Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toko Faha-12

“Andraso” Foana ny Andron’i Jehovah

“Andraso” Foana ny Andron’i Jehovah

1, 2. a) Inona avy no fanontaniana tsara apetrakao amin’ny tenanao? b) Inona no nadiva hitranga tamin’ny andron’ny mpaminany sasany, ary nanao ahoana ny toe-tsain’i Mika?

HAFIRIANA izay ianao no niandry ny hiavian’ny andron’i Jehovah, izay hanafoana ny faharatsiana eto an-tany? Vonona hiandry mandra-pahoviana ianao? Manao ahoana ny toe-tsainao sy ny fomba fiainanao eo am-piandrasana an’izany? Azo inoana fa ho hafa mihitsy ny valin-teninao, fa tsy hitovy amin’ny an’ireo mpiangona manao izay tiany fotsiny, nefa manantena ny ho any an-danitra.

2 Hanampy anao hiandry an’ilay andro lehiben’i Jehovah ireo boky nosoratan’ny mpaminany 12. Nadiva hampihatra ny didim-pitsarany Andriamanitra, tamin’ny andro niainan’ny ankamaroan’ireo mpaminany ireo. Taloha kelin’ny nanafihan’ny Asyrianina an’i Samaria tamin’ny taona 740 T.K., ohatra, i Mika no naminany. (Jereo ilay tabilao eo amin’ny pejy 20 sy 21.) Tsy ela taorian’izay, dia nihatra tamin’ny Joda koa ny didim-pitsaran’i Jehovah. Tsy fantatr’i Mika hoe rahoviana marina no ho tonga ilay andron’i Jehovah, kanefa nieritreritra ny hipetra-potsiny ve izy teo am-piandrasana an’izany? Hoy izy: “Fa izaho kosa, dia i Jehovah no handrandraiko. Vonona hiandry an’ilay Andriamanitry ny famonjena ahy aho. Dia hihaino ahy ilay Andriamanitro.” (Mika 7:7) Natoky izy fa ho avy tokoa ilay andro, ka niambina toy ny mpitily eo amin’ny tilikambo izy.—2 Samoela 18:24-27; Mika 1:3, 4.

Zefania

3. Nanao ahoana ny toe-tsain’i Habakoka sy Zefania, taloha kelin’ny nandravana an’i Jerosalema?

3 Jereo indray ilay tabilao. Hitanao eo fa taloha kelin’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 607 T.K., i Zefania sy Habakoka no naminany. Tsy fantatr’izy ireo raha efa tena antomotra ilay fandravana na mbola ho elaela. (Habakoka 1:2; Zefania 1:7, 14-18) Nanaraka an’ity voalaza ity anefa i Zefania: ‘ “Miandrasa ahy”, hoy i Jehovah, “mandra-pahatongan’ny andro hitsanganako haka babo. Fa izao no didim-pitsarako: Hampihatra ny fanamelohako sy hanampatra ny fahatezerako rehetra amin’izy ireo aho.” ’ (Zefania 3:8) Hoy koa i Habakoka, izay naminany taoriana kelin’i Zefania: “Mbola ho amin’ny fotoana voatondro vao ho tanteraka ilay fahitana, sady mihazakazaka mafy ho amin’ny farany ka tsy handainga. Ary na dia ela fiavy aza izany, dia andraso ihany, fa tsy maintsy ho tanteraka. Tsy ho tara izany.”—Habakoka 2:3.

4. Nanao ahoana ny fihetsiky ny Jiosy sasany, tamin’ny fotoana naminanian’i Zefania sy Habakoka? Nanao ahoana kosa ny toe-tsain’izy roa lahy?

