Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy manao na inona na inona ve Andriamanitra?

Tsy manao na inona na inona ve Andriamanitra?

Toko Faha-6

Tsy manao na inona na inona ve Andriamanitra?

1. a) Rehefa milaza ny olona fa “maty Andriamanitra”, inona moa no tiany holazaina amin’izany? b) Miray hevitra amin’izany ve ianao?

 HATRAMIN’NY taona vitsivitsy izao dia misy olona sasany, mpitondra fivavahana indrindra, manambara fa “maty Andriamanitra”. Te hilaza amin’izay ve izy ireo fa tsy misy Andriamanitra? Matetika tokoa no tsy izany. Amin’ny ankapobeny kosa dia heveriny fa tsy mihevitra amim-paharisihana ny tany Andriamanitra na tsy manao na inona na inona handaminana ny zava-manahirana ny olombelona. Ny marina dia tena velona tokoa Andriamanitra ka miahy ny olombelona. Marina fa angamba izy tsy nanatanteraka izay nantenain’ireo avy aminy, nefa izany akory tsy milaza fa tsy nanao na inona na inona izy. Mifanohitra amin’izany kosa aza fa hatramin’ny nanombohan’ny tantaran’olombelona ka hatramin’izao fotoana ankehitriny izao, dia miasa ho an’ny olona Andriamanitra.

2. Inona moa no vokatry ny fahafohezan’ny androm-piainan’ny olona eo amin’ny heviny?

2 Ny anankiray amin’ny antony manosika olona sasany hihevitra fa “maty Andriamanitra” dia ny fahafohezan’ny andro iainan’ny olombelona. Tian’ny olona ny hanao zavatra faran’izay betsaka ao anatin’ny fotoana fohy ananany. Indraindray ny fiezahany, natao talohan’ny fotoana nety, dia tsy nahatratra ny zava-kendrena notadiavina. Na dia izany aza, ny fisainany dia tapahin’ny faniriana hahazo vokany mandritra ny androm-piainany. Diso hevitra anefa izy mitsara an’Andriamanitra araka ny fanandraman’olona izay voafetra ny zavatra azony atao.

3. Nahoana moa Jehovah no afaka mandray anjara ao amin’ny tarehin-javatra iray amin’ny fotoana tsara indrindra?

3 Mandrakizay tokoa Jehovah (Salamo 102:24; Isaia 44:6). Tsy mila ny tsy hahandry izy. Afaka mandinika ny tarehin-javatra iray izy ka mahita marina ny hoe amin’ny fotoana toy inona ny ataony no hanatanteraka soa be indrindra ho an’ny anaovany izany rehetra sy ho fanatanterahana ny fikasany (Isaia 40:22; II Petera 3:8, 9.) Izany indrindra no nataon’Andriamanitra.

NY FOMBA NISEHOAN’NADRIAMANITRA

4. Inona moa no fikasana voambaran’i Jehovah, ary inona no fahalalana nomeny ny olona?

4 Ny fikasana voambaran’i Jehovah dia ny hanomezana ho an’ny zavatra noforonina rehetra, fitondrana marina izay hahatonga ny olona ho afaka hiaina amim-piadanana, ao anatin’ny firaisan-tsaina sy ny tsy fananana ahiahy tanteraka (Efesiana 1:9, 10; Ohabolana 1:33). Tsy manery na iza na iza hanompo azy anefa Andriamanitra. Tsy manangona ho eo ambany fitondrany afa-tsy ireo izay manaiky an-tsitrapo ny toerany sy tia ny fitondram-panjakany izy. Ho fanorenana izao tontolo izaon’ny olombelona izay hiaina mifanaraka amin’ny didiny, dia nampahafantarin’Andriamanitra tsikelikely ny fianakavian’olombelona ny fitsipika sy ny fotopoto-pitsipika amin’ny fitondrany araka ny rariny ka nasehony azy ny fikasany. Nomeny ho an’ny olona koa ny fahafahana hahazo ny fahalalana iankinan’ny aina mikasika ny tenany sy ny toetrany manokana. — Jaona 17:3.

