Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy naman’izao tontolo izao” ireo ho tafita velona

“Tsy naman’izao tontolo izao” ireo ho tafita velona

Toko Faha-11

“Tsy naman’izao tontolo izao” ireo ho tafita velona

1, 2. a) Inona moa no nambaran’i Jesosy mikasika ny fifandraisan’ny mpianany amin’izao tontolo izao? b) Inona no tsy nolazainy tamin’izany, ary nahoana?

 EO “AMIN’IZAO tontolo izao” daholo isika rehetra, amin’ny heviny hoe velona ao anatin’izao tontolo izaon’ny olombelona isika. Nambaran’i Jesosy Kristy fa tsy tokony ho “naman’izao tontolo izao” ny mpianany. (Jaona 17:11, 14.) Inona no tiany holazaina? Raha manantena ny ho hita fa anisan’ireo ho tafita velona izay hiditra ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaon’Andriamanitra isika, dia tokony ho takatsika izany hevitra izany.

2 Aoka hojerentsika aloha izay tsy tokony handraisana ny hevitry ny hoe tsy “naman’izao tontolo izao”. Izany akory tsy milaza fihatahana amin’ny olona, fitokana-monina, na fandehanana ho any amin’ny monastera na ho any an’efitra. Mifanohitra amin’izany kosa fa tamin’ny alina talohan’ny nahafatesany, dia nivavaka tamin’ny Rainy ho an’ny mpianany Jesosy, tamin’ny filazana hoe: “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao”. — Jaona 17:15, 16.

3, 4. a) Nahoana moa ny kristiana no tsy maintsy mifampikasoka amin’ny olon’izao tontolo izao? b) Inona anefa no tokony hohalaviriny?

3 Tsy mandositra ny olona velively ny mpianatr’i Jesosy fa ‘nirahina ho amin’izao tontolo izao’, mba hampahafantatra ny fahamarinana (Jaona 17:18). Tokony ho “fahazavan’izao tontolo izao” izy ireny, amin’ny fanaovana izay hamirapiratan’ny fahazavan’ny fahamarinana eo anatrehan’ny olona, mba hahatakaran’izy ireny ny fomba mety hampiharan’ny fahamarinan’Andriamanitra fitarihana tsara eo amin’ny fiainany. — Matio 5:14-16.

4 Voatery mifampikasoka amin’ny olona betsaka ny kristiana, amin’ny fiasana mba hamelomana ny ankohonany, sy amin’ny fanambarana amin’ny olona ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany antony izany, araka ny asehon’ny apostoly Paoly, dia tsy antenain’Andriamanitra akory ny ‘hialany amin’izao tontolo izao’ amin’ny ara-batana. Tsy azony atao tanteraka ny “tsy hiharoharo” amin’ny olon’izao tontolo izao. Fa ny azony atao sy tokony hatao dia ny fanaovana izay tsy hahatonga ny zava-dratsy ataon’ny ankamaroan’olona tsy handoto azy ireny na hiditra ao anatin’ny kongregasiona kristiana. — I Korintiana 5:9-11.

5. Ahoana moa no ahitana tamin’izay niseho tamin’i Noa sy ny ankohonany fa ilaina ny hitandreman-tena mba hisaraka amin’izao tontolo izao?

5 Tokony hanahaka an’i Noa sy ny ankohonany ny kristiana. Tamin’ny andron’i Noa “ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany”. (Genesisy 6:12). Nefa tsy nitovy tamin’izy ireny Noa sy ny ankohonany. Tamin’ny fandavana tsy hanaraka ny olon-kafa rehetra tamin’ny lalan-dratsin’izy ireny sy tamin’ny fitoriana ny fahamarinana, Noa dia “nanameloka izao tontolo izao” ka nampiseho azy ho tsy azo alan-tsiny sy tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra (Hebreo 11:7; II Petera 2:5). Noho izany antony izany, rehefa nandringana ny olona ratsy fanahy ny safodrano naneran-tany, dia tafita velona Noa sy ny ankohonany. “Teo amin’izao tontolo izao” izy ireny, nefa ‘tsy namany’. — Genesisy 6:9-13; 7:1; Matio 24:38, 39.

AHOANA NO TOKONY HITIAVANA NY OLONA EO AMIN’IZAO TONTOLO IZAO?