4 Nanao ahoana ny fihetsiky ny Jiosy sasany, tamin’izany fotoana izany? Nilaza izy ireo hoe: “Sady tsy hanao soa i Jehovah no tsy hanisy ratsy.” Nanambara anefa i Zefania fa ho avy ny “andro fahatezeran’i Jehovah”, dia ilay andro hampiharany ny didim-pitsarany amin’ireo firenena fahavalo sy ny Jiosy nikomy. (Zefania 1:4, 12; 2:2, 4, 13; 3:3, 4) Natahotra an’izany fanamelohana sy fahatezeran’Andriamanitra izany ve i Zefania? Tsia! ‘Niandry’ kosa izy satria nasaina nanao izany. Ary i Habakoka? ‘Niandry’ foana koa izy. Tena zava-dehibe tamin’izy roa lahy ny fiavian’ilay andro, ka tsy nihevitra izy ireo hoe tsy hisy zavatra hiova mihitsy. (Habakoka 3:16; 2 Petera 3:4) ‘Niandry’ foana izy ireo, ary tena fahendrena izany, satria nitranga tokoa ilay zavatra nandrasan’izy ireo, tamin’ny taona 607 T.K.

“ ‘Miandrasa ahy’, hoy i Jehovah.”—Zefania 3:8.

5, 6. Koa satria efa hanatanteraka ny fikasany Andriamanitra, toe-tsaina manao ahoana no tokony hananantsika?

5 Afaka matoky koa ianao fa ho avy tokoa “ny andro fahatezeran’i Jehovah” amin’ity tontolo ratsy ity. Tena azo antoka izany, ary azo inoana fa tsy misalasala ny amin’izany ianao. Toa an’i Zefania sy Habakoka anefa, dia tsy mahafantatra ianao hoe rahoviana marina no ho tonga izy io. (Marka 13:32) Ho avy tokoa anefa izy io, ary porofoin’ny faminaniana tanteraka amin’izao andro izao fa ho avy tsy ho ela izy io. “Andraso” foana àry ny andron’i Jehovah, araka ny tenin’i Jehovah tamin’ireo mpaminany ireo. Tadidio koa izao: Ilay Andriamanitsika ihany no “Andriamanitra manao zavatra ho an’izay miandry azy lalandava.”—Isaia 64:4.

6 Asehoy fa manana toe-tsaina tsara ianao eo am-piandrasana ny “andro fahatezeran’i Jehovah.” Asehoy amin’izay ataonao fa matoky ianao hoe ho avy ara-potoana izy io. Raha manao izany ianao, dia hanaraka izao tenin’i Jesosy tamin’ny apostoly sy ny Kristianina voahosotra izao: “Misikìna ary aoka hirehitra ny jironareo. Aoka koa ianareo ho tahaka ny mpanompo miandry ny fiverenan’ny tompony. ... Sambatra ireo mpanompo hitan’ny tompony hoe miambina rehefa tonga izy! Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ilay tompony ka asainy mandry ilika hisakafo ireo mpanompo ireo, ary ho avy izy hikarakara an’ireo.” (Lioka 12:35-37) Manana toe-tsaina tsara àry isika, raha matoky fa tsy ho tara na dia iray segondra aza ilay andro lehiben’i Jehovah.

‘MIANDRY’ SADY “VONONA”

7, 8. a) Inona no vokatry ny faharetan’Andriamanitra? b) Araka ny nohamafisin’i Petera, inona no toe-tsaina tokony hananantsika?

7 Efa niandry an’ilay andro lehiben’i Jehovah ny mpanompony, talohan’ny niorenan’ilay Fanjakany tany an-danitra tamin’ny 1914, ary mbola miandry foana. Tsy mipetra-potsiny izy ireo, fa mazoto mitory. (Asan’ny Apostoly 1:8) Eritrereto anefa izao: Raha tonga tamin’ny 1914 ilay andro, ho nanao ahoana ianao? Ary raha tamin’ny 40 taona lasa no nahatongavany, moa ve ianao ho nanana ‘fitondran-tena masina sy naneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra’? (2 Petera 3:11) Ahoana koa ny amin’ny mpianakavinao Vavolombelona, na ireo namanao akaiky eo anivon’ny fiangonana? Midika ho famonjena ho anao sy ny olona maro toa anao àry ilay fotoam-piandrasana, araka ny asehon’ny 2 Petera 3:9. Koa satria tsy noravan’i Jehovah avy hatrany ity tontolo ratsy ity taorian’ny niorenan’ny Fanjakany, dia olona maro no afaka mibebaka, toy ny nataon’ireo Ninivita izay tsy naringana indray. Ekentsika rehetra àry fa marina ny tenin’ny apostoly Petera hoe: “Hevero ho famonjena ny faharetan’ny Tompontsika.” (2 Petera 3:15) Mbola azo atao ny mibebaka na manitsy ny fomba fiaina sy ny fomba fisainana, amin’izao fotoam-piandrasana izao.