5. Inona no azontsika ianarana mikasika an’Andriamanitra amin’ny fandinihana ny asany?

5 Fanahy Jehovah, ka noho izany dia tsy hita maso. Ahoana àry no azony nampahafantarana ireo zavatra ireo tamin’ny olona nofo aman-dra? Nampahafantatra maro tamin’ny toetrany tamin’ny alalan’ny asany ny Mpamorona (Romana 1:20). Vavolombelona manambara ny fahendreny ny fifampiankinana mahatalanjona amin’ny fifandimbiasan-javatra eo amin’ny fiainana eto an-tany. Mahaforona porofon’ny maha-tsitoha azy ny hery mahagaga miharihary eo amin’ny ranomasina, ny fisehoan-javatra eny amin’ny habakabaka sy ny fihetsehana mirindran’ny zavatra eny amin’ny lanitra. (Joba 38:8-11, 22-33; 40:2). Ny zava-pihinana maro karazana ambolena amin’ny tany, ny hasoan’ny voninkazo, ny vorona, ny masoandro miposaka na milentika ary ny fifalian’ny biby amin’ny fiainana, izany rehetra izany dia manamarina fa tia ny olombelona ny Mpamorona ka maniry ny hahitany fahafinaretana amin’ny fiainana. Nefa tsy tamin’ireo fomba ireo ihany akory no nisehoan’Andriamanitra.

6. a) Tamin’ny fomba inona moa no nampihariharian’Andriamanitra mivantana ny sitrapony? b) Tamin’ny fomba hafa inona koa moa no nampihariharian’Andriamanitra ny fotopoto-pitsipiny sy ny toetrany?

6 Tamin’ny fotoana isan-karazany Andriamanitra dia niteny avy any amin’ny lanitra ambony, indraindray ny tenany mihitsy, indraindray tamin’ny alalan’ny anjely. Tamin’izany no nampahafantarany tsikelikely ny olombelona ny fepetra takiny araka ny rariny sy ny sitrapony. Ohatra, tao an-tendrombohitra Sinay, tao amin’ny tany saiky nosy mitondra an’io anarana io ihany koa, dia niteny tamin’ny fomba nanaitra izy mba hanomezana ny lalàny ho an’ireo Isiraelita an-tapitrisany maro tafavory teo am-pototry ny tendrombohitra (Eksodosy 19:16-19; 20:22). Raha efa izany, nandritra ny taonjato maro, dia niteny tamin’ny olona tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny nampanoratiny ny sitrapony izy (II Petera 1:21). Ankoatr’izany, Andriamanitra dia nifidy ny hampiharihary ny fotopoto-pitsipiny sy ny toetrany, tamin’ny fomba fanaony tamin’ny olony, hany ka ny Teniny voasoratra ara-tsindrimandry dia manampy amin’ireo fitsipika, ny hafanana sy ny fanandraman’olombelona. Moa ve tsy ahitana fianarana kokoa, mampiaiky kokoa ary mampihetsi-po kokoa, tsy ny fandrenesana sy ny famakiana ireo fanambarana mikasika ny fikasan’Andriamanitra fotsiny, fa ny fahitana ao anatin’ireo fitantarana marina tsy azo kosehina koa, ohatra mahatonga antsika ho afaka hahafantatra ny sitrapony mikasika antsika (I Korintiana 10:11)? Inona anefa no ahariharin’izany fitantarana izany?

7. a) Ahoana moa no ampisehoan’Andriamanitra fa tsy handefitra tsy misy farany eo anoloan’ny tsy rariny izy akory? b) Amin’ny fahafantarana ny fomba fiheveran’Andriamanitra ny zavatra sasany, inona moa no tokony hataontsika?

7 Manome porofo ny Baiboly fa tsy mandefitra tsy misy farany eo anoloan’ny tsy rariny akory Andriamanitra. Marina fa nomeny alalana ireo taranak’i Adama hanaraka ny lalan’izy ireo, ka tsy maintsy hampiseho fa tsy hainy ny manapaka ny tsara amin’ny tenany ihany. Mariho anefa fa Andriamanitra akory tsy nifady ny filazana ny fanamelohany ny olona nanaraka ny lalana tsy araka ny rariny. Tamin’izany no nanaovany izay hahatongavan’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa, satria ‘heni-doza ny tany’ (Genesisy 6:11-13), ka nandravany ny tanànan’i Sodoma sy Gomora simban’ny fahalotoam-pitondrantena (Genesisy 19:24; Joda 7), ary namelany ny firenen’Isiraely nilaza ho nanompo azy, hoentina ho babo, noho ny nanarahany ny lainga (Jeremia 13:19, 25). Amin’ny fahafantarana ny fomba iheveran’Andriamanitra ny zavatra toy izany, dia manana fahafahana hanaporofo ny fitiavantsika ny rariny isika ka hitondra fiovana eo amin’ny fiainantsika. Vonona ny hanao izany ve isika?

