Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaka mampiditra tsikelikely ireo fari-pitsipika kristianina marina ao amin’ireo zanany ny Vavolombelon’i Jehovah

Ireo Fari-pitsipika Ara-pitondran-tena Mendrika Hohajaina

Ireo Fari-pitsipika Ara-pitondran-tena Mendrika Hohajaina

Nandritra ny tantara manontolo, dia nisy lehilahy sy vehivavy nahery fo nitana toerana izay nifanohitra tamin’ny fomba fihevitra be mpanaraka tamin’ny androny. Niaritra fitondrana jadona ara-politika sy ara-pivavahana ary ara-pirazanana izy ireo, ka nanao vivery ny ainy matetika noho ny hevitra nijoroany.

IREO KRISTIANINA tany am-boalohany dia tena nahery fo. Nandritra ny fanenjehana mafy tamin’ireo taonjato telo voalohany, dia maro tamin’ireny Kristianina ireny no novonoin’ny Romana mpanompo sampy noho ny nandavany tsy hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny emperora. Indraindray dia natsangana tao amin’ny kianja filalaovana ny alitara iray. Mba hahazoany fanafahana, ireo Kristianina dia tsy maintsy nandoro emboka manitra iray tsongo fotsiny ho fanekena ny maha-andriamanitra ny emperora. Vitsy anefa no nanaiky lembenana. Naleon’ny ankamaroany ny ho faty toy izay handa ny finoany.

Amin’ny andro ankehitriny, ny Vavolombelona kristian’i Jehovah dia mitana toerana mitovy amin’izany ihany, raha ny momba ny fialanalanana ara-politika. Ohatra, ny fijoroany hentitra nanoloana ny Nazisma dia voaporofon’ny tantara. Taloha sy nandritra ny ady lehibe faharoa, dia namoy ny ainy tany amin’ireo toby fitanana indrindra indrindra saika ny ampahefatry ny Vavolombelon’i Jehovah alemanina. Ny antony dia satria nitoetra ho nialanalana izy ireo, ary nanda tsy hilaza hoe: “Heil Hitler.” Nosarahina an-keriny tamin’ny ray aman-dreniny Vavolombelon’i Jehovah ireo ankizy kely. Na dia teo aza ny fanerena, dia hentitra hatrany ireo tanora, ary nanda tsy ho voaloton’ireo fampianarana tsy araka ny Soratra Masina naneren’ny hafa azy ireo hekena.

Ny fiarahabana saina

Tsy lasibatry ny fanenjehana mafy toy izany intsony ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny ankapobeny amin’izao andro izao. Na dia izany aza, dia mipoitra indraindray ny tsy fifankahazoan-kevitra vokatry ny fanapahan-kevitra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tanora tamim-pieritreretana tsara, dia ny tsy handray anjara amin’ireo fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana toy ny fiarahabana saina.

“Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”—Matio 22:21, Katolika

Ampianarina mba tsy hisakana ny hafa tsy hiarahaba saina ireo zanaka Vavolombelon’i Jehovah; anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra ny amin’izany. Hentitra kosa anefa ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah: Tsy miarahaba ny sainan’ny firenena na iza na iza, izy ireo. Tena tsy nokendrena mba hanehoana tsy fanajana izany. Tena manaja ny sainan’izay mety ho tany ipetrahany izy ireo, ary maneho izany fanajana izany amin’ny fankatoavana ny lalàn’ilay tany. Tsy miditra mihitsy amin’izay karazana fihetsiketsehana rehetra manohitra fitondram-panjakana izy ireo. Raha ny marina, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mino fa ireo fitondram-panjakan’olombelona ankehitriny dia mahaforona “fandaharan’Andriamanitra” izay navelany hisy. Koa mihevitra ny tenany ho didian’Andriamanitra handoa hetra sy hanaja ireny “manam-pahefana ambony” ireny àry izy ireo. (Romana 13:1-7, NW ). Izany dia mifanaraka amin’ilay fanambarana malaza nataon’i Kristy hoe: “Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.”—Matio 22:21, Katolika.

