Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHAFITO

Misy Mpikomy ve ao An-trano?

Misy Mpikomy ve ao An-trano?

1, 2. a) Fanoharana inona no nomen’i Jesosy mba hanasongadinana ny tsy fahatokian’ireo mpitondra fivavahana jiosy? b) Hevitra inona momba ny zatovo no azontsika ianarana avy amin’ny fanoharan’i Jesosy?

ANDRO vitsivitsy talohan’ny hahafatesany, i Jesosy dia nametraka fanontaniana nampisaintsaina iray tamin’antokona mpitondra fivavahana jiosy. Hoy izy: “Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ny tanimboaloboko anio. Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. Ka iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ny rainy?” Namaly ireo mpitarika jiosy hoe: “Ny lahimatoa.” — Matio 21:28-31.

2 Nanasongadina ny tsy fahatokian’ireo mpitarika jiosy i Jesosy teo. Toy ilay faralahy izy ireo, nampanantena ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, nefa avy eo dia tsy nitana ny teniny. Ray aman-dreny maro anefa no hanaiky fa ny fanoharan’i Jesosy dia niorina tamin’ny fahatakarana tsara ny amin’ny fiainam-pianakaviana. Araka ny nasehony tamin’ny fomba tsara aoka izany, dia sarotra matetika ny mahafantatra izay eritreretin’ny tanora, na ny maminany izay hataony. Mety hahatonga zava-manahirana maro ny tanora iray rehefa zatovo, nefa avy eo dia hitombo mba ho olon-dehibe mahay mandray andraikitra sy hajaina tsara. Izany dia zavatra tokony hotadidina ao an-tsaina rehefa miresaka momba ny zava-manahirana ny amin’ny fikomian’ny zatovo isika.

INONA NO ATAO HOE MPIKOMY?

3. Nahoana ny ray aman-dreny no tsy tokony ho mailaka hanasokajy ny zanany ho mpikomy?

3 Indraindray dia mety handre momba ny zatovo izay mikomy an-kitsirano amin’ny ray aman-dreniny ianao. Mety hahafantatra fianakaviana misy zatovo iray toa tsy azo fehezina mihitsy aza, ny tenanao. Kanefa, tsy mora foana ny mahafantatra raha tena mpikomy tokoa ny zaza iray na tsia. Ambonin’izany, dia afaka ny ho sarotra ny mahatakatra hoe nahoana ny ankizy sasany no mikomy, fa ny hafa kosa — na dia ao amin’ny ankohonana iray ihany aza — tsy mikomy. Raha misy ray aman-dreny miahiahy fa mety hitombo mba ho tonga mpikomy tanteraka ny iray amin’ireo zanany, inona moa no tokony hataony? Mba hamaliana an’io, dia tsy maintsy miresaka momba ny atao hoe mpikomy aloha isika.

4-6. a) Inona no atao hoe mpikomy? b) Inona no tokony hotazonin’ny ray aman-dreny ao an-tsaina raha tsy mankato tsindraindray ny zanany zatovo?

4 Raha lazaina amin’ny teny tsotra, ny mpikomy dia olona izay minia mandrakariva ny tsy hankato na hanohitra sy hihaika fahefana ambony kokoa iray. Mazava ho azy fa “miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana”. (Ohabolana 22:15). Koa ny ankizy rehetra àry dia hanohitra ny fahefan’ny ray aman-dreniny sy ny fahefana hafa, amin’ny fotoana iray na amin’ny fotoana hafa. Marina indrindra izany mandritra ilay fotoana itomboany ara-batana sy ara-pihetseham-po fantatra amin’ny hoe fotoana maha-zatovo. Hiteraka fihenjanana ny fiovana iray ao amin’ny fiainan’ny olona iray, na iza izy na iza, ary ny fotoana maha-zatovo dia tsy inona fa fotoam-piovana. Ny zanakao lahy na vavy zatovo dia mivoaka avy amin’ny fahazazana ary mandroso ho olon-dehibe. Noho io antony io, rehefa zatovo ny ankizy, dia sarotra ho an’ny ray aman-dreny sasany sy ny zanany ny mifanaraka. Matetika ny ray aman-dreny no miezaka ho azy ny hampiadana izany fifindrana izany, ary ny zatovo kosa mitady hanafaingana azy io.

