Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa Izy Ireo?

Iza moa Izy Ireo?

Iza moa Izy Ireo?

Manasa anao ny Vavolombelon’i Jehovah hifankahalala bebe kokoa amin’izy ireo. Tsy isalasalana fa tsy hoe tsy fantatrao tanteraka akory izy ireny. Angamba ianao manana mpiara-monina na mpiara-miasa anisan’ny miray hevitra aminy. Angamba ianao efa nahita azy ireny nijoro teo an-joron-dalana sy nanolotra ny gazetiny tamin’ny mpandalo. Na angamba efa nisy fotoana nifampiresahanareo kelikely rehefa tonga tao am-baravaranareo izy ireny.

Mihevitra anao ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho tiany ny ho sakaizanao ka ho afaka hanazava aminao misimisy kokoa ny hoe iza moa izy ireo, inona avy no zavatra inoany, ahoana no fomba fiasany ary inona no fihetseham-po manainga azy eo anoloan’ny mpiara-belona aminy sy izao tontolo izao iainantsika. Izany no antony nanaovana izao soratra izao ho anao.

Amin’ny lafiny rehetra, na saika amin’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia sahala amin’ny olona rehetra. Manan-java-manahirana koa izy ireny. Tsy tanteraka na nahazo tsindrimandry na tsy mety diso izy ireny, ka mety hanao fahadisoana indraindray. Ataony anefa izay handraisana fianarana avy amin’izany ka manao ny fanitsiana ilaina izy amin’ny alalan’ny fianarana amim-paharisihana ny Baiboly. Nanolo-tena ho an’Andriamanitra izy ireny mba hanao ny sitrapony. Koa ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra no tonga zavatra imasoany lehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Ny Tenin’Andriamanitra no mibaiko ny fitondrana ny fiainany rehetra.

Zava-dehibe tokoa ho azy ireo ny iorenan’ny zavatra inoany amin’ny Baiboly fa tsy amin’ireo filozofian’olombelona na ireo fanekem-pinoana ara-pivavahana. Izao no lazain’izy ireo miaraka amin’ny apostoly Paoly: “Aoka Andriamanitra no ho fantatra fa marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga.” (Romana 3:4, “Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao” *). Amin’ny lafin’ny fampianarana izay heverina ho fahamarinana araka ny Baiboly, dia ankasitrahany tsy misy fepetra ny nataon’ny Beriana resahina ao amin’ny Baiboly. Izao no nataon’izy ireo rehefa nanambara taminy ny vaovao tsara ny apostoly Paoly: “Nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia.” (Asa. 17:11). Mino ny hasarobidin’io fomba io ny Vavolombelona. Ny fampianarana ara-pivavahana rehetra dia tokony hampiharana an’io fitsapana io izay mahatonga hahatsapa na mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra izany na tsia. Ary samy mety tsara izany na amin’ny fampianaran’izy ireo na amin’ny an’ny finoana hafa. Mamporisika anao mafy àry izy ireo, amin’ny fiaraha-midinika rehetra iarahanareo manao, mba hanamarina ny zavatra lazainy amin’ny alalan’ny Soratra masina.

Hita amin’izany voalaza eo aloha izany fa mino ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah ka manaiky azy ho Tenin’Andriamanitra. Amin’izy ireo, ny boky enina amby enimpolo mahaforona ny soratra masina dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sy marina ara-tantara. Matetika ny Baiboly no misy fizarana roa: ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny fitambaram-boky voalohany dia antsoin’ny Vavolombelona hoe “Ny Soratra hebreo” ary ny faharoa “Ny Soratra grika kristiana”. Miankina amin’ireo fitambaram-boky roa ireo ny finoany, dia fitambaram-boky raisiny ara-bakiteny, afa-tsy ao amin’ny toerana anomezan’ny teny manodidina sy ny fitenenana ampiasaina azy heviny ara-panoharana tsy azo lavina. Farany, dia mino ny Vavolombelona fa faminaniana maro no nahita fahatanterahany, fa ny hafa dia eo am-pahatanterahana ary ny hafa koa mbola vao ho tanteraka.

