Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toko Faha-9

Ahoana no Tokony Hifandraisana Amin’olona?

Ahoana no Tokony Hifandraisana Amin’olona?

1-3. a) Inona no tsaroan’ny Kristianina maro momba an’i Tyro fahiny? b) Nanao ahoana ny fifandraisan’i Hirama Mpanjaka sy ny Israely? d) Inona no azontsika ianarana avy amin’izay nanjo an’i Tyro?

INONA no tonga ao an-tsainao rehefa mahare ny anaran’ilay tanàna fahiny hoe Tyro? Kristianina maro no mahatsiaro ny nahatanterahan’ny faminaniana momba azy io. Nampiasain’i Aleksandra Lehibe ny sisan-javatra avy tamin’ny tanànan’i Tyro taloha, mba hanamboarana lalana hiampitana ho eny amin’ilay nosy nisy ny tanànan’i Tyro vaovao, ary noravany izy io. (Ezekiela 26:4, 12; Zakaria 9:3, 4) Kanefa rehefa mahare ny hoe Tyro ianao, ho tonga ao an-tsainao koa ve ny hoe ahoana no tokony hifandraisanao amin’ny rahalahinao kristianina sy amin’olon-kafa?

2 Nahoana tokoa moa no rava i Tyro? Hoy i Jehovah: ‘Noho ny nikomian’i Tyro intelo. Nanolotra ny babo rehetra ho eo an-tanan’i Edoma izy, sady tsy nahatsiaro ny fifaneken’ny mpirahalahy. Dia handefasako afo ny mandan’i Tyro.’ (Amosa 1:9, 10) Fony i Hirama no mpanjakan’i Tyro, dia tsara fanahy tamin’i Davida izy sady namatsy fitaovana hanamboarana ny tempolin’i Solomona. Nanao fifanekena taminy i Solomona ary nanome azy tanàna tany Galilia. Nantsoin’i Hirama hoe “rahalahiko” àry i Solomona. (1 Mpanjaka 5:1-18; 9:10-13, 26-28; 2 Samoela 5:11) “Tsy nahatsiaro ny fifaneken’ny mpirahalahy” anefa i Tyro tatỳ aoriana, ka namidiny ho andevo ny sasany tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. Hitan’i Jehovah izany.

3 Nomelohin’Andriamanitra àry ny Kananita tao Tyro satria nampijaly ny vahoakany. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Zava-dehibe ny fomba ifandraisantsika amin’ireo rahalahintsika kristianina. Efa nisy torohevitra mahakasika ny fomba tokony hifandraisana amin’ny hafa, hitantsika tao amin’ireo boky 12, anisan’izany ny hoe manao ny marina eo amin’ny raharaham-barotra sy madio fitondran-tena. Mbola misy torohevitra hafa momba izany koa anefa ao.

AZA MIFALY AMIN’NY FAHAVOAZAN’NY HAFA

4. Nahoana no lazaina fa ‘rahalahin’ny’ Israely ny Edomita? Ahoana anefa no fomba nitondran’ny Edomita an’ireo ‘rahalahiny’ ireo?

4 Misy lesona azo tsoahina avy amin’ny fanamelohan’Andriamanitra an’i Edoma, firenena teo akaikin’i Israely. Izao no voalazan’ny Obadia 12: “Tsy tokony ho finaritra nitazana ianao, tamin’ny andro nahitan’ny rahalahinao fahavoazana. Tsy tokony ho nifaly ianao, tamin’ny andro nandringanana ny taranak’i Joda.” Azo lazaina hoe ‘rahalahin’ny’ Israely ny mponin’i Tyro, satria nifampiraharaha ara-barotra taminy. Ny Edomita kosa tena ‘rahalahin’ny’ Israely ara-bakiteny satria taranak’i Esao, kambana amin’i Jakoba. Na i Jehovah aza niantso ny Edomita hoe ‘rahalahin’ny’ Israely. (Deoteronomia 2:1-4) Tena nankahala an’ireo Jiosy anefa ny Edomita, matoa faly rehefa nampahorin’ny Babylonianina ny Jiosy.—Ezekiela 25:12-14.

