Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toko Faha-13

“Ambarao any Amin’ireo Firenena Izao”

“Ambarao any Amin’ireo Firenena Izao”

Inona no hataonao raha mandre liona mierona?

1. Inona no tokony hataontsika, rehefa mandre an’i Jehovah miteny amin’ny alalan’ny mpaminaniny?

EFA nandre liona mierona ve ianao? Mampahatahotra ny feony, ary mety ho re hatrany amin’ny valo kilaometatra izany. Inona àry no hataonao raha mandre liona mierona eny akaikinareo eny ianao, amin’ny alina mangina? Azo inoana fa hanao zavatra avy hatrany ianao. Nampiasa an’izao fanoharana izao i Amosa, iray amin’ireo mpaminany 12: “Misy liona mierona, ka iza no tsy hatahotra? I Jehovah Tompo Fara Tampony no miteny, ka iza no tsy haminany?” (Amosa 3:3-8) Ahoana no hataonao raha mandre an’i Jehovah miteny? Hanao toa an’i Amosa ve ianao? Avy hatrany izy dia nanambara fanamelohana ho an’ny foko folon’ny Israely.

2. a) Ahoana no anahafanao an’i Amosa? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity toko ity?

2 Hiteny angamba ianao hoe: ‘Ka izaho ange tsy mpaminany e!’ Mety hihevi-tena ho tsy mahay ianao, satria tsy nampiofanina toy ny mpaminany. Tadidio anefa i Amosa. Hoy izy tamin’i Amazia mpisorona, izay mpivavaka tamin’ny zanak’omby: “Sady tsy mpaminany aho no tsy zanaka mpaminany, fa mpiandry ondry sady mpanindrona aviavidia.” (Amosa 7:14) Avy tamin’ny fianakaviana tsotsotra i Amosa, kanefa vonona hanatanteraka ny asa nanirahana azy, dia ny ho mpaminanin’i Jehovah. Ary ianao? Fantatrao ve fa nanankinana asa mitovitovy amin’ny an’ireo mpaminany 12 ianao? Izany dia ny hanambara ny hafatr’Andriamanitra amin’ny androntsika sy ny hanao mpianatra. Ahoana no fahitanao an’io asa lehibe io? Inona no hafatra tokony hambaranao any amin’ireo firenena? Manatontosa tsara an’io asa io ve ianao? Ahoana no amaritana raha mahomby ianao na tsia? Handinika ny valin’ireo fanontaniana ireo isika.

“NY VANTOTR’OMBILAHY FIDERANA”

3. Nahoana no lazaina fa mitovitovy amin’ny asan’ny mpaminany ny asa nankinina taminao?

3 Mitovitovy amin’ny asan’ny mpaminany tokoa ve ny asa nankinina taminao? Marina fa tsy niteny mivantana taminao i Jehovah. Toy ny hoe mandre ny teniny ihany anefa ianao, rehefa mamaky Baiboly. Hitanao ao ilay hafatra maika hoe tena akaiky ny andron’i Jehovah. Araka ny hitantsika tao amin’ny Toko voalohany, dia manana heviny maro ilay teny hoe “mpaminany.” Mety tsy ho mpaminany sahala amin’i Amosa sy ny mpaminany hafa fahiny ianao, kanefa afaka manambara ny hoavy. Amin’ny fomba ahoana? Manao izany ianao rehefa manambara ny faminaniana nianaranao tao amin’ny Soratra Masina, anisan’izany ireo boky nosoratan’ny mpaminany 12. Izao indrindra no fotoana tokony hanaovana izany!

Nanomboka ‘naminany’ ny vahoakan’Andriamanitra, taoriana kelin’ny taona 1900

4. Nahoana no lazaina fa tanteraka amin’ny andro ankehitriny koa ny Joela 2:28-32?

4 Misy lafiny hafa tsara hodinihina koa ity. Nilaza tamin’i Joela mpaminany i Jehovah Andriamanitra fa ho avy ny fotoana haminanian’ny karazan’olona rehetra. Hoy izy: “Handatsahako ny fanahiko ny karaza-nofo rehetra, ka ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany. Ary ny lahiantitra eo aminareo hanonofy, ary ny tovolahy eo aminareo hahita fahitana.” (Joela 2:28-32) Nilaza ny apostoly Petera tamin’ny Pentekosta taona 33, fa tanteraka tamin’io andro io ilay faminanian’i Joela. Nilatsahan’ny fanahy masina mantsy ireo olona nivory tao amin’ny efitrano iray tao Jerosalema, ka nanambara “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 1:12-14; 2:1-4, 11, 14-21) Misy fahatanterahany lehibe koa io faminaniana io amin’ny andro ankehitriny. Tanteraka izy io taoriana kelin’ny taona 1900. Nanomboka ‘naminany’ ny Kristianina voahosotra, na lahy na vavy, na antitra na tanora. ‘Naminany’ izy ireo, izany hoe nanambara “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra”, anisan’izany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana efa miorina any an-danitra.

5. a) Inona no azontsika rehetra atao? b) Inona no dikan’ilay hoe ‘ny vokatry ny molotra, dia ny vantotr’ombilahy fiderana’? Nahoana no zava-dehibe ny hanolorana izany?

5 Tsy nateraky ny fanahy masina ho zanak’Andriamanitra ny “vahoaka be” anisan’ny “ondry hafa.” Hoy anefa izy ireo amin’ny voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy Kristy: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16; Zakaria 8:23) Na manantena hiaina mandrakizay any an-danitra ianao na eto an-tany, dia azonao atao ny manolotra ‘ny vokatry ny molotrao, dia ny vantotr’ombilahy fiderana.’ (Hosea 14:2) Inona no tian’i Hosea holazaina amin’izany? Hoy i C. Keil, manam-pahaizana momba ny Baiboly: ‘Ny vantotr’ombilahy no fanati-pisaorana tsara indrindra.’ Misy ifandraisana amin’io Hosea 14:2 io ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: ‘Aoka foana isika hanao sorona fiderana ho an’Andriamanitra, dia ny vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso momba ny anarany.’ (Hebreo 13:15) Ny teny iderantsika an’i Jehovah àry no atao hoe ‘vokatry ny molotra, dia ny vantotr’ombilahy fiderana.’ Ny teny fiderana toy izany no teny tsara indrindra aloaky ny vavantsika.

6. Nahoana isika no tokony handinika hoe manao ahoana ny sorona ataontsika?

6 Manao sorona fiderana ho an’i Jehovah isika rehefa mivavaka avy amin’ny fo, sy manome valin-teny milaza ny fankasitrahantsika Azy rehefa any am-pivoriana, ary mafana fo rehefa mitory. Tsara anefa ny hieritreretantsika tsirairay hoe: ‘Manao ahoana ny hatsaran’ny sorona fiderana ataoko?’ Azo antoka fa mahasosotra anao ny nataon’ny mpisorona tamin’ny andron’i Malakia, izay sahy nitondra biby nisy tsininy teo amin’ny alitaran’Andriamanitra. Tsy tsapan’izy ireo akory anefa hoe nanamavo ny latabatr’i Jehovah izy ireo, ka tsy maintsy nilaza taminy Andriamanitra fa ratsy ny sorona natolony. (Malakia 1:8) Tokony handinika àry isika hoe manao ahoana ny sorona ataontsika, mba hahitana raha ny tsara indrindra sy tsy misy tsininy izany.

