Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Fiovana Mety Hoentin’ny “Vaovao Tsara” eo Amin’ny Rehetra

Ireo Fiovana Mety Hoentin’ny “Vaovao Tsara” eo Amin’ny Rehetra

Ireo Fiovana Mety Hoentin’ny “Vaovao Tsara” eo Amin’ny Rehetra

Eo amin’izao tontolo izao ankehitriny iainantsika, dia tsy mahalana no andrenesana hevitra karazan’izao: “Tsy afaka manova na inona na inona ireo fotopoto-pitsipiky ny kristianisma. Tsy misy asany izany ao anatin’ny fitambaran’olona tsy tsotra amin’izao androntsika izao.” Tsy mitovy hevitra amin’izany akory ny rehetra. Indray andro i Gandhi dia niresaka tamin’ny lefitry ny mpanjaka, Lord Irwin. Nanontanian’io lefitry ny mpanjaka io an’ilay filoha hindoa izay, araka ny heviny, handamina an’ireo zava-manahirana eo amin’i Grande-Bretagne sy India. Nandray Baiboly i Gandhi, nanokatra azy tao amin’ny toko faha-5 amin’ny Matio ka nilaza toy izao: “Rehefa hifanaraka ny taninao sy ny ahy ny amin’ireo fotopoto-pitsipika notononin’i Kristy ao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, dia tsy ireo zava-manahirana ny tanintsika ihany no ho voalamina, fa ny an’izao tontolo izao manontolo koa.”

Tao amin’ny toriteniny Jesosy dia nanasa an’ireo mpihaino azy mba hikatsaka ny fahatanjahana ara-panahy, hiseho ho malemy fanahy, mamindra fo sy tia ny rariny. Raha manameloka ny famonoana olona izy dia manakiana koa ny fihetsik’izay rehetra tezitra foana amin’ny namany. Ankoatra ny fanitsakitsaham-bady, dia melohiny koa ny fanirian-dratsy. Toheriny ny fisaraham-panambadiana noho ny antony na inona na inona, dia fisaraham-panambadiana mandrava ny tokantrano izay ny iharam-pahavoazana indrindra dia ny zanaka. Izao no lazainy amintsika: ‘Tiavo na dia ireo izay tsy tia anareo aza, omeo ny mahantra, aza tsy azo ifonana intsony amin’ny fitsaranareo, ento araka ny tianareo hitondrany anareo ny hafa.’ Hitondra fanampiana lehibe ny fampiharana izany fitsipika rehetra izany. Arakaraka ny hamaroan’ny olona eo amin’ny manodidina anao hitandrina izany no hanjary hahatsara kokoa ny fiarahanareo monina.

Mizotra amin’izany lalana izany ny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandidy azy ireny ny Baiboly mba hanaja ny fanambadiana sy hitaiza ny zanany araka ny fotopoto-pitsipiky ny kristianisma. Soritana ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana. Soa ho an’ny rehetra ny fianakaviana miray saina. Ny Tantara dia feno ohatra ny amin’ny herim-panjakana izay rendrika satria nihanivaha ny fatoram-panambadiana ary nahatsiravina ny habetsahan’ny faharatsiam-pitondrantena. Arakaraka ny ho hamaroan’ny olona sy ny fianakaviana ho voatosika hanaraka an’ireo fotopoto-pitsipiky ny kristianisma noho ny fitondrantenan’ny Vavolombelona, dia ho vitsy kokoa ny faniavana, ny heloka bevava sy ny faharatsiam-pitondrantena ao amin’ny faritaninao na ny tanànanao.

Ny anankiray amin’ireo zava-manahirana lehibe mitambesatra amin’ireo tanàna sy firenena dia ny fitompoan-teny fantatra ara-tsosialy. Izao anefa no nolazain’ny apostoly Petera: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” Fa ny apostoly Paoly kosa dia nanoratra toy izao: “Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’ny Kristy Jesosy.” (Asa. 10:34, 35; Galatiana 3:28). Manaraka ireo fanambarana ireo ny Vavolombelon’i Jehovah. Ao amin’ny foibe maneran-tanin’ny fikambanany, any amin’ireo sampana sy kongregasiona dia miaraka sy miara-miasa ny olona samy hafa firazanana sy volon-koditra.

Atsy Afrika dia misy foko izay tsy afaka mifangaroharo raha tsy misy fifandonana mitranga. Inona anefa no mitranga ao amin’ireo fivoriambe alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny kontinanta mainty? Hita miara-mipetraka amin’izany ny solontena avy amin’ny karazam-poko rehetra. Gaga aoka izany ireo manam-pahefana satria mihavana sy mifanaraka tanteraka ny rehetra, tafaray ao anatin’ny fanompoam-pivavahana iray ihany. Tsy ela izay, ny gazety iray any New York (“Amsterdam News” tamin’ny 2 aogositra 1958) dia namoaka lahatsoratra iray momba ny hery mampirain’ny tena kristianisma. Noraisin’ilay mpanoratra ho ohatra ny fivoriambe voatonona eo ambony, ilay nahavory mpamonjy fivoriambe 250 000 mahery tany New York (tao amin’ny Yankee Stadium sy tao amin’ny Polo Grounds). Izao no nosoratany:

“Hita nifangaro hatraiza hatraiza, tamim-pifaliana sy tamim-pahalalahana tanteraka, ny Mainty hoditra, Fotsy hoditra sy Mavo hoditra avy amin’ny toe-piainana rehetra sy ny faritra rehetra amin’ny gilaoby. (...) Ireo Vavolombelona namonjy fivoriambe avy any amin’ny tany 120 dia niaraka sy nihaino tamim-pilaminana ireo lahateny, ka nampiseho tamin’ireo Amerikana fa tsy misy zavatra tsy azo atao mihitsy amin’izany. Ohatra malaza ny amin’ny fiaraha-miasa sy fihavanana io fivoriambe io.”

Be dia be no hilaza fa tsy misy asany ireo fotopoto-pitsipiky ny kristianisma eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Azo atao ny manohitra azy ireo toy izao: Zavatra hafa inona no nahomby na hahomby? Ampy ny mampihatra an’ireo fotopoto-pitsipika kristiana mba hahatsapana ny tena hasarobidiny. Noho ny asany no hahatanterahan’ny firaisan-tsain’ny “olona, fokom-pirenena sy firenena rehetra’ amin’ny fotoana hanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny olombelona. — Apokalypsy 7:9, 10.

[Teny notsongaina, pejy 24]

Misy olona avy amin’ny firazanana rehetra sy ny volon-koditra rehetra miara-miasa

[Teny notsongaina, pejy 24]

Mitondra fanovana ny kristianisma. Zavatra hafa inona no nahomby toy izany?