5 Ny zatovo iray izay mpikomy dia mitsipaka ireo fari-pitsipiky ny ray aman-dreniny. Tadidio anefa fa ny tsy fankatoavana sasantsasany dia tsy mahatonga ny ankizy iray ho mpikomy. Ary raha ny amin’ny raharaha ara-panahy, ny ankizy sasany dia mety tsy hampiseho fahalianana firy, na tsy hampiseho fahalianana mihitsy, amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny voalohany, nefa mety ho tsy mpikomy izy ireo. Raha ray (na reny) ianao, dia aza maika hanasokajy ny zanakao.

6 Moa ve ireo taona maha-zatovo ny tanora rehetra voamariky ny fikomiana amin’ny fahefan’ny ray aman-dreniny? Tsia, tsy izany velively. Ny porofo tokoa dia toa manondro fa vitsy an’isa monja ireo zatovo mampiseho fikomiana lehibe mandritra io fe-potoana io. Na dia izany aza, ahoana ny amin’ny zaza iray izay mikiry hikomy mandrakariva? Inona no mety hahatonga izany fikomiana izany?

ANTON’NY FIKOMIANA

7. Ahoana no ahafahan’ny rivo-piainana araka an’i Satana mitaona ny zaza iray hikomy?

7 Ny antony lehibe iray amin’ny fikomiana dia ny rivo-piainana araka an’i Satana eo amin’itỳ tontolo itỳ. “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo [ambanin’ny herin’ilay, NW ] ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19). Itỳ tontolo eo ambanin’ny herin’i Satana itỳ dia nampitombo kolontsaina manimba iray izay tsy maintsy iadian’ny Kristiana. (Jaona 17:15). Be dia be amin’io kolontsaina io no feno tsy fahalalana henatra kokoa sy mampidi-doza kokoa ary feno fitaoman-dratsy kokoa amin’izao andro izao noho ny tamin’ny lasa. (2 Timoty 3:1-5, 13). Raha tsy mampianatra sy mampitandrina ary miaro ny zanany ny ray aman-dreny, ireo tanora dia ho afaka ny ho resy mora foana noho “[ilay toe-tsaina, NW ] izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana”. (Efesiana 2:2). Mifandray amin’izany ny faneren’ireo mitovy taona aminy. Hoy ny Baiboly: “Izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Toy izany koa, izay miaraka amin’ireo izay vonton’ny toe-tsain’itỳ tontolo itỳ dia azo inoana fa ho voataonan’izany toe-tsaina izany. Mitaky fanampiana tsy an-kijanona ireo tanora, raha tiana ny hahatakarany fa ny fankatoavana fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra no fanorenan’ny fomba fiaina tena tsara indrindra. — Isaia 48:17, 18.

8. Lafin-javatra inona avy no mety hitarika ho amin’ny fikomian’ny zaza iray?

8 Ny antony iray hafa mahatonga ny fikomiana dia mety ho ny rivo-piainana ao an-tokantrano. Ohatra, raha alkaolika ny ray (na ny reny), na mpidoroka zava-mahadomelina, na mahery setra amin’ny vadiny, dia ho afaka ny ho voaolana ny fomba fihevitr’ilay zatovo ny fiainana. Na dia ao amin’ny tokantrano toa tony ihany aza, dia mety hipoaka ny fikomiana, rehefa mihevitra ny zaza iray fa tsy liana ny aminy ny ray aman-dreniny. Kanefa, tsy ateraky ny fitaomana ivelany foana akory ny fikomian’ny zatovo. Ny ankizy sasany dia mitsipaka ireo fari-pitsipiky ny ray aman-dreniny, na dia manana ray aman-dreny mampihatra fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra sy miaro azy be dia be amin’ny tontolo manodidina azy, aza izy. Nahoana? Angamba noho ny fototra iray hafa miteraka ireo zava-manahirana antsika — ny tsy fahatanterahan’olombelona. Hoy i Paoly: “Avy tamin’ny olona iray [Adama] [no nidiran’ny ota] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. (Romana 5:12). I Adama dia mpikomy tia tena, ary namela lova ratsy ho an’ny taranany rehetra izy. Ny tanora sasany dia mifidy fotsiny ny hikomy, toy ny nataon’ilay razambeny.

