Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontaniana Fametraky ny Olona Liana

Fanontaniana Fametraky ny Olona Liana

Fanontaniana Fametraky ny Olona Liana

Raha fitiavana Andriamanitra, nahoana izy no mamela ny faharatsiana hisy?

MAMELA ny faharatsiana hisy tokoa Andriamanitra, ary olona an-tapitrisa no zatra manao ratsy an-tsitrapo. Mandeha miady, ohatra, izy ireo, mandatsaka baomba amin’ny ankizy, manimba ny tany, ary manao izay hisian’ny mosary. Olona an-tapitrisa no mifoka sigara ka voan’ny kanseran’ny havokavoka. Ao koa ny manitsakitsa-bady ka mahazo aretina avy amin’ny firaisana, ary ny miboboka toaka ka voan’ny aretin’aty, sy ny sisa. Tsy tena irin’ireny olona ireny ny hifaranan’ny faharatsiana. Tiany ho foana fotsiny ny voka-dratsiny. Mitaraina toy izao izy ireo, rehefa mijinja izay nafafiny: “Nahoana no izaho?” Ary dia manome tsiny an’Andriamanitra izy, araka ny voalazan’ny Ohabolana 19:3 hoe: “Ny fahadalan’ny olona no mahasimba ny alehany, ka amin’i Jehovah no sosotra ny fony.” Raha tsy avelan’Andriamanitra hanao ratsy intsony anefa izy ireo, dia tsy ho faly, ka hilaza hoe teriterena ny fiainany!

Ny antony voalohany amelan’i Jehovah ny ratsy hisy dia mba hamaliana ny tenin’i Satana. Nilaza i Satana Devoly fa tsy vitan’Andriamanitra ny hametraka olona eto an-tany izay hahatoky tanteraka eo anatrehany rehefa iharam-pitsapana. (Joba 1:6-12; 2:1-10) Navelan’i Jehovah ho velona i Satana, mba hahafahany hanaporofo raha marina ny teniny. (Eksodosy 9:16) Mbola mampijaly ny olona foana i Satana ankehitriny, mba hampialana azy ireo amin’Andriamanitra, sy hanaporofoana fa marina ny teniny. (Apokalypsy 12:12) Tsy nivadika mihitsy anefa i Joba sy Jesosy ary ny Kristianina marina ankehitriny.—Joba 27:5; 31:6; Matio 4:1-11; 1 Petera 1:6, 7.

Te hino aho hoe hisy paradisa hiainan’ny olona mandrakizay eto an-tany, nefa tsy nofinofy ihany ve izany?

Tsy nofinofy izany raha araka ny Baiboly. Tsy nahafantatra afa-tsy ny ratsy nandritra ny an-jato taona ny olombelona, ka heveriny fa nofinofy fotsiny izany. Namorona ny tany i Jehovah, ary nilaza tamin’ny olombelona mba hameno azy io amin’ny lehilahy sy vehivavy marina sy mahitsy. Hikarakara ny zavamaniry sy ny biby eo aminy ireo olona ireo, ary hikolokolo ilay tany kanto fa tsy handrava azy. (Jereo ny pejy 12 sy 17.) Tsy ilay Paradisa nampanantenaina akory no tsara loatra ka tsy mampino, fa izao toe-piainana mampalahelo ankehitriny izao no ratsy loatra ka tsy afaka ny hitohy. Hisolo azy io ny Paradisa.

Ahoana no hamaliako ny olona maneso ny Baiboly sy milaza fa angano sy tsy mifanaraka amin’ny siansa izy io?

Tsy finoana befahatany fotsiny akory ny finoana an’ireo fampanantenana ireo. “Ny finoana dia avy amin’izay re.” Hahita ny fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika rehefa mianatra azy io, ka hitombo ny finoantsika.—Romanina 10:17; Hebreo 11:1.

Hamafisin’ny fikarohana ambanin’ny tany fa marina ny ankabeazan’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly. Mifanaraka tsara amin’ny Baiboly ny tena siansa. Ela be talohan’ny nahitan’ny manam-pahaizana an’ireto zavatra ireto, dia efa niresaka momba azy ireo ny Baiboly: Ny filaharan’ireo dingana maro samy hafa namoronana ny tany, sy hoe boribory izy io sady mihantona amin’ny tsy misy eny amin’ny habakabaka, ary mifindra monina ny vorona.—Genesisy, toko 1; Isaia 40:22; Joba 26:7; Jeremia 8:7.