5. Ahoana no mety hahatonga antsika hitovy amin’ny Edomita?

5 Tsy nankasitrahan’Andriamanitra mihitsy ny nataon’ny Edomita tamin’ny Jiosy rahalahiny. Tsara àry ny handinihantsika hoe: ‘Ahoana no fahitan’Andriamanitra ny fifandraisako amin’ny rahalahiko kristianina?’ Tena tokony hoeritreretintsika hoe ahoana no fiheverantsika ny Kristianina iray ary manao ahoana ny fifandraisantsika aminy, rehefa misy ny olana. Aoka hatao hoe misy Kristianina nanafintohina anao na tsy mifankahazo amin’ny havanao. Hitana lolompo ve ianao, raha “manana antony hitarainana” momba azy, ka tsy hiezaka hanadino an’izay nitranga na handamina ilay olana? (Kolosianina 3:13; Josoa 22:9-30; Matio 5:23, 24) Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisanao amin’ilay Kristianina izany. Mety hiavonavona aminy ianao, na handosindositra azy na hanaratsy azy. Alao sary an-tsaina hoe manao fahadisoana izy any aoriana, ka mety hahazo torohevitra na fanitsiana avy amin’ny anti-panahy. (Galatianina 6:1) Hifaly amin’ny fahavoazany ve ianao, toy ny nataon’ny Edomita? Inona no tian’Andriamanitra hataonao?

6. Ampirisihina hanao inona isika, araka ny Mika 7:18?

6 Hoy i Jehovah: “Aza mamorona teti-dratsy ao am-ponareo hamelezana ny namanareo.” (Zakaria 7:9, 10; 8:17) Tsara ny hitadidiana izany rehefa misy rahalahy nanafintohina antsika, na nanao fahadisoana tamin’ny mpianakavintsika. Mora mantsy ny ‘mamorona teti-dratsy ao am-po’, ka mampiseho izany amin’ny zavatra ataontsika. Tian’Andriamanitra hanahaka azy anefa isika. Tsarovy fa nilaza i Mika hoe ‘mamela fahadisoana sy mamela heloka’ * i Jehovah. (Mika 7:18) Ahoana no anahafantsika azy?

7. Nahoana no tsara kokoa raha hadinoina fotsiny ny fahadisoana natao tamintsika?

7 Mety hampalahelo antsika ny nataon’ny hafa tamintsika na tamin’ny havantsika. Tena fahadisoana lehibe anefa ve ilay nataony? Atoron’ny Baiboly ny tokony hatao rehefa misy tsy fifanarahana, na misy Kristianina manota amin’ny rahalahiny. Ny tsara indrindra anefa matetika, dia ny tsy mifantoka amin’ilay fahadisoana. Aleo fotsiny ‘mamela heloka.’ Afaka manontany tena ianao hoe: ‘Maninona moa raha hadinoina any fotsiny ilay izy? Angaha moa i Jesosy tsy niteny hoe tokony hamela ny helony hatramin’ny im-77 aho?’ (Matio 18:15-17, 21, 22) Mety ho lehibe aminao ilay fahadisoana izao, kanefa mbola ho toy izany ihany ve rehefa afaka arivo taona? Makà lesona avy amin’ilay mpiasa falifaly mankafy ny sakafo hohaniny, voaresaka ao amin’ny Mpitoriteny 5:20. Izao no voalaza ao: “Mahalana izy vao hahatsiaro ny androm-piainany, satria ataon’Andriamanitra revo amin’ny zavatra mahafaly ny fony izy.” Mifantoka amin’ilay zavatra mahafinaritra azy ilay olona, ka hadinony ireo olana hitany isan’andro. Tsy aleo ve manao toy izany koa? Tsara kokoa ny mifantoka amin’ny fifaliana tsapantsika miaraka amin’ireo rahalahintsika kristianina. Amin’izay isika, dia ho afaka hanadino an’ireo disadisa izay tsy ho zava-dehibe intsony any aoriana any, ary tsy hotsarovana intsony aza ao amin’ny tontolo vaovao. Aleo lavitra manao toy izany, toy izay hifaly amin’ny fahavoazan’ny hafa na hitahiry lolompo.

