Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Ampiasainy mba Hitoriana ny Vaovao Tsara

Ny Fomba Ampiasainy mba Hitoriana ny Vaovao Tsara

Ny Fomba Ampiasainy mba Hitoriana ny Vaovao Tsara

NODIDIANA ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra’ ny Kristianina. Tsy midika anefa izany hoe manery ny olona izy na mampiasa herisetra mba hampiova finoana ny hafa. Ny nasain’i Jesosy natao dia ny “hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra”, ny “hahasitrana ny torotoro fo”, ny “hampionona ny malahelo rehetra.” (Matio 28:19; Isaia 61:1, 2; Lioka 4:18, 19) Miezaka manao izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mitory ny vaovao tsara avy ao amin’ny Baiboly. Manao toa an’i Ezekiela mpaminany fahiny ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, ka miezaka hitady an’ireo “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.”—Ezekiela 9:4.

Ny fandehanana isan-trano no fomba itadiavan’ny Vavolombelona ireo ory noho ny toe-piainana misy ankehitriny, ary io no tena ahafantaran’ny olona azy. Tena miezaka hiresaka amin’ny besinimaro izy ireo, tsy misy hafa amin’ny nataon’i Jesosy fony izy “nitety tanàna sy vohitra ... nitory sy nanambara ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.” Nanao toa an’i Jesosy koa ireo mpianany voalohany. (Lioka 8:1; 9:1-6; 10:1-9) Miezaka mafy hitsidika ny tokantrano tsirairay ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, any amin’izay azo anaovana izany. Imbetsaka izy no mitsidika ao anatin’ny taona, ary miezaka miresaka amin’ny tompon-trano mandritra ny minitra vitsivitsy, momba ny zava-nitranga mahaliana na mampanahy ny olona eo an-toerana na any an-tany hafa. Mety hiresaka andinin-teny iray na roa ilay Vavolombelona, ary mety hiverina amin’ny fotoana mety izy mba hanohizana ny resaka, raha liana ilay tompon-trano. Omena Baiboly sy boky na gazety manazava ny Baiboly ilay tompon-trano, ary ampianarina Baiboly maimaim-poana izy raha iriny izany. Fampianarana Baiboly an-tapitrisa no tarihina tsy tapaka amin’olona sy fianakaviana maneran-tany.

Fomba iray hampitana ny ‘vaovao tsaran’ny fanjakana’ amin’ny olona, ny fivoriana atao any amin’ireo Efitrano Fanjakana. Manao fivoriana isan-kerinandro any ireo Vavolombelona. Iray amin’izany ny lahateny ho an’ny besinimaro momba ny foto-kevitra mahaliana iray. Mianatra foto-kevitra na faminaniana ara-baiboly iray, ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana izy ireo aorian’izay. Fivoriana iray ampiofanana ireo Vavolombelona ho mpitory ny vaovao tsara mahay kokoa ny sekoly. Misy fivoriana iray hiresahana momba ny asa fitoriana eo amin’ny faritany eo an-toerana manaraka azy io. Miara-mivory any an-tranon’olona indray mandeha isan-kerinandro koa ny Vavolombelona vitsivitsy, mba hianarana ny Baiboly.

Azon’ny olona rehetra atrehina ireo fivoriana ireo. Tsy misy fanantazan-drakitra mihitsy any. Mahasoa ny rehetra ireny fivoriana ireny. Hoy ny Baiboly: “Ary aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa mainka satria hitanareo fa manakaiky ny andro.” Tena ilaina ny hanaovan’ny tsirairay fianarana sy fikarohana, nefa mamelombelona koa ny fiaraha-mivory amin’ny hafa. “Vy ihany no maharanitra ny vy; olona ihany koa no maharanitra olon-kafa.”—Hebreo 10:24, 25; Ohabolana 27:17, Fandikan-teny Katolika.

Manararaotra ireo fahafahana hiresaka momba ny vaovao tsara koa ny Vavolombelona, rehefa mifandray amin’olon-kafa eo amin’ny fiainany andavanandro. Mety ho resadresaka kely ifanaovana amin’ny mpiara-monina izany, na amin’izay olona eo akaikiny any anaty bisy na fiaramanidina, na resaka lava kokoa ifanaovana amin’ny namana na havana, na koa fifanakalozan-kevitra amin’ny mpiara-miasa mandritra ny sakafo antoandro. Toy izany ny ankabeazan’ny fitoriana nataon’i Jesosy, fony izy teto an-tany: Nitory izy rehefa nandeha teny amoron-dranomasina, nipetraka teny an-tehezan-kavoana, nisakafo tany an-tranon’olona, nanatrika fampakaram-bady, na nandeha sambo teo amin’ny Ranomasin’i Galilia. Nampianatra tany amin’ny synagoga sy tao amin’ny tempoly tao Jerosalema izy. Nahita fomba hiresahana momba ny Fanjakan’Andriamanitra foana izy, na taiza na taiza nisy azy. Miezaka hanaraka ny diany amin’io lafiny io koa ny Vavolombelon’i Jehovah.—1 Petera 2:21.

FITORIANA AMIN’NY ALALAN’NY FITONDRAN-TENA

Tsy misy heriny eo aminao ireny fomba fitory ny vaovao tsara ireny raha tsy mampihatra izay ampianariny ilay olona miresaka aminao. Mihatsaravelatsihy ny olona iray raha hafa ny lazainy nefa hafa ny ataony. Nahatonga olona an-tapitrisa tsy ho tia Baiboly intsony ny fihatsarambelatsihin’ireo mpivavaka. Tsy rariny anefa raha izany no hanomezan-tsiny ny Baiboly. Nanana ny Soratra Hebreo ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, nefa nanameloka azy ho mpihatsaravelatsihy i Jesosy. Niresaka momba ny famakian’izy ireo ny Lalàn’i Mosesy izy, ka hoy izy avy eo tamin’ny mpianany: “Ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, kanefa aza manao izay ataony, satria miteny izy nefa tsy manao.” (Matio 23:3) Hanan-kery kokoa noho ny toriteny lavareny ny fitondran-tena tsara ananan’ny Kristianina. Toy izao no nanazavana izany tamin’ny vehivavy nanana vady tsy Kristianina: ‘Mba hahazoanareo azy tsy amin’ny teny, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo.’—1 Petera 3:1, 2.

Izao koa no fomba iray itorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vaovao tsara: Miezaka hanana fitondran-tena kristianina fakan-tahaka izy, ary ampirisihiny hitondra tena toy izany koa ny hafa. Miezaka izy ireo ‘hanao amin’ny olona izay tiany hataon’ny olona aminy.’ (Matio 7:12) Miezaka manao izany amin’ny olona rehetra izy ireo, fa tsy hoe amin’ny mpiara-mivavaka aminy ihany, na ny mpiara-monina aminy, na ny havany. Tsy lavorary anefa izy ireo, ka tsy mahavita izany amin’ny fomba tonga lafatra foana. Ny hanao soa amin’ny olona rehetra anefa no faniriany, tsy amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’izy ireo ihany, fa amin’ny fitondrana fanampiana koa, isaky ny azo atao izany.—Jakoba 2:14-17.

[Sary, pejy 19]

Hawaii

[Sary, pejy 19]

Venezoelà

[Sary, pejy 19]

Iogoslavia

[Sary, pejy 20]

Toerana anaovana fiaraha-midinika ara-baiboly ny Efitrano Fanjakana, ary natao tsotra

[Sary, pejy 21]

Eo amin’ny fiainam-pianakaviany sy amin’ny fifandraisany amin’ny olona, dia miezaka amim-pahatsorana hampihatra izay toriny ny Vavolombelona