I ELY NILEFITRA LOATRA SY I REHOBOAMA NANGEJA LOATRA

9. Fihetsika tafahoatra inona avy eo amin’ny fitaizana zanaka no mety hahatonga ny zaza iray hikomy?

9 Ny zavatra iray hafa nitarika ho amin’ny fikomian’ny zatovo dia ny fomba fihevitra tsy voalanjalanjan’ny ray aman-dreny momba ny fitaizana zanaka. (Kolosiana 3:21). Ny ray aman-dreny sasany malina tsara dia manjary mangeja sy mifehy amin-kasiahana ny zanany. Ny hafa kosa milefitra loatra, ka tsy manome toro lalana izay hiaro ireo zanany zatovo tsy ampy fanandraman-javatra. Tsy mora foana akory ny mahita ny elanelany eo amin’ireo fihetsika tafahoatra roa ireo. Ny zanaka samy hafa dia manan-javatra ilaina samy hafa. Ny iray dia mety hila fanaraha-maso kokoa noho ny iray hafa. Na dia izany aza, ny ohatra ara-baiboly roa dia hanampy mba hampisehoana ireo loza amin’ny fananana fihetsika tafahoatra, na eo amin’ny fangejana loatra izany na eo amin’ny fileferana loatra.

10. Nahoana i Ely, izay azo inoana fa mpisoronabe nahatoky, no ray tsy nahay?

10 Raim-pianakaviana i Ely mpisoronabe teo amin’ny Isiraely fahiny. Nanompo nandritra ny 40 taona izy, ary tsy isalasalana fa nahay tsara ny Lalàn’Andriamanitra. Azo inoana fa nanatontosa ireo adidin’ny mpisorona nahazatra azy tamim-pahatokiana tokoa i Ely, ary nety ho nampianatra ny Lalàn’Andriamanitra tamin’ny fomba lalina an’i Hofinia sy i Finehasa, zanany lahy, mihitsy aza izy. Kanefa, nandefitra loatra tamin’ireo zanany i Ely. Nanao ny fanompoan’ny mpisorona teo am-perinasa i Hofinia sy i Finehasa, nefa “tena ratsy fanahy” izy ireo, tsy liana afa-tsy tamin’ny fanomezana fahafaham-po ny filany sy ny faniriany feno fahalotoam-pitondran-tena. Kanefa, rehefa nanao zavatra nahafa-baraka teo amin’ny toerana masina izy ireo, i Ely dia tsy nanana ny herim-po hanesotra azy ireo tamin’ny toerany. Fibedena moramora fotsiny no nataony tamin’izy ireo. Tamin’ny fileferany loatra, i Ely dia nanome voninahitra ny zanany lahy mihoatra noho an’Andriamanitra. Ho vokany, dia nikomy tamin’ny fanompoam-pivavahana madio tamin’i Jehovah ireo zanany lahy, ary ny ankohonan’i Ely iray manontolo dia niharan’ny loza. — 1 Samoela 2:12-17, 22-25, 29; 3:13, 14; 4:11-22.

11. Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’ny ohatra ratsin’i Ely?

