Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontaniana Mipetraka Matetika ny Amin’izy Ireo

Fanontaniana Mipetraka Matetika ny Amin’izy Ireo

Fanontaniana Mipetraka Matetika ny Amin’izy Ireo

Misy fanontaniana mipetraka matetika kokoa noho ny hafa, momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Handinika fohy sasantsasany amin’izy ireny isika.

Mametraka ny fanantenany amin’ny Soratra masina ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa ahoana no ahafantarany fa milaza ny marina ny Baiboly?

Misy porofo tena izy sy mampiaiky manamarina fa ara-tsindrimandry ny Soratra masina. Araka izany, ireto fahamarinana ireto dia naharihary ao amin’ny Baiboly taloha elan’ny nahitan’ny mpahay siansa azy: ireo dingana nisesy nandalovan’ny planetantsika tao anatin’ny fiovaovany; ny hoe boribory ny tany ary mihantona amin’ny tsy misy ao amin’ny habakabaka; ny fikorianan’ny ra sy ny fifindra-monin’ny vorona (Genesisy toko voalohany; Isaia 40:22, MN; Joba 26:7; Mpitoriteny 12:6; Jeremia 8:7). Ao amin’ny bokin’i Daniela ao amin’ny Baiboly dia ahitana faminaniana izay nanambara taonjato maro nialoha ny nanombohana sy ny nianjeran’ny herim-panjakana sasany, ary koa ny fotoana marina tokony hahatongavan’i Jesosy amin’ny maha-Mesia, avy eo dia hovonoina (Daniela toko faha-2 sy 8; 9:24-27). Amin’izao andro izao no tanteraka ny faminaniana hafa ao amin’ny Baiboly izay mahatonga antsika ho afaka hahafantatra fa miaina amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” isika. (Jereo Matio toko faha-24 sy 25; Marka toko faha-13; Lioka toko faha-21; II Timoty toko faha-3.) Tsy araka ny olombelona ny fahalalana ny ho avy toy izany.

“Ny finoana dia avy amin’ny tori-teny [zavatra re, MN].” Amin’ny famakiana sy amin’ny fianarana ny Soratra masina no ahatsapana ny fahendrena voarakitra ao amin’ireo pejiny sy ahatsiarovana fahaterahan’ny finoana (Romana 10:17). Tsy azo lavina ny fifandrindrana anatin’ny soratra masina. Tsy mahatohitra ny fandinihana ireo fifanoheran-kevitra inoana fa hita ao. Manosika hampihatra ny rariny ny Baiboly. Asehony antsika araka ny tena endriny tokoa ny fahavelomana ary manolotra fanafodiny azo ampiharina izy amin’ireo zava-manahirana apetraky ny zava-mitranga isan’andro. Manome heviny ho an’ny fiainana ny Baiboly. Manampy amin’ny fampisondrotana ara-pitondrantena izay rehetra mampihatra azy izy: isam-batan’olona, fianakaviana, antokon’olona. Arkeolojia, tantara, siansa marina, izany fampianarana rehetra izany dia manamafy ny fahamarinan’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly.

Moa ve mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny fivavahany no hany fivavahana marina?

Izay rehetra mihevitra ny fivavahany ho zava-dehibe dia tokony hino fa io no fivavahana marina. Raha tsy izany, nahoana izy no hanaraka azy? Izao no anoroana hevitra ny kristiana: “Fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara.” (I Tesaloniana 5:21). Tokony hofantarina àry raha toa ny zavatra inoan’ny tena ka mifanaraka tsara amin’ny fampianaran’ny Baiboly, satria tokana ihany ny finoana, araka izao teny voalaza ao amin’ny Efesiana 4:5 izao: “Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa.” Tsy i Jesosy velively no nanana ny fiheverana milefitra loatra amin’izao androntsika izao, dia fiheverana tia ny hisian’ny lalana maromaro, fivavahana maromaro izay samy mitarika daholo ho amin’ny famonjena. Izao kosa no nolazain’i Kristy: “Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa nahita azy io. Raha tsy izany, dia ho nanomboka nitady fivavahana hafa izy. — Matio 7:14.

Mino ve ny Vavolombelona fa izy ireo ihany no ho voavonjy?

Tsy izany velively. Olona an-tapitrisany maro taloha, izay tsy Vavolombelon’i Jehovah, no hatsangana amin’ny maty ka hahita hisokatra eo anoloany ny fahafahana hahazo ny fiainana. Be dia be amin’ny miara-belona amintsika no mbola afaka hanaraka ny fahamarinana sy ny rariny alohan’ny “fahoriana lehibe” ka hahazo ny famonjena. Etsy andaniny koa, dia nilaza i Jesosy fa tsy mety ny mitsara olona. Mirona hitsara araka ny miseho ivelany daholo isika rehetra; Andriamanitra kosa dia mijery ny fo. Tsy misy na inona na inona mamitaka ny fijereny, nefa manalefaka ny fitsarany ny famindrampo. Eo an-tanan’i Jesosy Kristy Zanany fa tsy eo an-tanantsika no nametrahany ny fitsarana. — Matio 7:1-5.

