Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fandaminany sy ny Asany Maneran-tany

Ny Fandaminany sy ny Asany Maneran-tany

Ny Fandaminany sy ny Asany Maneran-tany

MISY ambaratonga ny fomba itarihana ny asa fitoriana any amin’ny tany maherin’ny 230. Ny Filan-kevi-pitantanana any amin’ny foibe any Brooklyn, any New York, no manome ny tari-dalana rehetra. Mandefa solontena any amin’ny tany maro samy hafa io Filan-kevi-pitantanana io isan-taona, mba hiara-midinika amin’ireo solontenan’ny sampana any amin’ireny tany ireny. Ny Komitin’ny Sampana no manara-maso ny asa any amin’ireo tany iandraiketan’ny biraon’ny sampana. Misy olona telo ka hatramin’ny fito eo ho eo ao amin’io Komity io. Manana trano fanontam-pirinty ny sasany amin’ireny sampana ireny, ary mampiasa milina fanontam-pirinty haingam-pihodina ny sasany. Zarazaraina ho vondrom-paritra ny tany iandraiketan’ny sampana tsirairay. Voazarazara ho faritra kosa ny vondrom-paritra tsirairay. Misy fiangonana 20 eo ho eo ny faritra tsirairay. Mifandimby tsidihin’ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra ireo faritra rehetra iadidiany. Misy fivoriambe roa isan-taona atao ho an’ny faritra tsirairay. Misy koa ny atao hoe mpiandraikitra ny faritra. Indroa isan-taona izy mazàna no mitsidika ny fiangonana tsirairay ao amin’ny faritra iandraiketany. Manampy an’ireo Vavolombelona izany handamina sy hanao ny asa fitoriana ao amin’ny faritany nanendrena an’ilay fiangonana.

Ny fiangonana eo an-toerana sy ny Efitrano Fanjakanany no foiben’ny asa fitoriana ny vaovao tsara ao amin’ny faritra onenanao. Tsinjaraina ho faritany kely ireo toerana itorian’ny fiangonana tsirairay. Ampiandraiketina ny Vavolombelona tsirairay ireny faritany ireny. Miezaka àry ireo Vavolombelona ireo mba hitsidika ny trano tsirairay ao amin’ilay faritany, sy hiresaka amin’izay monina ao. Misy anti-panahy misahana adidy maro samihafa eo anivon’ny fiangonana, izay misy Vavolombelona vitsivitsy ka hatramin’ny 200 eo ho eo. Ny mpitory ny vaovao tsara tsirairay no kitro ifaharan’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Vavolombelona rehetra no mitory ny Fanjakan’Andriamanitra, na manompo any amin’ny foibe izy, na any amin’ireo sampana, na eo anivon’ny fiangonana.

Tonga any amin’ny foibe ny tatitra momba izany asa izany amin’ny farany, ary misy Diary omanina sy avoaka isan-taona. Misy tabilao iray koa avoaka isan-taona ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary. Hita ao amin’ireo ny tatitra amin’ny an-tsipiriany momba ny zava-bita isan-taona, eo amin’ny fitoriana momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany tantanan’i Kristy Jesosy. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia Vavolombelona sy olona liana 14 000 000 teo ho eo no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy isan-taona. Mandany ora 1 000 000 000 mahery isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah itoriana ny vaovao tsara, ary 300 000 mahery ny olona vaovao atao batisa isan-taona. Mahatratra an-jato tapitrisa ny tontalin’ny boky sy gazety apetrak’izy ireo.