Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tianay ny Hanampy Anao

Tianay ny Hanampy Anao

Tianay ny Hanampy Anao

Ny zava-kendren’ity bokikely ity dia ny hampahafantatra tsara kokoa anao ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah mbamin’ireo fandaharana nomanina mba hanampiana anao hampitombo ny fahalalanao ny Baiboly. Mety ho efa notsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao na niresaka tamin’izy ireny teny amin’ny arabe na tany an-toeran-kafa. Mety ho miara-mianatra aminao koa ny anankiray amin’izy ireny amin’izao fotoana izao.

Fantatrao ve fa manambara ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany izy ireny? Fa nahoana? Satria tian’Andriamanitra Mpamorona antsika hisy olona avy amin’ny firenena rehetra ho tafaray mba hivavaka aminy. Izao no nambarany ny amin’izao androntsika izao: “Maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony”. — Isaia 2:2, 3.

Ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah natao hiresahana aminao ny lalan’Andriamanitra dia fahatanterahan’io faminaniana io. Ireo pejy manaraka dia hilaza aminao hoe nahoana no zava-dehibe io asa io amin’izao andro izao, ary amin’ny ahoana izany no mety hahasoa anao.