6. Tsara ve ny hitiavana ny olona eo amin’izao tontolo izao?

6 Mba tsy hahatonga ho “naman’izao tontolo izao”, moa ve ianao tokony hankahala ny olona? Tsy izany velively. Tokony hanahaka an’i Jehovah Andriamanitra kosa ianao. Araka ny Jaona 3:16, dia izao no nolazain’i Jesosy Kristy mikasika azy: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao [izao tontolo izaon’ny olombelona]: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Amin’ny hatsaram-pony sy ny fangorahany ny karazan’olona rehetra, dia asehon’Andriamanitra antsika ny ohatra tokony harahina. — Matio 5:44-48.

7, 8. a) Inona moa no nosoratan’ny apostoly Jaona mikasika ny fitiavana an’izao tontolo izao? b) Ahoana àry no itiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ary andinin-teny hafa inona ao amin’ny Jaona no manaporofo izany?

7 Nefa moa ve ny apostoly Jaona tsy nanoratra hoe: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.” Raha tia izao tontolo izao Andriamanitra, nahoana ilay apostoly no nanome an’io torohevitra io? — I Jaona 2:15.

8 Ampahafantarin’ny Baiboly antsika fa tia izao tontolo izaon’ny olombelona Andriamanitra, raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe tia ny olombelona tsy tanteraka sy manatona ny fahafatesana izay mila fanampiana be dia be izy, na tsapan’izy ireny izany na tsia. Tsy tiany ny toetran’izy ireny ratsy izay miseho amin’ny fanirian-dratsy, na ny zava-dratsy ataony. Ny apostoly Jaona dia mampitandrina antsika amin’ny loza ateraky ny fitiavana ny faniriana sy ny asa ratsin’izao tontolo izaon’ny olombelona. Izao no ambarany: “Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — I Jaona 2:15-17.

9, 10. a) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa izany faniriana izany dia ‘avy amin’izao tontolo izao’? b) Inona moa no vokatr’ireny filana ireny teo amin’ny olona?

9 “Avy amin’izao tontolo izao” tokoa ny filan’ny nofo sy ny maso ary ny faniriana hisandratra manokana, satria ireo faniriana ireo nitombo tao amin’ireo ray aman-drenintsika voalohany ka nitarika azy ireny hikomy (Genesisy 3:1-6, 17). Ny fanirian-dratsy dia nitarika azy ireny haniry ny tsy hiankina amin’Andriamanitra, mba hiasana ho an’ny tombontsoan’ny tenany, mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Tamin’ny fanarahana an’ireny fanirian-dratsy mampiseho fitiavan-tena ireny, dia nandika ny didin’Andriamanitra izy.

10 Jereo izao tontolo izao manodidina anao. Moa ve amin’izao androntsika izao ny ankamaroan’ny olona tsy mandany ny fotoanany hanomezana fahafaham-po ny filan’ny nofo sy ny maso, ary hampisehoana ‘rehaka momba izao fiainana izao’? Moa ve ireny zavatra ireny tsy mahaforona ny fanantenana sy ny zavatra imasoan’ny ankamaroan’olona, ka mametra ny fitondrantenany sy ny fifandraisany amin’ny hafa? Izany tokoa, ary izany dia nitarika azy ireny handika ny lalàn’Andriamanitra. Izany no mahatonga ny tantaran’ny olombelona ho fitantarana lava momba ny fisaratsarahana, ny ady, ny faharatsiam-pitondrantena, ny heloka bevava, ny fitiavan-tombony mihoa-pampana ara-barotra, ny fampahoriana, ny fanirian-daza feno fiavonavonana sy ny ady ho an’ny fahefana amam-boninahitra.

11. Nahoana moa Andriamanitra no afaka ny ho tia an’izao tontolo izao, nefa tsy ho tia ireo zavatra resahin’ny apostoly Jaona?

11 Hitantsika àry ny fahasamihafana amin’ny hoe tia an’izao tontolo izao toy ny fitiavan’Andriamanitra azy, sy ny hoe tia ny filan-dratsy amam-panao maloto melohin’ny apostoly. Raha naneho ny fitiavany an’izao tontolo izaon’ny olombelona Andriamanitra, ny antony indrindra dia ny mba hanomezana azy ireny fahafahana ho afaka amin’ny filan-dratsy sy ny vokatra manimban’ny fahotana, anisan’izany ny fahafatesana. Novidiny lafo ny fanehoany toy izany ny fitiavany, satria natolony ho sorona ny Zanany mba hanavotana ny olombelona. Nefa, ambaran’ny Baiboly, mikasika an’izay mandà an’izany sorona izany ka minia tsy mankato hatrany, fa “ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy”. — Jaona 3:16, 36; Romana 5:6-8.

