Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Vaovao Tsara Tiany ho Renao

Ilay Vaovao Tsara Tiany ho Renao

Ilay Vaovao Tsara Tiany ho Renao

NANATONA an’i Jesosy ny mpianany, fony izy teto an-tany, ary nanontany hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” Namaly izy fa hiady ny firenena maro, hisy mosary, areti-mandringana, horohoron-tany, fitomboan’ny fandikan-dalàna, mpampianatra ara-pivavahana sandoka hamitaka ny maro, fankahalana sy fanenjehana ny tena mpianany, ary hihena ny fitiavan’ny olona maro ny fahitsiana. Rehefa mitranga ireo zavatra ireo, dia midika izany fa efa manatrika i Kristy, saingy tsy hita maso, ary efa antomotra ilay Fanjakana any an-danitra. Vaovao tsara izany! Koa anisan’ny famantarana nomen’i Jesosy koa àry ireto teny ireto: “Ary ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:3-14.

Ratsy ny zava-nitranga eran-tany tato ho ato. Midika ho zavatra tsara anefa izany, dia ny fanatrehan’i Kristy. Nanomboka tanteraka tamin’ny 1914 ireo toe-javatra voalaza etsy ambony. Efa nambara hatraiza hatraiza ny taona 1914, izay nanamarika ny faran’ny Andron’ny Jentilisa, sy ny fiandohan’ilay fotoana tetezamita avy eo amin’ny fitondran’olombelona mankamin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.

Hisy fotoana tetezamita, araka ny Salamo faha-110, andininy voalohany sy faha-2, sy ny Apokalypsy 12:7-12. Aseho ao fa hipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra any an-danitra i Kristy, mandra-pahatongan’ny fotoana hahatongavany ho Mpanjaka. Hisy ady any an-danitra avy eo, ka hatsipy ho etỳ an-tany i Satana. Hitera-doza ho an’ny tany izany, ary amin’izay no hanjakan’i Kristy eo afovoan’ny fahavalony. Hifarana tanteraka ny faharatsiana rehefa tonga ny “fahoriana lehibe”, izay hiafara amin’ny ady Hara-magedona. Hanomboka aorian’izay ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, izay hitondra fiadanana.—Matio 24:21, 33, 34; Apokalypsy 16:14-16.

Hoy ny Baiboly: “Ary aoka ho fantatrao izao: Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hiavonavona, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy. Ialao ny olona toy ireny.”—2 Timoty 3:1-5.

Mety hisy hilaza hoe efa nitranga taloha, teo amin’ny tantaran’ny olombelona, ireo zavatra ireo. Mbola tsy nitovy tamin’izao mihitsy anefa ny nisy hatramin’izay. Araka ny lazain’ny mpahay tantara sy ny mpanao gazety, dia mbola tsy nisy fotoana toy ilay nanomboka tamin’ny 1914 mihitsy teto an-tany. (Jereo ny pejy 7.) Be lavitra noho ny hatramin’izay ny loza. Tokony hoheverina koa izao zava-misy izao, izay anisan’ny famantarana nomen’i Kristy momba ny andro farany: Lehibe lavitra noho ny hatramin’izay ny fitoriana maneran-tany ny fanatrehan’i Kristy sy ilay Fanjakana. Misy ny fanenjehana noho ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra, kanefa tsy misy toa azy ny nanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah. An-jatony tamin’izy ireo no novonoin’ny Nazia tany amin’ireo toby fitanana. Mbola rarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny toerana sasany hatramin’izao, ary samborina izy ireo any an-tany hafa, atao any am-ponja, ampijalijalina ary vonoina ho faty. Anisan’ilay famantarana nomen’i Jesosy avokoa izany.

“Tezitra” amin’ny Vavolombelona mahatokin’i Jehovah “ireo firenena”, araka ny nolazaina mialoha ao amin’ny Apokalypsy 11:18. Mampiseho izany fa hihatra amin’ireo firenena ireo ny ‘fahatezeran’i’ Jehovah. Milaza koa io andininy io fa ‘handringana izay manimba ny tany’ Andriamanitra. Mbola tsy nisy fotoana mihitsy teo amin’ny tantaran’olombelona, nahitana hoe hatahorana tsy ho azo iainana intsony eto an-tany. Niova anefa izany ankehitriny! Mpahay siansa maro no mampitandrina fa tsy ho azo iainana intsony eto an-tany raha mbola mandoto azy io ny olombelona. ‘Nataon’i Jehovah honenana’ anefa izy io, ka hanaisotra ny mpandoto ny tany izy, alohan’ny hanimban’izy ireo tanteraka azy io.—Isaia 45:18.

FITAHIANA ETO AN-TANY EO AMBANY FITONDRAN’ILAY FANJAKANA

Mety ho hafahafa amin’ny olona maro mino ny Baiboly ilay hevitra hoe hisy olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra hiaina eto an-tany. Mihevitra mantsy izy ireo fa ho any an-danitra avokoa ny voavonjy rehetra. Asehon’ny Baiboly anefa fa voafetra ny isan’ireo ho any an-danitra, fa ho vahoaka be tsy hita isa kosa ireo hiaina mandrakizay eto an-tany. (Salamo 37:11, 29; Apokalypsy 7:9; 14:1-5) Asehon’ny faminaniana iray ao amin’ny bokin’i Daniela ao amin’ny Baiboly, fa hitondra ny tany manontolo ilay Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy.

Resahina ho toy ny tendrombohitra ny fitondran’i Jehovah, ary oharina kosa amin’ny vato iray nendahina avy tamin’izy io ny Fanjakan’i Kristy. Mamely sy manorotoro sary iray ilay vato. Ireo firenena matanjaka eto an-tany no tiana holazaina amin’io sary io. Ary “ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.” Hoy koa ilay faminaniana: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”—Daniela 2:34, 35, 44.

Io Fanjakana io sy ilay fanantenana ara-baiboly momba ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany voadio sy voaova ho kanto, no irin’ny Vavolombelon’i Jehovah horesahina aminao. Olona an-tapitrisa velona ankehitriny sy olona an-tapitrisa any am-pasana no hanana fahafahana hiaina eo mandrakizay. Amin’izay dia ho tanteraka eo ambany fitondran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy Jesosy, ny fikasan’i Jehovah tany am-boalohany, fony izy namorona ny tany sy nametraka ny mpivady olombelona voalohany teo aminy. Tsy hankaleo na oviana na oviana io Paradisa an-tany io. Nisy asa nasaina nataon’i Adama tao amin’ny saha Edena. Hasaina hikarakara ny tany sy ny zavamaniry ary ny biby koa àry ny olombelona. Asa tena hahaliana izany. “Hanaram-po amin’ny asan’ny tànany” izy ireo.—Isaia 65:22; Genesisy 2:15.

Maro ny andinin-teny azo omena mba hampisehoana ny toe-piainana hisy rehefa ho voavaly ilay vavaka nampianarin’i Jesosy antsika hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10) Efa ampy anefa aloha izao ity andininy ity: “Nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana [aho], nanao hoe: ‘Indro, eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’ Ary hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana: ‘Indro, ataoko vaovao ny zava-drehetra.’ Ary hoy koa izy: ‘Soraty fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.’ ”—Apokalypsy 21:3-5.

[Teny notsongaina, pejy 15]

“Fotoan-tsarotra tsy mora setraina”,

NEFA ‘avy eo, dia ho tonga ny farany’

[Sary, pejy 18]

Holandy

[Sary, pejy 18]

Nizeria