‘Koa nahoana àry’, hoy angamba ny sasany, ‘no tsy manaja ny saina amin’ny fiarahabana azy io ny Vavolombelon’i Jehovah?’ Izany no izy satria heveriny ho toy ny fanolorana fanompoam-pivavahana ny fiarahabana saina, ary an’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahana; tsy afaka manolotra, amim-pieritreretana tsara, fanompoam-pivavahana na ho an’olona izany na ho an-javatra afa-tsy ho an’Andriamanitra, izy ireo. (Matio 4:10; Asan’ny Apostoly 5:29). Noho izany, dia ankasitrahan’izy ireo rehefa manaja io hevitra tanany mafy io ireo mpampianatra ka mamela ireo ankizy Vavolombelon’i Jehovah hankato ny zavatra inoany.

Tsy mahagaga fa tsy irery akory ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny finoana fa mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana ny fiarahabana saina. Izany no asehon’ireto fanamarihana manaraka ireto:

“Saika nanana heviny ara-pivavahana ranofotsiny ireo saina tany am-boalohany. (...) Ny fanampian’ny fivavahana dia toa notadiavina foana mba hanome fahamasinana an’ireo sainam-pirenena.” (Izahay no manao sora-mandry.)—Encyclopædia Britannica.

“Ny saina, sahala amin’ny lakroa, dia masina. (...) Ny fitsipika sy ny didy mahakasika ny fihetsiky ny olona manoloana ny fanevam-pirenena dia mampiasa teny mahery sy misy heviny lehibe toy ny hoe ‘Fanompoana ny Saina’, (...) ‘Fanajana ara-pivavahana ho an’ny Saina’, ‘Fifikirana amin’ny Saina’.” (Izahay no manao sora-mandry.)—The Encyclopedia Americana.

“Nolavin’ny Kristianina ny (...) hanao sorona ho an’ny maha-andriamanitra mpiahy ny emperora [romana]—ka amin’izao andro izao izany dia mitovitovy amin’ny fandavana tsy hiarahaba saina na hamerina fianianam-pankatoavana.”—Those About to Die (1958), nosoratan’i Daniel P. Mannix, pejy 135.

Nanda tsy hitsaoka ny tsangambato iray natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka babyloniana ny tanora hebreo telo lahy

Mbola averina indray fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mikendry ny tsy hanaja ny fitondram-panjakana na ny mpanapaka azy, amin’ny fandavana tsy hiarahaba saina. Izao fotsiny ilay izy: Izy ireo dia tsy hitsaoka na hiarahaba sary iray mampiseho ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny fanolorana fanompoam-pivavahana. Amin’izy ireo, izy io dia mitovy amin’ny toerana notanan’ny tanora hebreo telo lahy, tamin’ny andron’ny Baiboly, izay nanda tsy hitsaoka ilay tsangambato natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka babyloniana tao amin’ny lemak’i Dora. (Daniela, toko faha-3). Koa na dia miarahaba saina sy manao fianianam-pankatoavana aza ny hafa, ireo zanaka Vavolombelon’i Jehovah kosa dia ampianarina hanaraka ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly. Araka izany, izy ireo dia tsy mandray anjara amim-panajana sy amim-panginana. Noho ny antony mitovy amin’izany ihany, ireo ankizy Vavolombelon’i Jehovah dia mifidy ny tsy handray anjara, rehefa hiraina na lalaovina amin’ny zavamaneno ny hiram-pirenena.

Ny zon’ny ray aman-dreny

Amin’izao fotoana izao, ny ankamaroan’ireo tany dia manaja ny zon’ny ray aman-dreny hanome an’ireo zanany fampianarana ara-pivavahana mifanaraka amin’ny hevitra tanany mafy. Manohana an’io zo io ny fivavahana rehetra, araka ny hazavain’ny lalàna kanônika mbola manan-kery ao amin’ny Eglizy Katolika manao hoe: “Noho ireo ray aman-dreny nanome aina ny zanany, dia manana adidy tena hentitra hampianatra azy izy ireo, ary manana ny zo hanao izany; izany no antony tokony hanomezan’ireo ray aman-dreny voalohany indrindra ny zanany fampianarana kristianina araka ny foto-pampianaran’ny Eglizy.”—Kanôna 226.

