Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kongregasiona mba Hifampandrosoana ao Amin’ny Fitiavana sy ny Firaisan-tsaina

Kongregasiona mba Hifampandrosoana ao Amin’ny Fitiavana sy ny Firaisan-tsaina

Kongregasiona mba Hifampandrosoana ao Amin’ny Fitiavana sy ny Firaisan-tsaina

Angamba ianao efa nanatrika fivorian’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny toerana misy anao. Tafaraka tamin’olona avy amin’ny kilasy ara-tsosialy rehetra ianao tao, fianakaviana, mpitovo, tanora, olona be taona. Izy rehetra dia tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahany ary mitady izay hanampiana ny mpiara-belona aminy.

Rehefa maniry hiara-miasa ao anatin’ny firaisan-tsaina ny olona maro be, dia ilaina ny hahavoalamina azy. Andriamanitry ny filaminana Andriamanitra; noho izany, ny fandaminana voaforon’ny vahoakany dia tokony hahitana taratr’io toetra io. Tsy misy hafa amin’ny tamin’ny taonjato voalohany, amin’izao andro izao dia misy lehilahy kristianina matotra, mahay sy za-draharaha, tendrena ho loholona na mpiandraikitra. Mitondra ny kongregasiona izy ireny ary manome izay ilainy ara-panahy. Manampy azy ireny ny lehilahy mahatoky hafa antsoina hoe mpanampy amin’ny fanompoana. Tsy mandray karama na tombony ara-bola hafa ireny lehilahy ireny; manompo an-tsitrapo izy ireny, ka mandrakariva ny asany tsy ara-pivavahana dia mahatonga azy ireny ho afaka hamelon-tena. — 1 Korintiana 14:33, 40; Filipiana 1:1, NW; 1 Timoty 3:8, 9.

Ahoana no ifidianana ireny lehilahy ireny? Eo amin’ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra izay mahafeno fepetra araka ny Baiboly sasany. Ankoatra ny zavatra hafa, izy ireny dia tokony ‘hahonon-tena, ho hendry, tia filaminana, hampiantrano vahiny, hahay hampianatra, handefitra [“hahalala ny antonony”, NW] tsy ho mpitia vola, hanapaka tsara ny ankohonany, tsy ho zazavao amin’ny fivavahana, ho tsara laza amin’izay eny ivelany’. Farany, dia tokony ‘hitana mafy ny teny marina izy ireny amin’ny fampianarany’. — 1 Timoty 3:1-15; Titosy 1:7-9.

Ny mifidy an’ireny lehilahy ireny ho amin’ny raharahany dia tsy ny kongregasiona, izay indraindray ny ankamaroany dia mety ho voaforon’ny Kristianina vao haingana no niova finoana. Tsia, ny manolotra azy ireny dia lehilahy matotra sy za-draharaha izay loholona sy manana ny fahaiza-manavaka ilaina mba hahitana hoe manao ahoana ny fahafenoan’ireny lehilahy ireny ireo fepetra takin’ny Soratra Masina. Aorian’izany, ny fanendrena loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana dia atao eo ambany fitarihan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mifanaraka amin’ny ohatra naorin’ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany.

Tsy mahaforona klerjy akory ireny loholona na mpiandraikitra ireny; tsy manapaka eo amin’ireo namany izy ireny. Araka ny nilazan’i Jesosy azy, izay rehetra maniry hitarika, dia tokony ho mpanompon’ny rehetra. Ao anatin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ireo loholona dia tena mpiara-miasa ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Matio 20:26, 27; 23:8-11; Romana 12:8; 1 Korintiana 3:5; 4:1, 2; Kolosiana 4:11; 1 Tesaloniana 5:12-14.

Amin’ny maha mpiandraikitra azy, izy ireny dia mitarika ny fampianarana omena ao amin’ireo fivoriana ary ohatra eo amin’ny asa fitoriana. Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ao amin’ny faritany nanendrena azy no zava-kendren’ny kongregasiona voalohany indrindra. Manompo amin’ny maha mpiandry koa ireo mpiandraikitra; mitsidika ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona izy ireny mba hampirisika azy araka izay ilain’izy ireny. — Matio 24:14; Asan’ny Apostoly 1:8; 1 Tesaloniana 2:11, 12; 5:14, 15; 2 Timoty 2:24-26; Hebreo 13:17; Jakoba 5:13-16; 1 Petera 5:1-4.

Ireo loholona koa dia manana adidy hananatra sy hifehy izay rehetra miditra ao amin’ny lalan-dratsy ka mety hahatandindomin-doza ny fahadiovana ara-panahy sy ara-pitondran-tena mbamin’ny firaisan-tsain’ny kongregasiona. — 1 Korintiana 5:4, 5, 7,11-13; Titosy

1:9; 2:15; 3:10, 11.

Ny fiarahana tsy tapaka amin’ny kongregasiona dia hitondra soa ara-panahy maro ho anao, tsy lazaina intsony ny namana tsara ho hitanao ao. — Salamo 35:18; 84:10.

• Iza no miahy ny amin’ny hampandeha tsara ny kongregasiona tsirairay avy?

• Mifototra amin’ny inona moa no ifidianana ireny mpiandraikitra ireny?

• Inona avy moa no andraikitr’izy ireny?

[Sary, pejy 13]

Ireo mpiandraikitra dia mampianatra ny kongregasiona, manome ohatra amin’ny fitoriana isan-trano, mampirisika ny Kristianina hafa amin’ny fitsidihany ny ondry, manoro hevitra sy mananatra rehefa ilaina izany