Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonona ny hampifanaraka ny fiainanao amin’ny fahamarinana ve ianao?

Vonona ny hampifanaraka ny fiainanao amin’ny fahamarinana ve ianao?

Toko Faha-10

Vonona ny hampifanaraka ny fiainanao amin’ny fahamarinana ve ianao?

1, 2. a) Inona moa no soa entin’ny fahamarinana? b) Araka ny hevitrao, inona moa no loharanon’ny tena fiadanana sy filaminana?

 ZAVA-TSOA faniry tokoa ny fahamarinana. Raha manao zavatra mifanaraka amin’ny fahamarinana isika, dia afaka miaro antsika amin’ny ratsy na izay rehetra mety ho fatiantoka izy ka amin’izany dia mitondra fahasambarana sy tsy fananana ahiahy ary fiadanana ho antsika. Hita indrindra izany amin’ny fahamarinana mikasika ny ho avin’ny taranaka ankehitriny.

2 Rehefa jerena amin’ny zava-misy efa nasehon’ity boky ity anao, dia azo inoana fa ekenao fa tsy afaka miantoka ny tena fiadanana sy filaminana ny olombelona. Azo inoana fa ekenao koa fa milaza ny marina ny Baiboly rehefa manambara fa Andriamanitra irery ihany no afaka mandamina ny zava-manahirana ny olombelona ka hanao izany izy amin’ny alalan’ny Fanjakana nankininy tamin’ny Zanany. Raha miray hevitra amin’izany ianao, moa ve tsy ho fahendrena ny hanaovan-javatra mifanaraka amin’ireny fahamarinana ireny (Jakoba 1:22)? Inona no tokony hataonao?

3. Raha misy tia ny harovan’Andriamanitra ka hiditra ao amin’ny fandaharan-javatra vaovaony, inona avy moa no fiovana tokony hataony eo amin’ny fiainany?

3 Ny Baiboly dia manorina fitsipika izay tokony hohajain’ireo izay harovan’Andriamanitra ka hampidiriny ao anatin’ny fandaharany vaovao sy marina. Ireny fitsipika ireny dia mitaky amin’izay rehetra maniry ho tonga mpanompon’Andriamanitra, ny hitondrany fiovana eo amin’ny fiainany. Marina fa tsy manana fiainana ratsy araka ny fiheveran’olombelona daholo akory ny olona rehetra. Nefa ny olona rehetra dia tsy maintsy manao fiovana lehibe ka manova tanteraka ny heviny ny amin’ny fiainana. Mikasika izany, dia izao no vakintsika ao amin’ny Romana 12:2: “Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.”

4. Mba tena ‘handehanana ao amin’ny fahamarinana’ tokoa, inona moa no filazalazana ny tsara sy ny ratsy tokony hekentsika?

4 Izany fiovana izany dia hanova ny marika fanavahantsika ny tsara sy ny ratsy. Taloha isika dia nanao zavatra araka ny hevitr’olombelona tsy tanteraka, na nametra ny fitsipi-pitondrantenantsika isika. Nefa amin’izao fotoana izao dia takatsika fa tamin’ny fiankinana tamin’ny fiheveran’ny tenany mikasika ny tsara sy ny ratsy, Adama sy Eva dia nandà an’Andriamanitra tsy ho Tompom-piandrianany ka niharan’ny vokany mampidi-doza. Raha tiantsika ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra, dia tokony hanaiky ny fitarihany isika, amin’ny fanavahana ny tsara sy ny ratsy, mifototra amin’ny Baiboly. Amin’ny fifidianana ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy mety ho diso hevitra isika. Ambaran’ny Salamo 119:151 fa ‘marina ny didiny rehetra’; noho izany, raha manaraka izany isika, dia ‘handeha amin’ny fahamarinany’. (Salamo 86:11.) Moa ve tsy izany no irinao atao?

ILAINA NY TOROHEVITRA SY FANITSIANA

5. a) Inona moa no tokony heken’izay maniry hitondra fiovana eo amin’ny fiainany? b) Nahoana moa no misy olona marobe tsy mety miaiky ny fahadisoany, ary inona no vokatr’izany?

