Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Zava-tsarotra Ateraky ny Fisian’ny Karazam-pivavahana Samy Hafa

Ny Zava-tsarotra Ateraky ny Fisian’ny Karazam-pivavahana Samy Hafa

Amin’ny maha-mpampianatra anao, dia mifanandrina amin’ny zava-tsarotra iray izay mahalana no natrehin’ireo mpampianatra tao anatin’ireo taonjato teo aloha, ianao. Tsy inona izany fa ny fisian’ny karazam-pivavahana samy hafa.

NANDRITRA ny Moyen Age manontolo, dia nanaraka fivavahana iray ihany mazàna ny mponina tao amin’ny tany iray ihany. Tsy ela fa vao tamin’ny faran’ny taonjato faha-19, i Eoropa dia tsy nahafantatra afa-tsy fivavahana lehibe vitsivitsy monja: ny fivavahana katolika sy protestanta tany Andrefana, ny fivavahana ortodoksa sy silamo tany Atsinanana, ary ny Jodaisma. Ny fisian’ny karazam-pivavahana samy hafa dia tsy isalasalana fa fahita matetika kokoa amin’izao andro izao any Eoropa sy manerana ny tany manontolo. Nisy fivavahana tsy mahazatra niorim-paka, noho izy ireo nanjary narahin’ny tera-tany sasany, na nampidirin’ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana.

Araka izany, amin’izao andro izao any amin’ny tany toa an’i Aostralia, i Grande-Bretagne, i Frantsa sy i Alemaina ary i Etazonia, isika dia mahita Miozolimanina sy Bodista ary Hindoa maro be. Etsy an-danin’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny maha-kristianina azy, dia manompo amim-paharisihana any amin’ny tany maherin’ny 239. Misy tany 14 izay samy ahitana Vavolombelon’​i Jehovah maherin’ny 150 000 avy ao aminy.—Jereo ny efajoro “ Ny Vavolombelon’i Jehovah—Fivavahana Iray Manerana ny Tany.”

Mety hiteraka zava-tsarotra ho an’ny mpampianatra ny fisian’ny karazam-pivavahana samy hafa eo an-toerana. Mety hipoitra, ohatra, ny fanontaniana lehibe sasany mahakasika ireo fankalazana be mpanaraka: Tokony hoterena hanaraka ny fankalazana rehetra, tsy misy fanisiana fiheverana ny fivavahany ve ny mpianatra rehetra? Mety tsy hahita hokianina amin’ireny fankalazana ireny ny ankamaroan’ny olona. Kanefa, moa ve tsy tokony hohajaina koa ny fomba fijerin’ireo fianakaviana anisan’ny vitsy an’isa? Ary misy anton-javatra hafa koa tokony hoheverina: Any amin’ireo tany izay ampisarahan’ny lalàna ny fivavahana sy ny Fanjakana, ary tsy tokony hampidirana ny fampianarana ara-pivavahana ao amin’ny fandaharam-pianarana, moa ve tsy hihevitra ny olona sasany fa tsy lojika ny fanaovana ireny fankalazana ireny ho zavatra tsy maintsy arahina any an-tsekoly?

Fitsingerenan’ny andro nahaterahana

Mety hipoitra mihitsy aza ny tsy fifankahazoan-kevitra mahakasika fankalazana izay toa zara raha misy ifandraisany amin’ny fivavahana. Marina izany raha ny amin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana ankalazaina any amin’ny sekoly maro. Na dia manaja ny zon’ny hafa hankalaza fitsingerenan’ny andro nahaterahana aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy isalasalana fa fantatrao tsara fa mifidy ny tsy handray anjara amin’ny fankalazana toy izany izy ireo. Kanefa, angamba tsy fantatrao ireo antony nanapahan’izy ireo sy ny zanany hevitra tsy handray anjara amin’ireny fankalazana ireny.

Ny Le livre des religions, rakibolana iray fatra-piely any Frantsa, dia miantso an’io fanao io hoe fankalazana ara-pomba iray ary mandahatra azy io ho anisan’“ireo fomba tsy ara-pivavahana”. Na dia heverina ho fanao tsy ara-pivavahana tsy mampaninona aza ny fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana amin’izao andro izao, raha ny marina, dia mifototra amin’ny fanompoan-tsampy.