12. Ahoana no mety hahafantarantsika raha ankasitrahan’Andriamanitra ny fomba fitiavantsika ny olona eo amin’izao tontolo izao?

12 Ahoana àry ny amintsika? Moa ve isika tia olona eo amin’izao tontolo izao amin’ny heviny hoe miahy ny amin’izy ireny isika satria izy ireny olombelona toa antsika, izay mila fanampiana mba hahitana ny lalan’ny fiainana sy ny fankasitrahan’Andriamanitra? Sa kosa tiantsika ny zavatra izay misakana an’ireny olona ireny tsy ho tonga mpanompon’Andriamanitra? Moa ve ankasitrahantsika ny fombany miolonolona ka mandika ny lalàn’Andriamanitra mba hanomezana fahafaham-po ny filan’ny nofony feno fitiavan-tena, sy ny fombany mizahozaho sy mirehareha fa tsy manome voninahitra an’Andriamanitra? Raha tia sy mifanerasera amin’ny olona toy izany isika noho ny kilemany, dia tia izao tontolo izao amin’ny fomba ratsy isika, dia ny fomba ampitandreman’ny apostoly antsika.

13. Nahoana moa ny fitiavana an’izao tontolo izao no mety hisakana olona iray tsy hanompo an’Andriamanitra?

13 Tamin’ny andron’i Jesosy dia olona maro no tia ny lalan-dratsin’izao tontolo izao ka tsy nanaiky ny ho tonga mpianatra be herim-po. Tsy naniry ny hamoy ny maha-mamy hoditra azy eo amin’ny olona na ny toerana notanany teo amin’ny olona nitovy laharana sy finoana taminy izy. Naleony ny dera avy amin’ny olona toy izay ny fankasitrahan’Andriamanitra (Jaona 12:42, 43). Ny sasany tamin’izy ireny dia nanao asa fiantrana sy asa hafa koa mampiseho fitiavam-pivavahana, nefa ny zava-nokendreny indrindra dia ny hahazo voninahitra avy amin’ny mpiara-belona aminy, eny avy amin’izao tontolo izaon’ny olombelona (Matio 6:1-6; 23:5-7; Marka 12:38-40). Moa ve ianao tsy mahalala olona betsaka, na dia anisan’ireo Fiangonana ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana aza, izay tia amin’izany fomba izany ny lalan-dratsin’izao tontolo izao? Asehon’ny Baiboly fa tsy mitarika ho amin’ny famonjena izany lalana izany.

NY FOMBA HIAROVAN-TENA AMIN’NY FITARIHAN’ILAY “FILOHAN’IZAO TONTOLO IZAO

14. Iza moa no naka fanahy an’i Jesosy nandritra ny fotoana nivahiniany teto an-tany, ary nanao ahoana ny fahombiazany?

14 Nalaim-panahy ny Zanak’Andriamanitra tamin’izany lafiny izany. Niezaka Satana mba hanao izay hampiforona ao aminy ny filan’ny nofo sy ny maso mampiseho fitiavan-tena ka hitarika azy ho be “rehaka” ny amin’ny fahefany, mba hanairana ny olona sy hahatongavana ho sahala amin’izao tontolo izao. Natolotr’i Satana azy mihitsy aza ny fanapahana eo amin’ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao sy ny voninahiny. Nolavin’i Jesosy tamin’ny fomba hentitra izany fanolorana izany. Fantany ny fomba tokony hitiavany an’izao tontolo izao, araka ny sitrapon’ny Rainy. Voamarikao ve hoe iza no nitady hampiasa ny fitiavan-tenany? Tsy iza fa ilay voalohany nametraka fanontaniana mikasika ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra ka nanosika an’ireo ray aman-drenintsika voalohany hiseho ho be hitsim-po eo anoloan’ny Mpamorona. Satana Devoly izany (Lioka 4:5-8). Zava-dehibe tokony ho fantatsika izany. Nahoana?