8. Rehefa mandringana Andriamanitra, moa ve misy tafita velona? Manonona ohatra.

8 Ny hevitra lehibe hafa iray koa aharihary ao amin’ny Baiboly dia ny tsy fandringanan’Andriamanitra ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy. Tamin’ny safodrano naneran-tany dia tsy naringan’Andriamanitra Noa, nolazaina fa “mpitory ny fahamarinana”; nitsimbina ny ainy sy ny an’ny olona fito hafa koa izy (II Petera 2:5). Toy izany koa, talohan’ny handatsahana afo sy solifara tao Sodoma, dia navelan’Andriamanitra ho afaka tamin’izany Lota marina sy ny ankohonany. — Genesisy 19:15-17; II Petera 2:7.

9, 10. a) Koa satria Jehovah tsy nitsahatra nampitandrina ny Isiraelita, inona moa no tokony hotsoahina avy amin’izany? b) Ankoatry ny faharetan’Andriamanitra, mampahafantatra inona antsika moa ny nataon’Andriamanitra tamin’ny olony?

9 Rehefa nivadika tamin’Andriamanitra ny Isiraelita izay nanana fifandraisam-panekena taminy, inona no nataony? Tsy nolaviny avy hatrany akory izy ireo. Izao no nolazainy taminy tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminaniny: “Dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa isan’andro Aho ka naniraka azy mandrakariva.” Nefa tsy nihaino azy ireny ireo (Jeremia 7:25, 26). Na dia rehefa nanakaiky aza ny fanaovana fahirano sy ny fandravana an’i Jerosalema, dia nampilaza tamin’izy ireo toy izao tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminany Jehovah: “Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy? (...) Koa mibebaha ianareo mba ho velona”. — Ezekiela 18:23, 32.

10 Inona no tokony hotsoahina avy amin’izany? Fa maneho faharetana lehibe amin’ny olona Jehovah, ka izany dia tsy maintsy manohina lalina ny fon’ny olona tia ny rariny rehetra. Amin’ny fanaovana toy izany koa dia ampahafantariny antsika mazava ny fitiavany ny rariny sy ny maha-zava-dehibe ny hiainana mifanaraka amin’ny didiny.

11. a) Inona moa fikasana nambaran’i Jehovah tany Edena? b) Inona no fandaharana nataon’Andriamanitra nanaraka izany?

11 Azo atao ny manatsoaka zavatra hafa koa avy amin’izany izay tena ilaina tokoa. Tsapantsika fa raha vao teo am-boalohany Andriamanitra dia niasa foana araka ny fikasana iray voafaritra tsara, ka tsy maintsy nisy zavatra nataony, isaky ny nitaky izany ny fanatanterahana ny fikasany. Tao amin’ny sahan’i Edena dia efa nambarany ny fikasany tena lehibe, tamin’ny fiteny ara-panoharana. Raha nanonona ny fanamelohany an’i Satana Jehovah dia nanambara fa hanana fahafahana Satana hanome “taranaka” voaforon’ireo izay haneho ny toetran’i Satana sy hanao ny sitrapony. Nilaza faminaniana koa Andriamanitra fa hisy “taranaka” hafa iray, mpanafaka marina. Io “taranaka” io dia hampihatra famelezana hahafaty an’ilay “menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana”, ka hanafaka amin’izany ny olombelona amin’ny fanapahany ratsy (Genesisy 3:15; Apokalypsy 12:9). Rehefa avy nanambara ny fikasany Jehovah dia nanomboka nanao fandaharana hentitra hahatonga amin’ny farany ny fitondrana ny raharahan’ny tany, hoentin’ilay “taranaka” nampanantenaina. Hitaky fotoana elaela izany fiomanana izany, araka ny ho hitantsika.

NAHOANA NO NIFIDY NY ISIRAELY ANDRIAMANITRA

12, 13. a) Nahoana moa no ny firenen’ny Isiraely ihany no nomen’Andriamanitra ny lalàny? b) Inona moa no fantatra amin’ny famakiana ny tantaran’ny Isiraely sy ny an’ny firenena hafa?

