Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Zavatra Inoan’izy Ireo?

Inona no Zavatra Inoan’izy Ireo?

Inona no Zavatra Inoan’izy Ireo2d?

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mino an’ilay Andriamanitra Tsitoha, dia Jehovah Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Ny fisian’ny zava-mahatalanjona voalamina sy be kojakojany hita eo amin’izao rehetra izao dia mahatonga antsika hahafantatra fa izany dia asan’ny mpamorona iray tampony amin’ny fahiratan-tsaina sy faran’izay mahery. Toy ny ahitana ny toetran’ny olona amin’ny asan’ny tanany, dia toy izany ny an’i Jehovah Andriamanitra. Lazain’ny Baiboly amintsika fa “ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony”. Araka ny mbola lazain’ny Baiboly koa, na dia tsy misy feo na teny re aza, “ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra”. — Romana 1:20; Salamo 19:1-4.

Tsy hoe tsy misy antony akory ny anamboaran’ny olona fitoeram-boninkazo na televiziona na “ordinateurs”. Ny tany anefa dia manolotra antsika zavatra natao maha-te-hijery mbola mahatalanjona lavitra. Vaka ny saintsika eo anoloan’ny tenan’olombelona be kojakojany manana “cellules” an’arivo tapitrisany maro, tsy resahina intsony ny zavatra saro-pantarina noho ny fisian’ny faritra amin’ny tena mahatalanjona toy ny atidoha. Raha manana zava-kendrena ny olombelona rehefa miasa sy mamorona, dia vao mainka manana zava-kendrena Jehovah Andriamanitra fony izy namorona an’ireo zava-mahatalanjona manaitra nivoaka avy tamin’ny tanany. Izao no vakina ao amin’ny Baiboly (Ohabolana 16:4): “Ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah dia samy misy antony avokoa.”

Nisy antony ny namoronan’i Jehovah ny tany, araka ny porofoin’ireto teny ireto izay nolazainy tamin’ny olona mpivady voalohany: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, (...) manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28). Noho ny tsy fankatoavany, izy mivady ireo dia tsy afaka nameno ny tany tamin’ny fianakaviana marina nety ho nikarakara ny taniny, ny zava-maniriny sy ny bibiny. Tsy hoe niteraka tsy fahombiazan’ny fikasan’i Jehovah anefa izany. Izao no nosoratan’ny mpaminany iray, an’arivo taona maro taty aoriana: “Izy no (...) namorona ny tany (...) tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy”. “Nataony honenana” izy io. Tsy voatokana ho amin’ny fandringanana àry ny tany: “Maharitra mandrakizay” izy. (Isaia 45:18; Mpitoriteny 1:4.) Hotanterahin’i Jehovah ny fikasany ny amin’ny tany. Izao no ambarany: “Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra.” — Isaia 46:10.

Noho izany antony izany no inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa haharitra mandrakizay ny planetantsika ary ny olombelona rehetra — ny velona sy ny maty — izay hifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah ny amin’ny tany (tany honenana sy hohatsaraina) dia hiaina eo mandrakizay. Nandova ny tsy fahatanterahan’i Adama sy Eva ny olona rehetra ka noho izany dia mpanota (Romana 5:12). Izao no lazaina ao amin’ny Baiboly: “Fa fahafatesana no tambin’ny ota”. “Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona”. “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Romana 6:23; Mpitoriteny 9:5; Ezekiela 18:4, 20). Ahoana no hahaveloman’izany maty rehetra izany indray? Noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy izay nilaza hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” “Izay rehetra ao amin’ny fasana fahatsiarovana dia handre ny feony ka hivoaka.” — Jaona 11:25; 5:28, 29, MN; Matio 20:28.

Ahoana no hitrangan’izany zavatra rehetra izany? Izany dia voazava amin’ny “vaovao tsaran’ny fanjakana”, ilay natombok’i Jesosy ny fanambarana azy teo am-piandohan’ny fiainany ampahibemaso (Matio 4:17-23, MN). Amin’izao androntsika izao anefa ny Vavolombelon’i Jehovah dia manolotra ny “vaovao tsara” amin’ny endriny manokana.

[Tabilao, pejy 13]

NY ZAVATRA INOAN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH

ZAVATRA INOANA POROFO ARAKA NY BAIBOLY

Tenin’Andriamanitra ny Baiboly II Tim. 3:16, 17;

fahamarinana izy io II Pet. 1:20, 21; Jaona 17:17

Mendrika inoana noho ny Mat. 15:3;

lovantsofina ny Baiboly Kol. 2:8

Jehovah no anaran’Andriamanitra Sal. 83:18; Isaia 26:4;

Isaia 42:8, Eks. 6:3

Zanak’Andriamanitra Kristy; Mat. 3:17; Jaona 8:42;

tsy mitovy aminy Jaona 14:28; 20:17;

I Kor. 11:3; 15:28

Voalohany tamin’ny nataon’ Kol. 1:15;

Andriamanitra Kristy Apok. 3:14

Maty teo amin’ny hazo Kristy fa Gal. 3:13; Asa. 5:30

tsy teo amin’ny lakroa na vokovoko

Nanome ny ainy ho avotra ho an’ny Mat. 20:28; I Tim. 2:5, 6;

olombelona mankato Kristy Tit. 2:14; I Pet. 2:24

Ampy ny sorona indray mandeha Rom. 6:10; Heb. 9:25-28

nataon’i Kristy

Natsangana ho fanahy (esprit) I Pet. 3:18; Rom. 6:9;

tsy mety maty Kristy Apok. 1:17, 18

Tsy hita maso ny fanatrehan’i Jaona 14:19; Mat. 24:3, MN;

