitra, ny “fanjakana amin’izao tontolo izao”.

11. Inona moa no lazain’ireo mpanoratra tantara raha ny amin’ny hevitry ny taona 1914?

11 Rehefa nahafantatra ny vavolombelon’i Jehovah fa nanondro tokoa ny taona 1914 ny Baiboly, dia tsy maintsy niandry am-polo taonany maro izy vao hahita ny fiafaran’izany zavatra izany. Tamin’ny voalohandohan’ny taona 1914 ny tarehin-javatra naneran-tany nilamina dia nahatonga olona marobe, anisan’izany ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao, hino fa tsy hisy na inona na inona hitranga. Nefa talohan’ny fahataperan’ny lohataona izao tontolo izao dia tafalentika tao anatin’ny ady iray tsy mbola nisy toy izany mihitsy teo amin’ny tantaran’olombelona rehetra. Mikasika ireo zava-niseho tamin’io taona io, dia nanoratra toy izao i A. L. Rowse, mpanoratra tantara iray tany Oxford:

 “Raha nisy koa taona nanamarika ny fahataperan’ny fotoana iray sy ny fanombohan’ny anankiray hafa, dia tena ny taona 1914. Io taona io dia namarana ny izao tontolo izao tranainy, sy ny fahatsiarovany ho tsy manana ahiahy, ka nitokana taona amin’ny andro ankehitriny izay ny fandriana andriran’antsy no anankiray amin’ny toetra mampiavaka azy 23”.

 Toy izany koa, ny famoaboasan-kevitra iray mikasika ny tantaram-piainan’i Winston S. Churchill, mpanao raharaham-panjakana britanika, dia manambara toy izao:

 “Ny tifitra natao tany Sarajevo, tamin’ny 28 jona 1914, no nandrava ny tsy fananana ahiahy sy ny antony namoronana an’izao tontolo izao. (...). Fiolahana izany, ary ny izao tontolo izao nahafinaritra, tony sy tsara teo aloha dia nanjavona ka tsy hipoitra intsony mihitsy”. — Fitantarana ny amin’ilay boky hoe Winston S. Churchill, boky II, nosoratan’i Randolph Churchill 24”.

 Io taona io, nambaran’ireo faminaniana araka ny Baiboly, roa arivo taona sy tapany teo ho eo talohan’izay, dia tena niharihary tokoa fa fiolahana teo amin’ny Tantara. Nanjary mbola nazava kokoa ihany ny tena heviny, arakaraka ny nitrangan’ny zava-niseho nanaraka.

12. Inona no niteraka ny fikorontanana lehibe nitranga teo amin’ny raharahan’olombelona, tamin’ny 1914 sy taty aoriana?

12 Mety ho toa hafahafa aloha ny hoe ilay fotoana tsy maintsy nandraisan’i Kristy ny fiandrianana mba hanapaka eo amin’ny izao tontolo izaon’ny olombelona dia voamariky ny ady tsy mbola nisy toy izany mihitsy teto an-tany. Nefa aza hadinoina fa ny ‘filohan’izao tontolo izaon’ny’ olona lavitra an’Andriamanitra dia Satana Devoly (Jaona 14:30, MN ) Tsy iriny ny hahita ny Fanjakan’Andriamanitra vao teraka sy natolotra an’i Kristy, handray ny fitarihana ny raharahan’ny tany. Tsy isalasalana fa mba hanandramana hampiala ny sain’ny olona tsy hihevitra an’io zava-niseho lehibe tokoa manerana izao rehetra izao io, dia notarihin’i Satana izy ireny ho ao amin’ny ady iray natao hanohanana ny fihamboany ho tompon’ny fiandrianana. Ankoatr’izany, araka ny asehon’ny Baiboly, rehefa teraka ilay Fanjakana ka nanjary niasa tanteraka, dia vonona Satana sy ireo demoniany hitelina an’ilay fitondram-panjakana vao teraka. Inona no vokany? “Nisy ady tany an-danitra.” “Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.” Fantatr’i Satana fa “kely sisa ny androny”. Lehibe ny fahatezerany (Apokalypsy 12:3-12). Inona no haterak’izany? Taonjato sivy ambin’ny folo mialoha, dia nambaran’ny Baiboly tamin’ny antsipiriany izany.