Nahoana moa ny Vavolombelona no mandalo any an-tranon’ny olona efa manana ny fivavahany? Nahoana izy ireny no tsy mankany amin’ireo tsy manana fivavahana mihitsy?

Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah azy, dia manana adidy izy ireo hanao fanambarana amin’ny rehetra. Eny, nomena ho adidiny ny hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, ny hanao mpianatra avy amin’ny firenena rehetra, ny hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra. Misy fomba maro fanatanterahana an’io asa nanirahana io. Ny mandaitra indrindra dia ny fanatonana ny olona any an-tokantranony. — Matio 9:35; 10:11-14; Asa. 20:20.

Amin’izany ny Vavolombelona dia manaraka ny ohatra nomen’i Kristy. Nanatona ny Jiosy i Jesosy. Nanana ny fivavahany ireo, nefa, tamin’ny lafiny maro, ny fanompoam-pivavahana narahin’izy ireo dia nifanohitra tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Tetsy andaniny koa, dia tonga ny fotoana tsy maintsy nanaovana fanovana tena lehibe sasany (Matio 15:1-9; Jeremia 31:33). Manana fivavahana ny firenena rehetra, na ireo firenena lazaina hoe “kristiana” na ireo antsoina hoe “tsy kristiana”. Ireo Fiangonana izay maniraka misionera ho any an-tany lavitra dia tsy manan-java-kendrena hafa ankoatra ny fanovana ny olona ao amin’ireny tany ireny, izany hoe mampiala azy avy ao amin’ny fivavahana iray ho ao amin’ny fivavahana hafa. Zava-dehibe tokoa ny hifanarahan’ny zavatra inoana torina, amin’ny fampianarana ao amin’ny Soratra masina. Ny anankiray amin’ireo fomba hampisehoana ny fitiavana ny naman’ny tena indrindra dia ny fanampiana azy amin’io lafiny io.

Avy aiza ny vola ampiasaina?

Avy amin’ny tenan’ireo Vavolombelon’i Jehovah indrindra ihany, amin’ny endriky ny fanomezana an-tsitrapo. Raha ny amin’ny fandraisana anjara eken’ny Vavolombelona horaisina ho takalon’ireo bokiny, izany dia tsy mahasahana afa-tsy tapany amin’ny lany amin’ny fanontana sy ny fampielezana. Zavatra vita pirinty maro no zaraina maimaimpoana, indrindra fa any amin’ireo tany izay ny fahantran’ireo tia ny hafatra dia misakana azy tsy hanome na inona na inona. Tsy misy fanatazan-drakitra mihitsy ao amin’ireo fivoriany, nefa ao amin’ireo Efitrano Fanjakanany sy ny toeram-pivoriana hafa dia misy vatakely natao handraisana fanomezana avy amin’ireo manana ka maniry ny hanome. Farany, Vavolombelona sy kongregasiona maro no mandefa fanomezana any amin’ny foibe iraisam-pirenena sy any amin’ireo sampana.

Nahoana ny Vavolombelona no tsy mety mandray anjara amin’ny raharaha ara-politika mihitsy ka amin’izany dia tsy manampy amin’ny fanatsarana ny toe-piainana ankehitriny?

Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” Tetsy andaniny koa, Jakoba rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, dia nanambara toy izao: “Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’ireo tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jaona 17:16; Jakoba 4:4). Ny apostoly Paoly dia nampisongadina izao fotopoto-pitsipika manaraka izao: Izay rehetra manome fahefana dia manana anjara andraikitra amin’ny tsy rariny mety hataon’io fahefana io (I Timoty 5:22). Etsy andaniny koa, ny Vavolombelona dia tsy manadino fa, araka ny Baiboly, Satana Devoly dia “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao” ary izao tontolo izao manontolo dia mitoetra eo ambany fahefan’ilay ratsy. — II Korintiana 4:4; I Jaona 5:19.

Toy ny nataon’i Jesosy izay tsy niandany mihitsy tamin’ny raharaha ara-politika, ny Vavolombelon’i Jehovah koa dia tsy momba ny atsy na ny aroa hatrany. Tsy misoratra amin’ny antoko na inona na inona izy ary tsy mandray anjara amin’ny fihetsiketsehana na inona na inona. Mitandrina alohan’ny zavatra rehetra izy mba tsy handika ireo fitsipika ao amin’ny Baiboly, ary hita amin’ny ambaratonga rehetra ho olona fatra-panara-dalàna. Ihatahany amim-pahatapahan-kevitra izay rehetra mety ho asa fanimbana sy fanaovan-javatra amim-pikomiana. Napetrany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Kristiny ny finoany sy ny fanantenany. Amin’ny fanarahany ny lalàn’Andriamanitra sy amin’ny fitondrantenany kristiana, dia ataony izay hampiharana fitaomana tsara sy handraisana anjara amin’ny fitandroana ny fahatsaram-pitondrantena sy ny filaminam-bahoaka. — Romana 13:1-10.