Inona no tsy tokony hataonao raha misy nanafintohina anao?

MILAZÀ NY MARINA

8. Inona no mety ho sarotra amintsika?

8 Asongadin’ireo boky 12 koa fa tena tian’Andriamanitra ny hilazantsika ny marina. Azo antoka fa efa miezaka mafy manambara ‘ny fahamarinan’ny vaovao tsara’ isika. (Kolosianina 1:5; 2 Korintianina 4:2; 1 Timoty 2:4, 7) Sarotra kokoa anefa ny milaza ny marina, amin’ny resaka ifanaovantsika andavanandro amin’ny mpianakavintsika sy ny mpiray finoana amintsika. Nahoana?

9. Inona no mety hahatonga antsika tsy hilaza ny marina rehetra? Inona anefa no fanontaniana tokony hosaintsainintsika?

9 Iza amintsika moa no tsy efa niteny na nanao zavatra nampalahelo ny hafa, ary avy eo nolazain’ny olona tamintsika ilay izy? Mety ho menatra isika na hahatsiaro tena ho meloka, ka tsy hanaiky hoe diso. Mety hanamarin-tena koa isika ka hanamboamboatra resaka, mba hanalana tsiny ny tenantsika na hampisehoana fa mety ny nataontsika. Mety halaim-panahy tsy hilaza afa-tsy zavatra sasany koa isika, mba hanarontsaronana ny tsy mety nataontsika. Mety ho marina izay lazaintsika, nefa ho hafa mihitsy ny fanatsoahan-kevitr’ilay olona iresahantsika. Tsy tena hoe mandainga toy ny fanaon’ity tontolo ity isika amin’izay, kanefa moa ve tena ‘milaza ny marina amin’ny namantsika’ na ny rahalahintsika isika? (Efesianina 4:15, 25; 1 Timoty 4:1, 2) Raha efa fantatry ny Kristianina iray fa hahatonga ny rahalahiny hanatsoaka hevi-diso na hino zavatra tsy tena marina ny fomba ilazany zavatra, kanefa mbola hataony ihany ilay izy, ahoana no fiheveran’Andriamanitra izany?

10. Inona no nolazain’ny mpaminany momba ny fanaon’ny olona tany Israely sy Joda?

10 Nilaza ny mpaminany fa mety tsy hiraharaha izay takin’i Jehovah, na dia ny olona efa nanokan-tena ho azy aza. Hoy Andriamanitra momba ny olona sasany tamin’ny andron’i Hosea: “Horobaina izy fa nandika ny lalàko! Mba nanavotra azy aho, nefa nandainga momba ahy izy.” Tsy hoe nandainga an-kitsirano momba an’i Jehovah fotsiny izy ireo, fa ‘nanozona sy namitaka’ koa. Nilaza zavatra tsy marina angamba izy ireo mba hamitahana ny hafa. (Hosea 4:1, 2; 7:1-3, 13; 10:4; 12:1) Tany Samaria, fanjakana tany avaratra, i Hosea no nanoratra an’ireo teny ireo. Nanao ahoana kosa ny tany Joda? Hoy i Mika: “Mahery setra be ny mpanankarenany, mandainga ny mponina ao aminy, ary feno fitaka ny lelan’izy ireo.” (Mika 6:12) Nomelohin’ny mpaminany ireo ‘namitaka’ sy ireo nanana ‘lela feno fitaka.’ Na dia tsy minia mandainga aza ny Kristianina, dia tsara ny hieritreretany hoe: ‘Mamitaka ve aho indraindray, na manana lela feno fitaka? Inona no tian’Andriamanitra hataoko amin’io lafiny io?’