11 Efa olon-dehibe ireo zanak’i Ely tamin’ny fotoana nitrangan’ireo fisehoan-javatra ireo, nefa io tantara io dia manamafy ny loza amin’ny tsy fampiharana famaizana. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 29:21.) Ny ray aman-dreny sasany dia mety hampifangaro ny fitiavana amin’ny fileferana loatra, ka tsy hanorina na hampihatra fitsipika mazava sy tsy miovaova ary araka ny antonona. Manao tsirambina ny fampiharana fifehezana feno fitiavana izy ireo, na dia rehefa misy fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra voadika aza. Noho izany fileferana loatra izany, amin’ny farany ny zanany dia mety tsy hanisy fiheverana ny fahefan’ny ray aman-dreniny, na izay karazam-pahefana hafa rehetra. — Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 8:11.

12. Fahadisoana inona no nataon’i Rehoboama teo amin’ny fampiharana fahefana?

12 I Rehoboama kosa dia ohatra ny amin’ilay fampiharana fahefana tafahoatra iray hafa. Izy no mpanjaka farany teo amin’ny fanjakan’ny Isiraely tafaray, saingy tsy mpanjaka tsara izy. I Rehoboama dia nandova tany iray nisy vahoaka tsy faly noho ireo enta-mavesatra napetrak’i Solomona rainy tamin’izy ireo. Nampiseho fahazoana ny fihevitr’izy ireo ve i Rehoboama? Tsia. Rehefa nangataka taminy mba hanaisotra ny sasany tamin’ireo fepetra nampahory, ny antokon-tsolontena iray, dia tsy nanaraka ny torohevitra matotr’ireo mpanolo-tsainy zokiolona izy, fa nandidy kosa ny vao mainka hanampiana ny ziogan’ilay vahoaka. Ny fizahozahoany dia nahatonga ny fikomian’ireo foko folo tavaratra, ary dia nizara roa ilay fanjakana. — 1 Mpanjaka 12:1-21; 2 Tantara 10:19.

13. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manalavitra ny fahadisoan’i Rehoboama?

13 Afaka mandray fianarana lehibe sasany avy amin’ny fitantarana momba an-dRehoboama ireo ray aman-dreny. Mila ny ‘hitady an’i Jehovah’ amim-bavaka izy ireo, sy handinika ireo fomba fitaizany zanaka, amin’ny fiheverana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. (Salamo 105:4). “Ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry”, hoy ny Mpitoriteny 7:7. Ny toro lalana voahevitra tsara dia manome ho an’ny zatovo fahafahana hitombo, no sady miaro azy ireo amin’ny fahavoazana. Tsy tokony hiaina ao anatin’ny rivo-piainana henjana loatra sy mifehy loatra anefa ny ankizy, ka ho voasakana tsy hamboly fitokiana amin’ny tenany sy fatokian-tena araka ny antonona. Rehefa mikely aina ny ray aman-dreny mba hahita ny elanelany eo amin’ny fahalalahana be sy ny toro lalana hentitra izay voasoritra mazava, dia tsy hahatsiaro hirona hikomy loatra ny ankamaroan’ny zatovo.

AFAKA MISOROKA NY FIKOMIANA NY FANOMEZANA FAHAFAHAM-PO AMIN’IREO ZAVATRA FOTOTRA ILAINA

Azo inoana fa hihalehibe mba hiorina tsara kokoa ny ankizy, raha manampy azy ireo handresy ireo zava-manahirana amin’ny fotoana maha-zatovo azy, ny ray aman-dreniny

14, 15. Ahoana no tokony ho fiheveran’ny ray aman-dreny ny fitomboan’ny zanany?

14 Na dia mifaly aza ny ray aman-dreny mahita ny zanany zazakely mitombo ara-batana ka tonga olon-dehibe, dia mety hampikorontan-tsaina azy ny zanany zatovo rehefa manomboka mifindra avy eo amin’ny fiankinana amin-dray aman-dreniny ho amin’ny fitokiana amin’ny tenany araka ny mety. Mandritra io fe-potoana fifindrana io, dia aza gaga raha somary mafy loha na tsy mety hiara-miasa indraindray ilay zanakao zatovo. Tadidio ao an-tsaina fa ny tanjon’ny ray aman-dreny kristiana dia tokony ho ny hitaiza Kristiana matotra sy miorina tsara ary mahay mandray andraikitra. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 13:11; Efesiana 4:13, 14.

