Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa Izy Ireo?

Iza moa Izy Ireo?

Iza moa Izy Ireo?

FANIRIAN’NY Vavolombelon’i Jehovah ny hifankahalalanao kokoa aminy. Mety ho mpiara-monina na mpiara-miasa aminao izy, na olon-kafa mihaona aminao eo amin’ny fiainana andavanandro. Efa nahita azy nanolotra gazety tamin’ny mpandalo teny amin’ny arabe angamba ianao, na efa niresaka taminy vetivety teo am-baravaranao.

Raha ny tena izy, dia miahy anao sy izay hahasoa anao ny Vavolombelon’i Jehovah. Te ho namanao izy, ary te hampahafantatra anao bebe kokoa ny momba azy, ny zavatra inoany, ny fandaminany, ary ny fiheverany ny olona sy ilay tontolo misy antsika rehetra. Izany no nanaovany an’ity bokikely ity.

Mitovy amin’ny olona rehetra ny Vavolombelon’i Jehovah, saika amin’ny lafiny rehetra. Manana olana toy ny olona rehetra izy, na ara-bola izany, na ara-pahasalamana, na ara-pihetseham-po. Manao fahadisoana izy indraindray, satria tsy hoe lavorary akory, na manana hery mahagaga avy amin’Andriamanitra, na tsy mety diso. Miezaka maka fianarana avy amin’izay niainany anefa izy, ary mazoto mianatra Baiboly mba hanaovana izay fanitsiana ilaina. Nanolo-tena ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony izy, ary miezaka mafy hiaina mifanaraka amin’izany. Mitady tari-dalana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny masina izy, amin’ny zava-drehetra ataony.

Tena zava-dehibe aminy ny hiorenan’ny zavatra inoany amin’ny Baiboly, fa tsy amin’ny fanombantombanan’olombelona fotsiny na amin’ny fanekem-pinoana. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly teo ambany herin’ny fanahy masina: “Aoka Andriamanitra no ho hita fa marina na dia hita aza fa mpandainga ny olona rehetra.” (Romanina 3:4 *) Mitovy hevitra amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa misy fampianarana lazaina ho marina ara-baiboly, dia manaraka izay nataon’ny Berianina izy. Izao tokoa mantsy no nataon’ny Berianina, rehefa nandre ny toritenin’ny apostoly Paoly izy ireo: “Faran’izay nazoto nandray ny teny izy ireo, ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy.” (Asan’ny Apostoly 17:11) Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa tokony hojerena raha mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny fampianarana ara-pivavahana rehetra, na ny azy izany, na ny an’ny hafa. Manasa hanao izany izy rehefa miresaka aminao, eny, mampirisika anao mihitsy aza.

Miharihary araka izany fa mino ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Mino izy fa sady marina ara-tantara ireo boky 66 ao anatiny no avy tamin’ny fanahy masina. Antsoiny hoe Soratra Grika Kristianina ilay ataon’ny olona hoe Testamenta Vaovao, ary Soratra Hebreo kosa no iantsoany ny Testamenta Taloha. Miantehitra amin’ny Soratra Grika sy Hebreo izy, ary raisiny ara-bakiteny ny hevitr’ireo, raha tsy hoe miharihary angaha fa an’ohatra na ara-panoharana ireo teny na fanazavana manodidina. Takany fa maro amin’ireo faminanian’ny Baiboly no efa tanteraka, ny hafa eo an-dalam-pahatanterahana, ary misy koa mbola ho tanteraka.

NY ANARANY

Vavolombelon’i Jehovah hoe? Eny, izany no iantsoan’izy ireo ny tenany. Asehon’io anarana io fa mitory momba an’i Jehovah sy ny maha Andriamanitra azy ary ny fikasany, izy ireo. Anaram-boninahitra azo ampiharina amin’ny olona maro samy hafa ny hoe “Andriamanitra” sy “Tompo” ary “Mpamorona”, toy ny hoe “Prezidà” sy “Mpanjaka” ary “Jeneraly.” Anaran-tsamirery kosa ny hoe “Jehovah”, eny, anaran’ilay Andriamanitra hery fara tampony sady Mpamorona an’izao rehetra izao. Izany no asehon’ny Salamo 83:18, manao hoe: “Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe JEHOVAH, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.”

Miseho efa ho im-7 000 ilay anarana hoe Jehovah (na Iaveh, araka ny Fandikan-teny Katolika sy ny manam-pahaizana sasany) ao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany. Tsy mampiasa io anarana io ny ankamaroan’ny Baiboly, fa manolo azy amin’ny hoe “Andriamanitra” na “Tompo.” Mampiasa ny anarana hoe Jehovah na Iaveh anefa ny fandikan-teny maoderina maromaro. Toy izao àry no amakiantsika ny Isaia 42:8, ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta: “Izaho no Jehovah, izany no anarako.”

Avy ao amin’ny Isaia toko faha-43 no nakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny anarany. Voalazan’io toko io fa toy ny hoe miatrika fitsarana izao tontolo izao, ka asaina mamoaka ny vavolombelony ireo andriamanitry ny firenena mba hanaporofo azy ho marina. Raha tsy izany kosa, dia hihaino ireo vavolombelona mpomba an’i Jehovah izy ireo, ka hanaiky ny fahamarinana. Hoy i Jehovah tamin’ny vahoakany tamin’izay: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy, ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. Izaho dia Izaho ihany no Jehovah, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.”—Isaia 43:10, 11.

Nanana vavolombelona teto an-tany i Jehovah Andriamanitra, nandritra ny an’arivo taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Rehefa avy nitanisa ny sasany tamin’ireo olona nanam-pinoana ireo ny Hebreo toko faha-11, dia hoy ny Hebreo 12:1: “Koa satria misy vavolombelona maro be toy ny rahona manodidina antsika, dia aoka koa isika hanaisotra izay rehetra manavesatra antsika sy ny ota izay mora mamatopatotra antsika, ary aoka isika hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika.” Hoy i Jesosy teo anatrehan’i Pontio Pilato: “Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” Nantsoina hoe “ilay vavolombelona mahatoky sy marina” izy. (Jaona 18:37; Apokalypsy 3:14) Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’—Asan’ny Apostoly 1:8.

Olona 6 000 000 eo ho eo ankehitriny no mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah tarihin’i Kristy Jesosy. Tany maherin’ny 230 no anaovan’izy ireo izany. Tsapany fa mety àry ny hiantsoana ny tenany hoe Vavolombelon’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Raha tsy misy fanamarihana manokana, dia avy amin’ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-Tenin’ny Tontolo Vaovao ny andinin-teny avy amin’ny Soratra Grika ato amin’ity bokikely ity. Ny andinin-teny avy amin’ny Soratra Hebreo kosa dia avy amin’ny Baiboly Fandikan-teny Protestanta (1997). Raha misy hoe TV aorian’ilay andinin-teny, dia ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Misy Fanondroana Andininy Hafa (anglisy) no nakana azy.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Nanolo-tena ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony izy ireo

[Teny notsongaina, pejy 4]

Mino ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra izy ireo

[Teny notsongaina, pejy 5]

Misy ifandraisana amin’izay mitranga any amin’ny fitsarana ilay anarana

[Teny notsongaina, pejy 5]

Misy Vavolombelona 6 000 000 eo ho eo, any amin’ny tany maherin’ny 230

[Sary, pejy 3]

Miahy anao izy ireo

[Sary, pejy 4]

Ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo tranainy