Tsy maintsy misafidy daholo isika rehetra
Toko Voalohany
Tsy maintsy misafidy daholo isika rehetra
1-4. a) Inona avy moa no toe-javatra mahatonga anao haniry ny tena fandriampahalemana sy filaminana? b) Inona moa no mahatonga an’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao hanambara fandriampahalemana maharitra? d) Mba handraisan-tsoa avy amin’ny fandriampahalemana sy ny filaminana, inona moa no zava-manahirana tsy maintsy alamina?
SAHALA amin’ny ankamaroan’olona amin’izao androntsika izao, dia tsy isalasalana fa maniry fandriampahalemana sy filaminana ianao. Hatraiza hatraiza ny olona dia leon’ny ady, ny fahasahiranana sy ny fikorontanana. Mitady fanafodiny amim-pamoizam-po izy ireny. Moa ve ianao tsy ho faly hahita ny tany tonga fonenana mahafinaritra sy azo antoka ho an’ny mponina rehetra eo aminy?
2 Misy antony tokony hinoana fa akaiky izao ny fanafodiny tadiavina! Avy aiza no hiavian’izany?
3 Amin’izao andro izao ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao dia manambara amim-pahatokiana ny amin’ny fanombohan’ny “fotoana vaovao” eo amin’ny tantaran’ny olombelona. Antitranteriny fa voasakana izao ny loza mananontanona ny amin’ny ady noklehera maneran-tany. Nahoana? Araka ny filazan’izy ireny, ny fiovana tanteraka eo amin’ny fifandraisan’ireo fanjakana lehibe dia hiteraka fotoam-piadanana sy filaminana tsy mbola nisy toy izany. Izao no nambaran’ny mpanao raharaham-panjakana iray fantatra tsara, tamin’ny janoary 1973: “Nahomby isika tamin’ny famoronana zavatra mbola tsy hitan’izao tontolo izao mihitsy: rafi-pandriampahalemana mety haharitra, tsy mandritra ny andro iainantsika ihany, fa mandritra ny an’ireo taranaka ho avy koa 1.”
4 Mipetraka anefa izao fanontaniana izao: Inona no ilaina mba tena hisian’ny fandriampahalemana sy ny filaminana tokoa? Hanao ahoana ny amin’ny tsy fananan’ny tenanao ahiahy? Moa ve tsy ilaina ny handaminana ny zava-manahirana ao amin’ny faritaninao, ny tokantranonao mbamin’ireo mahabe ahiahy anao manokana? Moa ve tsy tokony horesena koa ireo fahasahiranana ateraky ny fitomboan’ny fanaovana heloka bevava, ny fampiasana zavatra mahaverivery saina, ny fitomboan’ny vidin-kanina, ny hetra mavesatra, ny fitaran’ny fandotoana sy ny fihenan’ny hamafin’ny fatoram-pianakaviana hatrany? Raha mbola tsy resy koa ireo fahasahiranana ireo dia tsy maintsy hotandindomin-doza ny filaminanao manokana.
5-8. a) Rehefa heverina amin’ny fanandramana efa hitanao teo amin’ny fiainana, inoanao ve fa ho afaka handamina an’ireo zava-manahirana ireo ny olombelona? b) Eo amin’iza moa no ho azontsika itadivana fanafodiny? d) Moa ve ny Baiboly boky toy ny hafa rehetra ihany?
5 Amin’izao andro izao dia misy olona manolotra fanantenana ny handamina ireo zava-manahirana lehibe hitan’ny olombelona. Araka ny filazan’izy ireny, rehefa afaka amin’ny enta-mavesatry ny ady ny olona dia ho afaka hampiasa amin’ny fomba mahery lavitra ny harenany, ny fikarohana ataony sy ny heriny mba hahitana fanafodin’ny fanaovana heloka bevava, ny aretina, ny hanoanana, ny fahantrana, ny fahasahiranana mikasika ny fonenana, ets.
6 Afaka mino izany ve ianao? Moa ve misy porofo mafy orina taloha na amin’izao fotoana izao, mahatonga antsika ho afaka hanantena fa hahita ny fanafodin’ireny zava-manahirana ireny ny olona? Inona no hamarinin’ny tantaran’ny olombelona? Inona no ampahafantarin’ny fanandramana hitan’ny tenanao teo amin’ny fiainana?
7 “Nefa, hilaza angamba ianao fa raha tsy afaka mandamina an’ireny zava-manahirana ireny ny olona, inona sisa fanantenana ho antsika? Tsy afaka misafidy isika.” Tsy hadinonao ve Andriamanitra? Tsy azo lavina fa ny tany sy ny endri-javatra velona eo aminy dia maneho fikendren-javatra mampiseho fahakingan-tsaina (Hebreo 3:4). Noho izany, moa ve tsy mety ny hiheverana an’Andriamanitra? Manintona ny sainy ve ireo zava-manahirana ny olombelona? Manam-pikasana ny handray anjara ve izy?
