Ny “Vaovao Tsara” Iriny Hampandrenesina Anao
Ny “Vaovao Tsara” Iriny Hampandrenesina Anao
Indray andro ny mpianatra dia nanatona an’i Jesosy ka nametraka taminy izao fanontaniana manaraka izao: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny famaranana ny fandehan-javatra?” Namaly Jesosy fa hisy ady hampifanohitra firenena maro, mbamin’ny mosary sy areti-mandringana ary horohorontany. Hitombo ny tsy firaharahana lalàna ary hisy mpitondra ara-pivavahana sandoka hampaniasia ny maro. Naminany koa Jesosy fa hiharan’ny fankahalana sy ny fanenjehana ny tena mpianany. Rehefa hanomboka hitranga izany zavatra izany, dia izany no ho famantarana fa manatrika amin’ny fomba tsy hita maso Kristy ary akaiky ny Fanjakan’ny lanitra. Moa ve tsy ho vaovao lehibe izany? vaovao tsara? Avy amin’izany izao tenin’i Jesosy izao, manambara lafiny hafa amin’ny famantarana: “Hotorina amin’ny tany Matio 24:3-14, MN.
onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona ho an’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” —Tsy misy mahafinaritra mihitsy akory amin’ireo zava-miseho manakorontana an’izao tontolo izao hatramin’ny am-polo taona maromaro; nefa kosa, izay izany no famantarana azy (ny an’ny fanatrehan’i Kristy) dia tokony hahafaly antsika. Avy amin’izany izao tenin’i Jesosy izao: “Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” (Lioka 21:28). Nanomboka nitranga izany zavatra izany tamin’ny 1914. Io daty io dia nanamarika ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa sy ny fanombohan’ny vanim-potoana eo anelanelan’ny fanapahan’ny olombelona sy ny fanjakana arivo taonan’i Kristy.
Ny fanambarana vanim-potoana anelanelany dia misongadina amin’ny Salamo 110, andininy 1 sy 2, ary ny Apokalypsy 12:7-12. Ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly dia mampiseho fa Kristy dia hipetraka eo ankavanan’Andriamanitra any an-danitra mandra-piveriny fanindroany. Amin’izay dia hisy ady any an-danitra, dia ady hifarana amin’ny faharesen’i Satana izay hazera amin’ny tany. Hiteraka alahelo ho an’ny olombelona izany. Fa raha ny amin’i Kristy, izy kosa dia hanapaka eo afovoan’ny fahavalony mandritra ny vanim-potoana izay ny faharetany dia tsy hihoatra ny an’ny taranaka iray. Avy eo dia ho avy ny fahataperan’ny faharatsiana amin’ny endriny rehetra, ao anatin’ny tafiodrivotry ny “fahoriana lehibe” iray, dia fahoriana izay ny adin’i Hara-Magedona no hanamarika ny fizarana farany aminy ka harahin’ny fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy. — Matio 24:21, 33, 34; Apokalypsy 16:14-16.
“Fa aoka ho fantatrao izao, hoy ny voalaza ao amin’ny Baiboly: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.” (II Timoty 3:1-5). Misy manamafy fa efa nanamarika fotoana sahala amin’izany ny Tantara.