15 Na dia mety ho sarotra toy inona aza ilay izy, ny ray aman-dreny dia mila ny manapaka ny fahazarana hamaly hoe tsia amin’izay fangatahana fahaleovan-tena bebe kokoa rehetra ataon’ny zanany zatovo. Amin’ny fomba mahasoa, ny zaza iray dia mila ny mihalehibe mba ho tonga olona manana ny maha-izy azy. Eny tokoa, na dia mbola kely ihany aza ny zatovo sasany, dia efa manomboka mamboly fahatsinjovan-javatra tena toy ny an’ny olon-dehibe. Ohatra, hoy ny Baiboly momba an’i Josia, Mpanjaka tanora: “Raha mbola zatovolahy [15 taona teo ho eo] izy, dia niantomboka nitady an’Andriamanitr’i Davida”. Mazava fa olona nanana ny naha-izy azy sy nahay nandray andraikitra io zatovo niavaka io. — 2 Tantara 34:1-3.

16. Arakaraka ny fampitomboana ny andraikitra omena an’ireo zanakao, inona no tokony ho takatr’izy ireo?

16 Kanefa, ny fahalalahana dia miaraka amin’ny fampamoahana. Noho izany, dia avelao hiharan’ny vokatry ny sasany amin’ireo fanapahan-keviny sy zavatra ataony ilay zanakao vao misondrotra ho olon-dehibe. Ilay fotopoto-pitsipika hoe “izay afafin’ny olona no hojinjany”, dia mihatra amin’ny zatovo sy amin’ny olon-dehibe. (Galatiana 6:7). Tsy azo arovana mandrakizay ny zanaka. Ahoana anefa, raha mitady hanao zavatra izay tsy azo ekena tanteraka ny zanakao? Amin’ny maha-ray (na reny) mahay mandray andraikitra anao, dia ho voatery ianao hilaza hoe: “Tsia.” Ary na dia mety hanazava ny antony aza ianao, dia tsy tokony hisy na inona na inona hanova izany tsia izany ho eny. (Ampitahao amin’ny Matio 5:37.) Na dia izany aza, dia miezaha hilaza hoe “Tsia” amin’ny fomba tony sy azo ekena, satria “ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy”. — Ohabolana 15:1.

17. Inona avy no zavatra sasany ilain’ny zatovo iray ka tokony hanomezan’ny rainy (na ny reniny) fahafaham-po?

17 Ny tanora dia mila ilay fahatsapana tsy fananana ahiahy entin’ny fifehezana tsy miovaova, na dia tsy tonga dia manaiky foana ireo fameperana sy fitsipika aza izy ireo. Mahakivy raha miova matetika ireo fitsipika, arakaraka izay tsapan’ny ray (na reny) iray amin’ilay tarehin-javatra. Ankoatra izany, raha mahazo fampaherezana sy fanampiana, araka izay ilainy, ireo zatovo, mba handresena ny fihambahambana, ny fahasarotan-kenatra na ny tsy fananana fatokian-tena, dia azo inoana fa hihalehibe mba hiorina tsara kokoa izy. Ankasitrahan’ireo zatovo koa rehefa mahazo ilay fitokiana izay tokony ho tambin’izay nataony izy. — Ampitahao amin’ny Isaia 35:3, 4; Lioka 16:10; 19:17.