ZAVA-MISEHO MISY HEVINY MANOKANA

13. Inona moa no nitarika an’i Jesosy hilazalaza ny ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra’?

13 Tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana Jesosy dia nilazalaza tamin’ny antsipiriany ‘ny famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra’. Ahitana izany filazalazana izany ao amin’ny Matio 24 sy 25, Marka 13 sy Lioka 21. Raha mbola tany Jerosalema izy niaraka tamin’ny sasantsasany tamin’ny mpianany, dia nambaran’i Jesosy ny amin’ny fandringanana an’ilay tempoly kanto hita tao. Fotoana fohy taorian’izay, raha nipetraka teo amin’ny havoana iray tany ivelan’ny tanàna Jesosy, dia nangataka fanazavana hafa taminy ireo mpianany: “Lazao aminay: Rahoviana no hitranga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” — Matio 24:1-3, MN.

14. Tonony ny sasantsasany amin’ireo zava-niseho lehibe nampidirin’i Jesosy ho anisan’ny “famantarana”?

14 Rehefa avy nampitandrina azy ireny izy mba tsy hanaiky ho voafitaky ny mpisandoka izay, mba hanandramana hanao mpianatra, dia hilaza tena fa Kristy, dia izao no teny nanampiny: “Ary handre ady sy filazana ady hianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany [na: tsy tonga avy hatrany ny farany]. EFa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa. Fa izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana.” Araka ny Lioka 21:11, dia notononiny koa ny “areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa”. Nambarany koa ny “haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna” ary, noho izany, hoy izy, “dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro”. Raha efa izany, ny zava-dehibe tokoa, dia ny nanampiany teny hoe: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny [vaovao tsaran’ny MN.] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:4-14.

15, 16. a) Moa ve izany zavatra rehetra izany nitranga talohan’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70? b) Ahoana no ahafantarantsika fa tokony hisy fahatanterahany hafa mbola lehibe kokoa?

15 Nefa hisy angamba hametraka izao fanontaniana izao: “Moa ve ny sasany amin’ireo faminaniana ireo tsy tanteraka tamin’ny nandravan’ny Romana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70? Eny, ny maromaro aminy. Nefa, araka ny asehon’ireo faminaniana mihitsy, dia nisy zavatra mbola lehibe kokoa tokony hitranga. Novalian’i Jesosy ny fanontaniana iray nanintona ny sain’ny mpianany avy hatrany, nefa, tamin’ny fanaovana izany, dia nohararaotiny ny fahafahana hanome fanazavana mahatratra lavitra, mikasika zavatra mbola lehibe kokoa ihany. Nasehony azy ireo fa nasiany fitenenana koa ny amin’ny fotoana hahatongavan’ny “Zanak’olona” “amin-kery sy voninahitra lehibe” ka izay nolazainy dia nikasika ny hahatongavan’ny “fanjakan’Andriamanitra”. — Lioka 21:27, 31.

16 Tsy nitranga izany zavatra izany tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70. Ny Apokalypsy, boky farany ao amin’ny Baiboly, nosoratana taloha kelin’ny fahataperan’ny taonjato voalohany, dia nampiseho fa mbola vao ho avy ireo zavatra hiseho mikasika an’ilay Fanjakana ireo (Apokalypsy 1:1; 11:15-18; 12:3-12). Amin’ny teny ara-panoharana, io boky araka ny Baiboly io dia nampiharihary koa fa ny ady, ny mosary sy ny areti-mandringana nambaran’i Jesosy dia hisy fahatanterahany ho avy amin’ny ambaratonga hafa dia hafa amin’ny fotoana hanombohan’i Kristy sy hamitany ny fandresena ny fahavalon’ny Fanjakan’Andriamanitra rehetra (Apokalypsy 6:1-8). Nefa ny fahitana fa tapany lehibe amin’ny faminaniana nomen’i Jesosy ny mpianany no nisy fahatanterahany tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, dia mampiseho ny fahamarinany ka manome antsika antony tsara tokony hiandrasana amim-pahatokiana ny fahatanterahan’ny tapany sisa amin’ny faminaniana.

