Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandrosoana sy Fitomboana Isa Taloha sy Ankehitriny

Fandrosoana sy Fitomboana Isa Taloha sy Ankehitriny

Fandrosoana sy Fitomboana Isa Taloha sy Ankehitriny

Ireo pejy voalohandohany amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nosoratana, efa zato taona mahery izao. Teo am-piandohan’ireo taona 1870 dia niforona tany Allegheny, izay anisan’i Pittsburg (Pennsylvanie) izao, ny fikambanan’olom-bitsy nianatra ny Baiboly. Charles Taze Russell no anaran’ilay mpamporisika ny antokon’olona. Tamin’ny jolay 1879 no niseho ny nomerao voalohany tamin’ny gazety “Ny Tilikambo Fiambenana sady Mpitondra hafatra ny amin’ny fanatrehan’i Kristy”. Tsy maintsy nitombo isa ilay fikambanan’olom-bitsy nianatra tamin’ny voalohany ka, tamin’ny 1880, dia maro be ny isan’ny antokon’olona (kongregasiona) sahala amin’izany tany amin’ireo fanjakana nanakaiky ny an’i Pennsylvanie. Tamin’ny 1881 dia noforonina ny fikambanana iray tsy nanana zo ara-pitsarana: ny Zion’s Watch Tower Tract Society. Tamin’ny 1884, io fikambanana io dia nahazo zo ara-pitsarana ary Russell no tonga prezidàny voalohany. Taty aoriana ny anaran’ilay fikambanana dia novana ho Watch Tower Bible and Tract Society. Tamin’izany fotoana izany, dia maro no nandeha isam-baravarana, nanao fanambarana sy nanolotra boky momba ny Baiboly. Tamin’ny 1888, dia olona dimampolo no nanokana ny fotoanany rehetra ho amin’io asa io (amin’izao andro izao dia maherin’ny 100 000 ny isan’ny mpitory manontolo andro maneran-tany).

Tamin’ny 1909 dia nandray endrika iraisam-pirenena ny asa. Tamin’izay ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower dia nafindra nankany Brooklyn (New York). Mbola any ihany izy amin’izao androntsika izao. Natomboka ny famoahana niaraka, toriteny momba ny Baiboly tany amin’ny fiasana fanontam-pirinty maromaro. Tamin’ny 1913 ireny toriteny ireny dia nivoaka tamin’ny fiteny efatra tao amin’ny gazety 3000 any Etazonia, Kanada sy Eoropa. Tamin’izany fotoana izany dia naely an-jato tapitrisany maro ny boky, bokikely sy trakitra.

Tamin’ny 1912 dia teo am-panaovana azy ny “Photo-Drame de la création”. Io asa io izay nisy sary maizina mihetsika sy misy feo dia nahafaoka vanim-potoana nanomboka tamin’ny famoronana ka hatramin’ny faran’ny fanjakana arivo taonan’i Kristy. Tamin’ny 1914 no nanaovana an’ireo fampisehoana voalohany (mpijery 35 000 isan’andro). Izany dia tamin’ny fotoana mbola tsy nisian’ny sarimihetsika miteny akory.

NY TAONA 1914

Nandroso nanatona fotoana fanapahan-javatra ny Tantara. Tamin’ny 1876, Russell dia nanome ho an’ny “Mpandinika ny Baiboly”, gazety iray natonta tany Brooklyn (New York), lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Ny andron’ny Jentilisa: rahoviana no hifarana izany?” Voamarika ao izao andalan-tsoratra izao (pejy faha-27, nomerao tamin’ny oktobra): “Hifarana amin’ny 1914 ny fetr’andro fito.” Ny tiana holazaina amin’ny hoe “andron’ny Jentilisa” dia ny vanim-potoana tondroin’i Jesosy amin’ny fitenenana hoe “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”. (Lioka 21:24, MN.) Raha marina fa tsy nitranga daholo akory ny zavatra nampoizina hiseho tamin’io daty io, ny taona 1914 dia mbola nanamarika ihany ny faran’ny andron’ny Jentilisa ka amin’izany izy dia mifono heviny manokana. Maro ny mpanoratra tantara sy ny mpivaofy teny mifanaraka mba hahita fa ny taona 1914 dia fiolahana eo amin’ny tantaran’ny olombelona. Izany no miharihary amin’ireto teny nalaina eto ambany ireto:

“Ny taona farany ‘ara-dalàna tanteraka’ teo amin’ny Tantara dia ny 1913, taona nialoha ny an’ny Ady Lehibe Voalohany.” — Sasin-tenin’ny “Times-Herald” (Washington) tamin’ny 13 martsa 1949.