Manambara toy izao ny The Encyclopedia Americana (fanontana 1991): “Nankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ireo andriamanitra sy mpanjaka ary andriana i Egypta, i Grisia sy i Roma ary i Persia fahizay.” Manambara ny antony fototr’izany i Ralph sy i Adelin Linton, mpanoratra. Ao amin’ny bokiny hoe The Lore of Birthdays, dia izao no nosoratany: “I Mezopotamia sy i Egypta, foiben’ny sivilizasiona, no tany voalohany koa izay nisy olona nahatsiaro sy nankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany. Zava-dehibe, tamin’ny andro fahiny, ny fitahirizana an-tsoratra ny andro nahaterahana, voalohany indrindra dia satria tena nilaina teo amin’ny famoronana tombam-bintana [horoscope] ny daty nahaterahana.” Io fifandraisana mivantana amin’ny astrolojia io dia mampanahy be dia be an’izay rehetra manalavitra ny astrolojia noho izay lazain’ny Baiboly momba azy io.—Isaia 47:13-15.

Tsy mahagaga àry raha mamaky toy izao isika ao amin’ny The World Book Encyclopedia: “Tsy nankalaza ny nahaterahany [ny an’i Kristy] ireo Kristianina tany am-boalohany, satria nihevitra ny fankalazana ny nahaterahan’iza na iza ho fanaon’ny mpanompo sampy izy ireo.”—Boky 3, pejy 416.

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia faly miara-mandany fotoana mahafinaritra

Amin’ny fitadidiana io fanazavana io ao an-tsaina, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mifidy ny tsy handray anjara amin’ireo lanonana fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana. Azo antoka fa fisehoan-javatra mahasambatra sy mahafinaritra ny fahaterahan’ny zaza iray. Ara-dalàna tsotra izao raha faly ny ray aman-dreny rehetra rehefa mitombo sy mihalehibe ny zanany, arakaraka ny fandehan’ny taona tsirairay. Mahita fifaliana lehibe koa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fanehoana ny fitiavany amin’ny fianakaviany sy ny namany, amin’ny fanolorana fanomezana sy amin’ny fiaraha-mandany fotoana mahafinaritra. Kanefa, rehefa heveriny ny niandohan’ireo fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana, dia aleony manao toy izany amin’ny fotoana hafa mandritra ny taona manontolo.—Lioka 15:22-25; Asan’ny Apostoly 20:35.

Krismasy

Ankalazaina maneran-tany ny Krismasy, na dia any amin’ny tany tsy kristianina maro aza. Koa satria eken’​ny ankamaroan’​ireo Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina io fety io, dia mety ho toa hahagaga ihany raha mifidy ny tsy hankalaza azy io ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana moa no izany no fihetsiny?

Araka ny ambaran’ny firaketana maro mazava tsara, dia noferana tamin’ny fomba jadona ho ny 25 Desambra ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Jesosy mba hifanitsiany tamin’ny andro firavoravoan’ny mpanompo sampy romana. Mariho ireto fanambarana manaraka ireto izay nalaina tao amin’ny boky fakan-teny samy hafa:

“Tsy fantatra ny daty nahaterahan’i Kristy. Ny Filazantsara dia tsy manondro na ny andro na ny volana.”—New Catholic Encyclopedia, Boky III, pejy 656.

“Ny Satiornaly tany Roma no nanome ny modely ho an’ny ankamaroan’ireo fanao momba ny firavoravoana amin’ny fotoan’ny Krismasy.”—Encyclopædia of Religion and Ethics

“Ny ankamaroan’ireo fanao amin’ny Krismasy fahita ankehitriny any Eoropa, na voarakitra an-tsoratra avy tamin’ny andro fahiny, dia tsy fanao tena kristianina marina, fa fanaon’ny mpanompo sampy kosa, izay neken’ny Eglizy na noleferiny. (...) Ny Satiornaly tany Roma no nanome ny modely ho an’ny ankamaroan’ireo fanao momba ny firavoravoana amin’ny fotoan’ny Krismasy.”—Encyclopædia of Religion and Ethics (Edinburgh, 1910), natontan’i James Hastings, Boky III, pejy 608-609.