17. Tena hafa noho izay nisy talohan’ny 1914 tokoa ve ny toe-piainana maneran-tany ankehitriny?

17 Moa ve io faminaniana io nisy fahatanterahany lehibe kokoa sy feno kokoa amin’izao taonjato faha-roapolo izao? Eo imason’ny olona tsy nandre, latsaka ny fitopolo taona, ny toe-piainana manjaka amin’izao andro izao, dia mety ho toa tsy misy heviny manokana. Noho ny tsy fahatsiarovany ny fotoana naha-hafa dia hafa ny fiainana tsy toy ny ankehitriny, dia heveriny angamba fa “ara-dalàna” tanteraka ny fiainana hitantsika. Nefa, ny olona be taona kokoa sy ireo mahalala tsara ny zava-mitranga ara-tantara dia mahafantatra fa tsy toy izany no hita. Araka izany, mikasika ireo zava-niseho namely an’izao tontolo izao tamin’ny 1914, dia izao no ambaran’ny boky fianarana tantara iray ampiasaina any amin’ireo sekoly Soisa:

 “Firenena dimy ambin’ny folo monja no tsy nandray anjara tamin’ny ady. (...) Nefa tsy nisy na dia iray aza taminy nety ho ampy hery mba hanaovana ny anjara asan’ny mpanelanelana. Tsy mbola nisy toy izany mihitsy nitranga tao anatin’ny fotoana nisian’ny Tantara; tsy nisy mihitsy ady nitovy halehibe toy izany. Tanteraka ara-bakiteny ny faminanian’ny Baiboly masina manao hoe: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.” — Schweizergeschichte vom Dreiländerbund bis zum Völkerbund nosoratan’i Gustav Wiget 25.

18. Nahoana moa no ho diso isika raha milaza fa ireo ady maneran-tany no hany mahaforona ny “famantarana”?

18 Tsy nilaza anefa Jesosy hoe ny hahaforona ny “famantarana” dia ny ‘firenena hitsangana hamely firenena, ary fanjakana hitsangana hamely fanjakana’ihany. Nampiasa fanoharana izy ka nanambara hoe: “Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo fa ho tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Lioka 21:29-32). Raha mahita raviny mipoitra eo amin’ny hazo iray monja ianao, nefa tsy amin’ny fotoanany akory, dia tsy hanaiky ho voafitaka ianao ka hihevitra fa akaiky ny lohataona. Nefa kosa, rehefa hitanao mitsimoka ny hazo rehetra, dia fantatrao ny dikan’izany. Toy izany koa, Jesosy dia nanambara fa ny “fanatrehany” sy “ny fifaranan’ny fandehan-javatra” dia hiavaka, tsy amin’ny ady ihany, fa amin’ny zavatra sasany koa izay hiara-hitranga daholo ao anatin’ny taranaka iray ihany.

19. a) Araka ny asehon’ny tabilao, ahoana moa no nahatanterahan’ireo zavatra isan-karazany mahaforona ny “famantarana”, nanomboka tamin’ny 1914? b) Nahoana moa ny ady, ny mosary, ny horohorontany, ets., nitranga talohan’ny 1914, no tsy mahaforona ny “famantarana” noresahin’i Jesosy

19 Efa nitranga ve izany zavatra izany? Jereo ny tabilao mitondra ny lohateny hoe “Inona no ho famantarana?”. Amin’ny fandinihana azy dia hahatsiaro ho efa namaky fitantarana mikasika ny ady tao anatin’ireo taonjato lasa ianao. Miharihary anefa fa ny Ady Lehibe Voalohany dia miavaka amin’ny hafa rehetra amin’ny maha-fiolahana eo amin’ny tantara azy. Angamba ianao mahatsiaro ho efa namaky tao amin’ny boky ara-tantara fa nisy mosary lehibe, areti-mandringana, horohorontany na fe-potoan’ny faharatsiana talohan’ny 1914. Nefa tsy nisy mihitsy fotoana hafa teo amin’ny Tantara nahitana izany zavatra rehetra izany nitranga tamin’ny ambaratonga lehibe toy izao sy tao anatin’ny taranaka iray ihany. Ny lafiny hafa amin’ny “famantarana” tantarain’ireo nanoratra ny filazantsara dia hita amin’ny fomba miharihary koa. Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra tokoa, raha toa tsy mahaforona ny famantarana ireo zava-nitranga nanomboka tamin’ny 1914, inona indray no ilaina ambonin’izany? Tsia, tsy azo lavina fa miaina ao anatin’ny taranaka noresahin’i Jesosy isika.