15. Asehoy amin’ny alalan’ny Baiboly ny hoe iza no “filohan’izao tontolo izao”.

15 Ny antony dia satria, araka ny porofoin’ny zava-misy, izao tontolo izao, anisan’izany ny fanjakany sy ny fanjakana hafa koa, dia manana an’ilay fahavalon’Andriamanitra ho filohany tsy hita maso. Jesosy dia niresaka ny amin’ilay fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra ho “filohan’izao tontolo izao”. (Jaona 12:31; 14:30, MN; II Korintiana 4:4). Ny apostoly Paoly koa dia nanisy fitenenana ny amin’ireo “fanahy ratsy”, izany hoe ireo demonia eo ambany fanapahan’i Satana, ka nilaza fa izy ireny dia mahaforona “fanapahana” tsy hita maso, “fanjakana” sy “mpanjakan’izao fahamaizinana izao” tokony hiarovan’ny kristiana tena amin’ny alalan’ny fiadiana ara-panahy. — Efesiana 6:10-13.

16. Olona firy moa no voafitak’i Satana ka latsaka eo ambany fanapahany?

16 Olom-bitsy monja no afa-niala tamin’ny fanapahan’io filoha tsy hita maso io sy ireo miaramilany. “Izao tontolo izao”, izany hoe ny ankamaroan’ny olona, dia “mipetraka eo amin’ilay ratsy”. Amin’ny alalan’ny fitarihan’ireo demonia, Satana dia “mamitaka izao tontolo izao”, anisan’izany ireo mpitarika eto an-tany izay angoniny mba hiady amin’Andriamanitra sy ny Fanjakany tapahin’i Jesosy Kristy. — I Jaona 5:19; Apokalypsy 12:9; 16:13, 14; 19:11-18.

17. a) Araka ny “toe-tsaina” asehon’izao tontolo izao, eo ambany fanapahan’iza moa ny olombelona? b) Moa ve afaka ny hahazo sitraka amin’ny Mpamorona izay maneho toe-tsaina toy izany?

17 Toa sarotra inoana ve izany? Nefa moa ve ny ankamaroan’ny mponina amin’ny tany tsy maneho ny ‘fanahy’ ny toetoetra miharihary indrindra, ny hery manosika — sy ny asa mampiavaka an’ilay fahavalon’Andriamanitra? Hita maneran-tany ny lainga, ny fitaka, ny fankahalana, ny herisetra, zavatra izay, araka ny filazan’ny Baiboly, dia ataon’olona ‘avy amin’i Devoly’ ka manana azy ho “ray” ara-panahy (Efesiana 2:2, 3; Jaona 8:44; I Jaona 3:8-12). Na ahoana na ahoana, ny toe-tsain’izao tontolo izao dia tsy avy amin’ny Mpamorona tia iray.

18. Fitondram-panjakana inona moa no tokony hofidintsika raha tiantsika ny ho afaka amin’ny fanapahan’ilay “filohan’izao tontolo izao”?

18 Moa ve tsy marina koa fa ny ankamaroan’olona dia mitoky amin’ny volavolan-kevitr’olombelona natao mba hitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana amin’ny tany? Firy amin’ny olona fantatrao no mitodika amim-pahatsorana any amin’Andriamanitra sy ny Fanjakan’ny Zanany mba handaminan’izy ireo ny zava-manahirana amin’ny tany? Moa ve izy ireny tsy miantehitra kosa amin’ny fandehan-javatra ara-politikan’olombelona? Moa ve Jesosy tsy nanambara hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao.” Tsy ao amin’izao tontolo izao akory ny “loharanon’io” Fanjakana io, satria tsy olona no manome azy ny fahefany, manorina azy na mitana azy eo amin’ny fahefana. Andriamanitra no manao izany (Jaona 18:36; Isaia 9:5, 6). Noho izany raha tiantsika ny ho hita fa anisan’ireo ho tafita velona rehefa ho tonga hamely ny fahavalony rehetra io Fanjakana io, dia tokony hijery ny zavatra araka ny maha-izy azy isika ka hanaiky fa manapaka eo amin’izao tontolo izao sy ny fandehan-javatra eo aminy Satana. Tokony hanafa-tena amin’ny fanapahany isika amin’ny fiandaniana amin’ny fitondram-panjakana marin’i Jehovah sy Jesosy Kristy. — Matio 6:10, 24, 31-33.

