Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fandaminana sy ny Asa Amin’ny Ambaratonga Maneran-tany

Ny Fandaminana sy ny Asa Amin’ny Ambaratonga Maneran-tany

Ny Fandaminana sy ny Asa Amin’ny Ambaratonga Maneran-tany

Misy mpikambana maromaro manao ny asan’ny mpampifandray amin’ny fitondrana ny asa fanaovana fanambarana any amin’ireo tany maherin’ny 200 anaovana izany. Ny fitarihana amin’ny ankapobeny dia atao avy amin’ny Kolejy foibe any amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn (New York). Avy any no anirahana isan-taona ho any amin’ny “zaonina” 15 na mihoatra, solontena izay ny asa anirahana azy dia ny hidinidinika miaraka amin’ireo solontenan’ny sampana ao amin’ny zaonina tsirairay avy. Ireo sampana dia manana komity misy mpikambana telo ka hatramin’ny fito, manana andraikitra hanara-maso ny asa ao amin’ireo tany eo ambany fiadidiany. Sampana maro no manana fanontam-pirinty izay ny sasany aminy dia manana milina miasa haingana dia haingana. Ny tany (na ny faritany) karakarain’ny sampana tsirairay avy dia mizarazara ho distrika ary ny distrika mitsinjara ho fizaran-tany. Ny fizaran-tany tsirairay avy dia misy kongregasiona eo amin’ny roapolo, izay mivory indroa isan-taona amin’ny “fivoriamben’ny fizaran-tany”, fivoriambe tarihin’ny mpiandraikitra ny distrika. Fa raha ny amin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, ny anjara asany dia ny fitsidihana ny kongregasiona tsirairay avy ao amin’ny fizaran-taniny (indroa isan-taona amin’ny ankapobeny). Manampy an’ireo Vavolombelona izy handamina sy hanao fitoriana any amin’ny faritany nomena hiasan’ny kongregasionany.

Ny kongregasiona eo an-toerana miaraka amin’ny Efitrano Fanjakanany no foibe fampielezana ny “vaovao tsara” ao amin’ny faritra na tanàna onenanao. Ny faritany omena ny kongregasiona tsirairay avy dia voazarazara ho faritany kely kokoa. Omena manokana ny Vavolombelona izany ka tsidihiny sy iezahany tratrarina ny mponina rehetra ao. Ny kongregasiona tsirairay avy izay miovaova ny isan’ny mpikambana ao aminy (maromaro ka hatramin’ny roanjato), dia manana loholona miandraikitra raharaha isan-karazany. Raisina mitokana, dia ny mpitory ny “vaovao tsara” no tena anisan’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Vavolombelona rehetra, na aiza na aiza toerana iasany: foibe iraisam-pirenena, sampana na kongregasiona, dia manome amin’ny fotoanany ho an’ny fitoriana. Raisiny ho adidy ny firesahana manokana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny mpiara-belona aminy.

Amin’ny farany ireo filazana asa momba ny fitoriana dia tonga any amin’ny foibe iraisam-pirenena izay manambatra sy manonta “Diary” (Annuaire) iray. Avoakany isan-taona koa ny tabilao iray ao amin’ny nomeraon’ny 1 janoary amin’ny “Ny Tilikambo Fiambenana” (fanontana amin’ny teny anglisy). Ao amin’ireo soratra avoaka roa ireo dia ahitana filazalazana miaraka amin’ny dinidinika rehetra momba ny vokatra azon’ny Vavolombelon’i Jehovah tao anatin’ny taona rehefa nanao fanambarana ny amin’i Jehovah sy ny Fanjakana mesianikany izy ireo. Araka ny “Annuaire” 1983, tamin’ny 1982 dia 2 400 000 ny isan’ny Vavolombelona voazarazara tany amin’ny kongregasiona 44 953. Nanokana 384 856 662 ora izy ireny tamin’ny fanambarana ny “vaovao tsara”. Tao anatin’ny taom-piasana 1982, dia nisy batisa 138 540. Fa raha ny amin’ny boky, izy ireny dia naely an-jato tapitrisany maro.