Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Fijerin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fampianarana

Ny Fomba Fijerin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fampianarana

Sahala amin’ny ray aman-dreny rehetra, dia miahy ny amin’ny hoavin’ireo zanany ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia omeny vidiny lehibe ny fampianarana. “Ny fampianarana dia tokony hanampy ny olona ho tonga mpikambana mahasoa eo amin’ny fiaraha-monina. Izy io koa dia tokony hanampy azy ireo hamboly fankasitrahana ny lovany ara-kolontsaina ka hanana fiainana mahafa-po kokoa.”

ARAKA ny tian’io fakan-teny avy ao amin’ny The World Book Encyclopedia io hambara, ny iray amin’ireo zava-kendren’ny fampianarana any an-tsekoly lehibe indrindra dia ny hampiofana ireo ankizy ho amin’ny fiainana andavanandro. Tafiditra amin’izany ny fanampiana azy hahay hikarakara ireo zavatra hilain’ny fianakaviany any aoriana any. Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa andraikitra masina izany. Ny Baiboly mihitsy no milaza hoe: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (1 Timoty 5:8). Manomana ny ankizy ho amin’ireo andraikitra hiantsorohany eo amin’ny fiainana ireo taona laniny any an-tsekoly. Mifanaraka amin’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mihevitra fa tokony horaisina ho tena zava-dehibe ny fampianarana.

“Ny fampianarana dia tokony hanampy ny olona ho tonga mpikambana mahasoa eo amin’ny fiaraha-monina. Izy io koa dia tokony hanampy azy ireo hamboly fankasitrahana ny lovany ara-kolontsaina ka hanana fiainana mahafa-po kokoa.”—The World Book Encyclopedia

Miezaka miaina mifanaraka amin’ilay didy ao amin’ny Baiboly toy izao ny Vavolombelon’i Jehovah: “Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona.” (Kolosiana 3:23). Io fotopoto-pitsipika io dia mihatra amin’ny lafim-piainana andavanandro rehetra, anisan’izany ny sekoly. Araka izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampirisika ny tanora eo anivony mba hianatra amim-paharisihana sy handray ho zava-dehibe ireo asa anendrena azy hataony any an-tsekoly.

“Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona.”—Kolosiana 3:23

Mampianatra ny hanekena ny lalàn’ny tany izay onenan’ny tena koa ny Baiboly. Koa rehefa takin’ny lalàna àry ny hianarana any an-tsekoly hatramin’ny taona iray voafaritra tsara, dia mankato izany ny Vavolombelon’i Jehovah.—Romana 13:1-7.

Manana anjara asa lehibe eo amin’ny fampianarana voalanjalanja ny fialam-boly, ny mozika, ny zavatra ankafizina manokana, sy ny fanatanjahan-tena mahasoa, ary ny fitsidihana tranomboky sy tranombakoka

Na dia tsy manamaivana ny maha-zava-dehibe ny fampiofanana ho amin’ny fiainana andavanandro aza ny Baiboly, dia mampiseho kosa fa sady tsy hany zava-kendrena no tsy zava-kendrena lehibe indrindran’ny fampianarana izany. Ny fampianarana mahomby dia tokony hampitombo koa ao amin’ireo ankizy ny fifaliana miaina sy hanampy azy ireo hanana ny toerany eo amin’ny fiaraha-monina, amin’ny maha-olona mahay mandanjalanja tsara. Araka izany, dia mihevitra ny Vavolombelon’i Jehovah fa tena zava-dehibe ny fifidianana ireo asa atao ivelan’ny fandaharam-pampianarana. Mino izy ireo fa manana anjara asa lehibe eo amin’ny fampianarana voalanjalanja ny fialam-boly, ny mozika, ny zavatra ankafizina manokana, sy ny fanatanjahan-tena mahasoa, ny fitsidihana tranomboky sy tranombakoka ary ny toy izany. Fanampin’izany, dia mampianatra ny zanany izy ireo mba hanaja ireo be taona sy hitady fahafahana hitondra fanampiana ho azy ireny.

Ahoana ny amin’ny fampianarana fanampiny?

Noho ny teknolojia vaovao, dia miovaova tsy ankijanona ny tsenan’asa. Vokatr’izany, dia ho voatery hanao karazana asa na raharaha izay tsy nahazoany fampiofanana voafaritra tsara ny tanora maro. Koa satria izany no tarehin-javatra, dia mbola ho sarobidy kokoa aminy aza ny fahazarany eo amin’ny asa sy ny fampiofanana manokana noraisiny, indrindra fa ny fahaizany mizatra amin’ny fiovaovana. Mifanaraka amin’izany, dia tsara kokoa ho an’ny mpianatra ny ho tonga olon-dehibe manana, araka ny filazan’i Montaigne, mpanoratra tamin’ny fotoan’ny Renaissance, azy, ‘une tête bien faite plutôt qu’une tête bien pleine’, na hoe ‘atidoha nianatra nampiasa fahalalana toy izay atidoha feno fahalalana be fotsiny’.

Mananontanona ireo tanora izay tsy ampy fahaizana tsara, matetika, ny tsy fisian’asa mamely ny tany mahantra sy manankarena. Noho izany, raha mitaky fiofanana ho fanampin’ny fianarana kely indrindra takin’ny lalàna ny tsenan’asa, dia anjaran’ny ray aman-dreny ny manoro lalana ny zanany eo am-panaovana fanapahan-kevitra momba ny fampianarana fanampiny. Amin’izay dia hotombanany ireo soa mety horaisina ary koa ireo sorona hotakin’ny fianarana fanampiny toy izany.

Kanefa, azo inoana ny hanekenao fa misy zavatra hafa ankoatra ny fanambinana ara-nofo tafiditra amin’ny fahombiazana eo amin’ny fiainana. Tato ho ato, dia nisy lehilahy sy vehivavy izay revo tanteraka tamin’ny asany, namoy ny zava-drehetra rehefa nafoiny ilay izy. Ny ray aman-dreny sasany dia nanao sorona ny fiainam-pianakaviany sy ny fotoana izay azony nolanina niaraka tamin’ny zanany, ka maty antoka fa tsy afaka nanampy azy ireo hitombo sy ho tonga olon-dehibe. Izany dia satria nisahirana loatra tamin’ny asa fivelomana ireo ray aman-dreny ireo.

Mazava àry, fa ny fampianarana voalanjalanja dia tokony hihevitra fa misy zavatra ambonin’ny fanambinana ara-nofo, ilaina mba hahasambatra marina antsika. Nanambara toy izao i Jesosy Kristy: “Voasoratra hoe: ‘Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra’.” (Matio 4:4). Amin’ny maha-kristiana azy ireo, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahatakatra ny maha-zava-dehibe ny hambolena toetra tsara ara-pitondran-tena sy ara-panahy ary koa ny hiomanan’izy ireo mba hikarakara izay ilainy ara-nofo.