Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toko Faha-10

Ampio ny Fianakavianao mba Hampifaly An’Andriamanitra

Ampio ny Fianakavianao mba Hampifaly An’Andriamanitra

1. Nahoana no sambatra ny fianakavian’ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny ankapobeny?

MALAZA ho sambatra ny fianakavian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy i Bryan Wilson, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Oxford: “Manome torohevitra mahasoa be dia be ny Vavolombelona, momba ny fifandraisan’ny mpivady, ny fitondran-tena, ny fitaizan-janaka, ary ny zavatra hafa. ... Tena afaka manampy [izy ireo], satria avy ao amin’ny Soratra Masina ny torohevitra tsara omeny, izay efa fitsipika arahiny rahateo.” Resahin’ny Tenin’Andriamanitra tokoa ny fomba hahasambatra ny fianakaviana, ary azo antoka fa efa nianatra momba izany ianao.

2. a) Manao ahoana ny fianakaviana maro ankehitriny? b) Boky inona ao amin’ny Baiboly no hodinihintsika, mba hahitana tari-dalana ho an’ny fianakaviana?

2 Efa akaiky ny andron’i Jehovah, ka ny fianakaviana no tena lasibatr’i Satana. Lasa tsy matoky ny mpianakaviny intsony ny olona maro, toy ny tamin’ny andron’i Mika ihany. Hoy izy: “Aza mino izay lazain’ny namana ... Eritrereto tsara izay holazain’ny vavanao amin’ilay miondana eo an-tratranao. Fa ny zanakalahy dia manamavo ny rainy, ny zanakavavy manohitra ny reniny, ny vinantovavy manohitra ny rafozambaviny, ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.” (Mika 7:5, 6) Misara-bazana ny fianakaviana eto amin’ity tontolo ity. Azo inoana anefa fa miezaka mafy ianao mba hahatonga ny fiainam-pianakavianao hahafinaritra kokoa sy hampifaly an’Andriamanitra. Ampiharinao angamba izay voalazan’ny Deoteronomia 6:5-9 sy ny Efesianina 5:22–6:4 ary ny Kolosianina 3:18-21. Fantatrao anefa ve hoe misy torohevitra mahasambatra ny fianakaviana koa ao amin’ireo boky nosoratan’ny mpaminany 12? Hijery ohatra vitsivitsy isika ato amin’ity toko ity. Aza mianina amin’ireo fotsiny anefa, fa miezaha mianatra zavatra hafa koa avy amin’ireo boky ireo. Hanampy anao amin’izany ny andinin-teny vitsivitsy eo amin’ny faran’ity toko ity.

“HALAKO NY FISARAHAM-PANAMBADIANA”

3, 4. a) Inona no ataon’ny mpivady maro ankehitriny rehefa misy olana? b) Inona no nataon’ny lehilahy maro, tamin’ny andron’i Malakia?

3 Ara-dalàna raha ny fifandraisan’ny mpivady aloha no mahaliana antsika. Mihevitra mantsy ny ankamaroan’ny olona, fa ny fisaraham-panambadiana no vahaolana rehefa misy ny olana. Tsara homarihina anefa fa vao haingana izany fomba fihevitra izany. Sarotra taloha ny misara-panambadiana. Tsy maintsy nahazo alalana tamin’ny Antenimiera mihitsy, ohatra, ny mpivady tany Angletera vao afaka nisaraka, tamin’ny taonjato faha-19. Niaro ny fianakaviana tsy ho rava izany. Tena hafa anefa ny zava-misy ankehitriny. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): ‘Nitombo be ny fisaraham-panambadiana tany amin’ny tany maro, taorian’ny Ady Lehibe II. Niova be ny toe-tsain’ny olona momba ny fisaraham-panambadiana, ka lasa eken’ny olona izy io.’ Tsy nankasitraka ny fisaraham-panambadiana ny olona tany Korea, folo taona lasa izay. Lasa betsaka koa anefa ny olona misaraka any, toy ny any amin’ny tany hafa ihany. Mihevitra ny olona any amin’ny tany maro fa azon’ny mpivady atao ny misaraka, raha mikorontana ny tokantranony.

4 Maro ny Jiosy nisaraka tamin’ny vadiny tamin’ny taonjato fahadimy T.K. Hoy i Malakia tamin’izy ireo: “I Jehovah no mijoro ho vavolombelona miampanga anao eo anatrehan’ny vadin’ny fahatanoranao, izay nivadihanao.” Nivadika ny lehilahy maro, ka vonton’ny ranomason’ny vadin’izy ireo ny alitaran’i Jehovah, “noho ny fitomaniana sy ny fisentoana.” Noleferin’ireo mpisorona ratsy fanahy anefa izany fampahoriana izany!—Malakia 2:13, 14.

5. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fisaraham-panambadiana? b) Nahoana no tena ratsy ny mivadika amin’ny vady?

5 Ahoana no fahitan’i Jehovah an’izany nataon’ny lehilahy jiosy izany? “ ‘Halako ny fisaraham-panambadiana’, hoy i Jehovah Andriamanitry ny Israely.” Hoy koa izy: “Tsy miova aho.” (Malakia 2:16; 3:6) Inona no dikan’izany? Efa hita taratra tamin’izay nolazain’Andriamanitra fahiny, fa tsy tiany raha misaraka ny mpivady. (Genesisy 2:18, 24) Tsy niova izany heviny izany tamin’ny andron’i Malakia, ary mbola tsy miova koa ankehitriny. Misy olona manapa-kevitra ny handao ny tokantranony, satria fotsiny hoe tsy mahafa-po azy ny vadiny. Dinihin’i Jehovah anefa ny fon’ny olona toy izany, na dia mahay mamitaka toy inona aza. (Jeremia 17:9, 10) Fantany tsara izay fitaka sy teti-dratsy ataon’ny olona mba hisaraham-panambadiana, na dia mety hanamarin-tena aza izy. ‘Mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika [mantsy] ny zavatra rehetra.’—Hebreo 4:13.

6. a) Inona no hataon’ny olona manana ny fomba fihevitr’i Jehovah? b) Inona no hevi-dehibe amin’ilay torohevitr’i Jesosy?

6 Angamba tsy mieritreritra ny hisaraka amin’ny vadinao ianao, kanefa tsara foana ny hitadidianao ny fomba fihevitr’i Jehovah. Tsy misy olona lavorary mantsy, ka mety hisy olana sy tsy fifanarahana eo aminareo mivady. Raha mitranga izany, hieritreritra ve ianao hoe aleo misaraka? Raha mifamaly be ianareo roa, hilaza amin’ny vadinao ve ianao hoe hisaraka aminy? Izany no ataon’ny olona maro. Tokony hiezaka hampaharitra ny tokantranony anefa ny mpivady, raha manana ny fomba fihevitr’Andriamanitra. Marina fa nilaza i Jesosy Kristy hoe misy antony ara-dalàna azo isarahana, dia ny fijangajangana, izany hoe ny karazana firaisana rehetra ataon’ny olona amin’ny olona tsy vadiny. Inona anefa no hevi-dehibe amin’ilay fananaran’i Jesosy? Hoy izy: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ Nohamafisin’i Jesosy indray ilay fitsipik’i Jehovah efa noresahin’i Malakia, 450 taona teo ho eo talohan’izay.—Matio 19:3-9.

Mieritreritra ny hisaraka ve ianao, rehefa mifamaly ianareo mivady?