5 Izay maniry hitondra fiovana eo amin’ny fiainany dia tokony ho vonona ny hanaiky ny fahadisoan’ny tenany ka hahatakatra fa ilaina ny hihatsara. Manao fahadisoana daholo isika rehetra, ary noho izany dia mila fanitsiana. Izao no ambaran’ny Baiboly: “Tsy misy olona tsy manota.” (I Mpanjaka 8:46). Olona marobe anefa no tsy mety miaiky ny fahadisoany. Nahoana? Noho ny avonavona. Tsy miaiky amim-panetren-tena izy ireny fa diso, fa matetika no manandrana manilika ny fahadisoany amin’ny olon-kafa. Vao mainka manaratsy ny tarehin-javatra izany.

6. Any amin’iza moa no tokony hitodihantsika mba handraisana torohevitra, ary nahoana?

6 Ny zava-manahirana iray lehibe toy izany koa, dia ny hoe, noho isika tsy tanteraka, dia tsy fantatsika mandrakariva ny fitsipi-pitondrantena tsara tokony harahina. Voafitaka aza isika indraindray amin’ny fieritreretana fa tsara ny lalan-dratsy iray (Ohabolana 16:25). Noho izany dia mila torohevitra sy fanitsiana avy amin’ny loharano iray ambony noho ny olombelona isika. Amin’izany isika dia ho afaka hanao zavatra amim-pahendrena, araka izay hahasoa indrindra antsika sy ny mpiara-belona amintsika. Jehovah Andriamanitra no Loharanon’izany fanitsiana izany. Izany no antony mahatonga ny Ohabolana (3:11) hirakitra izao torohevitra izao: “Anaka, aza manamavo ny famaizan’i Jehovah.”

7. a) Ahoana moa no anitsian’i Jehovah antsika? b) Inona moa no hasehontsika amin’ny fanekena ny fanitsian’Andriamanitra?

7 Ahoana no anitsian’i Jehovah antsika? Amin’ny alalan’ny Teniny, ny Baiboly masina, no anaovany izany. Araka izany, amin’ny famakiana ny Baiboly na amin’ny fihainoana ny anankiray amin’ireo rahalahintsika ao amin’ny finoana manintona ny saintsika ho amin’ny andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly, raha tsikaritsika fa amin’ny lafiny sasany isika dia tsy manaraka ny didin’Andriamanitra, dia manitsy antsika izany Andriamanitra. Amin’ny fanekena ny fanitsiany ho voamarina sy amin’ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’izany, no anaporofoantsika fa tiantsika ny hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny fahamarinana. Ekentsika fa Andriamanitra dia manana zo hitari-dalana antsika, ary asehontsika fa isika no karazan’olona iriny ho hita hiaina ao anatin’ny fandaharan-javany vaovao. Ny fiainantsika dia miankina amin’ny fanekentsika ny fanitsian’Andriamanitra. — Ohabolana 4:13.

8. a) Nahoana moa isika no hanimba tena raha mody manaiky ny fanitsiana, nefa tsy tena miova fitondrantena? b) Nahoana moa no mampahery ny fahafantarana fa hitan’i Jehovah izay rehetra ataontsika?

8 Mazava ho azy fa raha tiantsika ny handray soa amin’ny fanitsian’Andriamanitra, dia tokony ho tsotra amin’ny tenantsika isika. Inona no hilana ny toa fanaovana ny tsara rehefa misy mijery antsika, sady hiverina indray amin’ny fanaontsika taloha any amin’ny takona? Tsy hanampy antsika velively hiala amin’ny lalan-dratsintsika ny fihatsarambelatsihintsika fa hanadombo fotsiny ny fieritreretantsika. Ankoatr’izany, na dia hanao izay hideran’ny olona antsika aza isika, dia tsy afaka mamitaka ny Mpamorona. Hitany izay rehetra ataontsika. Izao no ambaran’ny Baiboly (Ohabolana 15:3): “Ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.” Ny fahafantarana fa mandinika antsika Jehovah Andriamanitra dia tokony hitana antsika tsy hanao ratsy. Afaka mionona koa isika amin’ny fieritreretana fa mandinika amim-pankasitrahana “ny tsara fanahy” Andriamanitra ka manohana azy ireny amin’ny fitsapana mahazo azy. Iza moa no “tsara fanahy” mahita sitraka amin’Andriamanitra?