12 Taloha elan’ny namoronana ireo fanjakana amin’izao andro izao, dia nifidy firenena iray ho azy Andriamanitra ka nanao azy ho vahoakany nandritra ny an-jato taonany maro. Nahoana? Mba hanaovana fampisehoana velona ny fiasan’ny fotopoto-pitsipiny marina. Ny nahaforona io firenena io dia taranak’i Abrahama, lehilahy iray naneho finoana lehibe ny Mpamorona. Izao no nambaran’i Jehovah tamin’ny taranak’io lehilahy io: “Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ny fitiavan’i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa hianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza, fa ny nitiavan’i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ny razanareo.” — Deoteronomia 7:7, 8; II Mpanjaka 13:23.

13 Rehefa avy nanafaka ny Isiraelita avy amin’ny fanandevozana tany Egypta Jehovah, dia nitarika azy ireny ho any an-tendrombohitra Sinay, izay nanolorany hevitra ho azy ireo mba hiditra amin’ny fifandraisam-panekena aminy. Izao no navalin’izy ireo: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.” (Eksodosy 19:8). Dia nomen’i Jehovah azy ireo ny fitsipiny sy ny didiny. Izany dia nampisaraka azy tamin’ny firenena hafa ka nanome ho an’ny olona rehetra, antsipirian’ny fepetra marina takin’Andriamanitra (Deoteronomia 4:5-8). Araka izany, amin’ny famakiana ny tantaran’ny Isiraely, dia azo atao ny mahafantatra izay mitranga raha tsy manaraka ireo lalàna marina sy maneho fahendrena avy amin’Andriamanitra ny tena. Etsy andaniny koa, ny tantaran’ireo firenena hafa dia mampiseho, mifanohitra amin’izany, ny hoe inona no vokany tsy maintsy zakain’ireo miaina tsy misy lalàn’Andriamanitra.

14. a) Tamin’ny tsy fandraisana anjara tamin’ny raharahany, moa ve Andriamanitra nitondra fahavoazana ho an’ireo firenena tsy isiraelita? b) Ahoana anefa no nandraisan’izy ireny soa tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra?

14 Inona no azo lazaina ny amin’ireo firenena hafa? Nanaraka ny lalan’ny tenany izy ireny ka nifidy ny endri-pitondram-panjakana nety taminy. Tsy hoe tsy nanana hatsaram-po tanteraka akory ny olona tao amin’izy ireny. Izy ireny dia nanana fieritreretana izay nanosika azy indraindray hanampy ny mpiara-belona aminy ho fanasoavana olona (Romana 2:14; Asan’ny apostoly 28:1, 2). Nefa noho ny fahotana nolovana sy ny fandavany tsy hanaiky hotarihin’Andriamanitra, matetika tokoa izy ireny dia nanaraka lalana mampiseho fitiavan-tena indrindra. Izany dia nitarika azy ireny hanao ady feno halozana sy hanaram-po tamin’ny fanao maloto mba hanomezana fahafaham-po ny fahamaimaizany feno fitiavan-tena (Efesiana 4:17-19). Tsy tompon’andraikitra tamin’ny loza nentin’izy ireny ho an’ny tenany Andriamanitra. Nanaraka fitsipi-pitondrantena nofidin’ny tenany izy ireny. Tsy nisakana azy tamin’izany Andriamanitra, raha tsy rehefa nifanohitra tamin’ny fanatanterahana ny fikasany ny nataon’izy ireny. Noho ny fahasoavany anefa dia navelany izy ireny hifaly amin’ny masoandro, ny ranonorana, ny hasoan’ny zavatra noforoniny mbamin’ny vokatry ny tany. — Asan’ny apostoly 14:16, 17.