Ampirisihina haneho fiheverana ny hafa ireo ankizy

Tsy mangataka mihoatra noho izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’ny maha-ray aman-dreny miahy azy, dia miezaka mampiditra tsikelikely ireo fari-pitsipika kristiana marina ao amin’ireo zanany izy, ary mandentika ao amin’izy ireo ny fitiava-namana sy ny fanajana ny fananan’olon-kafa. Iriny ny hanaraka ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly an’ireo Kristianina tany Efesosy manao hoe: “Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.”—Efesiana 6:4.

Ankohonana voazarazara ara-pivavahana

Ao amin’ny fianakaviana sasany, dia ny ray na ny reny ihany no Vavolombelon’i Jehovah. Amin’ny tarehin-javatra toy izany, ilay ray na reny Vavolombelon’i Jehovah dia ampirisihina hanaiky ny zon’ilay tsy Vavolombelona hampianatra koa ny zanak’izy ireo araka ny hevitra ara-pivavahana tanany mafy. Ireo zanaka izay miatrika fomba fijery ara-pivavahana samy hafa dia tsy iharam-pahavoazana firy akory. * Raha ny tena izy, dia tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’izay fivavahana harahiny ny zanaka rehetra. Ara-dalàna tsotra izao raha tsy ny tanora rehetra no mifidy ny hanaraka ny fotopoto-pitsipika ara-pivavahan’ireo ray aman-dreniny, na Vavolombelon’i Jehovah izy ireny na tsia.

Zon’ny ankizy hanana fahalalahana hampiasa ny feon’ny fieritreretany

Tokony ho fantatrao koa fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia manome vidiny lehibe ny feon’​ny fieritreretan’ny Kristianina tsirairay. (Romana, toko faha-14). Ny Fifanarahana Momba ny Zon’ny Ankizy neken’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 1989, dia nanaiky ny zon’ny ankizy iray hanana “fahalalahana eo amin’ny fisainana sy ny feon’ny fieritreretana ary ny fivavahana” ary ny zo hilaza ny heviny amin-kalalahana sy hanana ny zo ny hiheveran’​ny hafa izany heviny izany amin’izay raharaha na fanaovan-javatra rehetra mahakasika ilay ankizy.

Tsy misy ankizy roa mitovy tanteraka. Noho izany, dia azon’ny saina ekena ny mety hanampoizanao fahasamihafana sasany eo amin’ny fanapahan-kevitra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tanora na mpianatra hafa mahakasika asa sy fanendrena sasany ao an-tsekoly. Matoky izahay fa manaiky ilay fotopoto-pitsipika momba ny fahalalahana hampiasa ny feon’ny fieritreretana koa ianao.

^ feh. 18 Momba ireo zanaka ao amin’ny fanambadiana tsy mitovy finoana, dia manao izao fanamarihana izao ny Dr. Steven Carr Reuben ao amin’ilay bokiny hoe Raising Jewish Children in a Contemporary World: “Very hevitra ny ankizy rehefa manaraka fiainana misy fandavana sy fanafenana tsiambaratelo ary fanalavirana ny raharaha ara-pivavahana ireo ray aman-dreny. Rehefa tsotra ny ray aman-dreny, ka milaza ny marina ary manome fanazavana mora azo ny amin’ireo zavatra inoany sy ireo fari-pitsipika heveriny ho sarobidy ary ireo fankalazana arahiny, dia mihalehibe amin’ny fananana ilay karazana fiarovana sy fahatsapana fahamendrehana ao amin’ny faritra ara-pivavahana ireo zanaka. Tena zava-dehibe izany amin’ny fitomboan’ny fananany fanajan-tena sy ny fahafantarany ny toerany eo amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny.”