Ny Zava-kendren’itỳ Bokikely Itỳ
NANORATRA toy izao i Spinoza, filozofa holandey: “Niezaka aho mba tsy hihomehy ny zavatra ataon’ny olombelona, na hitomany noho izy ireny, na hankahala azy ireny, fa mba hahazo ny hevitr’izy ireny kosa.” Amin’ny maha-mpampianatra anao, dia asa sarotra ho anao ny miezaka hahazo ny fomba fijery sy ny fiaviana ary ny hevitra tanan’ireo mpianatra eo ambany fiadidianao, anisan’izany ireo mpianatra izay zanaka Vavolombelon’i Jehovah. Indraindray ireny mpianatra ireny dia mety hifikitra amin’ny hevitra iray izay toa hafa noho ny an’ny besinimaro momba ny raharaha sasany. Kanefa, rehefa mazava fa mipoitra avy amin’ny hevitra ara-pivavahana sy ara-pitondran-tena tanan’ny mpianatra iray ny fihetsika toy izany, dia mendrika ny hanehoanao fiheverana. Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society (ilay mpampanonta ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah) itỳ bokikely itỳ ary nokendrena mba hanampy anao hahazo tsaratsara kokoa ny fihevitr’ireo mpianatra Vavolombelon’i Jehovah. Manantena izahay fa haka fotoana mba hamakiana azy itỳ amim-pitandremana ianao.
Ny fahazoana ny hevitry ny zavatra ara-pivavahana inoan’ny olon-kafa iray akory tsy mitaky ny hanekenao na hanarahanao azy ireo, ary tsy mitovy amin’ny hoe mampiova finoana olona iray ny fanomezana fanazavana. Itỳ bokikely itỳ dia tsy mitady izay hanerena anao na ny mpianatrao hanaiky ireo fomba fijery ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fanirianay dia ny hanazava aminao fotsiny ireo fotopoto-pitsipika sy zavatra inoana izay ampianarin’ny ray aman-dreniny an’ireo mpianatrao sasany. Amin’izay dia ho hitanao fa ho mora kokoa ny hahazo ny fihevitr’ireo ankizy Vavolombelon’i Jehovah sy ny hiara-miasa aminy. Mazava ho azy fa mety tsy hifanaraka foana akory izay ampianarina an’ireo ankizy sy izay ataony, satria mbola mianatra mampiasa ny feon’ny fieritreretany manokana ny ankizy tsirairay.
Sahala amin’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny, ny Vavolombelon’i Jehovah dia maniry ny handraisan’ireo zanany soa faran’izay betsaka avy amin’ny fianarany any an-tsekoly. Mba hahatongavana amin’izany, dia mampianatra ireo zanany izy mba hiara-miasa amin’ny mpampianatra azy ireo. Ho setrin’izany kosa, dia velom-pankasitrahana ireo ray aman-dreny sy ankizy Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitondra azy ireo amim-pahaiza-mahazo ny heviny sy amim-panajana ireo mpampianatra.
Kristiana fantatra maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa indraindray dia tsy azo araka ny tokony ho izy ny fihevitr’izy ireo. Noho izany, ny fanantenanay dia ny hanampian’itỳ bokikely itỳ anao hahazo tsaratsara kokoa ny fihevitr’ireo ankizy Vavolombelon’i Jehovah eo ambany fiadidianao. Ny tena antenainay dia ny hahitanao ny antony mety hitakian’izy ireo ny zony ara-drariny hiavaka amin’ny hafa amin’ny tarehin-javatra voafaritra tsara sasany.