7. Inona no tokony hataonao, raha tianao hateza ny tokantranonao?

7 Inona àry no tokony hataon’ny Kristianina raha tiany hateza ny tokantranony? Hoy i Malakia: “Tandremo ny toe-tsainareo, ary aza mivadika.” (Malakia 2:16) Raha ‘mitandrina ny toe-tsainao’ ianao, dia hitandrina mba tsy ho raiki-pitia amin’olona tsy vadinao. (Matio 5:28) Faly ve, ohatra, ianao raha hitanao fa miezaka mambabo ny fonao na mandokadoka anao ny olona iray tsy vadinao? Raha izany no izy, dia efa tsy mailo ianao. Asehon’ireo bokin’ny mpaminany 12 àry fa tokony hitandrina ny ‘toe-tsainao’ ianao, raha tianao hateza ny tokantranonao.

Nampodian’i Hosea i Gomera. Inona ny toetran’i Jehovah ianarantsika avy amin’izany?

8, 9. Nahoana no nosoratana ao amin’ny Baiboly ny tantaran’i Hosea sy Gomera?

8 Azo antoka fa tapa-kevitra ny hampaharitra ny tokantranonao ianao. Mety hisy foana anefa ny olana eo aminareo mivady. Inona àry no hataonao, indrindra raha mihevitra ianao fa ny vadinao no tena diso? Tadidio izay nataon’i Hosea tamin’i Gomera vadiny, araka ny hitantsika tao amin’ny Toko faha-2 sy faha-4. ‘Nijangajanga’ i Gomera, ka ‘nanenjika an’ireo lehilahiny.’ Nilaozan’ireo anefa izy tatỳ aoriana, ka lasa nahantra sy andevo. Novidin’i Hosea indray àry ny vadiny, ary nasain’i Jehovah notiaviny. Fa nahoana? Mba hampisehoana ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny Israely. ‘Vady sy tompon’izy ireo’ mantsy i Jehovah.—Hosea 1:2-9; 2:5-7; 3:1-5; Jeremia 3:14; Isaia 62:4, 5.

9 Efa hatry ny ela ny Israelita no nanao izay nampalahelo an’i Jehovah, satria nanompo andriamani-kafa. (Eksodosy 32:7-10; Mpitsara 8:33; 10:6; Salamo 78:40, 41; Isaia 63:10) Ny fanjakana tany avaratra no tena meloka, satria nivavaka tamin’ny zanak’omby. (1 Mpanjaka 12:28-30) Ankoatra izany, dia tsy niantehitra tamin’i Jehovah, izay Vadiny sy Tompony, ny Israelita, fa tamin’ny sakaizany ara-politika. Nisy fotoana izy ireo nikiry nankany Asyria, toy ny zebra mikiry mitady lahy. (Hosea 8:9) Inona no ho tsapanao raha manao toy izany ny vadinao?

10, 11. Ahoana no hanahafanao an’i Jehovah, raha misy olana ao an-tokantranonao ka toy ny hoe ny vadinao no diso?

10 Efa nahatratra 700 taona mahery no nanaovan’ny Israelita fifanekena tamin’i Jehovah, tamin’ny andron’i Hosea. Vonona hamela ny helok’izy ireo foana anefa Izy, raha niverina taminy izy ireo. Angamba talohan’ny taona 803 T.K. i Hosea no nanomboka naminany. Mbola nandefitra tamin’ny Israely 60 taona teo ho eo taorian’izay i Jehovah, ary efa ho 200 taona tamin’ny Joda. Mbola nasainy hibebaka ihany ilay vahoaka nanao fifanekena taminy, toy ny nataon’i Hosea tamin’ny vadiny. Nanan-jo hisaraka tamin’ny Israely i Jehovah. Tsy nanao izany anefa izy, fa naniraka mpaminany foana mba hanampiana an’ilay vadiny an’ohatra hiverina aminy.—Hosea 14:1, 2; Amosa 2:11.