20, 21. Nahoana moa, araka ny nanambaran’i Jesosy azy, ireo zava-miseho nifamatotra tamin’ny Ady Lehibe voalohany, no vao “fiandohan’ny fahoriana” fotsiny?

20 Ny fisehoan’ireo zavatra mahaforona ny “famantarana” ireo akory tsy milaza fa hoe hanaisotra avy hatrany amin’ny tany ny faharatsiana rehetra ny Fanjakana’Andriamanitra. Araka ny nambaran’i Jesosy, dia “izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana”. (Matio 24:8). Hanaraka ny hafa koa. Mikasika izay nitranga nanaraka izany, dia izao no nambaran’ny “encyclopédie” iray: “Ny ady Lehibe voalohany sy ny akony dia niteraka, tamin’ny fiandohan’ireo taona 1930, ny fahasahiranana ara-toe-karena lehibe indrindra teo amin’ny Tantara rehetra. Ireo vokatry ny ady sy ireo zava-manahirana hita tamin’ny fanorenana ny fandriampahalemana dia niteraka fikorontanana, saika tany amin’ny firenena rehetra.” (World Book Encyclopedia 26) Rehefa afaka taona vitsivitsy taty aoriana dia nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa, nahatsiravina lavitra noho ny voalohany. Hatramin’izay ny tsy firaharahana ny aina sy ny fananan’olona dia tsy nitsahatra ny nitombo, ary nanjary lafiny iray amin’ny fiainana andavanandro ny tahotra ny fanaovana heloka bevava. Nariana ny fitondrantena tsara, ary ny “fihoaran’ny isam-bahoaka” dia miteraka zava-manahirana mampiaiky an’ireo mpitondra fa tsy ahitany ny tena fanafodiny marina. Manimba ny toetry ny fiainana ny fandotoana ary mampananontanona ny fanjavonany mihitsy aza. Noho izany antony izany, ny fitantarana ny dinika nataon’ny Firenena mikambana mikasika ny manodidina ny olona dia nanambara fa ny taranak’olombelona dia madiva hahita “fahasahiranana tampoka kokoa, mitambatra kokoa, sarotra halavirina kokoa sy misafotofoto kokoa noho ny hafa rehetra nodiavin’ny taranak’olombelona”.

21 Oviana no nanomboka izany “fahorian” izany? Nanao izao fanamarihana izao ny Star any Londres: “Ny mpanoratra tantara sasany ao anatin’ny taonjato hanaraka dia tsy isalasalana fa ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra fa (...) 1914 no daty nahalasa adala an’izao tontolo izao 28.” Araka ny vao avy nojerentsika, io taona io dia voamariky ny faminanian’ny Baiboly hatramin’ny ela be.

FIOVANA LEHIBE EO AMIN’NY FIVAVAHANA

22. a) Tamin’ny faminaniany, nampiarahin’i Jesosy tamin’inona moa ny fitomboan’ny faharatsiana sy ny fangatsiahan’ny fitiavana? b) Ahoana moa no nampitomboan’ny fampianaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana an’izany?