15. Inona moa no fikasana ho amin’ny fitahiana ireo firenena, notontosain’Andriamanitra?

15 Ankoatr’izany dia tsy nolavin’i Jehovah tsy ho an’ireny firenena ireny ny fahafahana handray amin’ny farany, fitahiana amin’ny alalan’ilay Taranaka nampanantenaina. Rehefa nilaza tamin’i Abrahama izy fa ho tonga eo amin’ny taranany ilay Taranaka, dia nampahatsiahy ny vokany izy tamin’ny filazana hoe: “Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, — satria nanaiky ny teniko hianao.” (Genesisy 22:18). Araka izany, na dia nitana fifandraisana tamin’ny Isiraely irery ihany aza Jehovah, dia nanatanteraka tsy misy fiangarana ny fikasany izy ho amin’ny fitahiana aty aoriana ny firenena hafa izay tsy nahalala izany toe-javatra izany anefa tamin’izay. — Asan’ny apostoly 10:34, 35.

16. a) Eo am-piandrasana inona moa no nataon’Andriamanitra ho fanatanterahana ny fampanantenana mikasika an’ilay Taranaka? b) Iza moa ilay Taranaka nampanantenaina?

16 Nandritra ny fe-potoana nitanan’i Jehovah fifandraisana tamin’ny Isiraely ara-nofo, dia nanome faminaniana marobe izay hahasoa dia hahasoa tokoa izy. Izany dia hahatonga an’ireo olona manam-pinoana hahafantatra an’ilay Taranaka nampanantenaina, ilay Voahosotr’i Jehovah, rehefa ho tonga izy. Nolazaina mazava ara-paminaniana ny firazanan’ilay Taranaka, tamin’ny fokon’i Joda sy ny ankohonan’i Davida (Genesisy 49:10; Salamo 89:35, 36). Notondroina tamin’ny anarany ny toerana hahaterahany, dia Betlehema (Mika 5:1). Taonjato maro talohan’izay, dia nambaran’Andriamanitra ny fotoana hentitra handraisan’ilay Taranaka, tonga olombelona, ny hosotra ka hahatongavany ho Mesia amin’izany (Daniela 9:24-27, Da). Naseho an’ohatra ny asa fisoronana hataon’ilay Taranaka ho an’ny olombelona, toy ny nanaovana izany mikasika ny soron’ny ainy natolotra mba hanomezana ho an’ny olona avy amin’ny firenena rehetra, ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny Andro Fitsaran’Andriamanitra (Hebreo 9:23-28). Araka izany, rehefa tonga ny fotoana voatendry, izany zavatra rehetra izany dia tokony hiara-miasa mba hanaporofo tsy misy diso fa Jesosy Kristy no ilay nirahin’i Jehovah ho Taranaka nampanantenaina izay amin’ny alalany amin’ny farany no mety handraisan’ny olombelona rehetra fitahiana. — Galatiana 3:16, 24; II Korintiana 1:19, 20.

NY FIFIDIANANA IREO ANISAN’NY FITONDRAM-PANJAKANA

17. Inona moa no homen’Andriamanitra ho an’ny olona amin’ny alalan’i Jesosy, ary ahoana no nanasoritana an’izany toe-javatra izany tamin’ny nahaterahan’i Jesosy?

17 Jesosy àry no ilay amin’ny alalany no hanomezan’Andriamanitra ny fiadanana ho an’ny olombelona. Talohan’ny nahaterahany, ny anjely iray dia nilaza tamin’i Maria fa handray fanjakana mandrakizay ny zanany. Ny nahaterahany koa dia nambara tamin’ny mpiandry ondry tany akaikin’i Betlehema, izay nandre anjely marobe tany an-danitra nidera an’Andriamanitra ka nanao hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” — Lioka 1:31-33; 2:10-14.

18. a) Tamin’ny fahoriana niaretany teto an-tany, ahoana moa no nanomanana an’i Jesosy ho tonga Mpanjaka sady Mpisorona? b) Ahoana no nahatonga ny fahafatesany hitondra fihavanana?

18 Hevero ny tombontsoa manana Mpanjaka any an-danitra efa niaina teto an-tany. Nandritra ny fotoana nahavelomany tamin’ny naha-olombelona, dia nianatra nahalala sy nahatakatra ireo zava-manahirana ny olombelona Jesosy. Niaina sy niara-niasa tamin’izy ireny izy, niara-nahita fahasahiranana taminy ary niharam-pahoriana koa aza ny tenany. Nanaporofo ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah sy ny fitiavany ny rariny izy, tamin’ny fandalovana fitsapana faran’izay mafy. Tamin’izany no nanomanan’Andriamanitra azy mba hahatongavany ho Mpanjakan’ny lanitra sy ny tany, sy ho Mpisoronabe hahay hizara soa mahavelona ho an’ny olona (Hebreo 1:9; 4:15; 5:8-10). Ankoatr’izany, tamin’ny fanolorana ny ainy ho sorona, dia nomen’i Jesosy Kristy ho an’ny olombelona ny fahafahana hanorina indray, fifandraisana milamina amin’Andriamanitra. — I Petera 3:18.