11 Hanahaka an’i Jehovah ve ianao, raha misy olana ao an-tokantranonao ka toy ny hoe ny vadinao no diso? Ianao ve no hanao ny ezaka voalohany mba handaminana ilay olana? (Kolosianina 3:12, 13) Mitaky fanetren-tena izany. Fakan-tahaka tokoa i Jehovah tamin’izay nataony tamin’ny Israelita! (Salamo 18:35; 113:5-8) ‘Nanao teny nanohina ny fon’ny’ Israelita izy, ary niangavy azy ireo mihitsy aza. Raha izy aza nanao izany, mainka fa isika olombelona tsy lavorary? Tokony hiezaka bebe kokoa hanao teny manohina ny fon’ny vadinao àry ianao, ka handamina ilay olana sy hamela ny fahadisoany. Nisy vokany ny ezaka nataon’i Jehovah, satria nanaiky ny fiangaviany ny Israelita sasany natao sesitany tany Babylona, izay toy ny “tany efitra.” Niverina tany an-tanindrazany izy ireo tatỳ aoriana, ary niantso an’i Jehovah hoe “Vadiko.”—Hosea 2:14-16. *

Tahafo i Jehovah ka miezaha mifampiresaka amin’ny vadinao mba hamahana olana

12. Nahoana no mahasoa ny misaintsaina ny nataon’i Jehovah tamin’ilay vadiny an’ohatra?

12 Raha misy olana lehibe eo aminareo mivady, kanefa miezaka mafy hifandray tsara amin’ny vadinao ianao, dia mety hisy vokany tsara izany. Fahotana lehibe no nataon’ny Israelita, satria nivadika tamin’Andriamanitra izy ireo, ka toy ny hoe nijangajanga. Na izany aza, dia vonona ny hamela ny helok’ilay vadiny an’ohatra Izy. Tsy tonga hatramin’ny fijangajangana anefa ny ankamaroan’ny olana eo amin’ny mpivady kristianina. Matetika no teny henjana sy mandratra no iandohan’ny olana. Raha nandratra ny fonao ny tenin’ny vadinao, dia tadidio izay niaretan’i Hosea sy Jehovah. (Ohabolana 12:18) Mety hanampy anao hamela heloka izany.

13. Nitaky ny hibebahan’ny vahoakany i Jehovah. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

13 Diniho anefa izao: Vonona hihavana indray tamin’ny vahoakany ve Andriamanitra, raha mbola nijangajanga ihany izy ireo? Tsia! Hoy izy: “Tokony hesoriny tsy ho eo anatrehany ny fijangajangany, ary tokony hesoriny tsy ho eo anelanelan’ny nonony ny fanitsakitsaham-bady nataony.” (Hosea 2:2) Nila nibebaka ilay vahoaka ka ‘namoa voa mifanentana amin’ny fibebahana.’ (Matio 3:8) Rehefa misy olana àry eo aminareo mivady, dia ny fahadisoanao ifantohana fa tsy ny an’ny vadinao. Raha nanao fahadisoana tamin’ny vadinao ianao, nahoana raha miala tsiny sy miezaka miova mba hihavanana aminy indray? Mety hamela ny helokao izy.

AMPIASAO NY “TADIM-PITIAVANA” MBA HANITSIANA

14, 15. a) Araka ny Malakia 4:1, nahoana ianao no tokony hampianatra ny zanakao? b) Ahoana no azonao anampiana ny zanakao hahafantatra an’i Jehovah?

14 Misy zavatra hafa azontsika ianarana koa ao amin’ireo boky 12. Voalaza ao, ohatra, ny fomba anampiana ny zanaka. Tsy mora tokoa ny mitaiza ankehitriny, kanefa tsy maintsy manao ny andraikiny ny ray aman-dreny. Hoy ny Malakia 4:1: “ ‘Handevona [ny olona] ilay andro ho avy’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘ka tsy hisy hiangana na ny fakany na ny sampany.’ ” Amin’io andro hanaovan’i Jehovah ampamoaka io, dia izay fomba hitsarany ny ray aman-dreny (fakany) ihany no hitsarany ny zanaka tsy ampy taona (sampany). Rariny izany satria ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra amin’ny zanany. (Isaia 37:31) Miankina amin’izay ataon’ny ray aman-dreny ankehitriny àry ny hoavin’ny zanany kely, na ho tsara na ho ratsy. (Hosea 13:16) Raha tsy tsara ny lazanao eo anatrehan’i Jehovah, hanao ahoana ny zanakao amin’ny andro fahatezerany? (Zefania 1:14-18; Efesianina 6:4; Filipianina 2:12) Hahasoa ny zanakao kosa ny fiezahanao hahazo sitraka amin’Andriamanitra.—1 Korintianina 7:14.