18. Inona avy no fahamarinana mampahery sasany momba ny zatovo?

18 Afaka mahazo fampiononana ny ray aman-dreny mahafantatra fa, rehefa misy filaminana sy fiorenana tsara ary fitiavana eo anivon’ny ankohonana, dia mazàna ireo ankizy no mandrobona. (Efesiana 4:31, 32; Jakoba 3:17, 18). Misy tanora maro tokoa nivoatra avy tamin’ny rivo-piainana ratsy tao an-tokantrano mihitsy aza, avy tamin’ny fianakaviana voamariky ny alkaolisma, ny herisetra, na ny fitaomana manimba hafa, ary nihalehibe mba ho tonga olon-dehibe tsara dia tsara. Noho izany, raha manome ankohonana ahatsiarovan’ireo zanakareo zatovo ho voaro sy ahafantarany fa hahazo fitiavana sy fanehoam-pitiavana ary fanehoam-piheverana, ianareo — na dia arahin’ny fameperana sy ny fifehezana araka ny antonona mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina aza izany fanohanana izany — dia tena azo inoana fa hihalehibe mba ho tonga olon-dehibe izay hampirehareha anareo izy ireo. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 27:11.

REHEFA TAFIDITRA AO ANATIN’NY ZAVA-MANAHIRANA NY ANKIZY

19. Na dia tokony hampiofana ny zaza iray amin’izay lalana tokony halehany aza ny ray aman-dreny, inona no andraikitra mipetraka amin’ilay zaza?

19 Tena zava-dehibe tokoa ny fitaizana tsara ny zanaka. Hoy ny Ohabolana 22:6: “[Ampiofano, NW ] amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” Na dia izany aza, ahoana ny amin’ireo ankizy izay manan-java-manahirana lehibe nefa manana ray aman-dreny tsara? Mety hisy ve izany? Eny. Ireo tenin’io ohabolana io dia tsy maintsy raisina amin’ny fiheverana ny andinin-teny hafa izay manantitrantitra ny andraikitr’ilay zaza ‘hihaino’ sy hankato ny ray aman-dreniny. (Ohabolana 1:8). Na ilay ray (na ilay reny) na ilay zanaka dia tsy maintsy miara-miasa mba hampihatra fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina, raha tiana ny hisian’ny firindrana ao anatin’ny fianakaviana. Raha tsy miara-miasa ny ray aman-dreny sy ny zanaka, dia hisy zava-manahirana.

20. Rehefa mania noho ny tsy fitandremana ny zanany, inona no ho zavatra voalohany maneho fahendrena hataon’ny ray aman-dreny?

20 Ahoana no tokony ho fihetsiky ny ray aman-dreny rehefa mania ka tafiditra ao anatin’ny zava-manahirana ny zanany zatovo iray? Amin’izay indrindra ilay tanora no mila fanampiana. Raha tadidin’ny ray aman-dreny fa tanora tsy ampy fanandraman-javatra no ifampiraharahany, dia ho mora kokoa aminy ny hanohitra ny fironana hanana fihetsika tafahoatra. Hoy ny torohevitr’i Paoly tamin’ireo olo-matotra tao amin’ny kongregasiona: “Na dia manao fahadisoana alohan’ny hahatsapany azy aza ny olona iray, dia iezahonareo izay manana ireo toetra ara-panahy ilaina arenina amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy izany olona izany”. (Galatiana 6:1, NW ). Ny ray aman-dreny dia afaka manaraka io fomba fanaovan-javatra io koa, rehefa mifampiraharaha amin’ny tanora iray izay nanao fahadisoana noho izy tsy nitandrina. Sady manazava tsara ny antony maha-tsy mety ny fitondran-tenany sy ny fomba ahafahany tsy hamerina ilay fahadisoana ny ray aman-dreny, no tokony hataony mazava fa ilay fitondran-tena tsy mety no ratsy, fa tsy ilay tanora akory. — Ampitahao amin’ny Joda 22, 23.

21. Ho fanarahana ny ohatry ny kongregasiona kristiana, ahoana no tokony ho fihetsiky ny ray aman-dreny, raha manao fahotana lehibe ny zanany?