ILAY HAFATRA TOKONY HAMBARA

7. Lafiny inona amin’ny hafatra torintsika no mitaky herim-po ny fanambarana azy?

7 Mitaky herim-po ny manolotra ny ‘vokatry ny molotra’, rehefa eny amin’ny fanompoana. Nahoana? Satria misy lafiny roa ny hafatra torintsika, kanefa tsy be mpitia ny lafiny iray. Hoy i Joela tamin’ny vahoakan’Andriamanitra: “Ambarao any amin’ireo firenena izao: ‘Miomàna hiady! Entano ny lehilahy mahery! Aoka izy ireo hanatona! Aoka hiakatra ny lehilahy mpiady rehetra!’ ” (Joela 3:9) Asaina hiomana hiady toy izany koa ireo firenena ankehitriny! Mihantsy ady amin’izay olona manohitra azy mantsy i Jehovah. Milaza amin’ny vahoakany izy mba ‘hanefy ny sabany ho angadinomby, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.’ Hoy kosa izy amin’ireo firenena fahavalony: “Tefeo ho sabatra ny angadinombinareo, ary ho lefona ny antsy fandrantsanam-boalobokareo.” (Mika 4:3; Joela 3:10) Tsy maintsy miomana hifanandrina amin’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao tokoa ny fahavalony. Tsy mahafinaritra ny olona izany hafatra ambarantsika izany!

8. Nahoana no ampitahaina amin’ny liona “ny sisa amin’i Jakoba”?

8 Oharin’i Mika mpaminany amin’ny liona ireo olona manolotra ny ‘vokatry ny molotra, dia ny vantotr’ombilahy fiderana.’ Hoy izy: ‘Ho eo anivon’ireo firenena ny sisa amin’i Jakoba, ka ho toy ny liona eo anivon’ny bibidia any an’ala sy ho toy ny liona tanora eo anivon’ny andian’ondry. Rehefa mandalo mantsy ny liona, dia sady manitsakitsaka no mamiravira, ary tsy misy mahavonjy an’izay azony.’ (Mika 5:8) Nahoana no mety tsara io fanoharana io? Satria tsy maintsy be herim-po toy ny liona ny vahoakan’Andriamanitra tarihin’ireo sisa voahosotra ankehitriny, rehefa mampitandrina an’ireo firenena fa akaiky ny andron’i Jehovah. *

Sahy manambara ny andron’i Jehovah ve ianao?

9. a) Rahoviana ianao no tena mila be herim-po toy ny liona? b) Inona no hanampy anao ho be herim-po rehefa misy manohitra na tsy miraika?

9 Be herim-po toy ny liona ve ianao rehefa manambara an’ilay fampitandremana? Tsy hoe rehefa entina eo anatrehan’ny manam-pahefana ihany ianao no mety hila herim-po, fa rehefa miresaka amin’ny mpiara-mianatra na ny mpiara-miasa na ny havana tsy Vavolombelona koa. (Mika 7:5-7; Matio 10:17-21) Ahoana àry no hanananao herim-po rehefa misy manohitra na tsy miraika? Diniho hoe inona no nanampy an’i Mika hampitandrina ny Jiosy momba ny fandravana an’i Samaria sy Jerosalema. Hoy izy: “Feno hery avy amin’ny fanahin’i Jehovah [aho], ary tena tiako ny rariny sady be herim-po aho mba hilaza amin’i Jakoba ny fikomiany, ary amin’i Israely ny fahotany.” (Mika 1:1, 6; 3:8) Afaka mahazo be dia be amin’ny fanahin’Andriamanitra koa ianao, ka ho “feno hery” toa an’i Mika. (Zakaria 4:6) Raha miantehitra amin’Andriamanitra sy mivavaka aminy ianao, dia ho vitanao ny hanambara an’ilay hafatra mety hampangorintsina ny sofin’izay mandre azy.—2 Mpanjaka 21:10-15.

