Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kongregasiona Voalamina ho Amin’ny Fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra

Kongregasiona Voalamina ho Amin’ny Fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra

Kongregasiona Voalamina ho Amin’ny Fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra

Teto an-tany i Jesosy Kristy dia nitory ny Fanjakan’Andriamanitra isam-bohitra sy isan-tanàna. Nampiofaniny koa ireo mpianany izay nirahiny hanatontosa asa toy izany. Talohan’ny niakarany ho any an-danitra, dia nandidy azy ireo izy mba hanao mpianatra olona avy any amin’ny firenena rehetra. Raha vao teo am-piandohany, ny kongregasiona kristianina voalohany dia nalamina ho amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Na taiza na taiza dia nahitana mpianatra teo am-pitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. — Matio 4:17, 23; 10:1-16; 28:19, 20; Lioka 4:43, 44; 8:1; 10:1-9; Asan’ny Apostoly 1:8; 4:31; 5:42; 8:12; 19:8; 28:23, 30, 31; Romana 10:9, 10, 14.

Tao amin’ny faminaniany momba ny fifaranan’ny fandehan-javatra, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” Io fitoriana io no adidin’ny kongregasiona kristianina voalohany indrindra amin’izao andro izao. — Matio 24:14, NW; Marka 13:10.

Maneran-tany, ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia voalamina mba hitsidika ara-dalàna ny faritaniny ao anatin’ny faritry ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mba hanaovana ny zavatra rehetra amim-pilaminana, isaky ny tany ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower dia manome faritany hitoriana ho an’ny kongregasiona tsirairay avy. Zarain’ilay kongregasiona ho tapany kely kokoa io faritany io, ka rehefa avy eo dia ankinina amin’ny mpitory, izay manana andraikitra hiahy ny amin’ny hahazoan’ny mponina fanambarana. — 1 Korintiana 14:33, 40.

Mandrakariva ireo Vavolombelona dia mitsidika ny olona isan-trano. Ao amin’ireo fivorian’ny kongregasionany izy ireny dia nianatra nampiseho fohy ny hafatra momba ilay Fanjakana isam-baravarana tamin’ny alalan’ny Baiboly. Entin’izy ireny miaraka aminy ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly izay apetrany amin’izay rehetra maniry hampitombo ny fahalalany ny Tenin’Andriamanitra.

Mba hanomezana ho an’ny tsirairay avy ao amin’ilay faritany fahafahana handre ny hafatra momba ilay Fanjakana tena lehibe, rehefa mandeha isan-trano ny Vavolombelona dia manamarika amim-pitandremana ireo tsy tratra an-trano na tsy afaka nahazo fanambarana feno noho ny antony hafa. Hotsidihiny amin’ny fotoana hafa izy ireny. Rehefa maneho fahalianana ny olona iray, dia tadidiny an-tsoratra mba hiverenana hitondra ho azy fanazavana hafa momba ny Baiboly. Izay rehetra maniry izany dia mety hahazo fianarana ny Baiboly any an-tokantrano. Maimaim-poana tanteraka izany rehetra izany.

Any amin’ny tany sasany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manolotra gazety ho an’ny mpandalo eny amin’ny arabe. Amin’izany izy ireny dia afaka mahatratra olona maro, angamba tsy ho tratrany any an-tranony. Tena miezaka izy ireo mba hahatratrarana izay rehetra hihaino. — Asan’ny Apostoly 17:17; Apokalypsy 14:6, 7; 22:17.

Nahoana moa ny Vavolombelona no manohy mitsidika ny olona, kanefa ny ankamaroan’izy ireo tsy mampiseho fahalianana mihitsy? Miharihary fa miova ny toe-javatra misy ny olona tsirairay, ary mandray tsara ny sasany amin’ny fitsidihana any aoriana. Mety ho mpianakavy hafa izay ho tia ilay hafatra koa no handray eo am-baravarana.

Hoy i Jesosy tamin’ireo mpianany: “[Aza mitsahatra àry mikatsaka voalohany indrindra, NW] ny fanjakany sy ny fahamarinany.” Tsy azo avela ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa hoe hikatsaka voalohany indrindra ny Fanjakana. Koa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ho zava-kendrena tena lehibe eo amin’ny fiainany àry izany. — Matio 6:33; 2 Timoty 4:2.

• Araka ny voalazan’ny faminaniana, asa inona notanterahin’i Jesosy sy ireo Kristianina voalohany no tokony hatao koa amin’izao andro izao?

• Ahoana no andaminana ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah?

• Nahoana moa ny Vavolombelona no manohy mitsidika ny olona kanefa tsy mampiseho fahalianana akory ny ankamaroan’izy ireny?

[Sary, pejy 16, 17]

Asa fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany samihafa

Tailandy

Meksika

Holandy

Korea

Curaçao

Ghana

Grande-Bretagne

Aostralia