22 Anisan’ireo zava-miseho lehibe voatanisan’i Jesosy ka tokony hitranga ao anatin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia izao koa no hita; “Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro. Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” (Matio 24:11, 12). Aoka homarihintsika fa ampiarahin’i Jesosy amin’ny fitomboan’ny faharatsiana sy ny fangatsiahan’ny fitiavana ny herin’ny mpaminany sandoka, izany hoe ireo mpampianatra ara-pivavahana izay mihambo amin’ny fomba diso ho miteny amin’ny anaran’Andriamanitra. Teo am-piandohan’ity boky ity dia nisy porofo nomena mba hampisehoana fa ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nitso-drano ny adin’ireo firenena, nanohana ny fiheverana fa lany andro ireo fitsipika ara-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly ary nilaza ho “angano” ny tapany sasany amin’ny Baiboly. Inona no vokany? ‘Fangatsiahana’ eo amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fifikirana amin’ny lalàny. Izany dia niharihary ho ny antony lehibe indrindra nahatonga fikororosian’ny fitondrantena amin’ny ankapobeny, anisan’izany ny tsy firaharahana ny fahefana sy ny namana. — II Timoty 3:1-5.

23, 24. Inona moa no nitranga tamin’ireo Fiangonana tato anatin’izao taona faramparany izao?

23 Noho ny fitomboan’ny toe-javatra, dia olona an’arivony maro no nandao an’ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ny sasany nitodika tany amin’ny Baiboly ka nampifanaraka ny fiainany tamin’izany. Ny hafa koa, kivy sy tofoka, dia nianina tamin’ny fandaozana an’ireo Fiangonana, tamin’ny fahatsapana fa izy ireny dia tsy afaka nanome azy ny tena fanampiana ara-panahy. Marobe tamin’ireny olona ireny no tonga fahavalon’ny fivavahana.

24 Izany no nahatonga ny New York Post ho afaka nilaza toy izao: “Ny fivavahana no tapany amin’ny fandehan-javatra tranainy toa manjavona ao ivohontsika amin’ny hafainganam-pandehan’ny fahazavana 29.” Izao koa no nambaran’ny New York Times: “Ny manam-pahaizana Alemaina iray momba ny sosiolojia ara-pivavahana dia nanambara (...) fa eo an-dalam-panjavonana ny fivavahana voalamina 30.” Niaiky ny L’osservatore Della Domenica, gazety mivoaka isan-kerinandro any Vatican, fa any Etazonia ny Eglizy katolika dia nohozongozonina sahala amin’ny tamin’ny “horohorontany mahery vaika 31.” Nampiany koa fa saika isan’andro dia misy “loza aman’antambo vaovao” mamely ny Eglizy: ny fialan’ny pretra sy ny relijiozy, ary ny fikatonan’ny sekoly sy ny seminera katolika. Ao amin’ireo Fiangonana rehetra amin’ny fivavahana lazaina fa Kristiana, dia mihena ny isan’ny zazalahy miditra amin’ireo seminera, misy sekoly ara-pivavahana mikatona ary gazety ara-pivavahana marobe no tsy miseho intsony. Mihena hatrany ny famonjena fotoam-pivavahana any amin’ny ankamaroan’ny Fiangonana, ary trano fivavahana maro no amidy.

25. a) Nefa kosa, inona no nambaran’ny Baiboly mikasika ny fanompoam-pivavahana marina amin’ny andro farany? b) Eo ambany fitarihan’iza moa no atao ny fanangonana an’ireo mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina, ary mifototra amin’inona izany? d) Ny amin’ny raharaha inona moa no tokony hampisehoan’ny olona izay toerana tanany?

25 Ampahafantarin’ny Baiboly kosa anefa fa amin’ny andro farany dia hisy “olona betsaka” avy amin’ny firenena rehetra ho voasintona ho amin’ny fanompoam-pivavahana marina (Apokalypsy 7:9, 10, 14). Izany fanangonana an’ireo mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina izany dia atao eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy. Ny tenany mihitsy no nanambara fa rehefa hiverina “amin’ny voninahiny” izy, dia hampitodika ny sainy ho amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra mba hanavahana azy ireny, na ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”, na ho amin’ny fandringanana azy mandrakizay (Matio 25:31-33). Mifototra amin’inona moa no anavahana azy ireny toy izany? Nambaran’i Jesosy fa izany fifantenana izany dia hatao arakaraka ny fihetsiny eo anoloan’ireo ‘rahalahiny’ ara-panahy eto an-tany. Nahoana? Satria izy ireo solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Jesosy Kristy. Mankatò an’i Jesosy izy ireny, ka mitory “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity”, ary izany dia “amin’ny tany onenana manontolo ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. (Matio 24:14, MN.) Io vaovao mikasika an’ilay Fanjakana io dia mitarika ny olona avy amin’ny firenena rehetra haka ny toerany raha ny amin’ny raharaha mikasika ny fiandrianana manerana an’izao rehetra izao. Miandany amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra ve izy ireny? Sa, araka ny fanambaran’i Satana tany Edena, dia aleony ny fitondram-panjakan’ny olona tsy miankina? Amin’ny alalan’ny Zanany, dia omen’i Jehovah fahafahana hisafidy ny tsirairay avy.