“SAMIA MILAZA NY MARINA AMIN’NY NAMANY AVY HIANAREO REHETRA”

9. a) Raha ny amin’ny filazana ny marina, inona no heverina ho ara-dalàna eo amin’izao tontolo izao? Nahoana? b) Noho izany, inona moa no fiovana tokony hataon’izay maniry ‘tsy hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao’ intsony?

9 Amin’izao andro izao ny ankamaroan’ny olona dia tsy milaza ho mitandrina an-tsakany sy an-davany ny Tenin’Andriamanitra, sady tsy mihevi-tena ho tsy marina. Firy amin’izy ireny anefa no milaza foana ny marina? Moa ve tsy olona marobe kosa aza no vonona ny hanafina ny marina na tsy hilaza afa-tsy izay mitondra tombontsoa ho an’ny tenany? Mety hihevitra izany ho ara-dalàna izao tontolo izao, nefa tsy fanamarinana azo ekena izany. “Mipetraka eo amin’ilay ratsy” izao tontolo izaon’ny olona lavitra an’Andriamanitra. Io ratsy io, dia Satana Devoly, dia “rain’ny lainga”. Izy no mpandainga voalohany (I Jaona 5:19; Jaona 8:44). Noho izany, izay maniry ‘tsy hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao’ intsony dia tsy tokony ho gaga raha mahatsapa fa tokony hovany be dia be ny fiheverany raha ny amin’ny filazana ny marina.

10. Nahoana moa ny fanaovana ny tsy marina no manidy ny olona ao amin’ny tarehin-javatra sarotra ialana ka mahatandindomin-doza ny fiadanana sy ny filaminana?

10 Misy antony tsara dia tsara tokony hanaovana ny marina. Tsy misy manimba kokoa ny fiadanana sy ny filaminana toy ny tsy fanaovana ny marina, na amin’ny fiainana ao an-tokantrano izany, na any am-piasana, na amin’ny fialam-boly, na eo amin’ny fifandraisana ara-tsosialy, na any an-toeran-kafa. Ny olona izay tsy mitana ny teny nataony, mandika ny fampanantenana nomeny, mamitaka sy manambaka, dia tsy mitondra tombontsoa na ho an’iza na ho an’iza. Diso fanantenana ireo iharam-pahavoazana noho ny tsy marina ataony, ary matetika izy ireny no sosotra sy misafoaka. Tsy vitan’ny hoe miteraka fanerena ara-pihetseham-po sy ara-tsaina fotsiny ny fanaovana ny tsy marina fa mety hiteraka ratra ara-batana koa sy fahafatesana mihitsy aza. Izany no hita, ohatra, rehefa misy loza lehibe vokatry ny asa ratsy, ny fampiasana fitaovana tsy tsara, sy ny fanekena tsy nohajaina. Ny olona mihevitra fa mahasoa azy ny fanaovany ny tsy marina dia manadino fa iharam-pahavoazana izy noho ny fanaovan’ny hafa ny tsy marina. Tsy maintsy mandoa lafo kokoa izy amin’ny fananana sy ny fanaovan-draharaha ilainy, satria mangalatra ny mpiasa sy ny mpividy. Araka izany, ny fanaovana ny tsy marina dia mihodinkodina eo ihany. Arakaraka ny fitomboan’ny olona manambaka, no itomboan’ny fatiantoka, ny fahadisoam-panantenana, ny fanaovan-javatra feno herisetra, ny ratra sy ny fahafatesana.

11. Ahoana moa no fiheveran’i Jehovah ny tsy fanaovana ny marina sy ny lainga?

11 Koa satria ratsy toy izany ny vokany, dia tsy afaka ny hankasitraka ny fanaovana ny tsy marina sy ny lainga Jehovah. Anisan’ny zavatra “halan’i Jehovah” dia ao ny lainga, ny fianianan-tsy to, ny vato tsy marina sy ny mizana mandainga (Ohabolana 6:16-19; 20:23). Ireo izay zatra mandainga dia tsy hanana anjara mihitsy amin’ireo fitahiana tehirizin’i Jehovah ho an’ireo izay tia azy (Apokalypsy 21:8). Moa ve tsy izany no antenaina avy amin’ny Andriamanitra marina iray? Raha mandefitra hatrany amin’ny olona mamitaka ny mpiara-belona aminy mba handraisana tombontsoa avy aminy izy, inona no ho tsy fananana ahiahy ho hita ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaony?

