Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tafaray mba Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra

Tafaray mba Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra

Tafaray mba Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra

Manantena izahay fa ireo filazana naseho tato amin’ity bokikely ity momba ny fanompoana, ny fivoriana sy ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia hampirisika anao hiaraka akaiky kokoa amin’izy ireo mba hanompo an’Andriamanitra. Manasa anao izahay hitady fanazavana any am-potony amin’ny fiarahana amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray sy amin’ny fanatrehana ireo fivoriambeny. Amin’izany no hahazoanao fahalalana tsara kokoa ny sitrapon’Andriamanitra ho an’izao androntsika izao. — Titosy 2:11-14.

Raha mbola mampifanaraka ny fiainanao koa amin’ireo fepetra takin’Andriamanitra momba ny asa tsara ianao, dia hanana tombontsoa koa hiara-mandray anjara amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ireo asany. Ankoatra ny fifaneraserana mafana amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany, dia ho azonao atao ny hanantena ny ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra ka hiditra ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao iray hanjakan’ny fiadanana sy ny rariny. — 2 Petera 3:13.

[Sary, pejy 30, 31]

Valo ambin’ny folo amin’ireo tany sy nosy maherin’ny roanjato misy ireo Vavolombelon’i Jehovah tafaray mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra

Nizeria

Aotrisy

Brezila

Japon

Kanada

Goatemalà

Arzantina

Alemaina

Taïwan

Failandy

Afrika Atsimo

Inde

Etazonia

Fidji

Silia

Italia

Bolivia

Philippines