Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Fandaharam-pampianarana

Ireo Fandaharam-pampianarana

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra maneran-tany noho ny asa fampianarana Baiboly ataony.

NOHO ny fanomezan’ny Vavolombelon’i Jehovah vidiny lehibe ny asa fampianarana Baiboly ataony, dia mety hihevitra ny olona sasany fa tsy liana amin’ny fampianarana ivelan’ny fivavahana izy. Tsy izany anefa no izy. Mba hampianarana ny hafa dia tsy maintsy mianatra aloha ny mpampianatra iray, ary izany dia mitaky fiofanana sy fampianarana araka ny tokony ho izy. Koa ho fanampin’ny fampiasana tsara ny fampianarana ivelan’ny fivavahana àry, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandray soa, hatramin’ny taona maro, tamin’ireo fandaharam-pampianarana sy sekoly maro samihafa karakarain’ny Fikambanana Watch Tower. Nanampy ireo Vavolombelon’i Jehovah sy ny hafa koa mba hihatsara ara-tsaina sy ara-pitondran-tena ary ara-panahy izy ireny.

Ohatra, tany amin’ny tany maro, ny Vavolombelon’i Jehovah dia niatrika zava-tsarotra manokana, dia ny fomba hampianarana olona izay tsy nanana fahafahana firy na tsy nanana fahafahana mihitsy hahazo fampianarana tany an-tsekoly araka ny tokony ho izy, ka noho izany dia tsy mahay mamaky teny na manoratra. Mba hanomezana io zavatra nilaina io, dia nandamina kilasy fampianarana mamaky teny sy manoratra ny Fikambanana Watch Tower.

Any Nizeria, ohatra, dia efa nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1949 ireo kilasy fampianarana mamaky teny sy manoratra. Olona an’aliny tany Nizeria no lasa nahay namaky teny, vokatr’izany. Hita tamin’ny fanadihadiana iray fa maherin’ny 90 isan-jaton’ny Vavolombelon’i Jehovah any no mahay mamaky teny sy manoratra. Latsaka ny 50 isan-jaton’ny mponina ankoatra azy ireo anefa no mahay an’izany. Nanokatra kilasy fianarana koa ny Vavolombelon’​i Jehovah tany Meksika, tamin’ny 1946. Nisy fotoana, ohatra, olona 6 500 mahery no nampianarina tao anatin’ny herintaona. Iray hetsy mahery izao ny fitambaran’ny olona nampiana hamaky teny sy hanoratra, any Meksika. Nasiana kilasy fianarana koa tany Bolivia, Cameroun, Népal, Zambia, ary tany an-tany hafa. Namoaka an’ilay boky fianarana hoe Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra tamin’ny fiteny 100 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah, ary fito tapitrisa mahery tamin’izy io no efa natao pirinty.

Nahazo ny fankasitrahan’ny manam-pahefana misahana ny fampianarana tao amin’ireo tany nanaovana azy matetika, ireny fandaharam-pampianarana mamaky teny sy manoratra ireny. Tany Meksika, ohatra, dia nanoratra toy izao ny mpiasam-panjakana iray anisan’ny mpitantana: “Velom-pankasitrahana noho ny fiaraha-miasa asehonareo aho, ary amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana aho dia mampita aminareo ny fiderany amim-pahatsorana tanteraka noho ny asa ambony sy mitohy ataonareo ho tombontsoan’ny vahoaka. Izany dia ny fitondranareo ny fahazavan’ny fahalalana ho an’ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra. (...) Mirary fahombiazana ho anareo aho, eo amin’ny asa fampianarana ataonareo.”

Fampiofanana fanampiny

Mpianatra miofana mba hahay hamaky teny sy hiteny eny imason’olona

Noho izy ireo manome vidiny lehibe an’ilay asa fampianarana Baiboly ataony, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miezaka manatsara ny fahaizany manazava ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly amin’ny hafa. Ity misy porofo ahitana an’izany. Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 119 000 mahery eran-tany. Misy fampiofanana ny mpianatra any mba hampiofanana azy ireo eo amin’ny fahaiza-mamaky teny sy miteny ampahibemaso. Na dia ireo tanora indrindra aza, raha vantany vao mahay mamaky teny, dia afaka misoratra anarana ary mahazo izany fampiofanana izany, izay hita fa mahasoa azy ireo koa eo amin’ny lafiny hafa, anisan’izany ny fianarany ivelan’ny fivavahana. Mpampianatra maro no nilaza fa mazàna manambara ny heviny amin’ny fomba tena tsara ireo mpianatra Vavolombelon’i Jehovah.

Ampirisihana amin-kafanam-po eo anivon’ny fiangonan’izy ireo ny famakian-teny, ary ny fianakaviana tsirairay dia ampirisihina toy izany koa hanana fitahirizam-bokim-pianakaviana ahitana boky sy gazety maro samihafa

Ho fanampin’izany, ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay dia ampirisihina hanana, ao amin’ny Efitrano Fanjakanany na toeram-pivoriany, fitahirizam-boky iray mirakitra fitaovana fianarana Baiboly, rakibolana sy boky fakan-teny hafa. Io fitahirizam-boky io dia azon’izay rehetra manatrika fivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakana, ampiasaina. Ampirisihana amin-kafanam-po eo anivon’ny fiangonan’izy ireo ny famakian-teny, ary ny fianakaviana tsirairay dia ampirisihina toy izany koa hanana fitahirizam-bokim-pianakaviana ahitana boky sy gazety maro samihafa mba hanomezana fahafaham-po amin’ireo zavatra ilain’ny ankizy sy ny olon-dehibe.

Sekoly avo lenta

Ny Fikambanana Watch Tower dia mampiasa koa sekoly fampiofanana lehilahy sy vehivavy ho misionera, ary koa sekoly fampiofanana lehilahy izay hiantsoroka andraiki-panompoana ao amin’ny fiangonana eo an-toerana. Ireny sekoly ireny dia porofo fanampiny fa manome vidiny lehibe ny fampianarana ny Vavolombelon’i Jehovah.