Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Inoany?

Inona no Inoany?

Inona no Inoany?

MINO an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony, Mpamorona ny lanitra sy ny tany, ny Vavolombelon’i Jehovah. Matoa misy ireo zava-mahatalanjona eo amin’izao rehetra izao manodidina antsika, dia satria nisy Mpamorona faran’izay manan-tsaina sy matanjaka nanao azy rehetra ireny. Ahitana taratry ny toetran’ny olona ny zava-bitany. Toy izany koa ny amin’i Jehovah Andriamanitra. Milaza amintsika ny Baiboly fa “ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.” “Mitory ny voninahitr’Andriamanitra” koa ny lanitra, na dia tsy miteny aza.—Romanina 1:20; Salamo 19:1-4.

Misy antony matoa ny olona manamboatra vilany tany, na televiziona, na ordinatera. Mbola mahatalanjona lavitra noho ireo anefa ny tany, mbamin’ny zavamaniry sy ny biby eo aminy. Tsy takatry ny saintsika ny firafitry ny vatan’olombelona, izay misy sela tsy hita isa. Zava-mahagaga tsy takatry ny saintsika koa na dia ny atidohantsika aza! Tsinontsinona ny zavatra nataon’olombelona raha oharina amin’izany, kanefa misy antony ny nanaovan’ny olona ireny zavatra noforonina ireny. Tsy maintsy misy antony koa àry matoa i Jehovah Andriamanitra namorona ireny zava-mahatalanjona ireny! Izao tokoa no lazain’ny Ohabolana 16:4: “Ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah dia samy misy antony avokoa.”

Misy antony ny nanaovan’i Jehovah ny tany, araka izao nambarany tamin’ilay mpivady olombelona voalohany izao: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany ... manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28) Tsy nankatò izy mivady, ka tsy vitany ny nahatonga ny tany ho feno olo-marina, izay tokony ho nikarakara tamim-pitiavana ny tany sy ny zavamaniry ary biby. Tsy nahatonga ny fikasan’i Jehovah tsy ho tanteraka anefa izany. Izao no nosoratana, an’arivo taona tatỳ aoriana: ‘Tsy namorona ny tany tsy amin’ny antony akory Andriamanitra, ilay Mpanao ny tany. Nataony honenana izy io.’ Tsy natao hopotehina izy io, satria “ny tany ... maharitra mandrakizay.” (Isaia 45:18, TV; Mpitoriteny 1:4) Ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah ho an’ny tany, araka ny teniny hoe: “Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra.”—Isaia 46:10.

Mino àry ny Vavolombelon’i Jehovah fa haharitra mandrakizay ny tany, ary honina eo mandrakizay ny olona rehetra, na ny velona na ny maty, izay hiaina mifanaraka amin’ilay fikasan’i Jehovah hanova ny tany ho kanto. Mpanota ny olombelona rehetra satria nandova tsy fahalavorariana tamin’i Adama sy Eva. (Romanina 5:12) Hoy ny Baiboly amintsika: “Fahafatesana no karama omen’ny ota.” “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Romanina 6:23; Mpitoriteny 9:5; Ezekiela 18:4, 20) Ahoana àry no hahafahan’izy ireo ho velona indray, ka hahazo ireo fitahiana hisy eto an-tany? Amin’ny alalan’ny sorona nataon’i Jesosy Kristy, satria hoy izy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” ‘Handre ny feony ny olona rehetra any am-pasana, dia hivoaka.’—Jaona 5:28, 29; 11:25; Matio 20:28.

Ahoana no hahatanterahan’izany? Manazava izany ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.” I Jesosy no nitory azy io voalohany, fony izy teto an-tany. (Matio 4:17-23) Mitory ny vaovao tsara amin’ny fomba iray tena manokana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny.

[Tabilao, pejy 13]

FINOAN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH

Finoana Antony

Ara-baiboly

Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, sady 2 Tim. 3:16, 17;

fahamarinana 2 Pet. 1:20, 21;

Jaona 17:17

Azo itokisana kokoa noho ny Matio 15:3;

fampianaran’olombelona ny Baiboly Kol. 2:8

Jehovah no anaran’Andriamanitra Sal. 83:18; Isaia

26:4; 42:8;

Eks. 6:3

Zanak’Andriamanitra i Kristy, ary Matio 3:17; Jaona

ambany noho Izy 8:42; 14:28;

20:17; 1 Kor.

11:3; 15:28

I Kristy no voalohany noforonin’ Kol. 1:15;

Andriamanitra Apok. 3:14

Maty teo amin’ny tsato-kazo i Kristy, Gal. 3:13;

fa tsy teo amin’ny lakroa Asa. 5:30

Ny ain’olombelona nananan’i Kristy Matio 20:28;

no naloa mba hanavotana ny 1 Tim. 2:5, 6;

olombelona mpankatò 1 Pet. 2:24

Ampy ilay sorona nataon’i Kristy Rom. 6:10;

indray mandeha Heb. 9:25-28

Natsangana tamin’ny maty ho zavaboary 1 Pet. 3:18;

ara-panahy tsy Rom. 6:9;

mety maty i Kristy Apok. 1:17, 18

Tsy hita maso ny fanatrehan’i Kristy Jaona 14:19;

Matio 24:3;

2 Kor. 5:16;

Sal. 110:1, 2

Miaina amin’ny “andro Matio 24:3-14;

farany” isika izao 2 Tim. 3:1-5;