19. a) Nahoana no fantatsika fa nitsangana tamin’ny maty Jesosy ka niakatra ho any an-danitra? b) Ahoana no nanombohan’i Jesosy nampihatra ny fiandrianany taorian’ny niakarany ho any an-danitra?

19 Taorian’ny nahafatesany, dia nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty Andriamanitra ka nanao izay hisian’ny vavolombelona olombelona maherin’ny dimanjato afaka hanamarina ny fitsanganany (I Korintiana 15:3-8). Rehefa afaka efapolo andro taty aoriana dia nahita azy niakatra ho any an-danitra sy nanjavona tao anatin’ny rahona ny mpianany (Asan’ny apostoly 1:9). Avy any amin’ny lanitra ambony Jesosy dia nanomboka nampihatra ny fiandrianany teo amin’ny mpianany mahatoky sy nanao izay handraisan’izy ireo soa tamin’ny fitondrany, hany ka ireny kristiana ireny dia nifanohitra tamin’ny olona hafa rehetra. Nefa tonga ve tamin’izay ny ora tokony handraisan’i Jesosy ny fahefam-piandrianana eo amin’ireo firenena? Tsia, satria tsy maintsy nikarakara lafin-javatra hafa tamin’ny fandaharana lehiben’Andriamanitra izy aloha. — Hebreo 10:12, 13.

20. Inona moa no asa vaovao natombok’i Jesosy teto an-tany?

20 Nisy asa lehibe iray tsy maintsy notontosaina naneran-tany. Na dia afaka niara-nandray fitahiana tamin’ny Isiraely aza, tamin’ny fotoana rehetra, izay rehetra naniry hanaraka ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, talohan’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty, dia tsy nisy Isiraelita na dia iray aza nitsangana ho mpitory mba hanova firenena hafa (I Mpanjaka 8:41-43). Nisy asa vaovao nanomboka anefa tamin’ny nahaterahan’ny kristianisma. Ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy aloha no nanome ohatra teo amin’ny Isiraely. Taorian’izany, talohan’ny hiakarany ho any an-danitra, dia izao no nambarany tamin’ny mpianany: “Hianareo (...) ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” — Asan’ny apostoly 1:8.

21. Inona moa no zava-nokendrena tamin’io asa fanambarana io?

21 Ny fanovana an’izao tontolo izao manontolo ve no tokony hatao? Tsia. Tao amin’ny fanoharana iray mikasika ny “fanjakan’ny lanitra”, dia nasehon’i Jesosy ny hoe asa inona no tokony hotontosaina mandritra ny fe-potoana mitatra hatramin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Izany dia ny fanangonana ny “zanaky ny fanjakana”. Tsy maintsy nofidina tokoa ireo mpikambana hafa tamin’ny fitondram-panjakana na Fanjakana (Matio 13:24-30, 36-43). Izay rehetra mamaky ny Soratra grika kristiana dia mahatsikaritra avy hatrany fa nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, ny fanantenana natolotra an’ireo mpino dia ny fandraisana anjara miaraka amin’i Jesosy Kristy amin’ny Fanjakany any an-danitra. — II Timoty 2:12; Hebreo 3:1; I Petera 1:3, 4.

22. a) Inona avy moa no toetra notakin’Andriamanitra tamin’ireo ho mpandova ny Fanjakana any an-danitra? b) Nofidina maimaika ve izy ireo?

