Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Enjehina Noho ny Fahamarinana

Enjehina Noho ny Fahamarinana

Enjehina Noho ny Fahamarinana

Nety ho nilaza taminao ny namana na ny havana fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahita fahasahiranana ara-pitsarana, fa nampiharana fandrarana izy ireny tany amin’ny tany sasany na hoe tsy dia olona tsara loatra izy ireny. Nahoana no misy fitenenan-dratsy azy ireny?

Azo antoka fa tsy hoe satria mandika lalàna ny Vavolombelona, fa satria manara-dia an’i Jesosy izy ireo. Nampahafantarin’i Jesosy an’ireo mpianany fa hotevatevaina izy ireo, henjehina ary hisy filazana lainga ny amin’izao karazan-java-dratsy rehetra izao ho fanoherana azy ireo. Ny antony dia satria i Satana, fahavalon’i Jehovah lehibe indrindra, no andriamanitr’izao tontolo izao ary mitady izay hampialana ny olona amin’ ny asan’ Andriamanitra izy. — Matio 5:10-12; 10:16-22, 34-39; 24:9, 10; Jaona 15:17–16:3; 2 Timoty 3:12; 1 Petera 5:8; Apokalypsy 12:17.

Rehefa nosamborina ireo apostoly ary nentina teo anatrehan’ny fitsarana, dia tsy mpanao heloka bevava izy ireny, na lehilahy nahery setra na mpikomy. Ny antony dia satria izy ireo nitory ny vaovao tsara. Rehefa nangataka fitsarana ambony ny apostoly Paoly dia nitady izay hiarovana sy hanamafisana ara-dalàna ny zon’ny Kristianina hitory ny vaovao tsara. — Asan’ny

Apostoly 4:18-20; 5:28-32; Filipiana 1:7.

Ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao androntsika izao dia Kristianina manara-dalàna, mandoa ny hetrany sy manaja ireo manam-pahefana. Omeny an’i Kaisara izay an’i Kaisara ary an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Matoa misy fifanolanana eo aminy sy ny fitondram-panjakana iray, dia satria tsy mety manaiky ny fanaovany asa fitoriana io na noho ny fialanalanan’izy ireo eo amin’ny raharaha ifanaovan’ireo firenena. Amin’ny toe-javatra toy izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy maintsy manao sahala amin’ireo apostoly izay nanambara hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” — Asan’ny Apostoly 5:29; Marka 12:17; Jaona 18:36; Titosy 3:1, 2.

Tsy mitady fanenjehana akory ny Vavolombelon’i Jehovah. Aleony lavitra manana fiainana tony sy milamina. Kanefa, raha enjehina izy ireo noho ny nanarahany ny lalàn’Andriamanitra sy ny ohatra nomen’i Jesosy Kristy, dia miaritra amim-pifaliana izy ireo. — Matio 5:10-12; Asan’ny Apostoly 5:40, 41; 1 Korintiana 4:12; 1 Timoty 2:2; 1Petera 3:14, 15; 4:12-16.

• Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no iharan’ny fanevatevana sy ny fanenjehana?

• Nahoana moa indraindray ny Vavolombelon’i Jehovah no mahita fifanolanana amin’ireo manam-pahefana ao amin’ny fitondram- panjakana, toy ny nitranga tamin’ireo apostolin’i Kristy?

• Ahoana no iheveran’ireo mpanompon’i Jehovah ny fanenjehana?

[Sary, pejy 29]

Nentina teo anatrehan’i Pilato i Jesosy ary ny apostoly Paoly dia nampidirina an-tranomaizina noho ny nitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra