Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teny Famaranana

Teny Famaranana

TSY ny fandinihana feno ireo zavatra inoana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah akory no zava-kendren’itỳ bokikely itỳ. Niezaka kosa izahay nanazava ny sasany amin’ireo fotopoto-pitsipika inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy nampiseho mazava ny karazana fiainam-pianakaviana manan-kery eo amin’ny mpianatrao, raha Vavolombelon’i Jehovah ny iray amin’ny ray aman-dreniny na izy roa mihitsy.

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia maneho fiheverana lehibe ny fitomboan’ny zanany eo amin’ny ara-panahy. Ary matoky izy fa izany dia manatsara ny fitomboan’ny zanany eo amin’ny lafiny hafa koa. Ireo zavatra inoany sy ekeny ary ireo fotopoto-pitsipika arahiny dia manome heviny ny fiainany ary manampy azy hiatrika amim-pahombiazana ireo olana hitany isan’andro. Fanampin’izany, ireny zavatra inoana sy fotopoto-pitsipika ireny dia tokony hanosika azy hiezaka mba ho mpianatra mazoto sy ho olom-pirenena tsara mandritra ny fiainany manontolo.

Miezaka mijery ny fiainana araka ny tena izy ny Vavolombelon’i Jehovah, hany ka heveriny ho tena zava-dehibe ny fampianarana. Noho izany, ny faniriany dia ny hiara-miasa aminao araka izay farany azony atao. Raha ny aminy, any an-tokantranony sy any amin’ny toeram-panompoam-pivavahany maneran-tany, izy dia hanohy hampirisika ny zanany hiantsoroka ny anjara asany eo amin’izany fiaraha-miasa andraisan-tsoa izany.