Ny Anjara Asan’ny Ray Aman-dreny
Tsy isalasalana fa tsy asa mora akory ny fitaizana zanaka mba hahatonga azy ho olon-dehibe mahay mandanjalanja eo amin’ny fiaraha-monina amin’izao andro izao.
NY FIKAMBANAM-PIRENENA Amerikana Misahana ny Fahasalamana Ara-tsaina dia namoaka ny vokatry ny fanadihadiana ray aman-dreny izay noheverina ho nahita fahombiazana, dia ireo nanan-janaka mihoatra ny 21 taona izay “samy olon-dehibe namokatra daholo sy niharihary fa nahay nifankazatra tsara tamin’ny fiaraha-monina misy antsika”. Nanontaniana toy izao ireny ray aman-dreny ireny: ‘Miorina amin’ny fanandraman-javatra hitan’ny tenanareo
manokana, inona no torohevitra tsara indrindra azonareo omena ny ray aman-dreny hafa?’ Ireto valin-teny ireto no nomena imbetsaka indrindra: ‘Tiava azy be dia be’, ‘mampihara fifehezana mampiorina’, ‘mandania fotoana iarahana aminy’, ‘mampianara ny zanakao hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy’, ‘mampitomboa fifanajana’, ‘tena mihainoa azy’, ‘manomeza tari-dalana fa tsy fandevilevena’ ary ‘mijere zavatra araka ny tena izy’.Tsy irery anefa ny ray aman-dreny eo amin’ny fiezahany hamokatra olon-dehibe tanora mahay mifankazatra tsara amin’ny toe-javatra. Manana anjara asa lehibe amin’izany koa ireo mpampianatra. Nanao izao fanamarihana izao ny mpanolo-tsaina za-draharaha iray tao amin’ny sekoly: “Ny tarigetran’ny fampianarana ofisialy voalohany indrindra dia ny hanohana ny ray aman-dreny eo amin’ny famokarany olon-dehibe tanora mahay mandray andraikitra, mitombo tsara eo amin’ny ara-tsaina sy ara-batana ary ara-pihetseham-po.”
Koa mitovy àry ny tanjon’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra—mamokatra tanora izay ho tonga olon-dehibe matotra sy mahay mandanjalanja, any aoriana, ka hifa
ly amin’ny fiainana ary ho afaka hanana ny toerany ao amin’ny fiaraha-monina hisy azy.Mpiara-miasa fa tsy mpifaninana
Mipoitra anefa ny olana rehefa tsy miara-miasa amin’ny mpampianatra ny ray aman-dreny. Ny ray aman-dreny sasany, ohatra, dia tsy miraharaha mihitsy ny fampianarana ny zanany; ny hafa kosa mitady hifaninana amin’ny mpampianatra. Rehefa nandinika an’io tarehin-javatra io ny gazetiboky frantsay iray, dia nilaza hoe: “Tsy miadidy irery ny fampianarana an’ireo ankizy intsony ny mpampianatra. Ny ray aman-dreny izay miahy be loatra ny amin’ny hahombiazan’ireo zanany dia mitsikera ireo boky fianarana, mitsara sy manakiana ireo fomba fampianarana, ary mampiseho hatezerana avy hatrany raha vao mahazo naoty ratsy ny zanany.” Manitsakitsaka ny fahefan’ny mpampianatra ny fanaovan-javatra toy izany.
Mihevitra ny Vavolombelon’i Jehovah fa mandray soa kokoa ny zanany rehefa miara-miasa amin’ny mpampianatra ny ray aman-dreny, amin’ny fanehoana fahalianana amin’ny fomba marisika sy mahasoa amin’ny fianaran-janany. Mino izy fa tena zava-dehibe tokoa ny fiaraha-miasa toy izany satria manjary mihasarotra hatrany ny asanao amin’ny maha-mpampianatra.
Ireo olana any an-tsekoly amin’izao andro izao
Koa satria manome taratry ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny ny sekoly—noho izy io tapany aminy, dia tsy voaro amin’ireo olana hita eo amin’izany fiaraha-monina izany ny sekoly. Nihamafy haingana arakaraka ny fandehan’ireo taona ireo olana ara-tsosialy. Nilazalaza ny toe-piainana tao amin’ny sekoly iray tany Etazonia ny The New York Times ka nanao izao tatitra izao: “Matory ny mpianatra any an-dakilasy, mifandrahona any an-dalantsara feno soratsoratra tsy azo fafàna intsony izy ireo, manambany ny mpianatra mahay izy ireo. (...) Saika ny mpianatra rehetra no mizaka olana toy ny fikarakarana zazakely sy ny fifandraisana amina ray aman-dreny voafonja ary ny fiadiana mba tsy hiharan’ny hetraketraky ny andian-jiolahy. Na amin’ny andro inona na amin’ny andro inona, dia saika ny ampahadimin’ny mpianatra no tsy tonga.”
Ny tena mampanahy indrindra dia ny fitomboan’ny olana iraisam-pirenena ateraky ny herisetra any an-tsekoly. Naka ny toeran’ny adiady nifanosehana sy nifandronjenana tsindraindray ny tifi-basy sy ny tsatok’antsy mateti-pitranga. Nanjary fahita kokoa ny fitaovam-piadiana, nanjary mafy kokoa ny fifamelezana eo amin’ireo ankizy malaky kokoa mampiasa herisetra, ary eo amin’ny ankizy kely taona noho ny taloha.
Tsy isalasalana fa tsy ny tany rehetra no miatrika toe-piainana mampahonena toy izany. Kanefa, mpampianatra maro maneran-tany no mifanandrina amin’ilay tarehin-javatra nambaran’ny Le Point, gazetiboky frantsay mivoaka isan-kerinandro, toy izao: “Tsy hajaina intsony ny mpampianatra; tsy manana fahefana intsony izy.”
Tena mametraka loza ho an’ny ankizy rehetra ny tsy fanajana ny fahefana toy izany. Koa miezaka àry ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampiditra tsikelikely, ao amin’ny zanany, fankatoavana sy fanajana ny fahefana, toetra tsara izay tsy fahita firy intsony any an-tsekoly amin’izao andro izao.