21 Ahoana raha tena lehibe ny ditran’ilay ankizy? Amin’izay, ilay ankizy dia mila fanampiana manokana sy fitarihan-dalana amim-pahakingana. Rehefa manao fahotana lehibe ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona, dia ampirisihina hibebaka sy hanatona an’ireo loholona mba hahazoana fanampiana. (Jakoba 5:14-16). Raha vao mibebaka izy, ireo loholona dia miara-miasa aminy mba hanarenana azy ara-panahy. Ao anatin’ny fianakaviana, dia mipetraka amin’ny ray aman-dreny ny andraikitra hanampy ilay zatovo nania, na dia mety hila ny hiresaka momba ilay raharaha amin’ireo loholona aza izy ireo. Tena tsy tokony hitady ny hanafina amin’ny fitambaran-doholona izay fahotana lehibe rehetra nataon’ny iray tamin’ireo zanany tokoa, izy ireo.

22. Ho fanahafana an’i Jehovah, inona no fihetsika hiezahan’ny ray aman-dreny hohazonina, raha manao fahadisoana lehibe ny zanany?

22 Ny zava-manahirana lehibe iray mahazo ny iray amin’ny zanaky ny tena dia tena misedra. Efa mikorontana ara-pihetseham-po ireo ray aman-dreny, ka mety hitady handrahona amim-pahatezerana an’ilay zanany naniasia; mety hampahasosotra mafy azy io fotsiny anefa izany. Tazony ao an-tsaina fa mety hiankina amin’ny fomba itondrana azy mandritra io fotoan-tsarotra io ny hoavin’io tanora io. Tadidio koa fa i Jehovah dia vonona ny hamela heloka rehefa nivily niala tamin’izay nahitsy ilay vahoakany — raha nibebaka koa izy ireo. Henoy ny teniny feno fitiavana hoe: “Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.” (Isaia 1:18). Ohatra tsara dia tsara ho an’ny ray aman-dreny re izany!

23. Eo anoloan’ny fahotana lehibe nataon’ny iray tamin’ireo zanany, inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny, ary inona no tokony hohalaviriny?

23 Noho izany, dia miezaha hampirisika an’ilay naniasia hanova ny lalana arahiny. Mitadiava torohevitra tsara any amin’ny ray aman-dreny za-draharaha sy any amin’ny loholon’ny kongregasiona. (Ohabolana 11:14). Miezaha tsy hanao zavatra eo no ho eo, na hiteny na hanao zavatra izay hanasarotra ny hiverenan’ny zanakao ho aminao. Halaviro ny fahatezerana sy ny fahasosorana mafy tsy voafehy. (Kolosiana 3:8). Aza maika ny hilavo lefona. (1 Korintiana 13:4, 7). Na dia mankahala ny ratsy aza ianao, dia halaviro ny ho tonga mafy fo na sosotra mafy amin’ny zanakao. Ny zava-dehibe indrindra dia ny hikelezan’ny ray aman-dreny aina mba hamela ohatra tsara dia tsara sy hihazona ny finoany an’Andriamanitra ho matanjaka.

FIFAMPIRAHARAHANA AMIN’NY MPIKOMY IRAY TSY METY MIOVA

24. Tarehin-javatra mampalahelo inona no mipoitra indraindray ao amin’ny fianakaviana kristiana, ary ahoana no tokony ho fihetsiky ny ray (na ny reny) iray eo anoloan’izany?

24 Amin’ny toe-javatra sasany, dia manjary mazava fa efa nanao fanapahan-kevitra hentitra ny hikomy sy handa tanteraka ireo fari-pitsipika kristiana ny tanora iray. Amin’izay ny zavatra himasoana dia tokony hovana ka tokony ho ny fihazonana na ny fanorenana indray ny fiainam-pianakavian’ireo izay tavela. Mitandrema mba tsy hampifantoka ny herinao rehetra amin’ilay mpikomy, ka hanao tsirambina an’ireo zanakao hafa. Aza mitady hanafina ilay zava-manahirana amin’ny sisa amin’ny fianakaviana, fa resaho amin’izy ireo kosa ilay raharaha, hatramin’ny ambaratonga mety sy amin’ny fomba manome toky. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 20:18.