19. Araka ny ahariharin’ny Tantara, ahoana moa no nanaporofoan’ireo kristiana voalohany fa tsy “naman’izao tontolo izao izy?

19 Hamarinin’ny Tantara fa ireo kristiana voalohany dia sady nitoetra ho olom-pirenena mpanara-dalàna no nanana fahavononana tsara ny tsy ho “naman’izao tontolo izao”, na dia nitondra fanenjehana tamin-kalozana ho azy aza izany. Izao no vakintsika mikasika izany:

 “Tsy azon’ireo mpitondra teo amin’izao tontolo izao mpanompo sampy sy tsy nankasitrahany ny kristianisma voalohany. (...) Tsy nety nanatontosa adidy sasany nasaina nataon’ireo olom-pirenena romana ny kristiana. (...) Tsy nanaiky handray andraikitra ara-politika mihitsy izy ireny.” — On the Road to Civilization, A World History, nataon’i Heckel sy Sigman, pp. 237, 238.

 “Tsy nety nandray anjara tamin’ny fitondrana sivily na ny fiarovana ara-tafiky ny empira izy. (...) Ny kristiana, dia tsy afaka nanaiky hanao ny raharahan’ny miaramila, mpifehy na mpanapaka raha tsy hoe niala tamin’ny fanaovana adidy masina kokoa angaha izy.” — History of Christianity, nataon’i Edward Gibbon, pp. 162, 163.

 “Origène [izay velona tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo amin’ny fanisan-taona iraisana] (...) dia manamarika fa ‘tsy afaka miady na amin’ny firenena inona na amin’ny firenena inona ny Fiangonana kristiana. Nianarany tamin’ny Filohany fa zanaky ny fiadanana izy’. Nandritra io fe-potoana io dia kristiana maro no nampijalina noho izy tsy nety nanao raharaha miaramila. Ny 12 martsa 295, Maximilien, zanaky ny miaramila menavazana romana iray be mpahalala, dia nantsoina hiasa tao amin’ny tafika romana; nanda izy ka nianina tamin’ny filazana hoe: ‘Kristiana aho.’ ” — H. Ingli James, notononina tao amin’ny Treasury of the Christian World, natontan’i A. Gordon Nasby, p. 369.

20. Mba hahafaka hatrany amin’ny fanapahan’ilay “filohan’izao tontolo izao”, inona moa no fadin’ny mpanompon’i Jehovah?

20 Amin’ny fihatahana amin’ny raharahan’izao tontolo izao, ny mpanompon’i Jehovah dia tsy mandray anjara amin’ny fifamelezany, ny fisaratsarahany ara-pirenena na ara-pirazanana, na ny adiny ara-tsosialy. Ny fihetsiny, noferan’Andriamanitra, dia mitondra fiadanana sy filaminana eo amin’ny karazan’olona rehetra (Asan’ny apostoly 10:34, 35). Ireo ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ho avy tokoa dia ho “avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. — Apokalypsy 7:9, 14.

SAKAIZAN’IZAO TONTOLO IZAO SA SAKAIZAN’ANDRIAMANITRA?

21. Nahoana moa izay manaraka ny Baiboly no tsy afaka manantena ny ho tian’izao tontolo izao?

21 Izao no nambaran’i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo. (...) Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:19, 20). Ny fahamarinana madio sy tsotra dia ny hoe, mba hahatongavana ho sakaizan’izao tontolo izao, dia tsy maintsy manahaka azy ny tena, miara-manana ny faniriany, ny faniriany laza, ny fitompoany teny fantatra, sy midera ny toe-tsainy, ny filozofiany, ka manaraka ny fanaony sy ny lalany. Ireo izay manohana an’izao tontolo izao ankehitriny dia tsy tia ny hanalana sarona ny fahadisoany na ny hampiomanina fa mampidi-doza ny lalany. Noho izany antony izany, izay manaraka ny Baiboly amin’ny fanohanana ny fampianarany amin’ny fitondrantenany sy ny fomba fiainany sy amin’ny firesahana ho fanohanana azy, dia tsy maintsy iharan’ny fankahalan’izao tontolo izao. — Jaona 17:14; II Timoty 3:12.