8 Mety hihevitra ny Kristianina iray fa efa ela be izany andron’i Mika sy Zefania ary Habakoka izany, ka tsy tena mahakasika azy ny zava-nitranga tamin’izany. Afaka mandray lesona avy amin’ny zava-nisy tamin’izany anefa isika. Efa noresahintsika ny torohevitr’i Petera hoe tokony hanana ‘fitondran-tena masina sy haneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra’ isika Kristianina. Avy eo dia nohamafisiny fa tokony ‘hiandry sy hanao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah’ isika. (2 Petera 3:11, 12) Tokony hiezaka hanao izany àry isika.

9. Nahoana isika no tokony ‘hiandrandra an’i Jehovah’?

9 Na vao haingana na efa ela ianao no nanompo an’i Jehovah, moa ve ianao ‘miandrandra an’i Jehovah ka vonona hiandry azy’ toa an’i Mika? (Romanina 13:11) Marina fa mety hirintsika mafy ny hahafantatra hoe rahoviana marina no ho tonga ny farany ary mbola hiandry mandra-pahoviana isika. Tsy hahafantatra izany mihitsy anefa isika. Tadidio ny tenin’i Jesosy hoe: “Raha fantatry ny tompon-trano hoe amin’ny fotoam-piambenana fahafiry no hahatongavan’ny mpangalatra, dia ho niari-tory niambina izy ka tsy ho namela ny tranony hovakina. Noho izany, dia aoka koa ianareo ho vonona, satria amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.”—Matio 24:43, 44.

10. Inona avy no azonao ianarana avy amin’ny fiainan’i Jaona sy ny toe-tsainy?

10 Nitovy tamin’izay nolazain’i Mika sy Zefania ary Habakoka ny tenin’i Jesosy. Tsy ho an’ny olona fahiny anefa ny teniny fa ho an’ny mpanara-dia azy, anisan’izany isika. Nampihatra ny toroheviny ny Kristianina maro nahafoy tena, ka hita fa “vonona” sady niandry foana. Fakan-tahaka amin’io lafiny io ny apostoly Jaona. Anisan’ireo mpianatra efatra nanontany an’i Jesosy momba ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity izy, tamin’izy ireo teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. (Matio 24:3; Marka 13:3, 4) Taona 33 tamin’izay, nefa mbola tsy fantatr’i Jaona hoe rahoviana marina no ho tonga io fotoana io. Eritrereto anefa izay nataony 60 taona teo ho eo taorian’izay. Efa antitra izy nefa mbola tsy reraka niandry. Inona no manaporofo izany? Rehefa reny i Jesosy niteny hoe: “Eny, ho avy haingana aho”, dia namaly izy hoe: “Amena! Avia, Jesosy Tompo ô!” Tsy nanenenan’i Jaona ny fomba nampiasany ny fiainany. Natoky izy fa hamaly ny tsirairay araka izay nataony i Jehovah, rehefa hampihatra ny didim-pitsarany. (Apokalypsy 22:12, 20) Tian’i Jaona ny ho “vonona” foana, na rahoviana na rahoviana izany no hitranga. Ary ianao?

‘MIANDRY’ SA AFA-PO?