11. Inona no nolazain’ireo mpaminany fa tokony hataontsika?

11 Hoy ny Zakaria 8:16: “ ‘Izao no tokony hataonareo: Samia milaza ny marina amin’ny namany avy. Mitsarà araka ny rariny, ary aoka ianareo hamoaka didim-pitsarana mampisy fihavanana, eo am-bavahadinareo.” Teo am-bavahadin’ny tanàna ny anti-panahy no nitsara, tamin’ny andron’i Zakaria. (Rota 4:1; Nehemia 8:1) Tsy nilaza anefa i Zakaria hoe eo anatrehan’ny fitsarana ihany ny olona no tokony hilaza ny marina. Tsy maintsy milaza ny marina tokoa isika rehefa eo anatrehan’ny manam-pahefana, nefa ampirisihina koa hoe: “Samia milaza ny marina amin’ny namany avy.” Midika izany fa tokony hilaza ny marina isika rehefa miresaka amin’ny vady sy ny mpianakavy ao an-trano. Tokony hanao izany koa isika isan’andro, rehefa miresaka amin’ny mpiray finoana, na mivantana izany na an-telefaonina na amin’ny fomba hafa. Ara-dalàna mantsy raha manantena izy rehetra ireo hoe marina ny zavatra lazaintsika. Tokony hohamafisin’ny ray aman-dreny kristianina amin’ny zanany koa fa ratsy ny mandainga. Amin’izay dia ho fantatry ny ankizy hoe tsy tokony hamitaka izy ireo fa tokony hilaza ny marina, satria izany no takin’Andriamanitra.—Zefania 3:13.

12. Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’ireo boky 12?

12 Manaraka an’ity fampirisihan’i Zakaria ity ny olona mandeha amin’ny lalan’ny fahamarinana, na kely izy na lehibe: “Tiavo ny fahamarinana sy ny fihavanana.” (Zakaria 8:19) Mariho koa ny tenin’i Jehovah momba ny modely nomen’ny Zanany: “Teo am-bavany ny lalàn’ny fahamarinana, ary tsy mba nisy tsy fahamarinana teo amin’ny molony. Niara-nandeha tamiko tamim-piadanana sy tamim-pahitsiana izy.” (Malakia 2:6) Tsy izany koa ve no tian’i Jehovah hataontsika? Tadidio fa efa ananantsika ny Teniny, dia ny Baiboly manontolo, anisan’izany ireo boky nosoratan’ny mpaminany 12 izay azontsika andraisana lesona maro.

AZA MAHERY SETRA

13. Inona koa ny olana voaresaka ao amin’ny Mika 6:12?

13 Hitantsika teo fa nampahory ny hafa ny vahoakan’Andriamanitra fahiny, satria ‘nandainga’ izy ireo ary ‘feno fitaka ny lelany.’ Noresahin’ny Mika 6:12 koa anefa ny olana lehibe hafa iray. Hoy izy io: ‘Nahery setra be ireo mpanankarena.’ Inona no nahatonga izany, ary inona no lesona ho antsika?

14, 15. Inona ny zava-dratsy nampahalaza an’ireo firenena nanodidina ny vahoakan’Andriamanitra?