10. Ahoana no anahafantsika an’i Zefania rehefa manambara “ny andron’i Jehovah” isika?

10 Tokony hahay handanjalanja koa anefa ianao rehefa manambara an’ilay fampitandremana. Tokony “halemy fanahy [na “hahay handanjalanja”] amin’ny rehetra” isika, na dia rehefa manambara aza fa akaiky “ny andron’i Jehovah.” (2 Timoty 2:24, fanamarihana ambany pejy; Joela 2:1, 11; Zefania 1:14) Azontsika tahafina ireo mpaminany 12. Sahy nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah izy ireo, nefa koa tsara fanahy tamin’izay nihaino azy. Tsy niolakolaka mihitsy, ohatra, i Zefania nanameloka an’ireo andriana (na olona ambony) maty eritreritra tamin’ny androny, kanefa tsy nanakiana an’i Josia, mpanjaka tsy nivadika, izy. (Zefania 1:8) Ary ahoana ny amintsika? Vonona hanampy an’ireo olona ampitandremantsika ve isika rehefa mitory, ka hihevitra fa mety ho lasa anisan’ny ondry ihany izy ireny, fa tsy hoe tsy azo avotana intsony?—Matio 25:32-34.

11. a) Inona no lafiny faharoa amin’ny hafatra torintsika? b) Ahoana no anahafanao an’ireo mpaminany 12, rehefa mitory ianao fa ho avy ny andron’i Jehovah?

11 Inona no lafiny faharoa amin’ny hafatra torintsika? Asongadina ao amin’ny Mika toko faha-5 izany. Izao no voalaza ao: “Eo anivon’ny firenena maro, dia ho toy ny ando avy amin’i Jehovah sy ho toy ny oram-be mirotsaka eny amin’ny zavamaniry, ny sisa amin’i Jakoba [na Israely ara-panahy]. Tsy manantena olona na miandry ny zanak’olombelona ireny.” (Mika 4:1; 5:7) Mitory ny vaovao tsara amin’ny “firenena maro” ny “sisa” amin’ny Israely ara-panahy sy ireo namany, ka toy ny “ando avy amin’i Jehovah” sy “oram-be mirotsaka eny amin’ny zavamaniry.” Miresaka betsaka momba izany hafatra izany ireo boky 12 farany amin’ny Soratra Hebreo. Tsy nitory momba ny fandringanana fotsiny mantsy ireo mpaminany, fa niresaka koa hoe haverina amin’ny laoniny ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra. Asongadinao koa ve ilay lafiny mampahery momba ny andron’i Jehovah rehefa mitory ianao?

AHOANA NO ANAMBARANAO AN’ILAY HAFATRA?

12, 13. a) Nahoana no ampitahaina amin’ny andiam-bibikely ny vahoakan’Andriamanitra? b) Tapa-kevitra ny hanao inona ianao, rehefa mamaky ny Joela 2:7, 8?

12 Ahoana àry no anambaranao an’ilay hafatra? Nilaza i Joela fa ny asan’ny vahoakan’Andriamanitra dia toy ny loza mifanesy avy amin’ny bibikely, anisan’izany ny valala. (Joela 1:4) Fa nahoana no ampitahaina amin’ny andiam-bibikely ny vahoakan’i Jehovah? Satria antsoin’Andriamanitra hoe “tafiny” izy ireo ao amin’ny Joela 2:11. (Oharina amin’ny valala koa ny vahoakan’Andriamanitra ao amin’ny Apokalypsy 9:3, 4.) Toy ny fiasan’ny afo mandevona no ilazan’i Joela ny asan’ireo bibikely ireo. Lasa “tany efitra lao” izay lalovany, na dia toy “ny zaridainan’i Edena” aza teo aloha. (Joela 2:2, 3) Ahoana no ampisehoanao fa azonao tsara ny hevitr’io faminaniana io?