22. Raha ny amin’ny fisakaizana, mametraka antsika eo anoloan’ny fisafidianana inona moa ny Baiboly?

22 Ao amin’ny Jakoba 4:4 ny Baiboly dia mametraka antsika eo anoloan’izao fisafidianana izao: “Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao. Koa na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” Manome fepetra koa Andriamanitra mba hanomezana ny fisakaizany, ary tsy mifanaraka amin’ny an’izao tontolo izao’ny olombelona mpanota izany. — Salamo 15:1-5.

23. a) Ahoana no ampisehoan’ny olona iray fa sakaizan’izao tontolo izao izy? b) Ahoana no azontsika isehoana ho sakaizan’Andriamanitra?

23 Ny maha-anisan’ny sasany amin’ny fandaminana eo amin’izao tontolo izao na tsia akory tsy mamaritra ny amin’ny hahafantarana raha mandray soa avy amin’ny fisakaizan’Andriamanitra isika, ka izany dia hahatonga antsika ho tafita velona ary hiditra ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaony. Raha maneho ny toe-tsain’izao tontolo izao isika ka mitovy fiheverana ny amin’ny fiainana aminy, dia manondro tena ho sakaizan’izao tontolo izao isika, fa tsy sakaizan’Andriamanitra. Ny toe-tsain’izao tontolo izao dia miteraka “asan’ny nofo”, toy ny “fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany”. Milaza mazava ny Baiboly fa “izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra”. Nefa kosa raha sakaizan’Andriamanitra isika, dia hanana ny fanahiny izay ny vokany dia “fitiavana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po”. — Galatiana 5:19-23.

24. a) Nahoana moa no tsy mety ny hanahafana ireo olona ankalazain’izao tontolo izao? b) Ahoana moa no ampihariharian’ny fihetsika asehontsika eo anoloan’ny fananana ara-nofo, ny karazam-pisakaizana tena katsahintsika tokoa?

24 Manome taratry ny fanahin’iza isika? Ny valin’io fanontaniana io dia hanampy antsika hahafantatra hoe sakaizan’iza isika. Koa satria isika miaina ao anatin’izao tontolo izao ratsy ka iharan’ny fitaomany, dia tsy tokony ho gaga isika raha mahalala fa tokony hitondra fiovana eo amin’ny fiainantsika isika mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Ny olona eo amin’izao tontolo izao dia manome voninahitra sy mankalaza ny olona manana fanirian-daza manosika azy ireny hanangona harena be, ho tonga eo amin’ny fahefana na ny laza. Tahafiny ny fiteny, ny fitondrantenany, ny fisehoana ivelany sy ny fomba fitafin’ireny olo-malaza sy sampy ireny. Irinao ve ny ho tonga mpankalaza olo-malaza toy izany? Ny asany dia mifanohitra amin’ny zava-kendrena eo amin’ny fiainana atolotry ny Tenin’Andriamanitra antsika. Mamporisika antsika ny Baiboly mba hanangona harena sy hery ara-panahy ka hikatsaka ny voninahitra amin’ny maha-solontena sy mpitondra tenin’Andriamanitra eto an-tany. (I Timoty 6:17-19; II Timoty 1:7, 8; Jeremia 9:22, 23). Ny fampielezan-kevitra ara-barotra eo amin’izao tontolo izao dia manosika ny olona ho amin’ny fitiavana ny zavatra hita maso. Manjary mino izy fa ny fahasambarany dia miankina amin’ny fananana ara-nofo ka heveriny ho zava-dehibe lavitra izany noho ny fiheverany ny Tenin’Andriamanitra sy ny zavatra manana ny hasarobidiny ara-panahy. Mety hitondra fisakaizan’izao tontolo izao ho anao ny fananana ara-nofo, nefa izany dia hanaisotra aminao ny fisakaizan’Andriamanitra? Fisakaizana inona no sarobidy kokoa aminao? Inona no hiantoka ho anao, fahasambarana lehibe indrindra sy maharitra indrindra?

25. a) Inona moa no tokony hampoizintsika avy amin’izao tontolo izao rehefa miala amin’ny lalany isika? b) Inona no tena hahatonga antsika ho afaka ‘hanavao ny saintsika’ tokoa ka hijery ny zavatra toy ny fijerin’Andriamanitra azy?