14 Nalaza ratsy ny firenena sasany nanodidina ny vahoakan’Andriamanitra. Anisan’izany i Asyria, izay tany avaratratsinanany. Hoy i Nahoma momba an’i Ninive renivohitr’izy io: “Lozan’ilay tanàna mpandatsa-dra! Feno fitaka sy fandrobana izy, ary tsy mitsahatra miremby.” (Nahoma 3:1) Nalaza ho tia ady sy lozabe tamin’ireo babo an’ady ny Asyrianina: Nodorany velona ny babo sasany na nendahany ny hodiny; ny hafa indray nopotsiriny ny voamasony, na notapahiny ny orony na ny sofiny na ny rantsantanany. Hoy ny boky Andriamanitra, Fasana, Manam-pahaizana (anglisy): ‘Ny tena ahafantarana an’i Ninive dia ny vonoan’olona, fandrobana, fanaovana didy jadona, fampahoriana ny madinika, ary ny ady sy ny herisetra isan-karazany.’ Nisy vavolombelona nanatri-maso an’izany ary angamba aza nandray anjara tamin’izany mihitsy. Tsy izy izany fa ny mpanjakan’i Ninive. Nandre ny hafatr’i Jona izy, ka nilaza toy izao momba izay tokony hataon’ny vahoakany: “Aoka samy hitafy lamba gony na ny olona na ny biby fiompy. Dia aoka izy ireo hiantso mafy an’Andriamanitra ka samy hiala amin’ny lalan-dratsiny sady tsy hanao herisetra intsony.”—Jona 3:6-8. *

15 Tsy tany Asyria ihany no nanjaka ny herisetra fa tany Edoma koa, izay tany atsimoatsinanan’i Joda. Nosazina àry i Edoma. Nahoana? “Ho tany efitra lao i Edoma, noho ny herisetra nataon’izy ireo tamin’ny taranak’i Joda, dia ny nandatsahany ran’olona tsy manan-tsiny, tany Joda.” (Joela 3:19) Nihaino an’izany fampitandremana izany ve ny Edomita, ka tsy nahery setra intsony? Nilaza toy izao momba an’i Temana, tanàna edomita, i Obadia, 200 taona teo ho eo tatỳ aoriana: “Hihorohoro ireo olo-mahery eo aminao, ry Temana ô! ... Ho ringana mandrakizay ianao, noho ny herisetra nihatra tamin’i Jakoba rahalahinao.” (Obadia 9, 10) Ary nanao ahoana ny vahoakan’Andriamanitra?

16. Inona no nolazain’i Amosa sy Habakoka momba ny zava-nisy tamin’ny androny?

16 Nilaza ny zava-nisy tany Samaria, renivohitry ny fanjakana tany avaratra, i Amosa. Hoy izy: “ ‘Jereo ny fikorontanana maro eo anivony sy ny fanambakana ao aminy. Tsy mahalala hanao izay mahitsy izy ireo’, hoy i Jehovah, ‘eny, ireo izay mitahiry herisetra sy fandrobana.’ ” (Amosa 3:9, 10) Mety hieritreritra ianao hoe tsy mba toy izany ny tany Joda, izay nisy ny tempolin’i Jehovah. Nanontany an’Andriamanitra toy izao anefa i Habakoka, izay nipetraka tany: “Mandra-pahoviana no iantsoako vonjy aminao noho ny herisetra, nefa tsy vonjenao? Nahoana no ataonao mahita zava-dratsy aho, ary jerenao fotsiny ny faharatsiana? Nahoana no misy fandrobana sy herisetra eo anoloako?”—Habakoka 1:2, 3; 2:12.

17. Inona no nety ho nahatonga ny vahoakan’Andriamanitra hahery setra?

17 Nahoana no lasa nahery setra ny vahoakan’Andriamanitra? Sao dia nanahaka ny toe-tsain’ny Asyrianina sy ny Edomita, na ny firenen-kafa izy ireo? Mety hitranga tokoa izany, araka ny efa nampitandreman’i Solomona hoe: “Aza mitsiriritra olona tia herisetra, na mifidy ny lalany.” (Ohabolana 3:31; 24:1) Nivantana kokoa ny tenin’i Jeremia tatỳ aoriana, hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Aza mianatra ny fanaon’ireo firenena.’ ”—Jeremia 10:2; Deoteronomia 18:9.

Mahatonga ny ankizy hieritreritra hoe mety ny mampiasa herisetra, ny ankamaroan’ny tantara sy ny lalao video natao ho azy ireo

18, 19. a) Hanao ahoana ny fihetseham-pon’i Habakoka raha mahita ny herisetra misy ankehitriny? b) Ahoana no fahitanao ny herisetra amin’ny androntsika?

