Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Madiva ho Tanteraka ny Fikasan’Andriamanitra

Madiva ho Tanteraka ny Fikasan’Andriamanitra

Madiva ho Tanteraka ny Fikasan’Andriamanitra

Ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny namoronana ny tany dia ny hahatonga azy honenan’olona sambatra izay hiaina ao anatin’ny rariny. Tokony hankatò ireo lalàn’Andriamanitra ny olombelona mba hahavelona azy hatrany. Rehefa tsy nankatò ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany dia nanjary mpanota voaheloka ho faty. Tamin’izany dia nitatra tamin’ireo taranany ny fahotana sy ny fahafatesana. — Genesisy 1:27, 28; 2:16, 17; 3:1-9; Romana 5:12.

Tapa-kevitra Andriamanitra, manana anarana hoe Jehovah, ny hampanjavona amin’ny tany ireo vokatry ny tsy fankatoavana sy ny fahotana. Indray andro Andriamanitra dia nijery ny olombelona ka nahita an’i Abrama, lehilahy nahatoky, izay novany hoe Abrahama ny anarany. Nampanantena azy Andriamanitra fa ho tonga firenena lehibe ny taranany, fa amin’io firenena io no hampipoirany taranaka hitahiana ny firenena rehetra amin’ny tany. — Genesisy 12:1-3; 18:18, 19; 22:18; Salamo 83:18; Hebreo 11:8-16.

Tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-16 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ireo taranak’i Jakoba, na i Isiraely, zafikelin’i Abrahama, dia nahaforona foko 12 izay andevo tany Ejipta. Nanafaka an’ireo Isiraelita ireo i Jehovah ary nanao azy ho firenena. Teo an-tendrombohitra Sinay, tamin’ny alalan’i Mosesy, dia nomeny azy ireo ny Lalàna ho toy ny lalàm-panorenam-pirenena. Jehovah no Mpanjakan’izy ireo, Mpitsara azy sy Mpanao lalàna ho azy. Ny firenen’Isiraely dia tonga vahoaka voafidin’Andriamanitra voaforon’ireo vavolombelony voalamina mba hanatanteraka ny fikasany. Avy amin’izy ireo no hipoitra ny Mesia hotendrena hanorina fanjakana mandrakizay ho fitahiana ny olona avy amin’ny firenena rehetra. — Eksodosy 19:5, 6; 1 Tantara 17:7-14; 1 Mpanjaka 4:20, 25; 5:5; Isaia 33:22: 43:10-12; Romana 9:4, 5.

Roa arivo taona eo ho eo izay, izany hoe taonjato dimy ambin’ny folo tatỳ aoriana, dia nirahin’Andriamanitra avy any an-danitra ny Zanany lahitokana ho eto an-tany, izay niterahan’ny virjiny jiosy tanora nantsoina hoe Maria, azy. Nandray ny anarana hoe Jesosy izy ary tokony handova ny Fanjakana nampanantenain’Andriamanitra an’i Davida razambeny. Teo amin’ny faha-30 taonany i Jesosy dia nataon’i Jaona batisa ary nanomboka nanambara ny Fanjakan’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny fanasitranany ireo narary, dia nasehony ny hoe amin’ny fomba ahoana ilay Fanjakana no hitahy ny olombelona. Tamin’ny alalan’ny fanoharana no nanazavany izay hotakina amin’izay rehetra haniry ny fiainana mandrakizay. Avy eo dia novonoina teo amin’ny hazo i Jesosy, ka ny ain’olombelona lavorary nananany no natao avotra ho an’ny olombelona. — Matio 1:18-24; 3:13-16; 4:17-23; 6:9, 10; toko faha-13; 20:28; Lioka 1:26-37; 2:14; 4:43, 44; 8:1; Jaona 3:16; Asan’ny Apostoly 10:37-39.

Nilaza i Jesosy fa ny Fanjakana Mesianika dia tokony haorina any amin’ny hoavy lavitra, amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Amin’izay fotoana izay izy dia hanatrika amin’ny fomba tsy hita maso any an-danitra amin’ny maha Mpanjaka manana fiandrianana azy, ary hampahafantatra ny fanatrehany amin’ny fiheverana ny tany. Porofoin’ny fisehoan-javatra maneran-tany fa tafiditra ao anatin’izany vanim-potoana izany isika nanomboka tamin’ny 1914. Araka ny nolazain’i Jesosy mialoha, ny vaovao tsaran’ny Fanjakana dia torina amin’ny tany manontolo ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra. Noho izany, maneran-tany dia misy olona angonina hiandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho tafita velona izy ireny amin’ny fahataperan’ny fandehan-javatra ankehitriny ka hahazo ny fiainana mandrakizay eto an-tany, eo ambanin’ny Fanjakana Mesianika. — Matio toko faha-24 sy 25; Apokalypsy

7:9-17.

Amin’izao andro izao, dia fiangonana maro be no mihambo ho manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Fa ahoana no azo amantarana ny tena kongregasiona kristianina? Amin’ny fandinihana ny Soratra Masina izay milazalaza ny amin’ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany sy amin’ny fijerena hoe iza, amin’izao androntsika izao, no manaraka an’io ohatra io.

• Inona no anjara asan’i Abrahama sy i Isiraely teo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra?

• Inona no notanterahin’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanompoany sy ny fahafatesany?

• Araka ny voalazan’ireo faminaniana, fisehoan-javatra inona avy no tokony hanamarika ny androntsika?