Lioka 17:26-30

Hanjaka ny fahamarinana sy ny fiadanana Isaia 9:5, 6;

rehefa hitondra ny tany ilay 11:1-5;

Fanjakana tarihin’i Kristy Dan. 7:13, 14;

Matio 6:10

Hampisy fiainana tonga lafatra eto an-tany Sal. 72:1-4;

ilay Fanjakana Apok. 7:9, 10,

13-17; 21:3, 4

Tsy ho potika mihitsy ny tany, Mpit. 1:4;

ary tsy ho fongana ny mponina eo aminy Isaia 45:18;

Sal. 78:69

Hofoanan’Andriamanitra amin’ny Apok. 16:14, 16;

ady Hara-magedona ity tontolo ity Zef. 3:8;

Dan. 2:44;

Isaia 34:2;

55:10,11

Horinganina mandrakizay ny ratsy fanahy Matio 25:41-46;

2 Tes.1:6-9

Hahazo fiainana mandrakizay ny Jaona 3:16;

olona ankasitrahan’Andriamanitra 10:27, 28; 17:3;

Marka 10:29, 30

Iray ihany ny lalana mankany amin’ny Matio 7:13, 14;

fiainana Efes. 4:4, 5

Ny fahotan’i Adama no nahatonga Rom. 5:12; 6:23

ny olombelona ho faty

Tsy misy intsony ny olombelona Mpit. 9:10;

rehefa maty Sal. 6:5; 146:4;

Jaona 11:11-14

Ny afobe dia ny fasan’ny olona rehetra Joba 14:13;

Apok. 20:13, 14

Ny fitsanganana amin’ny maty no 1 Kor. 15:20-22;

fanantenana ho an’ny maty Jaona 5:28, 29;

11:25, 26

Ho foana ny fahafatesana avy tamin’i Adama 1 Kor. 15:26, 54;

Apok. 21:4;

Isaia 25:8

Ondry vitsy 144 000 ihany Lioka 12:32;

no ho any an-danitra ka Apok. 14:1, 3;

hiara-manjaka amin’i Kristy 1 Kor. 15:40-53;

Apok. 5:9,10

Ateraka indray ho zanaka 1 Pet. 1:23;

ara-panahin’Andriamanitra ireo 144 000 Jaona 3:3;

Apok. 7:3, 4

Natao tamin’ny Israely ara-panahy Jer. 31:31;

ny fifanekena vaovao Heb. 8:10-13

Miorina eo amin’i Kristy ny fiangonany Efes. 2:20;

Isaia 28:16;

Matio 21:42

I Jehovah irery ihany no tokony hivavahana, Jaona 14:6, 13,

amin’ny alalan’i Kristy 14; 1 Tim. 2:5

Tsy tokony hampiasa sary rehefa mivavaka Eks. 20:4, 5;

Lev. 26:1;

1 Kor. 10:14;

Sal. 115:4-8

Tsy maintsy halavirina ny fifandraisana Deot. 18:10-12;

amin’ny fanahy ratsy Gal. 5:19-21;

Lev. 19:31

I Satana no filoha tsy hita mason’ity 1 Jaona 5:19;

tontolo ity 2 Kor. 4:4;

Jaona 12:31

Tsy tokony handray anjara amin’ny 2 Kor. 6:14-17;

firaisam-pinoana ny Kristianina 11:13-15;

Gal. 5:9;

Deot. 7:1-5

Tokony ho tafasaraka amin’ity tontolo Jak. 4:4;

ity ny Kristianina 1 Jaona 2:15;

Jaona 15:19;

17:16

Ankatoavina ny lalàn’olombelona raha Matio 22:20, 21;

tsy mifanipaka amin’ny an’Andriamanitra 1 Pet. 2:12;

4:15

Fandikana ny lalàn’Andriamanitra ny Gen. 9:3, 4;

fampidiran-dra, na amin’ny vava izany Lev. 17:14;

na amin’ny lalan-dra Asa. 15:28, 29

Tsy maintsy ankatoavina ny lalàn’ny 1 Kor. 6:9, 10;

Baiboly momba ny fitondran-tena Heb. 13:4;

1 Tim. 3:2;

Ohab. 5:1-23

Ny Israely ihany no nasaina nitandrina Deot. 5:15;

ny Sabata, ary niara-nifarana tamin’ny Eks.31:13;

Lalàn’i Mosesy izy io Rom.10:4;

Gal. 4:9, 10;

Kol.2:16,17

Tsy tokony hisy olona kilasina ho Matio 23:8-12;

mpitondra fivavahana sy omena 20:25-27;

anaram-boninahitra manokana Joba 32:21, 22

Tsy nivoatra niandalana ny olombelona, Isaia 45:12;

fa noforonina Gen. 1:27

Matio 19:4

Nanome modely tsy maintsy harahin’ny 1 Pet. 2:21;

mpanompon’Andriamanitra, i Kristy Heb. 10:7;

Jaona 4:34; 6:38

Fanehoana ny fanoloran-tena ny batisa Marka 1:9, 10;

amin’ny alalan’ny fandrobohana tanteraka Jaona 3:23;

anaty rano Asa. 19:4, 5

Faly ny Kristianina mitory ampahibemaso Rom. 10:10;

ny fahamarinana ara-baiboly Heb. 13:15;

Isaia 43:10-12

[Sary, pejy 12]

NY TANY ... noforonin’i Jehovah ... karakarain’ny olombelona ... honenana mandrakizay