8 Rehefa jerena ny loka, moa ve tsy hahasoa anao ny handinihana izay ambaran’ny Baiboly mikasika izany? Tsy isalasalana fa fantatrao fa ny Baiboly no boky voadika amin’ny fiteny maro indrindra a sy fatra-piely indrindra eto an-tany. Nefa fantatrao ve fa resahiny ny amin’ny zavatra mitana ny saintsika indrindra amin’izao taonjato faharoapolo izao?
9. Inona moa no ambaran’ny Baiboly mikasika ny ho avin’ny olombelona, ary moa ve izy miresaka ny amin’ny fitondram-panjakana iray?
9 Olona marobe no nandre fitenenana fa ny Baiboly dia manambara ny amin’ny fandringanana izao tontolo izao, ary mety hahavelom-panahiana azy ireny izany. Vitsy aminy anefa no nandinika ny Baiboly mba hahafantarana ny fotoana tokony hahatongavan’izany fandringanana izany, na namaky ireo faminaniany mikasika ny ho fiainana eto an-tany aorian’io fikorontanana lehibe io (Matio 24:21, 22; II Petera 3:11-13). Angamba izy ireny nivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”, nefa tsy tsapany fa ny Baiboly dia miresaka ny amin’io Fiandrianana na Fanjakana io ho toy ny fitondram-panjakana iray hisolo toerana tsy ho ela ny fandehan-javatra ara-politika rehetra ankehitriny. — Daniela 2:44.
10. Inona moa no fahasamihafan’izay hotontosain’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fampanantenan’ny mpitondra amin’izao andro izao?
10 Misy fahasamihafana lehibe dia lehibe amin’ny fandriampahalemana sy ny filaminana lazain’ny Baiboly fa hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra, sy izay ampanantenain’ireo mpitondra amin’izao andro izao. Resahin’izy ireo ny amin’ny fampihenana fitaovam-piadiana noho ny fanekem-pihavanana. Antitranterin’ny Baiboly kosa anefa fa tsy ho ela Andriamanitra dia hanafoana ny fiadiana rehetra, amin’ny fampanjavonana ny antony lalina miteraka ady. Ny filaminana ampanantenain’Andriamanitra antsika dia tsy mikasika fotsiny ny ady ifanaovan’ireo firenena. Hiaro antsika amin’ny fahavalo isan-karazany izany, hany ka tsy hisy olona hatahotra mihitsy, na amin’ny andro na amin’ny alina (Mika 4:3, 4). Manantena hampihena ny fanaovana heloka bevava ny olombelona, fa Andriamanitra kosa nanambara ny fikasany hanafoana ny loharanon-keloka rehetra: ny toe-javatra manamora ny fanaovana azy (Salamo 37:8-11; Galatiana 5:19-21). Mirehareha ireo firenena noho ny fandrosoana vitany eo amin’ny fikarohana ara-pitsaboana sy ny fanampiana entiny ho an’ireo marary sy antitra. Ny Baiboly kosa anefa dia manazava ny fomba hanarenan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra indray ny fahasalaman’ny olombelona amin’ny fomba feno sy maharitra, eny, hatramin’ny fandaminana mihitsy aza, ny zava-manahirana momba ny fahanterana sy ny fahafatesana (Apokalypsy 21:3, 4). Eo ambanin’ilay fitondram-panjakana voalaza ao amin’ny Baiboly, dia tsy hiasa mba hahazoam-bola fotsiny sy hanangonan-karena ny olona; hisy heviny ny fiainany ka hitondra ho azy ny tena fahafaham-po. Na toy inona na toy inona karamanao, ahoana no mety hahasambatra anao raha dridralava ny asanao, raha mahatsiaro ho very fanantenana ianao ka tsy mahatsapa ny tenanao ho manatontosa zavatra mahasoa? — Romana 8:19-21; Isaia 65:21-23.
11. Alohan’ny hanapahan-kevitra raha azontsika inoana ny fampanantenan’ny olombelona na ny an’ny Baiboly, inona avy moa no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika?
11 Inona no tianao indrindra? Araka ny hevitrao, avy aiza no hiavian’ny tena fandriampahalemana sy filaminana? Amin’ny fanekena izay atolotr’izao tontolo izao ankehitriny anao, moa ve ianao tena nahita tokoa izay katsahinao eo amin’ny fiainana? Raha manaiky ho voatariky ny fihevitry ny besinimaro ianao, moa ve tsy mety ho tsikaritrao fa nametraka ny fitokisanao tamin’ny fandriampahalemana sy ny filaminana sandoka ianao ka izany dia tsy vitan’ny hoe hamela anao hahita fahakiviana fotsiny, fa hahatandindomin-doza lehibe anao koa. Nefa kosa, moa ve azo inoana, tena hisy sy azo tanterahina ireo fampanantenan’ny Baiboly?
12. Nahoana moa no hahasoa antsika ny hiaraha-mandinika an’ireo fanontaniana ireo?
12 Tsy hoe zavatra tsy dia manao ahoana akory ny fisafidianana eo anoloantsika. Iankinan’ny aintsika izany. Raha izany no izy, moa ve tsy zavatra tena ilaina tokoa ny fandinihana amim-pitandremana ny valin’ireo fanontaniana ireo?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Amin’ny fiteny sy fitenim-paritany 1 500 amin’izao fotoana izao.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 4]