“Nankalazaina tamin’ny 25 Desambra ny Krismasy tany amin’ireo fiangonana kristianina rehetra, nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra. Tamin’izay fotoana izay, dia izy io no datin’ny fankalazana ny sôlstisin’ny ririnina an’ny mpanompo sampy, nantsoina hoe ‘Fahaterahan’ny (Latina: natale) Masoandro’, satria toa nateraka indray ny masoandro, satria nanomboka nihalava indray ny andro. Tany Roma, dia noraisin’ny Eglizy io fanao faran’izay malaza io (...) tamin’ny fanomezana azy heviny vaovao.”—Encyclopædia Universalis, 1968, (frantsay) Boky 19, pejy 1375.

“Niharan’ny fitaoman’ny fankalazan’ny mpanompo sampy ny Sol Invictus [ny Masoandro Tsy Mety Resy] (Mithra) ny tantaran’ny fankalazana ny Krismasy. Tetsy an-danin’izany, ny 25 Desambra, izay andron’ny sôlstisin’ny ririnina, dia nampifandraisina tamin’ilay hazavana nipoitra teo amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’i Kristy, ary tamin’izay dia nafindra tamin’i Kristy ilay hevitra noraketin’ny Sol Invictus.”Brockhaus Enzyklopädie, (alemanina) Boky 20, pejy 125.

Rehefa nianatra ny tena izy momba ny Krismasy ny olona sasany, nanao ahoana ny fihetsiny? Manamarika toy izao ny The Encyclopædia Britannica: “Tamin’ny 1644, dia nandrara izay firavoravoana na fotoam-pivavahana rehetra ireo Puritains anglisy tamin’ny alalan’ny didin’ny Antenimieram-pirenena, satria andro firavoravoan’ny mpanompo sampy izy io [ny Krismasy], ary nandidiany ny hitandremana azy io ho toy ny andro fifadian-kanina. Namerina tamin’ny laoniny ilay fankalazana i Charles II, fa nifikitra tamin’ny fomba fijerin’ny Puritains kosa ny Ekose.” Tsy nankalaza ny Krismasy ny Kristianina tany am-boalohany, ary tsy mankalaza azy io koa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, no sady tsy mandray anjara amin’ireo fihetsiketsehana izay misy ifandraisana amin’ny Krismasy.

Ny Baiboly anefa dia miresaka amin’ny fomba manorina momba ny fanolorana fanomezana sy ny fanasana fianakaviana sy namana ho amin’ny sakafo mahafaly amin’ny fotoana hafa. Mampirisika ny ray aman-dreny izy hampiofana ireo zanany mba haneho fahalalahan-tanana, fa tsy hoe hanolotra fanomezana rehefa andrasan’ny fiaraha-monina ny hanaovany toy izany. (Matio 6:2, 3). Ampianarina hahay handefitra sy hanaja ny hafa ireo zanaka Vavolombelon’i Jehovah, ka tafiditra amin’izany ny fanekena ny zon’ny hafa hankalaza ny Krismasy. Ankasitrahan’izy ireo indray kosa rehefa hajaina ny fanapahan-keviny tsy handray anjara amin’ireo fankalazana ny Krismasy.

Fankalazana hafa

Mitovy amin’izany ihany ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah manoloana ny fety ara-pivavahana na tsy ara-pivavahana hafa izay misy mandritra ny taom-pianarana any amin’ny tany maro samihafa, toy ireo andro firavoravoana mandritra ny volana Jona any Brezila, ny Epiphanie any Frantsa, ny Carnaval du Mardi Gras any Alemaina, ny Setsubun any Japon, sy ny Halloween any Etazonia. Momba ireny fankalazana ireny na ny andro firavoravoana hafa voafaritra tsara, nefa tsy voalaza eto, dia azo antoka fa ho faly hamaly izay fanontanianao rehetra ireo ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah na ny zanany.