26, 27. a) Nanao ahoana ny efa nanaovana ny asa fanambarana? b) Nahoana moa no zavatra tena lehibe tokoa ny fihetsiky ny tsirairay avy eo anoloan’ny hafatra momba ilay fanjakana?

26 Nisy fanambarana natao maneran-tany. Any amin’ny tany 208, ny vavolombelona kristian’i Jehovah dia mitsidika ny olona any an-tranony ka manipy hevitra amin’ny olona tsirairay avy na ny fianakaviana tsirairay avy mba hianatra maimaimpoana ny Baiboly miaraka aminy. Ny zavatra voasoratra ampiasainy mba hanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra no anisan’ireo boky fatra-piely indrindra eo amin’izao tontolo izao, ary izany dia amin’ny fiteny maherin’ny 160.

27 Efa hatramin’ny taona maro izao no nanaovana an’izany asa fanavahana izany. Madiva dia madiva hifarana tokoa izany. Araka ny tenin’Andriamanitra, ireo izay ho ninia nanda ny Fanjakany na, noho ny tsy firaikana, dia tsy nety nanararaotra ny fahafahana hahalala azy natolotra azy ireo, dia hofoanana amin’ny alalan’ny fandringanana mandrakizay (Matio 25:34, 41, 46; II Tesaloniana 1:6-9). Ho an’ny hafa, dia ireo izay nampahafantatra an-tsitrapo sy tamim-pifaliana ny tenany ho vahoaka tso-pon’ny Fanjakan’Andriamanitra, izany dia ho fotoam-pahasambarana lehibe. Nefa, araka ny filazan’ny Baiboly, ao anatin’ny fotoana toy inona no hampiharana an’izany fitsarana izany?

TSY HO LANY MIHITSY ITY TARANAKA ITY

28. Araka ny filazan’i Jesosy, rahoviana moa no tokony hitranga ny fandringanana an’izao tontolo izao?

28 “Fa ny amin’izany andro sy ora izany, hoy ny nambaran’i Jesosy, dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. (Matio 24:36). Nanome filazana momba ny fotoana tena ilaina tokoa anefa Jesosy, tamin’ny fitenenana hoe: “Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Matio 24:34). Inona moa izany zavatra izany? Ny zavatra rehetra mahaforona ny “famantarana” noresahiny, ary ny “fahoriana lehibe” notononiny koa. Mba hitrangany ao anatin’ny taranaka iray ihany, dia tokony mbola hisy ho velona ihany ny olona afaka nijery izay nitranga tamin’ny 1914, tamin’ny fiandohan’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, amin’ny faran’io fe-potoana io, rehefa hamely an’izao tontolo izao ny “fahoriana lehibe”. Efa be taona izao ireo mahatadidy ny zava-niseho tamin’ny 1914. Marobe no efa maty. Manome antoka antsika anefa Jesosy fa ao anatin’ity “taranaka ity”, alohan’ny hahafatesan’ny olona anisany rehetra, no hitranga ny fandringanana ny fandehan-javatra ankehitriny.

29. Tamin’ny famelana ny zava-miseho hitombo, nanomboka tamin’ny 1914, hatreo amin’ny tarehin-javatra ankehitriny, ahoana moa no nanampian’Andriamanitra ny olona hanao fanapahan-kevitra tsara?