15 Naverin’ny apostoly Paoly ny faminanian’i Joela hoe ilaina ny miantso ny anaran’i Jehovah. Avy eo dia hoy izy: “Hataon’izy ireo ahoana anefa no fiantso izay tsy inoany? Ary hataony ahoana no fino izay olona tsy reny?” (Romanina 10:14-17; Joela 2:32) Ny asa fitoriana no tian’i Paoly horesahina, kanefa azo ampiharina amin’ny zanakao koa izany. Hataon’izy ireo ahoana tokoa no fino an’i Jehovah, raha tsy mandre momba azy izy? Ampy ve ny fotoana atokanao isan’andro hampianarana azy ireo momba ny hatsaran-toetran’i Jehovah? Hanampy azy ireo ho tia an’i Jehovah sy ny tari-dalany izany. Azo inoana fa handroso ara-panahy ny ankizy raha iresahana foana momba an’i Jehovah, ao an-trano.—Deoteronomia 6:7-9.

16. Ahoana no hanahafanao an’i Jehovah rehefa manitsy ny zanakao ianao?

16 Tsy sarotra ny mitondra ny ankizy hanatrika fivoriana kristianina, raha mbola kely izy. Manomboka manana ny heviny manokana anefa izy ireo rehefa mihalehibe. Inona no hataonao raha mitady hikomy ny zanakao indraindray? Azonao akana fianarana ny nataon’i Jehovah tamin’ny Israely sy Joda. (Zakaria 7:11, 12) Mariho, ohatra, ny fihetseham-pony rehefa mamaky ny Mika 6:3-5 ianao. Nanota ny Israelita, kanefa mbola nantsoiny ihany hoe “ry oloko.” Niangavy mihitsy izy hoe: “Mba tsarovy re, ry oloko.” Tsy nasiaka na nanome tsiny azy ireo izy, fa niezaka nanohina ny fony kosa. Manahaka an’i Jehovah ve ianao rehefa manitsy ny zanakao? Na inona na inona fahadisoany, dia aza ailikilika izy ary aza ambanina. Aza manantitrantitra ny fahadisoany, fa iangavio amim-pitiavana kosa izy. Ataovy izay hahafantarana ny heviny, ary miezaha hanohina ny fony mba hilazany izay tena ao am-pony.—Ohabolana 20:5.

17, 18. a) Inona no tokony ho antony hanitsianao ny zanakao? b) Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny mba tsy ho votsotra mihitsy ilay “tadim-pitiavana”?

17 Inona no antony anitsianao ny zanakao? Manao izany ny ray aman-dreny sasany satria tsy te ho afa-baraka. Hoy kosa i Jehovah momba ny antony nanitsiany ny vahoakany: ‘Izaho no nampianatra an’i Efraima handeha, sy nitrotro azy. Tady fitarihana olona no nitarihako azy, dia tadim-pitiavana.’ (Hosea 11:3, 4) Nampitovin’i Hosea tamin’ny fifandraisan’ny ray amin’ny zanany ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny Israely. Alao sary an-tsaina ange ny ray be fitiavana iray manampy an-janany mianatra mandeha e! Mampiasa tady izy mba hitarihana an’ilay zaza. Ilay tady no tazonin’ilay zaza raha mitady hianjera izy, ary mitarika azy kosa raha mitady hivilivily izy.—Jeremia 31:1-3.

Manahaka an’i Jehovah ve ianao ka maneho fitiavana amin’ny zanakao?