Ireo faminaniana tanteraka dia mampiseho fa avy amin’ny herin’ny fanahy masina ny Baiboly. Efa nolazain’i Daniela mialoha ny hisondrotan’ireo firenena matanjaka sy ny hianjerany, ary koa ny fotoana hahatongavan’ny Mesia sy ny fotoana hamonoana azy. (Daniela, toko 2, 8; 9:24-27) Mbola misy faminaniana hafa koa eo an-dalam-pahatanterahana ankehitriny, izay manondro fa “andro farany” izao. (2 Timoty 3:1-5; Matio, toko 24) Tsy efan’ny sain’ny olombelona ny fahalalana mialoha toy izany. (Isaia 41:23) Mba hahitana porofo bebe kokoa, dia jereo ny boky Ny BaibolyTenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? sy Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve? (frantsay), navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ahoana no ahaizako mamaly fanontaniana momba ny Baiboly?

Tsy maintsy mianatra Baiboly sy misaintsaina momba azy ianao, ary mangataka ny fanahin’Andriamanitra mba hitarika anao. (Ohabolana 15:28; Lioka 11:9-13) “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena”, hoy ny Baiboly, dia “aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny. Ary dia homena azy izany.” (Jakoba 1:5) Misy fitaovana fianarana Baiboly azonao andraisan-tsoa koa. Ilaina koa matetika ny fanampian’ny olon-kafa. Niara-nianatra tamin’i Filipo, ohatra, ilay lehilahy Etiopianina. (Asan’ny Apostoly 8:26-35) Mampianatra Baiboly maimaim-poana any an-tranon’ny olona liana ny Vavolombelon’i Jehovah. Aza misalasala mangataka ny fanampiany.

Nahoana no maro no manohitra ny Vavolombelon’i Jehovah, sy milaza amiko mba tsy hiara-mianatra aminy?

Nisy nanohitra ny fitorian’i Jesosy, ary nilaza izy fa hisy hanohitra koa ny mpanara-dia azy. Rehefa talanjona noho ny fampianaran’i Jesosy ny olona sasany, dia hoy ny navalin’ny mpitondra ara-pivavahana: “Voafitaka koa angaha ianareo? Fa angaha moa misy lohandohany eo amin’ny Jiosy na misy Fariseo mba mino azy?” (Jaona 7:46-48; 15:20) Tsy mahafantatra ny tena zava-misy na mitsara an-tendrony ny ankamaroan’ireo olona manoro hevitra anao tsy hiara-mianatra amin’ny Vavolombelona. Miaraha mianatra amin’ny Vavolombelona, dia ho hitanao na manjary mahafantatra bebe kokoa ny Baiboly ianao na tsia.—Matio 7:17-20.

Nahoana ny Vavolombelona no mitsidika olona efa manana ny fivavahany?

Satria manahaka ny ohatr’i Jesosy izy ireo. Nankany amin’ny Jiosy i Jesosy. Efa nanana ny fivavahany ny Jiosy, nefa nivaona tamin’ny Tenin’Andriamanitra izany. (Matio 15:1-9) Manana fivavahana ny firenena rehetra, na lazaina hoe kristianina izany fivavahany izany na tsia. Tena iankinan’ny aina ny hifanarahan’ny zavatra inoan’ny olona amin’ny Tenin’Andriamanitra. Miezaka manampy azy ireo hanao izany ny Vavolombelona. Fomba anehoan’izy ireo fitiavana ny mpiara-belona aminy izany.

Mino ve ny Vavolombelona fa ny fivavahany ihany no marina?

Na iza na iza mandray ny fivavahany ho zava-dehibe dia mihevitra izy fa ny azy no fivavahana marina. Raha tsy izany, nahoana izy no hanaraka azy io? Nomena izao fananarana izao ny Kristianina: “Fantaro tsara ny zava-drehetra, ka mifikira amin’izay tsara.” (1 Tesalonianina 5:21) Tokony ho azon’ny olona antoka fa mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny zavatra inoany, satria iray ihany ny finoana marina. Manamarina izany ny Efesianina 4:5, izay milaza fa “iray ny Tompo, iray ny finoana, ary iray ny batisa.” Tsy neken’i Jesosy ilay fomba fihevitra maoderina milefitra loatra hoe lalana maro samy hafa mitarika ho amin’ny famonjena ny fivavahana rehetra. Hoy kosa izy: “Fa tery kosa ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.” Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa nahita azy io ny tenany. Ho nitady fivavahana hafa izy, raha tsy izany.—Matio 7:14.