12, 13. a) Inona moa no lazain’ny Baiboly mikasika ny fahamarinana? b) Moa ve isika afaka manompo an’i Jehovah amin’ny maha-vavolombelona raha manao ny tsy marina?

12 Noho izany dia tsy tokony hatao ambanin-javatra ity baiko voasoratra ao amin’ny Baiboly ity: “Samia miteny marina amin’ny namany avy hianareo.” (Zakaria 8:16; Efesiana 4:25). Raha ny amin’ny fampanantenana na ny fifanarahana ataontsika, ny “eny” lazaintsika dia tokony ho eny, ary ny “tsia” dia tsia (Jakoba 5:12). Tsy tokony ilaina ny hanaovana fianianana mba hahatonga ny tenintsika ho azo antoka kokoa. Raha tiantsika ny hampiseho an’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fahamarinana”, dia tokony hilaza ny marina foana isika (Salamo 31:5). Izay mandainga dia tsy hohajain’Andriamanitra na ny namany, noho izany dia tsy afaka misolo tena an’Andriamanitra amin’ny maha-vavolombelony izy. Izao no nosoratan’ny mpanao salamo iray: “Fa amin’ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: Ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao? (...) Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka.” — Salamo 50:16, 19.

13 Nefa ny sasany mety hanontany tena toy izao: Mety mbola ho velona ihany eo amin’izao tontolo izao ve ny olona iray raha marina sy mahatoky? Mety hahomby eo amin’ny raharaha ve izy raha tsy manao sahala amin’ny olona rehetra?

MIKARAKARA AN’IREO IZAY MAMPIHATRA NY FAHAMARINANA ANDRIAMANITRA

14. Ahoana moa no ampisehoan’ny Baiboly fa azo atao ny mamelon-tena tsy misy fanaovana ny tsy marina?

14 Ny filazana fa tsy afaka hamelon-tena ny olona iray raha tsy mampiasa tsy fahamarinana dia ho toy ny milaza fa tsy mikarakara an’ireo izay tia azy Andriamanitra. Manaporofo ny mifanohitra indrindra amin’izany anefa ny zavatra hitan’ny mpanompon’Andriamanitra nandritra ny an’arivo taonany maro (Hebreo 13:5, 6). Ohatra, Davida mpanao salamo dia nanizingizina toy izao: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” (Salamo 37:25). Tsy milaza akory izany fa hoe tsy mahita fahasahiranana ny olona mahitsy. Ny tenan’i Davida koa aza dia nailikiliky ny vahoaka nandritra ny fotoana sasany, nefa tsy diso izay nilaina teo amin’ny fiainana na oviana na oviana izy.

15. Araka ny tenin’i Jesosy, moa ve Andriamanitra mihevitra izay ilaintsika ara-nofo?

15 Tsy izay omeny amin’ny lafiny ara-nofo akory no manintona antsika amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Nefa nampianatra ny mpianany Jesosy fa mety ny mivavaka amin’Andriamanitra mba hitahiany ny fiezahan’izy ireo, hahazoana “isan’andro izay hanina sahaza” azy. (Lioka 11:2, 3.) Tsy nanda velively Jesosy fa hoe nila sakafo sy fitafiana ny mpianany, fa nanome toky azy toy izao izy: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:25-34). Mino izany ve ianao? Raha izany no izy dia tsy ho voan’ny fakam-panahy handika ireo fotopoto-pitsipika marin’Andriamanitra ianao, mba hanarahana ny maro fotsiny. Ho fantatrao kosa ny fahendrena amin’ireto teny voasoratra ao amin’ny I Timoty 6:6-8 ireto: “Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.”

