Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanohanana Ara-bola Amin’ny Alalan’ny Fanomezana An-tsitrapo

Fanohanana Ara-bola Amin’ny Alalan’ny Fanomezana An-tsitrapo

Fanohanana Ara-bola Amin’ny Alalan’ny Fanomezana An-tsitrapo

Ny asa rehetra vao nolazalazaintsika teo dia ataon’ny mpiasa an-tsitrapo, ka mazava ho azy fa misy vokany eo amin’ny vidin’ireo boky izany. Ny fanompoana isan-trano sy ny fampielezana ireo zavatra voasoratra dia ataon’ireo Vavolombelon’i Jehovah an-tsitrapo ka izy ireo ihany no mandoa ny saran-dalany. Tsy mandray karama ho takalon’ny asany ireo loholona mitondra ny kongregasiona miaraka amin’ny fanampian’ireo mpanampy amin’ny fanompoana. Izy ireo ihany no mizaka ny laniny.

Na dia ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana sy ny Vavolombelona hafa rehetra miasa manontolo andro amin’ny fanomanana sy ny famoahana Baiboly sy boky fianarana Baiboly aza dia tsy mandray afa-tsy fanonerana kely ho amin’ny fandaniany, ivelan’ny trano sy sakafo omena azy. Toy izany koa ny amin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany.

Ny boky sy ny gazetinay dia avoaka mba hanampiana olona izay tena maneho fahalianana amin’ny Baiboly. Ny vidin’ny zavatra anaovana azy ireny, ny famokarana azy, ary ny fandefasana azy dia aloa amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo ataon’ny olona liana, miampy ny vola sy ny fananana ary ny toy izany, omen’ireo Vavolombelon’i Jehovah ihany.

Any amin’ny toeram-pivoriana na fivoriambe rehetra dia misy boaty ho an’ny fanomezana, hany ka izay maniry hanao izany dia afaka manolotra fanomezana. Tsy misy fanantazan-drakitra. Tsy misy mihitsy ampahafolon-karena na latsakemboka takina. Araka ny voalazan’ny Soratra Masina, ny tsirairay avy dia afaka manome araka izay inian’ny fony. — 2 Korintiana 8:12; 9:7.

• Ahoana no anohanana ara-bola ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah?