Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famoahana Boky Momba ny Baiboly ho Fiderana An’Andriamanitra

Famoahana Boky Momba ny Baiboly ho Fiderana An’Andriamanitra

Famoahana Boky Momba ny Baiboly ho Fiderana An’Andriamanitra

Fantatra tsara fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia manambara ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra. Nanomboka tamin’ny 1920, ny Fikambanana Watch Tower dia mampiasa mpilatsaka an-tsitrapo, Vavolombelona ihany, mba hanonta pirinty gazety sy boky natao haely. Izany dia nahatonga ho afaka hiantoka famoahana tsy tapaka boky ambany vidy tokoa.

Hatramin’ny 60 taona eo ho eo izao, ny Fikambanana dia nanitatra sy nampitombo ny famoahany zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly, tany Brooklyn aloha, avy eo dia tany amin’ny tany hafa. Izany asa rehetra izany dia natao tamin’ny alalan’ny mpiasa an-tsitrapo izay tsy nitsahatra ny nitombo ny isany.

Tany amin’ny faramparan’ireo taona 1970, dia navela ireo fomba nahazatra tamin’ny fandaharana lohavy sy fanontam-pirinty, fa nampiasaina kosa ny fandrindrana ny fisehon’ny soratra sy ny sary, tamin’ny alalan’ny ôrdinatera sy ny fanontam-pirinty offset. Mampalahelo anefa fa ny fitaovana azo novidina dia tsy natao afa-tsy ho an’ny fiteny izay voafetra ny isany. Efa nanonta pirinty tamin’ny fiteny 160 eo ho eo anefa ny Fikambanana ary nila ny hanampy hafa tamin’izany.

Nantsoina àry ny mpiasa an-tsitrapo notendrena hianatra ny fandaharana elektrônika mandrindra ny fisehon’ny soratra sy ny sary amin’ny fiteny maro. Nisy vokany tsara ny fiezahana. Resy tsikelikely ny zava-nanahirana ara-teknika ka voaforona ny fandaharana fampidirana soratra, ny fandaharan-tsoratra ary ny fandaharana mandrindra ny fisehon’ny soratra sy ny sary, antsoina hoe MEPS. Natao ho amin’ny fiteny 210 mahery izany ary tsy voafetra io isa io.

Amin’izao andro izao, ny programa MEPS, izay novokarin’ny Fikambanana, dia ampiasaina hampidirana sy handaharana soratra. Misy mpiasa an-tsitrapo nahazo fiofanana mba hampiasa sy hikojakoja ny ôrdinatera sy ny programa ao anatiny. Ankehitriny ny Fikambanana dia mamokatra gazety amin’ny fiteny maherin’ny 130.

Ny asa toy izany dia mitaky mpiasa: mpanoratra, mpandika teny, mpitsara ny tsipelin-teny, mpitarika ny fanaovana pirinty, mpamono boky sy mpandefa entana. Ny sasany miandraikitra ny fanoratana any amin’ireo kongregasiona. Ny hafa voatendry hamokatra zava-pihinana, hanomana sakafo, hanadio, hanasa lamba, sns. Na any amin’ny tany aiza na any amin’ny tany aiza, izy rehetra ireny dia mpiasa an-tsitrapo nanao izay hampahalalaka azy mba hahafahana hiasa ao. Tamin’ny 1999, maneran-tany, dia mpiasa an-tsitrapo 18 497 no niasa tany amin’ireo birao, fanontam-pirinty, toerana fonenana sy toeram-pambolen’ny Fikambanana.

Iza moa izy ireny? Lehilahy, vehivavy, mpitovo, mpivady, tanora, olona be taona, izy rehetra dia samy Vavolombelona nanolo-tena ho an’i Jehovah. Ny sasany nandany hery tamin’io raharaha io hatramin’ny 40, 50 sy 60 taona aza. Amin’ny ara-keviny izy ireo dia manokana 44 ora isan-kerinandro, raha kely indrindra, ary mihoatra aza raha ilaina izany, amin’ny asa ankinina amin’izy ireo. Ireo takariva sy ny faran’ny herinandro dia atokana ho amin’ny fitoriana ny vaovao tsara isan-trano sy ho amin’ny asan’ny kongregasiona hafa.

Ireny mpiasa ireny dia manana fonenana tsotra ary misakafo ao amin’ny toerana fonenan’ny Fikambanana antsoina hoe Trano Betela. Mandray fanonerana kely koa izy ireny ho amin’ny saran-dalany amin’ny fanompoana sy ho amin’ny fandaniany manokana.

Nanomboka tamin’ny 1920, ireny mpiasa an-tsitrapo ireny dia namoaka Baiboly, boky, gazety sy bokikely sivy arivo tapitrisa mahery amin’ny fiteny maherin’ny 300 ho amin’ny fampielezana maneran-tany. Manao ny anjarany izy ireny mba hanambarana ny vaovao tsara ho filazantsara ho an’ny firenena sy foko ary fiteny sy vahoaka rehetra. — Apokalypsy 14:6, 7.

• Inona no fitaovana fanontam-pirinty ampiasain’ny Fikambanana, ary nahoana?

• Iza no manatontosa izany asa rehetra izany, ary ahoana no fomba fiainan’ireny olona ireny?

[Sary, pejy 24]

Mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny fanontam-pirinty, ao amin’ireo toerana fonenana, ao amin’ny birao sy any amin’ny toeram-pambolena any Brooklyn sy any Wallkill (Etazonia), ka ireo raharaha ireo dia mifandray amin’ny famoahana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly

[Sary, pejy 25]

Mpiasa an-tsitrapo manao raharaha isan-karazany mifandray mivantana na tsy mivantana amin’ny famoahana Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly

Espaina

Alemaina

Failandy

Kanada

Danemark

Soeda

Afrika Atsimo

Brezila

Holandy

Aostralia