Fivoriana Mampirisika ho Amin’ny Fitiavana sy ny Asa Tsara
Fivoriana Mampirisika ho Amin’ny Fitiavana sy ny Asa Tsara
Mandrakariva ireo Kristianina dia nivory tany amin’ny tokantrano manokana mba hifampianatra sy hifampandroso. Amin’izao andro izao, ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mivory intelo isan-kerinandro. Asaina amim-pitiavana ianao ho tonga amin’ireny fivoriana ireny. Tsy fanao misy fombafomba akory izany; manintona ny sain’ny mpanatrika ho amin’ireo fampianaran’Andriamanitra kosa izany. Manomboka sy mifarana amin’ny hira sy ny vavaka ireo fivorian’ny kongregasiona. Maimaim-poana izany ary tsy misy fanantazan-drakitra. — Asan’ny Apostoly 4:23-31; 14:22; 15:32, 35; Romana 16:5; Kolosiana 4:15.
Ny fivoriana ampahibemaso angamba no hahatongavanao voalohany. Atao amin’izany ny lahateny maharitra 45 minitra mahakasika fampianarana araka ny Baiboly, faminaniana na torohevitra momba ny fomba fiaina kristianina. Manaraka izany ny fianarana ny Baiboly mifototra amin’ny lahatsoratra iray ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana natao manokana hodinihin’ny kongregasiona. Toy izao no fanaovana azy: Asain’ny mpitari-draharaha vakina ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana aloha ny fehintsoratra, avy eo dia apetrany ireo fanontaniana mifandray amin’izany; izay rehetra maniry hanome valin-teny dia manangan-tanana mba hangataka ny hiteny; mandrakariva dia valin-teny maromaro no omena isaky ny fehintsoratra. Maharitra adiny iray io fianarana io.
Andro vitsivitsy atỳ aoriana, ao anatin’ny herinandro, no anaovana ny fivoriana roa maharitra 45 minitra avy. Ny voalohany dia ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Izy io dia mampianatra antsika hanangona fanazavana momba ny foto-dresaka araka ny Baiboly sy hampianatra azy io amin’ny fomba mandaitra. Aorian’ny fandaharam-pampianarana manokana maharitra 21 minitra, ireo mpandray anjara voatendry mialoha dia manao famelabelarana fohy. Aorian’ny tsirairay avy amin’izy ireo, ny mpampianatra ao amin’ny sekoly dia manome torohevitra ny mpianatra mba hanampiana azy handroso. Boky isan-karazany no natao ho amin’io sekoly io. Ireo izay mamonjy fivoriana tsy tapaka dia afaka misoratra anarana hanao an’io sekoly io raha manana fiainana mifanaraka amin’ireo foto-pitsipika kristianina izy.
Manaraka izany ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Izany dia misy fizarana telo na efatra mifandray amin’ny fitoriana ny vaovao tsara isan-trano na ny lafiny hafa amin’ny fanompoana. Izany dia miseho amin’ny endriky ny lahateny, ny fifanakalozan-kevitra na ny fampisehoana, ary indraindray
dia angatahina handray anjara ny mpihaino. Ny ankamaroan’ny fandaharana dia mifototra amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, taratasy misy toromarika eo amin’ny pejy efatra eo ho eo avoakan’ny Fikambanana Watch Tower isam-bolana.Ny fivoriana iray hafa ao anatin’ny herinandro dia ny fianarana isan-kerinandro ataon’ny antokon’olom-bitsy, mandrakariva dia ao amin’ny fonenana manokana ary fidina saika hatraiza hatraiza ao amin’ny faritanin’ny kongregasiona. Io fianarana io dia mifototra amin’ny Baiboly sy boky iray navoakan’ny Fikambanana vao haingana. Koa satria vitsy kokoa ny antokon’olona, ny tsirairay avy dia afaka mandray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra, ary moramora kokoa ho an’ireo mpanatrika ny mifankahalala tsara kokoa.
Ny ankamaroan’ny kongregasiona dia manao ny fivorian’izy ireo ao amin’ny Efitrano Fanjakana naorin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Ny fanomezana an-tsitrapo avy amin’ny Vavolombelona ihany no isahanana ny fandaniana, ary amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ny asa dia ataon’ny mpiasa an-tsitrapo maimaim-poana. Ao amin’ny fivoriana rehetra, dia misy vatakely ho an’ny fanomezana azon’ireo izay maniry hanolotra fanomezana ampiasaina.
Noho ireo fivorian’ny kongregasiona, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaraka izao torohevitra omena ao amin’ny Hebreo 10:24, 25 izao: “Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria [hitantsika] fa mihantomotra ny andro.”
• Inona avy moa no lafiny nampiavaka ireo fivorian’ny Kristianina voalohany hita indray amin’izao andro izao ao amin’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah?
• Lazalazao ny amin’ireo fivoriana dimy alamin’ny Vavolombelona tsy tapaka.
• Ahoana no ahazoan’ny Vavolombelona ireo efitrano fivoriany?
[Sary, pejy 14]
Loholona iray mitarika ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana any Etazonia
Fampisehoana iray ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, any amin’ny Nosy Féroé
Fiaraha-mianatra ao amin’ny fonenana manokana iray, any Yap
Efitrano Fanjakana any New Braunfels (Etazonia) voaorin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao anatin’ny roa andro
[Sary, pejy 15]
Efitrano Fanjakana any amin’ny tany samy hafa
Japon
Aostralia
Aotrisy
Espaina