Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Isika Hidera An’Andriamanitra Amim-piravoravoana ao Amin’ireo Fivoriambe

Aoka Isika Hidera An’Andriamanitra Amim-piravoravoana ao Amin’ireo Fivoriambe

Aoka Isika Hidera An’Andriamanitra Amim-piravoravoana ao Amin’ireo Fivoriambe

Raha vao teo am-piandohan’ireo taona 1880, ireo Mpianatra ny Baiboly dia nahatsapa fa ambonin’ny fiarahana amin’ireo namany ao amin’ireo fivoriana eo an-toerana, dia hahasoa ny hifankahalalana amin’ny rahalahy any amin’ny faritra hafa. Nanomboka nandamina fivoriambe isan-taona àry izy ireo ho an’ny Mpianatra ny Baiboly tany Etazonia aloha, ary ho an’ny tany Kanada tatỳ aoriana. Izany dia fotoam-pampaherezana ara-panahy nandraisan’izy ireo fampianarana araka ny Baiboly be dia be nandritra ny andro maromaro sy nifampirisihana. Ny fanaovana batisa an’ireo vao niova dia nanjary ny anankiray tamin’ireo fisehoan-javatra nampiavaka ireny fivoriambe ireny. Nampiasaina mba hanaovana fanambarana ampahibemaso mitatra kokoa ihany koa izany. — Romana 1:11, 12.

Amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manao fivoriambe tsy tapaka. Amin’ny ankapobeny, dia kongregasiona eo amin’ny 18 ka hatramin’ny 25 no mahaforona izay antsoina hoe fizaran-tany, izay tsidihina sy karakarain’ny mpiandraikitra mpitety faritany. Indroa isan-taona, dia misy fivoriambe alamina ny asabotsy sy/na ny alahady; mamory ireo kongregasionan’ny fizaran-tany iray na ny tapany amin’izany izy ireny.

Indray mandeha isan-taona, dia misy fivoriambe lehibe kokoa, maharitra 3 na 4 andro, antsoina hoe fivoriamben’ny distrika, alamina isaky ny tany. Mahavory olona an’arivony maro ao amin’ny toerana iray izy ireny. Ireny fivoriambe ireny dia mandray anjara amin’ny fampandrosoana ara-panahy ireo Vavolombelon’i Jehovah sy ny hafa koa izay tia ny asan’izy ireo, ary fanaovana fanambarana ampahibemaso koa izany.

Ny fandaharan’ireny fivoriambe ireny, omanin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tena araka ny ilain’ireny Vavolombelona kristianina maneran-tany ireny. Anisan’izany ny lahateny, ny fifanakalozan-kevitra, ny fampisehoana araka ny zavatra tena misy, ka ny manolotra izany fizarana isan-karazany izany dia ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy Vavolombelona mahay nofidina tao amin’ireo kongregasiona. Ny Vavolombelona sasany koa dia milaza ny fomba nisetrany ny zava-tsarotra tsy maintsy noresena mba hiainana amin’ny maha kristianina eo amin’izao tontolo izao ratsy, na miresaka ny amin’ny vokatra azony teo amin’ny fanompoany. Mifono endriny manokana koa ireo fivoriamben’ny distrika: misy fampisehoana tantara, mahakasika ny andron’ny Baiboly na ny andro ankehitriny aseho eo ambonin’ny sehatra. Asehony ny fomba isetran’ny Kristianina ireo zava-manahirana amin’izao androntsika izao.

Afaka miara-mandany fotoana mahafinaritra ireo Kristianina, aloha na aorian’ny fotoam-pivoriana. Ny asa rehetra ilaina amin’ny fandaminana ireny fihaonambe ireny dia ataon’ny mpilatsaka an-tsitrapo, Vavolombelon’i Jehovah. Ny saram-panofana ny toerana sy ny fandaniana hafa dia azo amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo. Malalaka ny fidirana ary tsy misy fanantazan-drakitra.

Ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny toerana misy anao dia hampahafantatra anao ny daty sy ny toerana hanaovana ireny fivoriambe ireny ao amin’ny faritra misy anao. Hisy fanazavana homena anao koa raha ny amin’ny fomba fitaterana mba hankanesana any sy ny filasiana eo an-toerana.

Ireny fivoriambe ireny dia manampy ireo Vavolombelon’i Jehovah sy ireo miaraka aminy, hijery any ivelan’ny kongregasionan’izy ireo eo an-toerana sy ho tia ny fianakaviana manontolon’ny mpirahalahy maneran-tany. — 1 Petera 2:17.

• Soa inona avy no noraisin’ireo Mpianatra ny Baiboly voalohany avy tamin’ireo fivoriambeny?

• Lazalazao ny amin’ny fandaminana sy ny fandaharana amin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika.

[Sary, pejy 18]

Fampisehoana tantara araka ny Baiboly tao amin’ny fivoriamben’ny distrika iray tany Etazonia

Fivoriambe niraisam-pirenena tany Polonina

Fivoriambe niraisam-pirenena tany Arzantina

Fivoriamben’ny fizaran-tany tany Japon

Solontena naka boky fianarana ny Baiboly, tany Soisa

Batisa tamin’ny fivoriambe niraisam-pirenena iray tatsy Afrika Atsimo

Fampisehoana boky vaovao tany Kanada

Solontena eo am-pihirana, tany Espaina