16. Ahoana moa no hiarovan’ny fampiharana an’io andinin-tenin’ny Baiboly io antsika?

16 Mba hanarahana an’io torohevitra io, dia ilaina ny hananana toe-tsaina hafa tanteraka noho izay fahita eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Izany dia anisan’ny ‘fanavaozana ny saintsika’. Raha mianina amin’izay ilaina eo amin’ny fiainana isika, dia tsy hanao ny vola ho andriamanitsika ary tsy ho tonga andevony (Matio 6:24). Araka izany dia tsy ny fananana ara-nofo no ho zava-kendrena lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika, ka tsy ho voan’ny fakam-panahy hanambaka na hamitaka olona isika mba hampanan-karena (Ohabolana 28:20; I Timoty 6:9, 10). Ireo izay manao ny harena ho zava-kendrena eo amin’ny fiainany dia mihevitra fa izany dia afaka miantoka ho azy ny tsy fananana ahiahy sy ny fahasambarana. Nefa moa ve marina izany? Moa tsy ny Baiboly ve no milaza ny marina rehefa manambara hoe: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena.” (Mpitoriteny 5:10). Ireo be vola dia ta-hahazo bebe kokoa hatrany. Mba hahazoana izany, dia matetika izy ireny no vonona ny hanimba ny fahasalamany sy tsy hanam-pifaliana amin’ny fiarahana amin’ny ankohonany. Tsy mahatsiaro ho tsy manana ahiahy velively izy, fa miaina ao anatin’ny tahotra ny hamoy izay nangoniny.

17. a) Inona moa no fahamarinana hadinon’izay mitady hanan-karena? b) Inona moa no manaporofo fa azo atao amin’izao andro izao ny mamelon-tena amim-pahamarinana sy mampihatra ny fahamarinana?

17 Rehefa resin’ny faniriana ny hanan-karena ny olona iray, dia tsy raharahainy ity fahamarinana nambaran’i Jesosy Kristy ity: “Fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” (Lioka 12:15). Tsaratsara kokoa ny hananana finoana an’Andriamanitra izay manome ny ilain’ny mpanompony. Any amin’ny tany maherin’ny roanjato ny vavolombelon’i Jehovah izay mihoatra ny iray tapitrisa sy sasany ny isany, dia mahaforona porofo velona ny amin’izany toe-javatra izany. Teo ambanin’ny endri-pitondram-panjakana rehetra sy tao amin’ny raharaha ara-dalàna rehetra, ny vavolombelona samy hafa firazanana sy toe-piainana ara-tsosialy dia miasa mba hameloman-tena ka manana fiainana sambatra. Marina fa noho ny finoan’izy ireo dia esoina izy ary enjehina izy any amin’ny tany sasany. Nefa, na dia rehefa toa mitondra fatiantoka ho azy aza ny fanaovany ny marina, dia novalian-tsoa ny finoany an’Andriamanitra sy ny fahafahany hanome izay ilain’izy ireo. Nahazo ny fanajan’ny mpiray firenena taminy izy, ary matetika ny lehibeny no tia azy noho ny hafa noho ny fanaovany ny marina. Na dia eo amin’izao tontolo izao tsy marina aza dia ankamamina ny asan’ny olona mendrika itokiana. Ny zavatra mbola lehibe kokoa ihany dia ny fananan’ny olona mahitsy fieritreretana madio noho ny fahamarinany, ary raha manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izy ireny, dia manana fanantenana ny hiaina mandrakizay ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaony.

18, 19. a) Nahoana moa ireny kristiana ireny no nanova ny fiainany mba hanarahana ny fahamarinana? b) Karazan’olona manao ahoana moa no harovan’Andriamanitra sy hampidiriny ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaony?

18 Fahiny, talohan’ny hahatongavana ho vavolombelona kristian’i Jehovah, ireny olona ireny dia nanaraka kely na be ny lalan’izao tontolo izao. Nefa rehefa avy nianatra ny Baiboly sy nahazo fahalalana ny fahamarinana izy ireny, dia niala tamin’ny fanao ratsy. Amin’izao fotoana izao ireny kristiana ireny dia miezaka amim-pahatsorana mba hihatsara hatrany. Miezaka izy mba hiseho ho “mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra.” (Titosy 2:10). Tsy mora tamin’izy ireny foana akory ny nanaraka ny fahamarinana sy ny nitondra teo amin’ny fiainany ny fiovana nilaina. Nefa nanampy azy ireny ny fitiavany ny fahamarinana.

19 Ary ianao, tia ny fahamarinana ve ianao? Raha izany no izy dia ianao no karazan’olona harovan’Andriamanitra ka hampidiriny ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaony. Ny olona raisiny dia “tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:24.) Araka izany dia miseho ho hafa noho izao tontolo izao manodidina azy izy ireny. Raha tiany tokoa ny hahazo sitraka amin’i Jehovah, dia tsy maintsy miavaka amin’izao tontolo izao koa izy amin’ny lafiny hafa. Inona izany?

[Fanontaniana]