22 Ny fifidianana an’ireo ho mpikambana ao amin’ny fitondram-panjakan’ny olona dia hilana fotoana. Nahoana? Voalohany indrindra dia satria io fanantenana sarobidy noho ny vatosoa kanto indrindra io dia tokony hitatra any amin’ny firenena rehetra. Olona marobe no nilaza ho nahazo an’io fanantenana io, nefa vitsy taminy no niharihary fa mpianatra mahatokin’ny Zanak’Andriamanitra (Matio 13:45, 46; 22:14). Ambony ny fitsipika tsy maintsy nohajain’izy ireny. Tsy tokony hahaforona antokom-pirenena ny kristiana ka hiaina misaraka amin’ny vahoaka hafa, toy ny nataon’ny Isiraely ara-nofo. Noho izany, ny finoany sy ny fiaretany dia nosedraina mafy. Niaina toy ny vahiny teo amin’izao tontolo izao izy ireny, nanohana fomba fiaina hafa, mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika marin’Andriamanitra (I Petera 2:11, 12). Mba hahatonga azy ho mendrika ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia tokony hitoetra ho madio amin’ny fanao maloto sy ratsy eo amin’izao tontolo izao manodidina azy izy ireny (I Korintiana 6:9, 10). Mba hahatonga azy ho “zanak’Andriamanitra” tokoa dia tokony hiseho ho “tsy tia ady” izy amin’ny fifadiana ny fandraisana anjara amin’ireo adin’ireo firenena sy ny famaliana ratsy rehefa nenjehina noho ny finoany izy ireo (Matio 5:9, MN; 26:52; Romana 12:18, 19). Tsy maintsy nitana tsy fivadihana tsy azo hozongozonina tamin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra izy ka nanda ny firaisana hevitra tamin’ireo fitondram-panjakana oharin’ny Baiboly amin’ny ‘bibidia’. (Apokalypsy 20:4, 6). Noho izany antony izany, ary satria izy ireny nanaraka ny anaran’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voahosotr’Andriamanitra, dia “halan’ny firenena rehetra” izy ireny. (Matio 24:9). Hita àry fa ireo izay tokony ho tonga filohan’ny olona any an-danitra miaraka amin’i Kristy dia tsy nofidina maimaika.

23. a) Firy no olona ho anisan’ny fitondram-panjakana any an-danitra miaraka amin’ i Kristy? b) Teo amin’iza moa no nifidianana azy ireny, ary nahoana?

23 Raha nitaky fotoana lava toy izany ny fifidianana ireny hanapaka ireny, dia tsy noho ny isany akory. Araka ny filazan’ny Soratra masina, dia noferan’Andriamanitra ho 144 000 ny isan’ny mpikambana mpitondra eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy (Apokalypsy 14:1-3). Nofidin’Andriamanitra tamim-pitandremana anefa izy ireny. Izy ireo dia navotana avy tamin’ny “olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra”. (Apokalypsy 5:9, 10). Tamin’izy ireny dia nisy lehilahy sy vehivavy avy amin’ny sosony ara-tsosialy rehetra, olona nahita ny zava-manahirana rehetra iombonan’ny olombelona. Teo amin’ny fiezahany mba hitafy toetra vaovao kristiana, dia tsy nisy zava-manahirana ny olombelona na dia iray aza, tsy tokony ho nalamin’ny sasany taminy (Efesiana 4:22-24; I Korintiana 10:13). Tokony hahafaly antsika tokoa izany, satria azontsika antoka amin’izany fa hifampiraharaha amin’ny mpanjaka sy mpisorona mahatakatra ny fihevitsika sy mamindra fo isika, ka ho azony atao ny hanampy lehilahy sy vehivavy isan-karazany, hihazona ny fanomezan’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay.

24. Ahoana ny amin’ny olon-kafa an-tapitrisany maro maty tao anatin’ny taonjato maro nefa mbola tsy nahalala ny Baiboly?

24 Fa ahoana ny amin’ny olona izay tsy anisan’io kongregasiona kristiana io? Tao anatin’ny taonjato maro Andriamanitra dia tsy nisalovana tamin’ny raharaham-pitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao. Nomeny alalana ny olona hifidy ny lalan’ny tenany. Mazava ho azy fa olona an-tapitrisany maro no velona ary efa maty, ka ny marobe taminy dia tsy nanana fahafahana mihitsy hahafantatra ny Baiboly na ny Fanjakan’Andriamanitra. Nefa tsy nanadino azy ireny akory Andriamanitra. Andrasany ny andro noresahin’ny apostoly Paoly fony izy nanambara toy izao tamin’ny governora romana iray: “Manantena amin’Andriamanitra aho (...), fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.” (Asan’ny apostoly 24:15). Amin’izay, ao anatin’ny toe-piainana tsara amin’ny fandaharan-javatra vaovaon’Andriamanitra, dia ho azon’izy ireny atao ny hianatra ny lalan’i Jehovah sy haka ny toerany amin’ny raharaha mikasika ny fiandrianana manerana izao rehetra izao. Raha hita fa tia ny rariny izy ireo, dia ho afaka ny ho velona mandrakizay.

