Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manome Ohatra ireo Mpanompo Manontolo Andro eo Amin’ny Asa Fitoriana

Manome Ohatra ireo Mpanompo Manontolo Andro eo Amin’ny Asa Fitoriana

Manome Ohatra ireo Mpanompo Manontolo Andro eo Amin’ny Asa Fitoriana

Angamba ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany nitsidika anao dia tao amin’ny fanompoana manontolo andro, mpisava lalana na misionera. Koa satria tsy omena karama ny Vavolombelona ho tambin’ny fanompoana ataony, dia azo inoana fa manontany tena toy izao ianao: Ahoana no ataon’izy ireny mba hidirana ao amin’ny fanompoana manontolo andro?

Ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy vita batisa dia mpitory, kanefa ny ankamaroan’izy ireny dia manana andraikitra ara-pianakaviana na manana adidy hafa izay misakana azy ireny tsy hanokana mihoatra ny ora vitsivitsy isan-kerinandro amin’ny fanompoany. Misy anefa Vavolombelona an’arivony maro maneran-tany nametra ny fomba fiainany; amin’izany izy ireny dia afaka miatrika ny fandaniany mihena amin’ny alalan’ny asa tapa-potoana sy mandany 840 ora na mihoatra isan-taona amin’ny fanompoana.

Marina fa kely kokoa ny vola azon’ireo mpisava lalana lanina ho an’ny tenany, nefa heveriny fa izany no fomba hikatsahana voalohany indrindra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary mandray fitahiana be dia be izy ireny. Ny fandaniana 70 ora isam-bolana mba hiresahana amin’ny mpiara-belona amin’ny tena ny amin’ny Tenin’Andriamanitra dia efa fanandraman-javatra tsara dia tsara. Manatsara ny fahaizany eo amin’ny fanompoana ny mpitory manontolo andro, ary manana fotoana koa izy hanarahana tsara ny fahalianana nipoitra. Mampahery amin’izany ny vokatra. Manana ny ilaina eo amin’ny lafiny ara-nofo ireny mpitory ireny ary manjary mankamamy izay ananan’izy ireo. — Matio 6:33.

Tamin’ny Febroary 1943, ny Fikambanana Watch Tower dia nanorina ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower ho fikendrena ny hampiofana mpitory manontolo andro za-draharaha ho amin’ny asa misionera any an-tany hafa. Ny fianarana dimy volana dia mahafaoka fianarana ny Baiboly voafintina, ny tantara araka ny Baiboly, ny fandaminan’i Jehovah sy foto-kevitra mifandray amin’izany fanomanana ho amin’ny asa any an-tany hafa izany.

Raisin’ny Fikambanana ho andraikiny ny saram-pitaterana ny misionera hatrany amin’ny faritaniny, omeny azy ny sakafo mahasalama sy fonenana tsotra ao amin’ny trano iray ho an’ny misionera. Ny misionera tsirairay avy koa dia omeny fanonerana kely ho an’ny fandaniany manokana. Mifandimby ireo misionera miandraikitra ny asa momba ny tokantrano: fiantsenana, fanomanana sakafo, fanadiovana. Izany fandaharana araka ny mety izany dia mahatonga azy ireo ho afaka hanokana 140 ora isam-bolana ho amin’ny fitoriana isan-trano sy ny asa fampianarana Baiboly miaraka amin’ny olona liana.

Maro tamin’ireny misionera ireny no nirahina ho any amin’ny an’arivony kilaometatra maro avy eo aminy sy ny fianakaviany. Nilain’izy ireo ny nifankazatra tamin’ny fari-piainana iray, ny kolontsaina iray, ny fahazarana ara-tsakafo sy ny toetr’andro hafa tanteraka, tsy resahina intsony ny fianarana fiteny vaovao iray. Nanao izany izy ireo noho ny fitiavana ny mpiara-belona aminy sy noho ny faniriany fatratra ny hanampy azy ireny hahafantatra ny Fanjakan’Andriamanitra.

Nanomboka tamin’ny 1943 ka hatreo amin’ny 1998, ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower dia nampiofana kilasy 106 ary nampiofana misionera 7 000 mahery. Teo ambany fitarihan’ny Fikambanana, izy ireny dia nitari-dalana tamin’ny fanitarana ny asa fampianarana Baiboly nanerana an’i Afrika, tany Amerika Afovoany sy Atsimo, tany Atsinanana sy tany Pasifika Atsimo. Nahatontosa asa lehibe koa izy ireny tany Eoropa.

Ireo Vavolombelon’i Jehovah miditra hanao ny fanompoana manontolo andro amin’ny maha mpisava lalana na misionera, na ny fanompoana tsy manontolo andro, dia samy tsy mandray tombony ara-bola avy amin’izany mihitsy. Ny fotoanany, ny volany sy ny heriny manokana no laniny mba hanampiana ny hafa hahazo ny fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Jaona 17:3.

• Ahoana no ahafahan’ny Vavolombelon’i Jehovah sasany manokan-tena ho amin’ny fanompoana manontolo andro, ary nahoana izy ireny no manao izany?

• Fampiofanana inona moa no raisin’ny mpitory sasany mba hanaovana ny asa misionera?

• Inona no fanohanana raisin’ireo misionera any amin’ny asa nanendrena azy ireo any an-tany hafa?

[Sary, pejy 22]

Eo ankavia: Kilasy iray ao amin’ny Sekolin’i Gileada any Brooklyn

Eo ankavanana: Misionera mampianatra ny Tenin’Andriamanitra any Papouasie Nouvelle-Guinée

[Sary, pejy 23]

Minisitra mpisava lalana sy misionera mitory ny Tenin’Andriamanitra any amin’ny tany samihafa

Brezila

Repoblika Dominikanina

Espaina

Sierra Leone (Afrika)