18 Raha mbola velona teo i Habakoka, tsy ho tsiravina ve izy mahita ny herisetra ankehitriny? Maro ny olona efa zatra nijery herisetra, hatramin’ny fahakeliny. Ahitana olona mifamono ny tantara sasany ao amin’ny tele natao ho an’ny ankizy, ary lasa potipotika na miparitaka ny fatin’izay resy. Variana amin’ny lalao video indray ireo ankizy rehefa mihalehibe, kanefa mbola misy herisetra ihany izany satria tsy maintsy mitifitra na mamotika ny fahavalony izy raha te handresy. Mety hisy hilaza hoe: “Kilalao fotsiny ange ireny e!” Lasa zatra mahita herisetra anefa ny mpilalao video toy izany, na ao an-trano izy no milalao na any ivelany, ka lasa voavolavolan’izany ny fihetsiny sy ny toe-tsainy. Marina tokoa ity voalaza ity: “Mitaona ny namany ny olona tia herisetra, sady mitarika azy ho amin’ny lalan-dratsy”!—Ohabolana 16:29.

19 Tsy afa-nanoatra i Habakoka, fa tsy maintsy nahita ny faharatsiana sy ny herisetra nitranga teo anoloany. Nalahelo izy nahita izany. Afaka manontany tena toy izao àry ianao: ‘Hahazo aina ve izy miara-mijery amiko an’ireo fandaharana fijeriko ao amin’ny tele? Moa ve izy hijery an’ireo fanatanjahan-tena misy herisetra, izay ahitana mpilalao manao akanjo fiarovan-tena toy ny mpiady fahiny?’ Mampientanentana ny olona sasany, ohatra, ny mijery ady totohondry na tolona, na mahita an’ireo mpanohana mafana fo mifamely. Any amin’ny firenena sasany kosa, dia maro no tia mijery filma na video misy herisetra, na ady, na karate. Tsy mampaninona, hono, ny mijery an’ireny satria anisan’ny tantaran’ilay firenena ireny, na anisan’ny kolontsainy. Midika anefa ve izany fa tsara ny herisetra?—Ohabolana 4:17.

20. Inona ny karazana herisetra noresahin’i Malakia?

20 Niresaka lafiny hafa amin’ny herisetra koa i Malakia. Hoy i Jehovah ao amin’ny Malakia 2:16, momba an’ireo Jiosy nivadika tamin’ny vadiny. “ ‘Halako ny fisaraham-panambadiana’, hoy i Jehovah Andriamanitry ny Israely. ‘Halako koa ny olona mandoto ny akanjony amin’ny herisetra.’ ” Samy hafa ny fomba nahazoan’ny manam-pahaizana ny hevitr’ilay teny hebreo nadika hoe “mandoto ny akanjony amin’ny herisetra.” Misy manazava azy io hoe lasa mihosin-dra ny akanjon’ilay olona avy namono olona. Na inona na inona heviny, dia nomelohin’i Malakia ny olona mamono vady. Niresaka ny amin’ny herisetra an-tokantrano àry izy, ary nasehony fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany.

21. Tsy tokony hahery setra amin’iza ny Kristianina?

21 Tsy hoe afa-tsiny kokoa noho ireo mampiasa herisetra eny imasom-bahoaka akory, izay mampiasa herisetra sy teny mahery ao an-tokantranony. Samy hitan’Andriamanitra mantsy ireny. (Mpitoriteny 5:8) Ny herisetra ataon’ny lehilahy amin’ny vadiny no tena noresahin’i Malakia. Tsy milaza koa anefa ny Baiboly hoe mety raha mahery setra amin’ny zanany na ny ray aman-dreniny be taona izy. Tsy afa-tsiny koa ny vehivavy manao toy izany amin’ny vadiny, na amin’ny zanany na ny ray aman-dreniny. Marina fa mety hisy ny olana satria tsy lavorary ny mpianakavy tsirairay, ka mety ho sorena na ho tezitra mihitsy aza indraindray. Manoro hevitra antsika anefa ny Baiboly hoe: “Tezera fa aza manota. Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.”—Efesianina 4:26; 6:4; Salamo 4:4; Kolosianina 3:19.