NY ANARANY

Vavolombelon’i Jehovah! Io anarana io no iantsoany ny tenany. Mampiavaka azy ireo io anarana milaza toetra io: izy ireo tokoa dia lehilahy sy vehivavy manao fanambarana ny amin’i Jehovah, ny amin’ny maha-Andriamanitra azy sy ny amin’ny fikasany. Ny teny hoe Andriamanitra, Tompo sy Mpamorona (toy izany koa ny teny hoe prezidà, mpanjaka, jeneraly) dia anaram-boninahitra, noho izany dia azo ampiharina amin’olona maro karazana sy samihafa. Ny teny hoe “Jehovah” kosa anefa dia anarana manokana izay tsy manondro afa-tsy Persona tokana ihany, dia: ilay Andriamanitra Tsitoha sady Mpamorona an’izao rehetra izao. Izany no asehon’ity andinin-teny ao amin’ny bokin’ny Salamo (83:18) ity: “Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.”

Ny anarana hoe Jehovah (tian’ny mpandinika Baiboly sasany kokoa ny endriny hoe “Iave” na “Iaoe”; jereo ny “Baibolin’i Jerosalema” sy ny “Baibolin’ny kardinaly Liénart”) dia hita in-6 961 ao amin’ny teny voalohany amin’ny Soratra hebreo. Misy Baiboly nanafoana an’io anarana io tsy ho ao amin’ireo pejiny, ka nanolo azy tamin’ny mpilaza toetra hoe “Andriamanitra” na “Tompo”. Na dia ao amin’ireo fandikan-teny ireo aza anefa dia tsy sarotra ny mahita an’ireo toerana isehoan’ny anaran’i Jehovah amin’ny teny hebreo. Ao amin’ireo andinin-teny ireo tokoa, ireo teny nasolo azy dia mandrakariva vita sora-baventy: ANDRIAMANITRA, TOMPO. Fandikan-teny maro amin’ny andro ankehitriny anefa no mirakitra ny anarana hoe Jehovah na Iave (na Iaoe). Izao, ohatra, no fomba andikan’ny fandikan-teny malagasy ny Isaia 42:8: “Izaho no Jehovah, izany no anarako.”

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia maka ny toko fahatelo amby efapolo amin’ny bokin’Isaia mba hanamarinana ny fandraisana ny anarana entin’izy ireo. Ao amin’io toko io, ny sehatra eo amin’izao tontolo izao dia oharina amin’ny fitsarana lehibe iray izay ametrahana ny andriamanitr’ireo firenena eo anoloan’izao fisafidianana manaraka izao: manome ny vavolombelon’izy ireo mba hanaporofoana fa manana ny “rariny” izy ireo na mba handrenesana an’ireo vavolombelona ho an’i Jehovah sy hiaikena fa eo amin’ny andaniny misy azy ireo ny fahamarinana. Eo akaikin’izany teny izany no anambaran’i Jehovah toy izao amin’ny vahoakany: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. Izaho dia Izaho ihany no Jehovah, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.” — Isaia 43:10, 11.

Nanana vavolombelona Jehovah tao anatin’ireo arivo taona maro nialoha ny fahatongavan’i Jesosy Kristy. Ny toko faharaika ambin’ny folo amin’ny epistily ho an’ny Hebreo dia mitanisa ny sasantsasany amin’ireny olona nanam-pinoana ireny ary, ao amin’ny andininy voalohany amin’ny toko manaraka (Hebreo 12:1), dia izao no vakina: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”. Izao no nolazain’i Jesosy teo anatrehan’i Pilato: “Izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” Antsoina hoe “Vavolombelona mahatoky sy marina” Jesosy. (Jaona 18:37; Apokalypsy 3:14.) Nandidy ny mpianany toy izao izy: “Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” — Asa. 1:8.

Noho izany antony izany no mahatonga lehilahy sy vehivavy maro be (2 400 000 mahery izy amin’izao fotoana izao) izay mampiely ny vaovao tsara any amin’ny tany maherin’ny roanjato amin’ny gilaoby, hihevitra fa manana zo hitondra ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Raha tsy misy filazana, ny teny nalaina avy ao amin’ny Baiboly dia araka ny fandikan-teny malagasy.

[Teny notsongaina, pejy 3]

Mihevitra anao izy

[Teny notsongaina, pejy 3]

Nanolo-tena ho an’Andriamanitra izy ireo mba hanao ny sitrapony

[Teny notsongaina, pejy 4]

Mino izy ireo fa tenin’Andriamanitra ny Baiboly

[Teny notsongaina, pejy 5]

Tsalan’ny anarana kabary ny tsara

[Teny notsongaina, pejy 5]

Vavolombelona 2 400 000 mahery ao amin’ny tany maherin’ny 200

[Sary, pejy 4]

Ny anarana manokan’Andriamanitra amin’ny teny hebreo tranainy