Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Fomba Fampielezam-pampianarana Ampiasain’ny Vavolombelona

Ireo Fomba Fampielezam-pampianarana Ampiasain’ny Vavolombelona

Ireo Fomba Fampielezam-pampianarana Ampiasain’ny Vavolombelona

Ny kristiana dia nahazo baiko ‘hanao mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra’, nefa izany tsy manome lalana azy ireo velively hampiasa fanerena na hanao fanovana an-tery. Jesosy dia nirahina “hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra”, “hahasitrana ny torotoro fo”, “hampionona ny malahelo rehetra”. (Matio 28:19, MN; Isaia 61:1, 2; Lioka 4:18, 19.) Mikendry ny hanaovana asa sahala amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, dia ilay novelabelarina fohy taminao tery aloha. Toy ny nataon’i Ezekiela mpaminany, izy ireny dia miezaka hitady izay rehetra “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.” — Ezekiela 9:4.

Anisan’ny fomba isan-karazany ampiasain’ny Vavolombelona mba hahitana ireo izay ory noho ny toe-javatra ankehitriny, ny fantatra indrindra dia ilay andehanana isan-trano. Manao fiezahana tokoa izy ireo amin’izany mba hanatrarana ny vahoaka ka manahaka an’i Jesosy izay “nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra”. Nanao toy izany ireo mpianany voalohany (Lioka 8:1; 9:1-6; 10:1-9). Amin’izao andro izao, rehefa azony atao izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miezaka mandalo isaky ny varavarana rehetra imbetsaka isan-taona, ka mitady izay hiresahana vetivety amin’ny olona ny amin’ny foto-kevitra mahakasika ny vaovao eo an-toerana na maneran-tany. Manonona andinin-tenin’ny Baiboly iray na roa izy ireo. Raha tojo fahalianana izy ireo, dia manipy hevitra ny hiverina amin’ny ora mety amin’ny mpihaino azy mba hanohizana ny resaka. Manolotra Baiboly sy boky momba ny Baiboly izy ireo ary, raha mampiseho faniriana izany ny olona iray, dia ho avy ao an-tranony izy ireo hiara-mianatra ny Soratra Masina aminy maimaimpoana. Tamin’ny 1977, dia dimy alina sy roa hetsy sy iray tapitrisa mahery ny fampianarana karazan’izany natao tsy tapaka naneran-tany.

Ny Vavolombelona dia mivory tsy tapaka any amin’ny toerana antsoina hoe Efitrano Fanjakana. Izany dia fomba hafa iray fampahafantarana ny “vaovao tsaran’ny fanjakana”. Fivoriana maromaro no atao any amin’ireny efitrano ireny isan-kerinandro. Aoka hotononintsika voalohany indrindra ny lahateny ampahibemaso izay mamelabelatra foto-kevitra mahaliana ny ankapoben’olona. Io lahateny io dia arahin’ny fianarana foto-kevitra iray na faminaniana iray ao amin’ny Baiboly amin’ny alalan’ny “Ny Tilikambo Fiambenana”. Ny fivoriana fahatelo dia sekoly mikendry ny hanaovana ny Vavolombelona ho mpitory ny “vaovao tsara” mahay kokoa. Fa raha ny amin’ny fivoriana fahefatra, izany dia natokana ho amin’ny famakafakana ny asa fitoriana ao amin’ny faritany eo an-toerana. Farany, ny Vavolombelona dia mivory isan-kerinandro koa ao amin’ny tokantrano sasany, antokon’olom-bitsy no indray miaraka, mba hanao fianarana ny Baiboly.

Mivoha ho an’ny vahoaka ireny fivoriana rehetra ireny. Tsy misy fanatazan-drakitra mihitsy ao. Natao mba hahasoa ny rehetra ireny fihaonana ireny. Izao no vakina ao amin’ny Baiboly: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” Ny fandraisana anjara amin’ireny fivoriana ireny dia ilàna fanaovana fikarohana sasany, fiezahan’ny tsirairay hanomana, nefa mampahatsilo ny saina ny fiarahana. Izao no lazain’ny Baiboly: “Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany.” — Hebreo 10:24, 25; Ohabolana 27:17.

