Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Kongregasiona Kristianina Tamin’ny Taonjato Voalohany

Ny Kongregasiona Kristianina Tamin’ny Taonjato Voalohany

Ny Kongregasiona Kristianina Tamin’ny Taonjato Voalohany

Tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i., ny fanahy masina dia nalatsaka teo amin’ny mpianatr’i Jesosy 120 izay nanomboka niteny tamin’ny fiteny maro ny amin’ireo zavatra mahatalanjona nataon’Andriamanitra. Tamin’izany no nanorenana ny kongregasiona kristianina. Mpianatra vaovao teo amin’ny 3 000 no natao batisa tamin’io andro io. — Asan’ny Apostoly toko faha-2.

Nihamaro ireo kongregasiona tany amin’ny toerana samy hafa raha mbola nanohy nilaza ny Tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana ny apostoly sy ny mpianatra. Araka ny voarakitra ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, tsy ela ny fitoriana dia nitatra tany amin’ny faritra mediteraneanina, nanomboka tany Babylona sy tany avaratr’i Afrika, ka hatrany Roma, ary angamba aza hatrany Espaina. — Romana 15:18-29; Kolosiana 1:23; 1 Petera 5:13.

Tany amin’izay nisy mpianatra vaovao, dia nisy kongregasiona noforonina. Nisy lehilahy matotra sy nahay notendrena ho loholona na mpiandraikitra mba hitana oha-pianarana marina sy ny fitondran-tena tsara tao anatin’ireo kongregasiona. Tsy nahaforona klerjy anefa izy ireny; minisitra izy ireny ary mpiara-miasa ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Asan’ny Apostoly 14:23; 20:28; 1 Korintiana 3:5; 5:13; Kolosiana 4:11; 1 Timoty 3:1-15; Hebreo 13:17; 1 Petera 5:1-4.

Ireo apostoly sy ny hafa izay niara-niasa akaiky tamin’izy ireo dia nahaforona fitambara-mpitantana iray. Izy ireo no nitarika ny asa fitoriana, nandamina zava-nanahirana tao anatin’ny kongregasiona tany Jerosalema, naniraka rahalahy nahay ho any Samaria sy ho any Antiokia mba hanatanjaka ireo vao niova ho kristianina tany. Nanapaka fiadian-kevitra momba ny famorana izy ireo, nampahafantatra ny kongregasiona rehetra ny fanapahan-kevitr’izy ireo mba hitandremany izany. Na dia izany aza, ireny lehilahy ireny dia tsy nanapaka toy ny tompo teo amin’ny hafa; tsia, mpanompo izy ireny, ary mpiara-miasa tamin’ny kongregasiona iray manontolo. — Asan’ny Apostoly 4:33; 6:1-7; 8:14-25; 11: 22-24; 15:1-32; 16:4, 5; 1 Korintiana 3:5-9; 4:1, 2; 2 Korintiana 1:24.

Ireo mpianatra voalohany dia fantatra ho kristianina sy nantsoina toy izany noho ny fitondran’Andriamanitra. Niavaka tamin’ny hafa koa izy ireny noho ireo fampianarany nolazaina fa fampianaran’ny apostoly na mariky ny teny tsy misy kilema. Nantsoina hoe ny fahamarinana koa izany fampianarana araka ny Baiboly izany. — Jaona 17:17; Asan’ny Apostoly 2:42; 11:26; Romana 6:17; 1 Timoty 4:6; 6:1, 3; 2 Timoty 1:13; 2 Petera 2:2; 2 Jaona 1, 4, 9.

Ireo Kristianina dia nahaforona fitambaran’ny mpirahalahy maneran-tany tafaray tao anatin’ny fitiavana. Nihevitra ireo namany ao amin’ny finoana tany amin’ny tany hafa izy ireo. Rehefa nankany an-tany hafa izy ireny, dia nandray azy tany an-tranony ireo rahalahiny. Nanana fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony izy ireo satria vahoaka masina, tafasaraka tamin’izao tontolo izao. Tsy nohadinoin’izy ireo na oviana na oviana ny fotoana hiavian’ny andro fanatrehan’i Jehovah ary, tamin-jotom-po, dia nanao fanambarana ampahibemaso ny finoany izy ireo. — Jaona 13:34, 35; 15:17-19; Asan’ny Apostoly 5:42; 11:28, 29; Romana 10:9, 10, 13-15; Titosy 2:11-14; Hebreo 10:23; 13:15; 1 Petera 1:14-16; 2:9-12; 5:9; 2 Petera 3:11-14; 3 Jaona 5-8.

Araka ny voalaza mialoha anefa, dia nanomboka nitatra tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo ny fivadiham-pinoana lehibe. Izany dia niteraka fandaharana ara-pivavahana lehibe izay tsy nitahiry ny fahadiovan’ny kongregasiona kristianina voalohany teo amin’ny lafiny fampianarana, ny fitondran-tena, ny fandaminana sy ny toerana tanana eo anoloan’izao tontolo izao. — Matio 13:24-30, 37-43; 2 Tesaloniana toko faha-2.

Nilaza mialoha anefa i Jesosy fa haorina indray ny fanompoam-pivavahana marina amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Mino mafy ny Vavolombelon’i Jehovah fa taratr’izany fanarenana indray izany ny asany maneran-tany amin’izao androntsika izao, izany hoe eo amin’ny 1 900 taona atỳ aorian’ny faminanian’i Jesosy. Hanome antsika porofon’izany ny tohin’ny famakiantsika teny.

• Ahoana no nanorenana ny kongregasiona kristianina, ary ahoana no nitarany?

• Ahoana no nanaraha-maso izany kongregasiona izany?

• Tamin’ny ahoana ireo Kristianina voalohany no niharihary fa tsy nitovy tamin’ny olon-kafa?

[Sarintany, pejy 7]

(Jereo ny bokikely)

Ranomasina Mainty

Ranomasina Kaspiena

Ranomasina Lehibe

Ranomasina Mena

Hoala Persika

Faritra tratran’ny vaovao tsara tamin’ny taonjato voalohany

ITALIA

Roma

GRESY

MALTA

KRETA

CHYPRE

BITYNIA

GALATIA

AZIA

KAPADOKIA

SILISIA

SYRIA

ISIRAELY

Jerosalema

MEZOPOTAMIA

Babylona

Tonga mpino ny mponina sasany tany amin’ireo faritra ireo

ILYRIA

MEDIA

PARTIA

ELAMA

ARABIA

LIBYA

EJIPTA

ETIOPIA

[Sary, pejy 7]

Nitory ny Tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana ireo Kristianina voalohany

Tamin’ny dia nataon’izy ireny, dia noraisina tao an-tranon’ireo namany ao amin’ny finoana izy ireny