AMIN’IZAO MAHA-AKAIKY NY “FARANY” IZAO

25, 26. a) Amin’ny ora voatendry, fahefana hafa inona koa moa no horaisin’i Kristy, ary hamely an’iza izy? b) Inona no ho vokatr’izany ho an’ny tany?

25 Alohan’ny hanombohan’io fandaharan-javatra vaovao io, dia tsy maintsy hisy zavatra hiseho lehibe. Nanambara fikorontanana eo amin’ny raharahan’izao tontolo izao ny Baiboly. Tsy maintsy tolorana ny fiandrianana Jesosy Kristy. Amin’ny maha Mpanjaka azy, dia hanana fahefana izy, tsy hoe hanapaka eo amin’ny mpianany ihany, fa hanao fandaharana koa ho an’izao tontolo izao manontolo. Amin’izay dia tokony ho re any an-danitra izao fanambarana manaraka izao: “Ny Fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” (Apokalypsy 11:15). Koa satria Andriamanitra nanome azy fahefana hamely ny fahavalony, dia tokony hanomboka hanao zavatra ho fanoherana an’ilay “filohan’izao tontolo izao”, dia Satana Devoly, sy ireo demoniany, izy (Jaona 14:30). Hazera avy any amin’ny lanitra ambony ireny hery ratsy ireny ka hotanana aty akaikin’ny tany. Inona no haterak’izany?

26 Araka ny filazalazana ara-paminaniana ny amin’io zava-niseho io, voasoratra ao amin’ny Apokalypsy, dia nisy feo avy tany an-danitra nanambara toy izao: “Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:12). Hisy fikorontanana tsy mbola nisy toy izany hitranga eo amin’ireo firenena, nefa tsy ho tonga avy hatrany akory ny farany.

27. a) Amin’ny fahantomoran’ny “farany”, inona moa no asa fanavahana lehibe tsy maintsy tontosaina, ary amin’ny alalan’ny inona? b) Hanao ahoana ny halehiben’ny fandringanana?

27 Tsy maintsy hisy asa lehibe fanavahana aloha. Eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra, ireo mpianany mahatoky dia tokony hitory “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” amin’ny tany onenana manontolo ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra (Matio 24:14, MN; 25:31-33). Hatraiza, hatraiza ny olona dia tokony hanana fahafahana haneho ny fihetsiny eo anoloan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Nohazavain’i Jesosy fa rehefa ho vita io asa io, “dia vao ho tonga ny farany”. Izany dia ho “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. (Matio 24:21.) Tsy hapetraky ny olona intsony mihitsy ny fanontaniana hoe: “Tsy manao na inona na inona ve Andriamanitra?” Ny hany ho tafita velona dia ireo ho nisahirana nianatra ny amin’izay nataon’Andriamanitra sy nampifanaraka ny fiainany amin’ny didiny, alohan’ny fandringanana haneran-tany.

28. a) Oviana moa no tokony hitranga ny fandraisan’i Kristy ny fiandrianana? b) Inona ary no ilaina maika dia maika ny hanaovan’ny isam-batan’olona azy?

28 Fa rahoviana izany zavatra izany no tokony hitranga? Amin’ny fotoana toy inona Kristy no tokony hotolorana ny fahefana hanjaka ka hanavaka ny olona eo amin’ireo firenena? Hamarinin’ny zava-mitranga fa nanatanteraka izany zavatra izany Andriamanitra tamin’izao taonjato faharoapolo izao. Efa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra Kristy, ary madiva ho vita ny asa fampisarahana. Kely dia kely sisa ny fotoana azonao iandaniana amin’i Jehovah, mikasika ny raharaha ny amin’ny fiandrianana manerana izao rehetra izao. Antomotra ny “fahoriana lehibe”! Izany dia miharihary amin’ny fandinihana amim-pitandremana ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly amin’ny fanazavan’ny tantara amin’ny andro ankehitriny. Mamporisika anao izahay handinika akaiky izany.

[Fanontaniana]