Ny kristiana dia nahazo baiko mba hanome ny ainy ho an’ireo rahalahiny fa tsy hanaisotra ny ain’izy ireny. Izao no nolazain’i Jesosy: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko”. — Jaona 18:36.

Koa mialanalana hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah raha ny amin’izay mikasika ny ady ifanaovan’ireo firenena. Indray andro, dia nisy Jiosy nitady hanery an’i Jesosy mba ho mpanjakan’izy ireo, nefa nanda izy. Izany dia tsy nahasakana an’ireo fahavalony tsy hiampanga azy taty aoriana ho nanohitra an’i Kaisara tamin’ny fanaovana ny tenany ho mpanjakan’ny Jiosy (Jaona 6:15; 19:12). Indray andro koa, rehefa nitady tamin’ny fomba mamitaka izay haharatsy toerana azy teo anatrehan’i Kaisara ireo fahavalony, dia nosoritan’i Jesosy ny tsipika mampisaraka tamin’ny filazana hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Lioka 20:19-25). Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manome ho an’i Kaisara izay azy, amin’ny fandoavana hetra, ohatra, nefa tsy omeny an’ireo firenena eo amin’izao tontolo izao akory ny zavatra rehetra ka hoe tsy hisy havela ho an’Andriamanitra. Rehefa tian’i “Kaisara” ny haka ny zavatra izay an’Andriamanitra, toy ny fanompoam-pivavahana, ny Vavolombelona dia manome valinteny toy ny nataon’ireo apostoly hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” — Asa. 5:29.

Matetika no tsy azon’ny olona izany toerana izany, nefa, araka ny nolazaina tetsy ambony, ny Vavolombelona dia olom-pirenena tia filaminana sy manaja ny lalàna rehetra tsy mifanohitra amin’ireo didin’Andriamanitra. Misy anefa olona mahatakatra tsara tokoa ny mahatonga ny fihetsiny, araka ny porofoin’ireto andalan-tsoratra ireto, nalaina avy ao amin’ilay boky hoe “Taonjato roapolo nisian’ny kristianisma” (anglisy):

“Nanana fiainana nilamina, tsara ara-pitondrantena, eny, fiainana faka tahaka izy ireo. Tamin’ny lafiny rehetra, afa-tsy rehefa hoe handoro zava-manitra, dia olom-pirenena faka tahaka izy ireny. (...) Rehefa ny fanatitra ho an’ny Angatry ny emperora no mbola fomba nitsapana foana ny fitiavan-tanindrazana, moa ve ireo manam-pahefana afaka ny hanakimpy ny masony teo anoloan’ny fanoheran’ireny kristiana tsy nahay ny ho tia tanindrazana ireny? Ny fanenjehana naterak’izany ho azy ireny dia sahalahala amin’ny mihatra amin’ilay antokom-pivavahana manohitra fantatra amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, rehefa misy ady.”

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy manaiky ny fampidiran-dra?

Ny toerana tanan’ny Vavolombelona eo anoloan’ny ra dia tsy avy amin’ny firehetana tsy amin’ny antony akory. Ny fandavany tsy handray ra dia noho ny antony araka ny Baiboly. Mahalala mihoatra noho ny olona rehetra izay tafiditra amin’izany ny Mpamorona ny olombelona sy ny ra mikoriana ao amin’ny lalan-drany. Izay rehetra mino azy dia didian’Andriamanitra imbetsaka ao amin’ny Baiboly mba ‘hifady ny ra’. (Genesisy 9:4; Levitikosy 17:11-14; Asa. 15:20, 28, 29; 21:25.) Mitandrina izany baikon’Andriamanitra izany ny Vavolombelon’i Jehovah.

Aoka homarihintsika kely aloha fa ny tsy fetezana handray ra dia mahatonga ny Vavolombelona ho voatsimbina amin’ny aretin’aty, farasisa sy aretina hafa koa — matetika no mahafaty — izay mifindra amin’ny alalan’ny fampidiran-dra. Araka ny filazan’ny boky ara-pitsaboana iray (“Dimensions in Health Service”, aogositra 1977), any Etazonia ny fahadisoana vita amin’ny lafin’ny fitehirizan-dra fotsiny dia toa hoe miteraka “fahafatesana iray isaky ny fampidiran-dra arivo”. Faran’izay mahalana ny Vavolombelon’i Jehovah iray no maty noho ny fandidiana atao tsy misy fampiasana ra.

Manaja ny mpitsabo ny Vavolombelon’i Jehovah ary tsy misakana ny fomba fitsaboana atao hoe solony na ny fampiasana zavatra fampitomboana ny “plasma” amin’ny ra nefa tsy avy amin’ny ra.

Ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny amin’ny ra sy ny sisa dia miorina amin’ny Baiboly izay, araka ny finoany mafy, dia tenin’Andriamanitra. Ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao fotoana izao dia atao any amin’ny tany 200 mahery eto amin’ny gilaoby. Ny miantoka ny fandaharana ny raharahany rehetra dia sampan’ny Watch Tower Bible and Tract Society 90 mahery. Raha mila fanazavana, dia manoratra amin’ny sampana akaiky indrindra.