18 Hanahaka ny fitiavan’Andriamanitra ny Israelita ve ianao? Efa imbetsaka ny Israelita no niala taminy, kanefa tsy maika hamotsotra an’ilay tadim-pitiavana Izy. Mitady hiala amin’ny lala-mahitsy koa ny ankizy indraindray, na mitady ho tafintohina amin-javatra tsy dia misy dikany. Aza avotsotra anefa ilay tadim-pitiavana, fa asehoy hoe tia azy foana ianao. Tadidio fa tsy nodian’i Jehovah tsy hita ny ratsy nataon’ny vahoakany, na dia tiany aza izy ireo. Niatrika ilay olana izy, nanitsy an’ilay vahoaka tamim-pitiavana, ary nanokana fotoana hanampiana azy ireo. Aza odian-tsy hita koa raha toa mitady hiala amin’ny fahamarinana ny zanakao. Ampio amim-pitiavana izy hiverina. Amin’izay dia toy ny hoe mampiasa tady itarihana azy ianao. Manokàna fotoana iarahana aminy, satria tena ilainy izany.

19. Nahoana ianao no tsy tokony hanary toky raha mikomy ny zanakao?

19 Efa nilaza i Hosea fa hisy Israelita hanaiky fanitsiana. Hoy izy: “Hiverina ny zanak’Israely ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany. Ary hangovitra izy ireo hanatona an’i Jehovah sy ny hatsaran-toetrany, any am-parany.” (Hosea 3:5) Nandaitra tamin’ny Israelita sasany ny fanitsian’Andriamanitra. Aoka koa ianao hanantena fa handaitra ny fanitsianao ny zanakao. Miezaha mifantoka amin’ny toetra tsarany. Miezaha koa ho tsara fanahy rehefa miresaka aminy, nefa kosa ho hentitra rehefa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Mety mbola tsy hanaiky hahitsy ny ankizy iray mikomy, kanefa iza no mahalala raha ho tonga saina izy indray andro any?

MITANDREMA AMIN’NY NAMAN-DRATSY!

20. Inona no fanontanian’ny tanora ho voavaly ao amin’ireo boky 12?

20 Ry tanora, inona no azonareo ianarana avy amin’ireo boky 12? Azo inoana fa tenenin’ny ray aman-dreninareo foana ianareo mba tsy hiaraka amin’ny naman-dratsy. Mety haverimberiny ny andinin-teny toy ny 1 Korintianina 15:33. Mety hisy aminareo anefa hieritreritra hoe: ‘Tena ratsy tokoa ve ny minamana amin’ny ankizy tsy manompo an’i Jehovah?’ Ho hitanareo ao amin’ireo boky 12 ny valin’izany.

21-23. a) Inona no lesona azon’ny tanora raisina avy tamin’izay nanjo ny Edomita? b) Iza no tena namanao?

21 Marina fa natao voalohany indrindra ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ny hafatra ao amin’ireo boky 12. Ny bokin’i Obadia kosa anefa natao ho an’ny Edomita, izay nantsoina hoe rahalahin’ny Israelita. * (Deoteronomia 2:4) Nampiasa ny teny hoe “ianao” i Obadia rehefa nampita hafatra tamin’ny Edomita. Eritrereto izay nataon’izy ireo, tamin’ny taona 607 T.K. tany ho any. Nanao fahirano an’i Jerosalema ny Babylonianina tamin’izay. Havan’i Jakoba, razamben’ny Israelita, ny Edomita, kanefa niandany tamin’ny Babylonianina! Nihorakoraka mihitsy izy ireo hoe: “Ravao tanteraka! Ravao hatramin’ny fotony!” (Salamo 137:7; Obadia 10, 12) Nitetika ny haka ny tanin’i Joda mantsy izy ireo. Niara-nisakafo tamin’ny Babylonianina koa izy ireo. Midika izany fa nanao fifanekena izy roa tonta, araka ny fanao tany amin’iny faritra iny.

