Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Mpiandraikitra Mpitety Faritany, Mpiara-miasa ao Amin’ny Fahamarinana

Ireo Mpiandraikitra Mpitety Faritany, Mpiara-miasa ao Amin’ny Fahamarinana

Ireo Mpiandraikitra Mpitety Faritany, Mpiara-miasa ao Amin’ny Fahamarinana

Tao amin’ny kongregasiona kristianina voalohany, dia nisy mpiandraikitra mpitety faritany nitsidika ireo kongregasiona mba hampandroso azy ireny. Nahafoy tena izy ireny fa tsy nitady tombony manokana, mba hanampiana ireo mpikambana tao amin’ireo kongregasiona hanohy handeha amin’ny fomba mendrika an’Andriamanitra. — Asan’ny Apostoly 11:23, 24; 14:21, 22; 15:32; 20:2, 31-35; Filipiana 2:20-22, 29; 1 Tesaloniana 2:5-12.

Amin’izao andro izao, ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah koa dia mandray soa amin’ny fitsidihan’ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Efa nahita fanandraman-javatra nandritra ny taona maro ireny lehilahy ireny teo amin’ny asa fitoriana sy tamin’ny naha mpiandraikitra azy. Nanafa-tena tamin’ny asany tsy ara-pivavahana sy ny andraikiny ara-pianakaviana izy ireny mba hanolorany ny tenany ho amin’ny fanompoana manontolo andro. Raha manambady izy ireny, amin’ny ankapobeny ny vadiny dia miara-mandray anjara aminy amin’ny fanompoana manontolo andro.

Miandraikitra fizaran-tany iray ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, ka ny isan’ny kongregasiona ao anatin’izany dia eo amin’ny 18 ka hatramin’ny 25. Indroa isan-taona eo ho eo izy no mitsidika ny tsirairay avy aminy, ary rehefa afaka roa na telo taona dia tendrena ho any amin’ny fizaran-tany hafa iray izy. Amin’izany ireo kongregasiona dia afaka mandray soa avy amin’ny fanandraman-javatra sy ny fahaizan’ny mpiandraikitra mpitety faritany samy hafa.

Ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia mamantatra tsara ny fahasalamana ara-panahin’ny kongregasiona ary mandinika ny asany. Manao lahateny maromaro izy ary miara-mivory amin’ireo loholona sy ireo mpanampy amin’ny fanompoana mba hahitana ny fomba azon’izy ireo anatsarana ny asany ao anatin’ny kongregasiona.

Mandritra ny herinandro izy sy ny vadiny, raha manambady izy, dia miaraka amin’ireo Vavolombelona eo an-toerana amin’ny asa fitoriana mba hanampiana azy ireny handroso ao amin’io asa io. Izy mivady koa dia hitsidika ireo olona vao manomboka ho liana amin’ny fahamarinana mba hanatanjahana azy ireny ao amin’ny finoana. Afaka mahazo ny fitsidihany ianao raha mangataka izany.

Ny mpiandraikitra ny distrika dia manana toetra ara-panahy sy fanandraman-javatra sahala amin’ny an’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Mifindrafindra fizaran-tany izy, mikarakara fivoriamben’ny fizaran-tany. Izy sy ny vadiny koa dia miara-mitory amin’ireo Vavolombelona ao amin’ny kongregasiona tsidihina amin’io herinandro io. Izy no mitarika ny fanomanana farany ny fandaharana amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany izay anaovany lahateny maromaro, anisan’izany ny lahateny ampahibemaso.

Rehefa mahavita ny fitsidihany ao amin’ny kongregasiona iray na ny fizaran-tany iray ireo mpiandraikitra mpitety faritany, dia mankany amin’ny kongregasiona na ny fizaran-tany manaraka, araka ny fandaharana voalahatra mialoha, mandra-pahavitan’ny fitsidihana ny kongregasiona rehetra ao anatin’ny enimbolana eo ho eo, avy eo dia averiny indray ny fitetezany.

Any amin’ny tany maro, ireo mpiandraikitra mpitety faritany dia mandeha amin’ny fiarakodia na mampiasa fitateram-bahoaka. Indraindray izy ireny dia mandeha amin’ny bisikileta na an-tongotra. Mandoa ny saram-pitaterana ho an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany ny Fikambanana ary manome ho azy sy ny vadiny, vola kely ho fanonerana ny amin’izay ilainy manokana. Amin’ny ankapobeny, dia ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona no miandraikitra ny filasiany sy ny sakafony.

Mitaky fitiavana fahafoizan-tena io asa io. Tapa-kevitra ny hanampy ireo kongregasiona ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, nefa tsy ho enta-mavesatra handanian’izy ireny be. — 1 Tesaloniana 2:9.

• Inona no nilana ny mpiandraikitra mpitety faritany tao amin’ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany?

• Amin’izao andro izao, ahoana no nahatongavan’ny mpiandraikitra mpitety faritany ho ampy fahaizana sy ho afaka amin’ny andraikitra sasany mba hanaovana an’io fanompoana io?

• Lazalazao ny asa tanterahin’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika. Ahoana no fomba fiainany?

[Sary, pejy 20]

Mpiandraikitra ny distrika manao lahateny ao amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray

[Sary, pejy 21]

Ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany dia mampianatra amin’ny fitoriana isan-trano, miara-midinika amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona, mitsidika ireo fampianarana Baiboly atao miaraka amin’ny olona liana vao haingana sy manao lahateny ao amin’ireo kongregasiona