29 Niseho ho naharitra tokoa Andriamanitra tamin’ny fandeferana tao amin’ny fe-potoana lava toy izany. Tao anatin’izany taranaka izany, dia voalohany teo amin’ny Tantara no nifanesy nahatratra ara-keviny lehibe tsy misy toy izany ireo zava-manahirana, na ny ady izany, na ny fandotoana, ny fihoaran’ny isam-bahoaka sy ny hafa koa. Ny tsirairay avy aminy dia mety hiteraka fandravana tanteraka. Tamin’ny famelana ny porofo hiavosa, dia navelan’Andriamanitra ny olona hahafantatra mora kokoa fa tsy manolotra ny tena fanafodiny mihitsy ireo fitondram-panjakan’olombelona. Miaraka amin’izany koa, noho ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ny fanjakana”, dia nanampy ireo olona tso-po izy hanaiky fa ny Fanjakany no hany fanantenana fiadanana sy filaminana marina, ka hiandany aminy amin’io raharaha lehibe io.

30. Inona moa no famantarana farany ny fahantomoran’ny fandringanana an’izao tontolo izao, omen’ny Baiboly?

30 Nefa tsy maintsy hitranga koa ny zavatra hiseho hafa iray, mba ho famantarana tsy azo lavina ny amin’ny fahantomoran’ny fandringanana haneran-tany. Nambaran’ny apostoly Paoly io famantarana io: “Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo [Jehovah, MN]. Raha misy olona manao hoe: ‘Miadana sy mandry fahizay’, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, (...) ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” — I Tesaloniana 5:2, 3; Lioka 21:34, 35.

31-32. a) Ho tena marina ve ny ‘fiadanana sy ny filaminana’ hambaran’ireo mpitondra ara-politika? b) Nahoana moa no hampidi-doza ny hanekena ho voafitaka?

31 Fantatr’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao tsara fa raha voatarika hanao ady noklehary izy ireo, dia tsy hisy handresy. Fanafoanana tanteraka no toa ho vokatr’izany. Etsy andaniny koa, ireo zava-manahirana lehibe toy ny fandotoana sy ny “fihoaran’ny isam-bahoaka”, tsy resahina intsony ny zava-manahirana ara-tsosialy hafa, dia mitaky fitandremana sy vola be dia be. Izany no nahatonga an’ireo mpitondra hanao fiezahana lehibe mba hanandramana ho tonga amin’ny filefahana, eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena henjana dia henjana. Marina fa ny fifampiraharahany akory tsy tena nitondra fiovana mihitsy teo amin’ny olombelona mba hifankatiavan’izy ireo. Tsy namarana ny fanaovana heloka bevava, ny aretina sy ny fahafatesana izany. Asehon’ny faminaniana anefa fa ho avy ny fotoana hanambaran’izy ireny fa hita ihany ‘ny fiadanana sy ny filaminana’ rehefa ela ny ela. Rehefa ho tonga izany, dia ho avy “tampoka ny fandringanana” an’ireny mpitondra mamitaka ny olombelona ireny sy izay rehetra mametraka ny fitokisany aminy.

32 Hisy ho tafita velona anefa. Ho anisany ve ianao?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 82]

“Inona no ho famantarana”?

“HISY FIRENENA HITSANGANA HAMELY FIRENENA” —

Ny ady lehibe voalohany dia nanokatra ny taonjaton’ny ady nataon’ny ankapoben’olona na, amin’ny hevitry ny teny voalohany, ny ady maneran-tany. (...) Tsy nisy mihitsy talohan’ny 1914-1918, ady nahitana (...) mpiady be dia be toy izany niely patrana teo amin’ny faritra lehibe amin’ny tany. (...) Tsy mbola lehibe toy izany mihitsy, nataon’ny ankapoben’olona toy izany mihitsy ny famonoana olona”. — “World War I”, nosoratan’i H. W. Baldwin.

Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia miaramila maherin’ny 9 tapitrisa no novonoina, ary koa sivily an-tapitrisany maro.

55 tapitrisa no maty tamin’ny Ady Lehibe Faharoa.

Tao anatin’ny roapolo taona nanaraka ny ady lehibe faharoa, dia nisy fanonganam-panjakana, fikomiana sy fanovana lehibe amin’ny fitondram-panjakana maherin’ny 300 teo amin’izao tontolo izao.