22 Nilaza mialoha toy izao i Obadia momba ny Edomita: “Samy namitaka anao ireo [Babylonianina] nanao fifanekena taminao. Nandresy anao ireo tsara fihavanana taminao. Ary hamelatra harato hamandrihana anao ireo miara-misakafo aminao, fa toy ny olona tsy misaina ianao.” (Obadia 7) Inona no nanjo ny Edomita, izay nifidy ny hiaraka tamin’ny Babylonianina, fa tsy tamin’i Jakoba rahalahiny? Naringan’ny tafika babylonianina notarihin’i Nabonida izy ireo tatỳ aoriana. Tamin’ny andron’i Malakia, dia efa lao ny tendrombohitr’i Edoma ary lasa fonenan’ny alikadia ny lovan’izy ireo.—Malakia 1:3.

23 Eritrereto indray ireo milaza ho namanao nefa tsy manompo an’i Jehovah. Tsy hitanao ve hoe matetika no mifamitaka ireo ankizy “nanao fifanekena” na nifanaiky ho mpinamana, ary ‘mamelatra harato hamandrihana’ an’ireo lazainy fa namany? Rehefa fantatra atỳ aoriana hoe namitaka ilay ankizy, inona no holazainy? Angamba hilaza izy hoe tsotra loatra ilay voafitany, ka mora ambakaina. Toy izany koa no nataon’ny Babylonianina tamin’ny Edomita namany! Tena hanampy anao ve ny namana toy izany, rehefa miatrika olana ianao? (Obadia 13-16) Eritrereto kosa i Jehovah Andriamanitra sy ny vahoakany ankehitriny. Vonona hanampy anao foana i Jehovah, ary hanohana anao amin’ny fotoan-tsarotra. ‘Tena namana tia amin’ny fotoana rehetra’ koa ny vahoakany, sady olona tsy mivadika “natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.

‘Mamelatra harato hamandrihana anao’ ve ireo milaza ho namanao?

NY FIFANDRAISANA SAROBIDY INDRINDRA

24, 25. Inona no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika?

24 Tena zava-dehibe ny fifandraisan’ny mpianakavy ka tokony hohamafisina foana. Betsaka ny lesona momba izany azontsika raisina ao amin’ireo boky nosoratan’ny mpaminany 12. Ho tianao angamba ny hamaky an’ireo boky ireo, ka handray lesona hafa izay hanampy ny fianakavianao ho sambatra kokoa. Irintsika ho sambatra tokoa ny fianakaviantsika, kanefa izany ve no zava-dehibe indrindra amintsika mpanompon’Andriamanitra ankehitriny?

25 Mahaliana ny faminanian’i Joela momba ny andron’i Jehovah. Hoy izy: “Angony ny vahoaka, ary hamasino ny fiangonana. ... Aoka ny mpampaka-bady hivoaka avy ao amin’ny efitranony anatiny, ary ny nampakarina avy ao amin’ny efitranony.” (Joela 2:15, 16) Tokony hangonina daholo izay olona ao an-trano mba handeha hanompo an’i Jehovah. Tokony ho any koa na ny mpivady vao aza, izay mbola revo amin’ny tokantrano vao. Tsy misy na inona na inona tokony ho zava-dehibe kokoa noho ny fanompoantsika an’Andriamanitra! Efa tena akaiky ny andron’i Jehovah, ka ny hahazo laza tsara eo anatrehan’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika. Hodinihintsika ao amin’ny fizarana farany ny zavatra mahafaly tokony hataontsika ankehitriny.

^ feh. 11 Raha hitsakitsahin’ny vadiny ny Kristianina iray, dia anjarany ny manapa-kevitra raha hamela ny heloky ny vadiny izy na tsia.—Matio 19:9.

^ feh. 21 Tsy natao ho an’ny Israelita koa ny bokin’i Nahoma, fa natao ho an’ny Ninivita.