Tsy izany anefa no hevitry ny mpanoratra tantara sy ny mpivaofy teny. Araka ny filazan’izy ireny, dia tsy mbola nisy mihitsy, teo amin’ny Tantarany, fotoana tsy maintsy nisetran’ny olona andro mampangitakitaka toy izay diaviny nanomboka tamin’ny 1914. Mbola tsy notafihin’ny loza lehibe toy izao mihitsy izy ireo. Fa raha ny amin’ireo lafiny hafa mahaforona
ny “famantarana” ny andro farany, dia ireto ny zava-mitranga mendrika ny hoheverina: Ny fanambarana amin’ny tany manontolo ny fanatrehan’i Kristy sy ny Fanjakany dia nitatra aoka izany, hany ka tsy mbola nisy zavatra karazan’izany mihitsy teo aloha teo amin’ny Tantara. Mbola tsy nitovy hamafy amin’izay namely sy mbola mamely ny Vavolombelon’i Jehovah ihany ireo fanenjehana nateraky ny fitoriana. An-jatony maro tamin’izy ireny no novonoina tany amin’ny toby fitanana nazia. Amin’izao fotoana izao dia mbola rarana izy ireny any amin’ny tany maro ary any amin’ny hafa izy ireny dia mahita fisamborana, fampidirana an-tranomaizina, fampijaliana sy fahafatesana. Izany rehetra izany dia anisan’ny “famantarana” nomen’i Jesosy.Araka ny voambara ao amin’ny Apokalypsy 11:18, dia “tezitra ny firenena maro” amin’ireo vavolombelon’i Jehovah mahatoky, ary izany dia famantarana fa hipoaka tsy ho ela amin’ireny firenena ireny ny ‘fahatezeran’i Jehovah’. Ambaran’io andinin-teny ao amin’ny Baiboly io koa fa ‘hanimba izay manimba ny tany’ Andriamanitra. Tsy nisy mihitsy fotoana hafa teo amin’ny Tantarany, nahitan’ny olombelona toy izao ny tany tandindomin-doza eo amin’ny fahaizany miantoka ny fitanana ny fiainana. Misy izany fandrahonana izany amin’izao andro izao! Maro ny fampitandremana ara-tsiansa: raha tsy mety mamarana ny asa fandotoany ny olombelona, dia hanjary tsy ho azo onenana ny planetantsika. Nefa, araka ny efa nolazaina, Jehovah dia ‘namorona ny tany mba honenana’. Hofoanany àry ireo mpandoto, alohan’ny hanombohany hanimba tanteraka ny tany. — Isaia 45:18.
FIFALIANA HO ETO AN-TANY EO AMBANY FITONDRAN’ILAY FANJAKANA
Ny hevitra fa hoe hisy olona hiaina eto an-tany amin’ny maha-vahoakan’ilay Fanjakana na fitondram-panjakan’Andriamanitra, izany hevitra izany dia tsy isalasalana fa toa ho hafahafa amin’ny saina maro izay mino fa any an-danitra ny tsara rehetra. Araka ny voalazan’ny Soratra Masina, dia voafetra ny isan’ny olona mankany an-danitra. Fa raha ny amin’ireo izay hiaina mandrakizay eto amin’ny planetantsika, izy ireny dia ho olona maro be tsy voafetra ny isany (Apokalypsy 14:1-5; 7:9; Salamo 37:11, 29). Araka ny faminaniana iray ao amin’ny bokin’i Daniela ao amin’ny Baiboly, ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra dia tokony hameno ny tany manontolo izay halahatra amin’izany eo ambany fanapahany.
Ao amin’io faminaniana io, ny Fanjakan’i Kristy dia aseho amin’ny endriky ny vato iray miendaka amin’ny tendrombohitra mampiseho ny fanapahan’i Jehovah. Io vato io dia mamely sy manorotoro sary na tsangambato iray izay mampiseho firenena mahery, ary “ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.” Ary dia mitohy amin’izao teny izao ilay faminaniana: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:34, 35, 44.
Ny amin’io Fanjakana io sy ny fanantenana omen’ny Baiboly ny amin’ny fiainana tsy hanam-pahataperana eo amin’ny tany voadio amin’ny karazam-paharatsiana rehetra sy voaova ho fonenana kanto, ny amin’izany no irin’ny Vavolombelon’i Jehovah horesahina aminao. Olona ana hetsiny maro velona amin’izao fotoana izao, ary koa maty an-tapitrisany maro voatana ao am-pasana no hanana fahafahana hanao ny planetantsika ho fonenany mandrakizay. Amin’izay, eo ambany fanjakana arivo taonan’i Kristy, no ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah tamin’ny voalohany, fony izy namorona ny tany ka nametraka teo ny mpivady voalohany olombelona. Tsy hankaleo na oviana na oviana io paradisa ho eto amin’ny planeta io. Toy ny nanankinana asa tamin’i Adama tao amin’ny saha Edena, dia toy izany koa fa ny hanolokolo ny gilaoby tany no ho adidin’ny olombelona. “Hanaram-po amin’ny asan’ny tànany” ny olona amin’izay. — Genesisy 2:15; Isaia 65:22.
Ho azo atao ny hampitombo isa ny teny alaina ao amin’ny Baiboly izay milazalaza ny toe-piainana hanjaka amin’ny fotoana ho nahazoana valin’ny vavaka nampianarin’i Jesosy antsika hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10). Aoka isika hiankina amin’izao andinin-teny manaraka izao: “Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” — Apokalypsy 21:3-5.
[Teny notsongaina, pejy 15]
“Andro sarotra sy tsy mora setraina” NEFA “Akaiky ny fanavotana anareo”