25 Moramora kokoa ny manahaka an’izao tontolo izao. Noho ny toe-tsainy ratsy, ireo izay manohana azy dia tsy hankasitraka ny hanaovanao zavatra hafa noho ny ataony (I Petera 4:3, 4). Hampihatra fitaomana eo aminao ny fitambaran’olona eo amin’izao tontolo izao, mba hanahafanao azy. Amin’ny alalan’ny fahendreny, — ny filozofiany mikasika ny fahasambarana, — izao tontolo izao dia hanandrana hamolavola ny fisainanao. Izany no antony tokony hiezahanao tokoa, ary hila finoana ianao mba ‘hanavaozana ny sainao’, hijerena ny zavatra araka ny fijerin’Andriamanitra azy ka hahafantarana hoe nahoana no ‘fahadalana eo imasony ny fahendren’izao tontolo izao’. (I Korintiana 1:18-20; 2:14-16; 3:18–20). Raha mianatra amim-paharisihana ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia tsy ho voafitaky ny fahendrena sandok’izao tontolo izao intsony; ho tsapanao ny vokatra manimba efa naterany sy ny fiafarana mampidi-doza hitarihany ny olombelona. Dia hankamaminao an-tsakany sy an-davany ny lalan’Andriamanitra sy ireo fitahiana azo antoka itarihany.

TSY MISY ILANA NY HANOKANANA NY FIAINANA SY NY HERIN’NY TENA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO EO AM-BAVAHOANA

26. Ho fahendrena ve ny hiaraha-miasa amin’ny fandaminana mpanasoa vahoaka izay miezaka mba hanatsara toe-piainana manjaka eo amin’izao tontolo izao?

26 Mety hanohitra toy izao ny sasany: “Moa tsy manao soa ve ny fandaminana maro eo amin’izao tontolo izao, amin’ny fiasana ho amin’ny fiarovana, ny fahasalamana, ny fampianarana sy ny fahafahan’ny olona?” Marina fa ny fandaminana sasany dia mitondra fanamaivanana vetivety amin’ny fahorian’ny olona. Nefa izy rehetra ireny dia anisan’izao tontolo izao lavitra an’Andriamanitra, ary manosika ny olona hampaharitra ny fandehan-javatra ankehitriny. Tsy misy na dia iray aza aminy manohana ho fitondram-panjakana amin’ny tany, ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Zanany. Aoka handray ohatra isika. Na dia ny mpanao heloka bevava mampidi-doza aza dia mety hitaiza ankohonana, hanome izay ilainy sy hanohana ara-bola ny asan’ny faritany. Nefa moa ve izany antony tokony hanohananao fandaminan’ny mpanao heloka bevava iray? — Jereo II Korintiana 6:14-16.

27. Inona moa no hany fomba fanampiana ny olona eo amin’izao tontolo izao ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny ka hiditra ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaon’Andriamanitra?

27 Moa ve tena fanehoana fitiavana marina ny olona ny hikambanantsika amin’ny volavolan-kevitr’izao tontolo izao, amin’ny fanokanana amin’izany ny fotoanantsika sy ny herintsika mba hahombiazany? Moa ve ny fomba tsara fanampiana marary iray dia ny fanaovana izay hahavoan’ilay aretiny ny tena? Moa ve tsy hanampy azy bebe kokoa ianao amin’ny fiarovan-tena tsy ho voa sy amin’ny fampisehoana aminy ny fomba fiadiana amin’ny aretina? Marary ara-panahy anefa ny fitambaran’olona ankehitriny. Tsy misy na dia iray aza amintsika afaka hamonjy azy, satria ahariharin’ny Tenin’Andriamanitra fa eo am-bavahoana izy (Jereo Isaia 1:4-9). Nefa, raha miaro tena ho tafasaraka amin’izao tontolo izao isika, dia afaka manampy isam-batan’olona ny olona eo amin’izao tontolo izao, hahita ny fahasalamana ara-panahy sy ho tafita velona mba hiditra ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina (II Korintiana 6:17). Manehoa fahendrena amin’ny fanalavirana ny fitsabahana amin’ny volavolan-kevitr’izao tontolo izao, ary miezaha mafy mba tsy ho voaloton’ny toe-tsain’izao tontolo izao sy hanahaka ny lalany tsy marina. Aza hadinoina na oviana na oviana fa “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. — I Jaona 2:17.

[Fanontaniana]