Ny Vavolombelona dia manararaotra koa ny fahafahana rehetra atolotry ny fiainana andavanandro azy mba hiresahana ny amin’ny “vaovao tsara”. Ataony izay hanomezana fanambarana amin’ny toe-javatra miseho rehetra: rehefa miresaka kely amin’ny mpifanila trano aminy izy na amin’ny mpiray dia iray; rehefa miresaka amin’ny namana na ny havana iray izy; rehefa mifanakalo hevitra amin’ny mpiara-miasa iray izy mandritra ny fiatoana. Jesosy koa dia nanao fanambarana tamin’ny fotoana rehetra: rehefa nandeha nanaraka ny moron-dranomasina izy, rehefa nipetraka teo am-pidinana amin’ny havoana izy, rehefa nasaina hisakafo na tao amin’ny fampakaram-bady izy, rehefa teny an-tsambokely fanaratoana izy. Na taiza na taiza toerana nisy azy, dia nahita fomba hiresahana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. Miezaka hanaraka ny diany ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izany lafiny izany. — I Petera 2:21.

NY FITORIANA AMIN’NY ALALAN’NY OHATRA OMENA

Tsy hisy na dia iray aza amin’ireo fomba isan-karazany fampahafantarana ny “vaovao tsara” ireo hisy vidiny raha tsy mampihatra izay ampianariny ny mpitory. Izay milaza zavatra iray nefa hafa no ataony dia mihatsaravelatsihy. Ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana dia nampiala olona an-tapitrisany maro tamin’ny Baiboly. Tsy hety ny hanomezan-tsiny ny Tenin’Andriamanitra noho izany. Nanana ny Soratra hebreo ny mpanora-dalàna sy Fariseo, nefa niampanga azy ireny ho mpihatsaravelatsihy i Jesosy. Rehefa avy niaiky i Kristy fa nampianarina ny Lalàn’i Mosesy ireny lehilahy ireny, dia izao no teny nanampiny ho an’ny mpianany: “Koa amin’izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.” (Matio 23:3). Milaza zavatra betsaka kokoa noho ny toriteny lava ny fitondrantena kristiana faka tahaka. Izany no nasain’ny apostoly iray nomarihin’ny vehivavy kristiana nanana vady tsy mpino: “[Mety ho] voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (...), rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo”. — I Petera 3:1, 2.

Izany no mahatonga ny fiezahan’ny Vavolombelona hampahafantatra ny “vaovao tsara” amin’izany fomba izany koa, izany hoe amin’ny maha-ohatra faka tahaka eo amin’ny lafin’ny fitondrantena kristiana, dia izay atorony ny hafa indrindra. Miezaka izy mba ‘hanao amin’ny hafa izay ho tiany hataon’ny hafa aminy’. (Matio 7:12.) Miezaka izy mba hanao toy izany amin’ny olona rehetra fa tsy amin’ny Vavolombelona hafa ihany na amin’ny namany, ny mpifanila trano aminy na ny havany. Tsy mahomby tanteraka foana izy amin’izany noho ny tsy fahatanterahany. Na dia izany aza, ny mbola faniriany amim-pahatsorana indrindra ihany dia ny hanao soa amin’ny olona rehetra, tsy amin’ny fanambarana aminy ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ihany, fa amin’ny fanolorana tanana mamonjy azy koa isaky ny afaka manao izany izy. — Jakoba 2:14-17.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Tsy beresaka fa azo

[Sary, pejy 20]

Ny Efitrano Fanjakana, namboarina mba ho mora ampiasaina dia toerana fanaovana fifanakalozan-kevitra momba ny Baiboly

[Sary, pejy 22]

Ao anatin’ny fianakaviana toy ny eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa, ny Vavolombelona dia miezaka hampihatra izay ampianariny.