Mino ve izy ireo fa izy irery ihany no ho voavonjy?

Tsia. Hisy olona an-tapitrisa velona taloha sy tsy Vavolombelon’i Jehovah hatsangana amin’ny maty. Afaka hahazo ny fiainana koa izy ireo. Maro amin’ireo velona ankehitriny no mbola mety hiandany amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana, alohan’ny “fahoriana lehibe”, ka ho voavonjy. Nilaza koa i Jesosy fa tsy tokony hifampitsara isika. Mijery ivelany isika, fa Andriamanitra kosa mijery ny fo. Mahita ny tena zava-misy izy, ary mamindra fo rehefa mitsara. Nankininy tamin’i Jesosy ny fitsarana, fa tsy tamintsika.—Matio 7:1-5; 24:21; 25:31.

Fanomezana ara-bola inona no antenaina amin’ireo manatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Hoy ny apostoly Paoly momba ny fanomezana ara-bola: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Korintianina 9:7) Tsy misy fanantazan-drakitra mihitsy ao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny toerana fanaovany fivoriambe. Ahitana boaty ho an’izay maniry hanao fanomezana kosa ao amin’ireny toerana ireny. Tsy misy mahalala izay omen’ny hafa, na hoe manome izy na tsia. Afaka manome betsaka kokoa noho ny hafa ny sasany, fa misy kosa mety tsy ho afaka hanome na inona na inona. Nasehon’i Jesosy ny fomba fijery mety mahakasika an’izany, rehefa noresahiny ny amin’ny vata fandatsaham-bola tao amin’ny tempoly tao Jerosalema sy ireo nanao fanomezana tao. Tsy ny habetsahan’ny vola omena no zava-dehibe, fa ny fahafahana hanome sy ny toe-tsaina anaovana izany.—Lioka 21:1-4.

Raha lasa Vavolombelon’i Jehovah aho, dia tokony hitory tahaka azy ireo koa ve?

Rehefa fantatry ny olona iray fa ho lasa Paradisa ny tany eo ambany Fanjakan’i Kristy, dia maniry hizara izany fanantenana izany amin’ny hafa izy. Ho toy izany koa ianao, satria vaovao tsara ilay izy!—Asan’ny Apostoly 5:41, 42.

Izany dia fomba lehibe iray ampisehoanao fa mpianatr’i Jesosy Kristy ianao. Antsoina hoe “ilay vavolombelona mahatoky sy marina” i Jesosy ao amin’ny Baiboly. Fony teto an-tany izy, dia nitory hoe: “Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Nirahiny hanao toy izany koa ny mpianany. (Apokalypsy 3:14; Matio 4:17; 10:7) Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy, tatỳ aoriana hoe: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. ... Ampianaro izy.” Nilaza mialoha koa izy fa “ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”, alohan’ny hahatongavan’ny farany.—Matio 24:14; 28:19, 20.

Misy fomba maro hitoriana ny vaovao tsara. Matetika no azo atao izany rehefa miresaka amin’ny namana sy ny olom-pantatra. Ny sasany manao izany an-taratasy na an-telefaonina. Ny hafa mandefa boky na gazety izay heveriny fa hahaliana manokana ny olom-pantany. Tsy tian’ny Vavolombelona hisy ho hadino ny olona, ka mandeha mitondra ilay hafatra isan-trano izy ireo.

Manasa toy izao ny Baiboly: “Miteny tsy an-kijanona ny fanahy sy ny ampakarina hoe: ‘Avia!’ Ary aoka izay mandre hilaza hoe: ‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 22:17) Tokony hatao an-tsitrapo ny firesahana an’ilay Paradisa an-tany sy ny fitahiana hoentiny, izany hoe hatosiky ny fo feno faniriana hizara io vaovao tsara io.

Azonay antoka fa manana fanontaniana hafa momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny zavatra inoany ianao. Angamba miteraka adihevitra ny sasany amin’izy ireny. Te hamaly ny fanontanianao izahay. Voafetra anefa ny toerana ato amin’ity bokikely ity, koa manasa anao izahay mba hanontany ny Vavolombelona eo amin’ny misy anao. Afaka manao izany ianao any amin’ny fivoriany any amin’ny Efitrano Fanjakanany, na rehefa mitsidika anao ao an-trano izy. Azonao atao koa ny mandefa ny fanontanianao atỳ amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny iray amin’ireo adiresy eo ambany.