“Nanomboka tamin’ny 1914, ny olona rehetra mahatsapa ny fandehan’ny zavatra eo amin’izao tontolo izao dia mihevitra lalina izay toa nanomboka fandehanana tsy azo ivalozana sy ihodivirana manatona loza mbola lehibe kokoa ihany. Saina mieritreritra maro no mahatsapa fa tsy misy na inona na inona ho afaka hisakana ny fitsambikinana lehibe ho ao amin’ny hantsana.” — Bertrand Russell, “New York Times Magazine” tamin’ny 27 septambra 1953.

“Tena nipoaka tokoa izao tontolo izao tamin’ny Ady Lehibe Voalohany. Talohan’io ady io, dia nino ny olona fa tsinjo ny fanjakan’ny nofy. Nisy fiadanana sy fanambinana. Avy eo dia nipoaka ny zavatra rehetra. Hatramin’izay isika dia toy ny mijanona (...). Betsaka kokoa ny voavono tato anatin’izao taonjato faha-20 izao tsy toy ny nandritra ny fotoana rehetra nisian’ny fandehan’ny Tantara.” — Dr Walker Percy, “American Medical News” tamin’ny 21 novambra 1977.

Rehefa afaka antsasa-taonjato mahery taorian’ny 1914, ilay mpitahiry ny fanombohan-kasem-panjakana atao hoe Konrad Adenauer dia nanoratra izao andalan-tsoratra izao: “Nanjavona tsy hita eo amin’ny fiainan’ny olona ny tsy fananana ahiahy sy ny filaminana nanomboka tamin’ny 1914.” — “The West Parker” tamin’ny 20 janoary 1966 (Cleveland, Ohio).

Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany dia maty tamin’ny 1916. Nandimby an’i Russell tamin’ny taona nanaraka i Joseph Franklin Rutherford. Nisy fiovana maro. Navoaka ny gazety vaovao iray, “L’Age d’Or”, izay nifandanja tamin’ny “Ny Tilikambo Fiambenana”. (Mbola mivoaka ihany izy io amin’izao andro izao amin’ny anarana hoe “Réveillez-vous!”; ny indray mivoaka: 8 200 000 amin’ny fiteny 47.) Nohantitranterina bebe kokoa ny amin’ny ilàna hanaovana fanambarana isam-baravarana. Tamin’ny 1931, ireny kristiana ireny dia nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, ka tamin’izany dia niavaka tamin’ireo finoana hafa. Efa nolazaina fa io anarana io dia mifototra amin’ny Isaia 43:10-12.

Tao anatin’ireo taona 1920 sy 1930, dia nampandraisana anjara ny radiao. Tamin’ny 1933, dia foibe 403 no namoaka lahateny momba ny Baiboly. Taty aoriana, dia navelan’ny Vavolombelona kely ny onjam-peo fa naleony nandeha isam-baravarana kokoa nitondra fonografy. Nitondra an’io fitaovana io izy ireo ka nandeha isan-trano, nandefa lahateny araka ny Baiboly tamin’ny disika. Nanomboka fianarana Baiboly tany an-tokantranon’ny olona rehetra nampiseho fahalianana izy ireny.

ADY TEO ANATREHAN’NY FITSARANA NITONDRA FANDRESENA

Tao anatin’ireo taona 1930 sy 1940, dia nihamaro ny fisamborana teo amin’ny laharan’izy ireo, ka ny antony dia ny asa fitoriany. Notorina tamin’ny fitsarana izy ireo. Niaro ny zony teo anatrehan’ny fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah ka niaro tamin’izany koa ny fahalalahana amin’ny teny, ny filazana hevitra, ny fanompoam-pivavahana sy ny fivoriana. Tany Etazonia, dia nangataka fitsarana ambony tsy tapaka izy rehefa nanameloka azy ny fitsarana ambany. Tamin’izany no nahazoany ny rariny tamin’ny raharaha 43 nentina teo anatrehan’ny Fitsarana tampony tao amin’ilay tany. Namoaka fara hevitra nanohana azy koa ny Fitsarana Ambony tany amin’ny tany hafa. Ny amin’ny ady nahazoany fandresena teo anatrehan’ireo fitsarana, dia izao no nosoratan’ny profesora Braden tao amin’ny bokiny nivoaka araka ny lohateny hoe “Manana finoana koa ireo” (anglisy): “Nitondra fanampiana lehibe ho an’ny demokrasia izy ireo rehefa niady mba hiaro ny zony amin’ny maha-olom-pirenena, satria ny ady nataon’izy ireo dia nandray anjara lehibe tamin’ny fiantohana ireny zo ireny ho an’ny antokon’olom-bitsy rehetra eto Amerika.”