13 Diniho fa manatontosa tsara ny asany ireo bibikely ireo. Hoy i Joela: “Mihazakazaka toy ny lehilahy mahery izy ireo, ary mianika manda toy ny lehilahy mpiady. Samy mandeha amin’izay hitsiny izy, ka tsy manova ny lalany. Tsy mifanosika izy ireo, sady miroso hatrany toy ny lehilahy tomady mandeha eny amin’ny lalany. Ary raha misy lavo aza noho ireo zana-tsipìka misidintsidina, dia tsy mijanona ny hafa fa manohy ny diany.” (Joela 2:7, 8) Tsy misy mahasakana ny loza entin’izy ireo na dia ny fanoherana sy sakana toy ny “manda” aza. ‘Lavo noho ireo zana-tsipìka misidintsidina’ ny sasany tamin’izy ireo, satria novonoin’ny fahavalo ny Kristianina tsy nivadika sasany. Misy mandimby anefa izy ireo, ka mbola mitohy ilay asa nasain’i Jehovah hatao. Tapa-kevitra ny hanambara foana ny fiavian’ny andron’i Jehovah àry ve ianao, mandra-pilazany hoe vita ilay asa? Raha ny marina, dia mety ho efa manohy ny asan’ireo Kristianina tsy mivadika efa nodimandry ianao.

Afaka ny ho mpitory mahomby ianao, na mandray ny olona na tsia

14. Inona no tokony hataonao mba ho anisan’ireo manatontosa tsara ny asa fitoriana?

14 Asongadin’io faminanian’i Joela io fa tokony hanatontosa tsara ny asa fitoriana isika. Ahoana àry no anaovanao izany? Manao izany ianao rehefa mitory isan-trano, sy miverina mampianatra an’ireo olona liana, ary miverina any amin’ireo tsy tratra an-trano. Ho hita amin’izany fa azonao tsara ny hevitr’ilay faminaniana. Rehefa mitory eny an-dalana koa ianao, dia mety hihaona amin’ny olona mbola tsy nitoriana mihitsy. Azonao atao koa ny manampy an’ireo mpifindra monina eny amin’ny manodidina anao. * Miezaka manao izany rehetra izany ve ianao? Raha izany no izy, dia anisan’ireo manatontosa tsara ny asa fitoriana ianao.

AHOANA NO AMARITANA HOE MAHOMBY IANAO?

15. Ahoana no fandraisan’ny olona ny hafatra nampitain’ireo mpaminany 12?

15 Mihaino ve ny olona, rehefa mitory momba ny andron’i Jehovah isika? Manohitra na tsy miraika ny sasany, kanefa tsy tokony hahagaga antsika izany. Tojo an’izany koa ny ankamaroan’ny mpaminanin’Andriamanitra, rehefa nampitandrina ny olona izy ireo. (Jeremia 1:17-19; 7:27; 29:19) Nisy vokany tsara ihany anefa ny fitorian’ny mpaminany sasany. Nahavita nanohina ny fon’ny olona sasany ny dimy tamin’izy ireo, fara fahakeliny: Jona, Mika, Zefania, Hagay, ary Zakaria. Nibebaka noho ny fahotany ireny olona ireny, ka niova.

16. Inona no vokatry ny ezaka nataon’i Mika mpaminany?

16 Azo inoana fa ny hafatra nambaran’i Zefania mpaminany no nandrisika an’i Josia Mpanjaka hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio. I Mika kosa nanambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ireo lohandohany tao Joda, ka nisy vokany tsara tamin’i Hezekia Mpanjaka izany. (Mika 3:1-3) Nilaza, ohatra, ny anti-panahy sasany tamin’ny andron’i Jeremia fa fakan-tahaka io mpanjaka io, satria ‘natahotra an’i Jehovah sy nampitony an’i Jehovah.’ (Jeremia 26:18, 19; 2 Mpanjaka 18:1-4) Noho ny fampirisihan’i Hezekia, dia nankalaza ny Paska sy ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay ny mponin’i Joda, sy ireo olona natosiky ny fony, avy any amin’ny fanjakana tany avaratra. Notohizin’izy ireo nandritra ny herinandro fanampiny mihitsy aza izany. Inona no vokany rehefa nanaraka ny fivavahana marina indray izy ireo? “Nisy fifaliam-be tany Jerosalema.” (2 Tantara 30:23-26) Efa hatramin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka i Mika no nanambara fa hisy loza hanjo an’ilay firenena mpivadi-pinoana. Nisy vokany tsara ihany anefa ny ezaka nataony, satria nandray tsara an’ilay hafatra i Hezekia, zanak’i Ahaza.