22. Nahoana no tsy voatery hahery setra isika, na dia toy izany aza ny manodidina antsika?

22 Mety hisy hilaza toy izao mba hanalana tsiny ny tenany: ‘Nahery setra ny olona tao an-tranonay ka lasa mahery setra koa aho’, na ‘Efa toetran’ny olona avy any aminay mihitsy ny mora misafoaka.’ Nanjaka koa ny herisetra tamin’ny andron’i Mika, kanefa tsy nanala tsiny an’ireo ‘mpanankarena nahery setra be’ izy. (Mika 6:12) “Feno herisetra” koa ny tany, tamin’ny andron’i Noa. Nanjary nahery setra koa anefa ve izy sy ny zanany? Tsia! “Nankasitrahan’i Jehovah” kosa i Noa. Nanahaka azy ny zanany, ka voaro izy ireo rehefa tonga ny Safodrano.—Genesisy 6:8, 11-13; Salamo 11:5.

23, 24. a) Inona no manampy antsika tsy hahery setra? b) Ahoana no fahitan’i Jehovah an’ireo olona miezaka hifandray amin’ny hafa araka ny itiavany azy?

23 Malaza ho tia fihavanana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, fa tsy tia herisetra. Ankatoavin’izy ireo ny lalàn’i Kaisara mandrara ny herisetra. (Romanina 13:1-4) Efa ‘nanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo’ ary miezaka ny hitandro fihavanana. (Isaia 2:4) Miezaka hitafy “ny toetra vaovao” koa izy ireo, satria manampy azy tsy hahery setra izany. (Efesianina 4:22-26) Dinihin’izy ireo koa ny ohatra tsara omen’ny anti-panahy, izay “tsy mpikapoka” sy tsy mpandevilevy.—1 Timoty 3:3; Titosy 1:7.

24 Tsy maintsy mifandray amin’olona araka ny itiavan’Andriamanitra azy isika, ary tena afaka manao izany raha ny marina. Hoy i Hosea: “Iza no hendry ka hahazo ny hevitr’izany? Ary iza no malina ka hahalala an’izany? Fa mahitsy ny lalan’i Jehovah, ka ny marina no handeha eo.”—Hosea 14:9.

^ feh. 6 Midika ara-bakiteny hoe ‘mandalo fahadisoana’ ilay teny hebreo nadika hoe ‘mamela heloka.’ Izao no fanazavan’ny manam-pahaizana iray momba ilay teny hoe ‘mandalo fahadisoana’: ‘Izany dia toy ny olona iray mandalo amin’ny toerana iray, nefa tsy ifantohany izay zavatra tsy tiany hojerena. Tsy midika akory izany hoe tsy mijery ny fahotantsika Andriamanitra, fa tsy mifantoka amin’izany kosa izy indraindray satria te hamela heloka fa tsy te hanasazy.’

^ feh. 14 Nisy tanàna hoe Kala (Nimroud), nohavaozin’i Assournasirpal, tany amin’ny 35 kilaometatra teo ho eo atsimoatsinanan’i Ninive. Izao no voalazan’ny boky Arkeolojia Momba ny Baiboly (anglisy) momba an’ireo rindrina avy any Kala, izay ampirantina ao amin’ny Tranombakoka Britanika: ‘Notantarain’i Assournasirpal tamin’ny an-tsipiriany ny habibiana vitany tamin’izy nanafika. Nahantony tamin’ny tsato-kazo ireo babo, na nofantsihany tamin’ny hazo teny amin’ny mandan’ireo tanàna voababony. Nendahany koa ny hoditr’ireo tovolahy sy tovovavy mbola velona.’