“HISY MOSARY” —

Tany maro no ravan’ny mosary taorian’ny Ady Lehibe Voalohany sy faharoa.

Na dia tao aza ny fandrosoana ara-tsiansa tsy mbola nisy toy izany tao anatin’ny taona maro, tamin’ny 1967, dia notantaraina fa isan’andro dia olona efa ho 10 000 no matin’ny hanoanana, izany hoe 3 500 000 isan-taona.

Ao anatin’ireo taona 1970, dia hahita mosary izao tontolo izao, — olona an-jato tapitrisany maro no ho faty noana na dia ao aza ny fandaharana atao maika dia maika rehetra dieny izao.” — “The Population Bomb”, nataon’ny Dr. Paul Ehrlich.

“ARETI-MANDRINGANA”—

Mbola tsy nisy mihitsy areti-mandringana nitovy halehibe tamin’ny gripa espaniola tamin’ny 1918-1919. Olona 500 tapitrisa, fara fahakeliny, no voa, ka maherin’ny 20 tapitrisa no maty.

Amin’izao fotoana izao ireo fikarohana ara-pitsaboana dia tsy nahasakana ny aretim-po tsy ho betsaka toy ny areti-mandringana; fahita matetika ny homamiadana (cancer). Miakatra tsy misy toy izany ny isan’ny aretin-dratsy toy ny tety.

“HOROHORONTANY” ANY AMIN’NY TOERANA MARO —

Tamin’ny 1915, tany Avezzano, any Italia, ny horohorontany iray dia nahafaty olona 29 970; tamin’ny 1920, 180 000 tany Shina; tamin’ny 1923, 143 000 tany Japon; tamin’ny 1935, 60 000 tany India. Tao anatin’ireo taona 1960, dia nisy horohorontany tany Iran, tany Chili, tany Maroc, tany Yougoslavie, tany Frantsa, tany Indonésie, tany Turquie, ets. Tamin’ny 1970, tany Pérou, dia olona 70 000 no maty tamin’ny horohorontany, ary tamin’ny 1972, dia 12 000 no maty tany Nicaragua.

“HABEN’NY TSY FANKATOVAN-DALÀNA” —

Fantatrao ny zava-mitranga ary voakasika amin’izany ny fiainanao. Ao amin’ny toerana onenanao, inona no mitranga any amin’ireo sekoly? Miely ve ny fampiasana tsy ara-dalàna ny fanafody mahankona? Inona no holazaina ny amin’ny fanaovana ny tsy marina eo amin’ny raharaham-barotra? Amin’ny alina, moa ve ianao tsy manana ahiahy eny amin’ny arabe?

Lehibe aoka izany ny fanaovana heloka bevava, hany ka tamin’ny 1972 ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana dia nitaky asa avy amin’ny firenena rehetra.

Tsy ny lalàn’olombelona ihany no dikaina, fa tsiratsiraina koa ny lalàn’Andriamanitra.

NY FANAMBARANA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA MANERAN-TANY —

Atao tsy tapaka any amin’ny tany 208 io asa io.

Tato anatin’ny telopolo taona farany, ny vavolombelona Kristian’i Jehovah dia nandany 3 676 343 869 ora nitoriana ampahibemaso an’io hafatra io. Tao anatin’io fe-potoana io ihany izy ireo dia namoaka zavatra voasoratra maherin’ny 5 arivo tapitrisa, tamin’ny fiteny maherin’ny 160, manambara ny Fanjakan’Andriamanitra ho hany fanantenana ho an’ny olona.

“Famantarana” ny inona moa ireny zavatra ireny? Famantarana fa miaina ao anatin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” isika izao. Ny amin’ny hoe nandraisan’i Kristy ny fiandrianany tany an-danitra ka anangonany ny olona avy amin’ny firenena rehetra izay manatanteraka tokoa ny sitrapon’Andriamanitra. Famantarana fa akaiky dia akaiky ny “Fahoriana lehibe” (mba hahitana fanazavana amin’ny an-tsipiriany kokoa, dia vakio Matio 24 sy 25, Marka 13 sy Lioka 21).