FANDAHARAM-PAMPIOFANANA MANOKANA

Maty tamin’ny 1942 i Rutherford. Nandimby azy tamin’ny naha-prezidà i N. H. Knorr. Tamin’izay no nitokanana ny fandaharam-pampiofanana voalamina tsara. Naorina tamin’ny 1943 ny fianarana fampiofanana manokana ho an’ny misionera, tao amin’ilay sekoly antsoina hoe Gileada, Sekoly fianarana Baiboly an’ny Watchtower. Misionera maro no nandalo tamin’io fianarana io. Nalefa tany amin’ny tany 166 eto amin’ny gilaoby izy ireo. Nisy kongregasiona vaovao teraka tany amin’ny tany tsy nisy izany mihitsy. Nisy sampana naorina hatraiza hatraiza maneran-tany; maherin’ny sivifolo izany amin’izao fotoana izao. Vao naorina ny fianarana manokana ho an’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona, ho an’ny mpiasa ao amin’ny sampana sy ho an’ireo mpitory manontolo andro (mpitory maharitra).

Maty tamin’ny 1977 i N. H. Knorr. Teo amin’ny lafin’ny fandaminana, ny anankiray amin’ireo fanovana faramparany nandraisany anjara talohan’ny nahafatesany dia ilay natao hanitarana ny Kolejy foibe, Kolejy any amin’ny foibe any Brooklyn. Tamin’ny 1976, ireo andraikitra amin’ny fitantanan-draharaha dia nozaraina tamin’ny komity isan-karazany nisy lehilahy samy anisan’ny Kolejy foibe daholo. Ireo mpikambana valo ambin’ny folo mahaforona an’io Kolejy io dia manome ny fotoanany rehetra ho amin’ny asa fanambarana hatramin’ny dimy amby telopolo taona na mihoatra.

FANONTAM-PIRINTY VAOVAO

Voamariky ny zava-niseho nanaitra ny tantaran’ny Vavolombelona amin’izao androntsika izao. Vitsy dia vitsy ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1870 (fikambanana kely nianatra ny Baiboly tany Pennsylvanie), nefa amin’izao fotoana izao izy dia maherin’ny 2 400 000 maneran-tany. Hita any amin’ny tany mihoatra ny 200 izy ireo. Teo am-boalohany dia nankinina tamin’ny fiantohan-draharaha ara-barotra ny famoahana ny soratra nataony rehetra. Nanomboka tamin’ny 1920, rehefa nanofa trano ny Vavolombelona dia ny tenany mihitsy no nanonta pirinty tapany tamin’ny soratra nataony. Nanomboka tamin’ny 1927, ny fanontam-pirinty misy rihana fito nasain’ny Fikambanana Watchtower naorina tany Brooklyn dia nanomboka namoaka boky betsaka kokoa. Ireo fanitarana nisesy dia nahatonga an’io trano io ho fitambaran-trano enina. Tsy lavitra an’io fitambaran-trano io no itsanganan’ny zavatra naorina hafa ialofan’ireo mpiasa 1 800 ilaina mba hampandeha tsara ny raharaha. Ambonin’izany, ny fitambarana toeram-piompiana sy fanontam-pirinty onenan’ny mpiasa 600 dia miorina any avaratry ny fanjakan’i New York, any akaikin’i Wallkill. Ireo miliny dia miantoka ny fanontana “Ny Tilikambo Fiambenana” sy ny “Reveillez-vous!”. Fa raha ny amin’ireo vokatr’ilay toeram-piompiana, izany dia ampiasaina ho sakafon’ireo mpiasa 2 400 ireo izay samy miasa an-tsitrapo ary mandray fanampiana roapolo dôlara isam-bolana ho amin’ny fandaniana manokana.

IREO KONGRESY NIRAISAM-PIRENENA

Tamin’ny 1893 no natao tany Chicago ny kongresiny lehibe voalohany. Olona 360 no nanatrika izany; 70 no natao batisa. Ny kongresy lehibe farany nataony tao amin’ny tanàna iray ihany dia ilay natao tamin’ny 1958 tany New York. Nilaina ny hanofana kianja roa (ny Yankee Stadium sy ny Polo Grounds tamin’izany fotoana izany). Io fihaonambe io dia nahavory olona 253 922, mpanatrika be indrindra (7 136 no natao batisa). Nanomboka tamin’io daty io, ireo kongresy niraisam-pirenena dia nandray ny endriky ny fitohitohizam-pivoriambe natao tany amin’ny tany maro. Tamin’ny 1978, ny kongresy niraisam-pirenena dia voaforon’ny fivoriambe 100 natao tany amin’ny tany eo amin’ny 45 eo.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Filma voalohany niaraka tamin’ny feo

[Teny notsongaina, pejy 7]

Fiolahana eo amin’ny tantaran’ny olombelona

[Teny notsongaina, pejy 8]

Ireo fahafahan’ny olom-pirenena narovana tamim-pandresena

[Sary, pejy 6]

Ny Tilikambo Fiambenana Ny 6 000 indray nivoaka tamin’ny fiteny iray monja dia tafakatra ho 10 050 000 ny indray mivoaka amin’ny fiteny 102

[Sary, pejy 10]

Ireo fanontam-pirintin’i Wallkill (Fanjakan’i New York)

... sy ny an’i Brooklyn (New York)