17. Inona no vokatry ny fampirisihan’i Hagay sy Zakaria?

17 Andeha hodinihintsika indray ny amin’i Hagay sy Zakaria, izay naminany tamin’ireo Jiosy avy any an-tsesitany. Nanjary tsy niraika sy tsy nieritreritra afa-tsy izay hahasoa ny tenany ilay vahoaka. (Hagay 1:1, 2; Zakaria 1:1-3) Tamin’izy roa lahy nanomboka naminany, dia efa 16 taona no lasa hatramin’ny nanorenana ny fototry ny tempoly. ‘Samy nihazakazaka nikarakara ny tranony avy’ ny olona, nefa ny tranon’i Jehovah mbola “rava.” Nampirisika ny Jiosy àry i Hagay hoe: “ ‘Mahereza daholo ianareo mponin’ity tany ity’, hoy i Jehovah, ‘ka miasà.’ ” Inona no nitranga avy eo? “Nentanin’i Jehovah” i Zerobabela Governora sy Josoa Mpisoronabe ary “ny vahoaka sisa rehetra”, ka afaka namita an’ilay tempoly izy ireo.—Hagay 1:9, 12, 14; 2:4.

18, 19. a) Ahoana no fandraisan’ny olona any amin’ny faritra sasany an’ilay hafatra momba ny andron’i Jehovah? b) Inona no azonao atao mba hitoriana amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra?

18 Nampita hafatra tamin’ny firenena nanokan-tena ho an’i Jehovah hatry ny ela, ny ankamaroan’ireo mpaminany 12. Isika kosa mety hitory amin’ny olona mbola tsy nahalala an’Andriamanitra mihitsy. Misy lesona ho antsika ihany anefa ny vokatry ny fitorian’izy ireo. Mandray tsara an’ilay hafatra maika momba ny andron’i Jehovah koa ny olona any amin’ny faritra maro ankehitriny. Tanteraka ny tenin’i Zakaria hoe: “Firenena maro no hiandany amin’i Jehovah amin’izany andro izany, ka ho tonga oloko. Ary honina eo aminao aho.” (Zakaria 2:11) Olona avy amin’ny “firenena maro” tokoa no mandray ny hafatra torin’ny vahoakan’Andriamanitra. (Apokalypsy 7:9) Naminany i Zakaria hoe: “Hisy olona maro sy firenena matanjaka ho avy hitady an’i Jehovah Tompon’ny tafika any Jerosalema, sy hitady sitraka amin’i Jehovah.” Oharina amin’ny “olona folo avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena” izy ireo, ary mihazona ny akanjon’ny Israelita ara-panahy, sady manao hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”—Zakaria 8:20-23.

19 Mariho ilay teny hoe “fiteny rehetran’ireo firenena.” Adika amin’ny fiteny maro ny Baiboly sy ny boky ara-baiboly ankehitriny. Mampiofana mpitory koa ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampianatra olona avy amin’ny “fiteny rehetran’ireo firenena.” (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8) Mety ho efa nianatra fiteny hafa ianao, mba hanampiana an’ireo vahiny ao amin’ny faritra misy anao. Maromaro koa izao no vonona hianatra teny vahiny iray na roa, sy vonona hifindra any amin’ny tany misy olona maro liana amin’ny vaovao tsara. Mety ho afaka hifindra any amin’ireny toerana ireny ve ianao, ka hitory “any amin’ireo firenena”? Eritrereto sy ataovy antom-bavaka izany. Raha manambady aman-janaka ianao, dia tsara raha mifampiresaka momba izany matetika ianareo mianakavy, mba hananan’ny zanakao tanjona toy izany koa.

20. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah tamin’ny Ninivita?