11. Nanao ahoana ny olona tamin’ny andron’i Mika sy Hosea?

11 Mbola misy lesona hafa azontsika tsoahina koa avy amin’izay nolazain’ireo mpaminany, talohan’ny nampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany tamin’ny Israely sy Joda. ‘Niandrandra an’i Jehovah sy vonona hiandry azy’ i Mika, fa tsy toy izany kosa ny ankamaroan’ny mpiara-belona taminy. Nanjary ‘nankahala ny tsara sady tia ny ratsy’ izy ireo. Nampitandrina azy ireo àry i Mika fa raha tsy miova izy ireo, dia ‘tsy hovalian’i Jehovah’ rehefa ‘miantso vonjy aminy.’ (Mika 3:2, 4; 7:7) I Hosea indray nampiasa teny an’ohatra momba ny fambolena, rehefa nampirisika an’ireo Israelita tany avaratra hoe: “Mamafaza voan’ny fahamarinana, dia hijinja hatsaram-panahy feno fitiavana ianareo. Tany azo volena no asao dieny mbola misy ny fotoana itadiavana an’i Jehovah.” Tsy nihaino anefa ny ankamaroan’ny olona. ‘Faharatsiana no nafafin’izy ireo’, ka tsy fahamarinana no nojinjainy. (Hosea 10:12, 13) Nilefitra tamin’ny fanao ratsy izy ireo, na nandray anjara tamin’izany, ary ‘nitoky tamin’ny fanaony’ fa tsy tamin’i Jehovah. Mety hisy hanontany tena anefa hoe: ‘Fa nahoana no dia nanao toy izany ireo mpanompon’Andriamanitra ireo, nefa efa tao amin’ny Tany Nampanantenaina?’ Nasehon’i Hosea hoe inona ny olana: Nanana fiainana nampiadana izy ireo ka afa-po tamin’izany. Tokony hitandrina isika mba tsy ho lasa toy izany, raha tiantsika ny hiandry foana ny andro lehiben’i Jehovah.

12. a) Nanao ahoana ny Israelita talohan’ny taona 740 T.K., araka ny voalazan’i Hosea? b) Nahoana no lazaina fa “voky” na afa-po izy ireo?

12 Lasa nanan-karem-be ny vahoakan’Andriamanitra rehefa tao amin’ny Tany Nampanantenaina, izay tany tondra-dronono sy tantely. Inona no nitranga avy eo? Hoy i Jehovah: “Arakaraka izay novokarin’ny kijanan’izy ireo no nahavoky azy. Dia voky izy ireo ka niavonavona ny fony. Koa izany no nanadinoany ahy.” (Hosea 13:6) Efa nampitandrina ny vahoakany momba izany izy, taloha ela be. (Deoteronomia 8:11-14; 32:15) Nanadino an’i Jehovah anefa izy ireo tamin’ny andron’i Hosea sy Amosa, satria “voky” na afa-po. Notantarain’i Amosa ny tsipiriany: Maro no nanana fanaka lafo vidy, ary nisy aza nanana trano roa. Nihinana sakafo matsiro izy ireo, nisotro divay tsara tamin’ny fitaovana manokana, ary ‘nihosotra menaka faran’izay tsara’, angamba menaka manitra. (Amosa 3:12, 15; 6:4-6) Tsy hoe ratsy akory ireo zavatra ireo, kanefa tsy tsara raha lasa zava-dehibe loatra.

13. Inona no tokony ho notandreman’ny Israelita, na nanan-karena izy na tsia?

13 Tsy ny Israelita rehetra tany avaratra anefa no lasa mpanankarena sy “voky.” Nisy olona nahantra tany ka voatery niasa mafy mba hamelomana ny ankohonany. (Amosa 2:6; 4:1; 8:4-6) Maro koa no toy izany ankehitriny. Moa ve ny voalazan’ny Hosea 13:6 nitranga tamin’ireo mahantra tany Israely, ary mety hitranga amin’ny mahantra ankehitriny koa? Eny tokoa! Na manan-karena ny mpanompon’i Jehovah na tsia, dia mila mitandrina mba tsy hifantoka be amin’ny fitadiavana vola aman-karena ka ‘hanadino an’Andriamanitra.’—Lioka 12:22-30.