25. a) Ho fanarahana ny modely navelan’ny kongregasiona kristiana, ahoana no mety ho tsy maintsy hataon’ny ray aman-dreny raha tonga mpikomy tsy mety miova ny zanany? b) Inona no tokony hotazonin’ny ray aman-dreny ao an-tsaina raha mikomy ny iray amin’ireo zanany?

25 Hoy ny apostoly Jaona momba ny olona iray tonga mpikomy tsy azo nahitsy intsony tao amin’ny kongregasiona: “Aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory”. (2 Jaona 10). Mety hihevitra ireo ray aman-dreny fa tena ilaina ny hanaovana dingana toy izany amin’ilay zanany, raha ampy taona araka ny lalàna izy ka tonga mpikomy tanteraka. Na dia mety ho sarotra sy hampijaly toy inona aza izany fanaovan-javatra izany, indraindray dia tena ilaina ilay izy mba hiarovana ny sisa amin’ny fianakaviana. Mila ny fiarovanao sy ny fanaraha-masonao mitohy ny ankohonanao. Noho izany, dia aza mitsahatra ny mihazona toro lalana ara-pitondran-tena voasoritra mazava, nefa araka ny antonona. Mifampiresaha amin’ireo zanakao hafa. Manehoa fahalianana amin’ny fandrosoany any am-pianarana sy any amin’ny kongregasiona. Afa-tsy izany koa, dia ampahafantaro azy ireo fa, na dia tsy mankasitraka ireo zavatra ataon’ilay zanakao mpikomy aza ianao, dia tsy mankahala azy akory. Ilay zava-dratsy ataon’ilay zaza no melohy, fa tsy ilay zaza akory. Rehefa nahatonga loza tamin’ny fianakaviany noho ilay zavatra tsy nifaditra ovana nataony ny zanak’i Jakoba mirahalahy, dia ny fahatezerana feno herisetran’izy ireo no nozonin’i Jakoba, fa tsy ireo zanany lahy akory. — Genesisy 34:1-31; 49:5-7.

26. Avy amin’inona no ahafahan’ny ray aman-dreny malina tsara manovo fampiononana, raha mikomy ny iray amin’ireo zanany?

26 Mety hahatsiaro ho tompon’andraikitra ny amin’izay nitranga tao amin’ny fianakavianao ianao. Raha nivavaka sy nanao izay rehetra azonao natao ianao, ka nanaraka ny torohevitr’i Jehovah tsara araka izay azonao natao, dia tsy misy ilana hanakianan-tena tsy araka ny antonona. Mandraisa fampiononana avy amin’ny hoe tsy misy afaka ny ho ray (na reny) tonga lafatra, nefa efa niezaka tamim-pahamalinana tsara mba ho ray (na reny) tsara ianao. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:26.) Mahatorotoro fo ny fananana mpikomy tsy voafehy iray ao amin’ny fianakaviana, nefa raha sendra mahazo anao izany, dia matokia fa mahazo ny fihevitrao Andriamanitra ary tsy hahafoy na oviana na oviana ireo mpanompony feno fandavan-tena izy. (Salamo 27:10). Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hihazona ny tokantranonao ho toeram-pialofana voaro sy araka ny fanahy, ho an’izay zanaka tavela rehetra.

27. Amin’ny fitadidiana ny fanoharana ny amin’ilay zanaka adala, inona no azon’ny ray aman-drenin’ny zanaka mpikomy iray antenaina?

27 Ambonin’izany, dia tsy tokony ho very fanantenana na oviana na oviana ianao. Ireo ezaka nataonao tany am-boalohany tamin’ny fampiofanana tsara an’ilay zanakao naniasia dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny fony amin’ny farany ka hampody ny sainy. (Mpitoriteny 11:6). Nisy fianakaviana kristiana sasantsasany efa nahita fanandraman-javatra tahaka ny anao, ary ny sasany dia efa nahita ny zanany naniasia niverina, tsy misy hafa amin’ilay ray tao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay zanaka adala. (Lioka 15:11-32). Mety hitranga aminao koa izany.