Kristy II Kor. 5:16; Sal. 110:1, 2

Hanapaka ny tany araka ny Isaia 9:6, 7; 11:1-5;

rariny sy ao anatin’ny fiadanana Dan. 7:13, 14; Mat. 6:10

ny Fanjakan’i Kristy

Hampanjaka toe-piainana tonga Sal. 72:1-4; Apok. 7:9,

lafatra eto an-tany io Fanjakana io 7: 10, 13-17;

Apok. 21:3, 4

Tsy hofoanana na tsy hisy Mpit. 1:4; Isaia 45:18;

mponina na oviana na oviana ny tany Sal. 78:69

Horavan’Andriamanitra ny Apok. 16:14, 16; Zef. 3:8;

fandehan-javatra ankehitriny Dan. 2:44; Isaia 34:2

amin’ny adin’i Hara-Magedona

Ho ringana mandrakizay ny Mat. 25:41-46, MN;

ratsy fanahy II Tes. 1:6-9

Hahazo ny fiainana mandrakizay Jaona 3:16; 10:27, 28;

ireo izay ankasitrahan’Andriamanitra Jaona 17:3;

Marka 10:29, 30

Tokana ny lalana mitarika ho Mat. 7:13, 14; Efes. 4:4, 5

amin’ny fiainana

Eo amin’ny “andro farany” Mat. 24:3-14; II Tim. 3:1-5;

isika izao Lioka 17:26-30

Vokatry ny fahotan’i Adama Rom. 5:12; 6:23

ny fahafatesana

Tsy hoe mbola velona ihany Ezek. 18:4; Mpit. 9:10;

aorian’ny fahafatesana akory Sal. 6:5; 146:4;

ny fanahy olombelona Jaona 11:11-14

Ny afobe na fiainan-tsi-hita Joba 14:13,

dia ny fasana iombonan’ny olona Apok. 20:13, 14, Glaire

Ny fananganana no I Kor. 15:20-22;

fanantenan’ny maty Jaona 5:28, 29; 11:25, 26

Hanjavona ny fahafatesana I Kor. 15:26; Apok. 21:4;

nolovana tamin’i Adama Isaia 25:8; 1 Kor. 15:54

Ondry vitsy 144 000 monja no Lioka 12:32; Apok. 14:1, 3;

mankany an-danitra mba I Kor. 15:40-53;

hiara-manjaka amin’i Kristy Apok. 5:9, 10

Teraka indray ho zanaka I Pet. 1:23; Jaona 3:3;

ara-panahin’Andriamanitra ny 144 000 Apok. 7:3, 4

Nifanaovana tamin’ny Isiraely Jer. 31:31; Heb. 8:10-13

ara-panahy ny fanekena vaovao

Miorina eo amin’ny tenany ihany Efs. 2:20; Isaia 28:16;

ny kongregasionan’i Kristy Mat. 21:42

Andriamanitra ihany no tokony Jaona 14:6, 13, 14;

hivavahana amin’ny alalan’i Kristy I Tim. 2:5

Rarana ny fampiasana sary Eks. 20:4, 5; Lev. 26:1;

sy tsangambato amin’ny I Kor. 10:14; Sal. 115:4-8

fanompoam-pivavahana

Tokony hitandrin-tena Deot. 18:10-12; Gal. 5:19-21;

amin’ny spiritisma Lev. 19:31

Satana no filoha tsy hita I Jaona 5:19; II Kor. 4:4;

mason’izao tontolo izao Jaona 12:31

Tsy afaka mandray anjara amin’ireo II Kor. 6:14-17;

fihetsiketsehana fanakambanam-pinoana II Kor. 11:13-15;

ny kristiana iray Gal. 5:9; Deot. 7:1-5

Tokony ho tafasaraka hatrany Jak. 4:4; I Jaona 2:15;

amin’izao tontolo izao ny kristiana Jaona 15:19; 17:16

Tokony harahina ny lalàn’olombelona Mat. 22:20, 21;

rehetra izay tsy mifanohitra amin’ireo I Pet. 2:12; 4:15

lalàn’Andriamanitra

Ny fampidiran-dra ao amin’ny tena Gen. 9:3, 4; Lev. 17:14;

am-bava na amin’ny lalan-dra dia Asa. 15:28, 29

fandikana ny lalàn’Andriamanitra

Tokony harahina ireo lalàna ao I Kor. 6:9, 10; Heb. 13:4;

amin’ny Baiboly momba 1 Tim. 3:2;

ny fitondrantena Ohab. 5:1-23

Ny Jiosy ihany no nomena ny Deot. 5:15; Eks. 31:13;

lalàna momba ny sabata; Rom. 10:4; Gal. 4:9, 10;

nifarana niaraka tamin’ny Kol. 2:16, 17

lalàn’i Mosesy izany

Kilasin’ny klerjy, anaram-boninahitra Mat. 23:8-12; 20:25-27;

manokana: mifanohitra amin’ny Baiboly Joba 32:21, 22

Tsy nivoatra akory ny olombelona; Isaia 45:12; Gen. 1:27

noforonina izy

Nanome ohatra harahina Kristy eo I Pet. 2:21; Heb. 10:7;

amin’ny fanompoana an’Andriamanitra Jaona 4:34; 6:38

Mariky ny fanoloran-tena ny batisa Marka 1:9, 10; Jaona 3:23;

amin’ny fandrobohana tanteraka Asa. 19:4, 5

Tokony hanambara ampahibemaso Rom. 10:10; Heb. 13:15;

ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly Isaia 43:10-12

ny kristiana

[Sary, pejy 12]

NY TANY ... nataon’i Jehovah ... fonenan’ny olombelona ... honenana mandrakizay