Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asainay Ianao

Asainay Ianao

Asainay Ianao

Faly izahay niresaka taminao tamin’ny alalan’ity bokikely ity. Antenainay fa faly ianao nahafantatra bebe kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Asainay ianao hitsidika anay any amin’ny Efitrano Fanjakananay eo amin’ny faritra misy anao. Ho hitanao ny fomba itarihana ny fivorianay. Ho hitanao koa ny ezaka ataonay mba hiresahana amin’ny hafa ny vaovao tsara momba ny tany paradisa eo ambanin’ny Fanjakan’i Kristy.

Nampanantena izany Andriamanitra, araka ny teniny hoe: ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’ (2 Petera 3:13) Taonjato maro izay no lasa. Efa hifarana ilay fotoam-piandrasana, rehefa jerena ny zava-mitranga eran-tany.

“Satria hitanareo fa manakaiky ny andro”, hoy ny apostoly Paoly, dia “aoka koa [ianareo] hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny [ fiarahana] mivory.” (Hebreo 10:24, 25) Asainay ianao hanaraka ny torohevitr’i Paoly mba hiara-mivory aminay.