20 Anisan’ny mpaminany nahita vokatra koa i Jona. Tsy nampoiziny hihaino ny hafatra notoriny ny Ninivita, kanefa nihaino na dia ny mpanjaka aza, ka nino an’i Jehovah. Nilaza àry Andriamanitra hoe: “Izaho ve tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy izay tsy mahalala akory ny havia sy havanany?” (Jona 4:11) Eritrereto izany rehefa mandinika ny antony anambaranao ny andron’i Jehovah ianao. Mankasitraka an’i Jehovah ve ianao noho ny nanomezany ny vidim-panavotana mba hamonjena anao? Mahatsiaro ho manana adidy ve ianao, noho ianao efa nanokan-tena hanompo azy? (1 Korintianina 9:16, 17) Antony lehibe tokony hanambarana ny andron’i Jehovah ireo. Ankoatra izany, moa ve ianao tsy mba “malahelo” ny olona itorianao? Ho sambatra tokoa ianao raha ny famindram-po no mandrisika anao hiresaka momba an’io andro io!

21. Inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatr’i Amosa?

21 Tsy fantatsika hoe nanao ahoana ny fandraisan’ny olona ny hafatra nambaran’i Joela, Obadia, Nahoma, Habakoka, ary Malakia. Misy zavatra iray fantatsika anefa momba izay nitranga tamin’i Amosa. Nanohitra be azy i Amazia, ka niampanga azy ho nanao teti-dratsy hanoherana ny mpanjaka, ary nandrara azy tsy hitory tao Betela. (Amosa 7:10-13) Na teo aza izany, dia be herim-po i Amosa. Misy mpivavaka mafana fo koa ankehitriny mampirisika ny mpanao politika sasany hanenjika ny vahoakan’i Jehovah, na handrara ny asa fitoriany. Hanahaka an’i Amosa ve ianao, ka ho sahy hitory ny vaovao tsara na dia misy fanoherana aza?

22. Nahoana isika no afaka milaza fa mahomby ny mpitory ao amin’ny faritra misy antsika?

22 Na dia tsy nitovy aza ny fandraisan’ny olona ny hafatra nambaran’ireo mpaminany 12, dia samy nanatontosa ny asa nanirahana azy izy ireo. Tsy ny fandraisan’ny olona an’ilay hafatra entintsika loatra no tena zava-dehibe, fa ny fanolorantsika ho an’i Jehovah ‘ny vokatry ny molotsika, dia ny vantotr’ombilahy fiderana’, izany hoe ny “sorona fiderana” tsara indrindra. (Hosea 14:2; Hebreo 13:15) Anjaran’Andriamanitra avy eo no mitaona an’izay olona anisan’ny ondry. (Jaona 6:44) Mpitory mahomby foana koa ianao, na mandray ny hafatr’Andriamanitra torinao ny olona na tsia. Azo antoka fa tsara tarehy eo imason’ireo mankasitraka ny vaovao tsara, ‘ny tongotry’ ny olona “mitondra vaovao tsara sy manambara fiadanana.” Ny tena zava-dehibe anefa dia ny hoe tsara tarehy eo imason’i Jehovah koa izany. (Nahoma 1:15; Isaia 52:7) Efa tena akaiky ny andron’i Jehovah, ka aoka ianao ho tapa-kevitra ny hanao foana an’ity voalazan’i Joela ity: “Ambarao any amin’ireo firenena izao: ‘Miomàna hiady! Entano ny lehilahy mahery!’ ” Hiady amin’ireo firenena tokoa mantsy Andriamanitra.—Joela 3:9.

^ feh. 8 Angamba tanteraka voalohany io faminaniana io tamin’ny andron’ny Makabeo. Noroahin’ireo Jiosy hiala tany Joda ny fahavalony tamin’izay, ary notokanan’izy ireo indray ny tempoly. Afaka nandray tsara ny Mesia àry ny sisa tamin’ny Jiosy, tatỳ aoriana.—Daniela 9:25; Lioka 3:15-22.

^ feh. 14 Afaka manampy anao hitory amin’ireo olona tsy mahay ny fiteny fampiasa ao amin’ny faritra misy anao, ilay bokikely hoe Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.