14. Nahoana isika no tokony handini-tena?

14 Hitantsika ankehitriny fa maro ny faminaniana ao amin’ny Baiboly efa tanteraka, ka vao mainka isika tokony ho mailo sy ho vonona ary hiandry ny andron’i Jehovah. Ahoana anefa raha efa elaela isika no niandry, angamba efa am-polony taona? Azo inoana fa niaiky isika taloha hoe efa antomotra ilay andro, matoa niezaka mafy tamin’ny fanompoana ary nandray fanapahan-kevitra tsara. Mbola tsy tonga ihany anefa izy io. Mbola vonona hiandry ve isika? Apetraho amin’ny tenanao àry izao fanontaniana izao: ‘Mbola vonona hiandry ve aho, sa efa tsy vonona intsony?’—Apokalypsy 2:4.

15. Ahoana no ahafantarana raha tsy tena vonona hiandry ny andron’i Jehovah intsony isika?

15 Maro ny fomba azontsika amantarana raha mbola vonona hiandry isika na tsia. Azontsika atao, ohatra, ny mandini-tena, sao isika mitady hitovy amin’ireo olona niara-belona tamin’i Amosa izay nanjary “voky” na afa-po. Nety ho tena niandry ny andron’i Jehovah ny Kristianina iray nandritra ny taona maro, ka hita taratra teo amin’ny toe-tsainy sy ny zavatra nataony izany. Izao angamba anefa izy manomboka miezaka hanana trano mirenty kokoa na fiara tsara kokoa, akanjo lamaody farany indrindra, menaka fihosotra sy makiazy ary firavaka lafo vidy, ary divay tsara sy sakafo matsiro. Marina fa tsy milaza ny Baiboly hoe tokony hampijaly tena ny Kristianina ka tsy mba hifalifaly mihitsy. “Tokony hihinana sy hisotro ary hifaly noho ny asa mafy nisasarany” mantsy ny olona miasa mafy. (Mpitoriteny 3:13) Mety hanomboka hifantoka bebe kokoa amin’ny sakafo sy zava-pisotro, ary ny fitafiana sy fihaingoana anefa, ny Kristianina iray. (1 Petera 3:3) Nolazain’i Jesosy fa nanjary nanao toy izany ny Kristianina voahosotra sasany tany Azia Minora. (Apokalypsy 3:14-17) Sao dia lasa manao toy izany koa isika? Nanjary “voky” ve isika ka variana amin’ny vola aman-karena? Lasa tsy vonona hiandry intsony ve isika?—Romanina 8:5-8.

16. Nahoana no tsy hahasoa ny zanatsika ny fampirisihana azy hanana fiainana lazaina fa mahafa-po?

16 Ho hita amin’ny torohevitra omentsika ny zanatsika na ny olon-kafa, raha tsy tena vonona hiandry intsony isika. Mety hieritreritra ny Kristianina iray hoe: ‘Nifidy ny tsy hanao fianarana ambony na hitady asa be karama aho taloha, satria nihevitra fa tena akaiky ny farany. Tsy maintsy ataoko kosa anefa izao izay hahatafita ny zanako.’ Angamba nisy ray aman-dreny nihevitra toy izany koa tamin’ny andron’i Hosea. Tena ho nahasoa ny zanany anefa ve ny fampirisihana azy ireny hanana fiainana mampiadana, izay noheverina fa mahafa-po? Raha niezaka hanana fiainana toy izany ny zanany, ho nanao ahoana izy ireny tamin’ny taona 740 T.K., rehefa resin’ny Asyrianina i Samaria?—Hosea 13:16; Zefania 1:12, 13.

Ampirisihinao hanana fomba fiainana manao ahoana ny zanakao?

MANANA ANTONY MARIM-POTOTRA IANDRASANA ISIKA

17. Ahoana no tokony hanahafantsika an’i Mika?

17 Toa an’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny, dia matoky isika fa ho tanteraka ara-potoana, amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, ny fampanantenany. (Josoa 23:14) Hendry i Mika mpaminany satria vonona hiandry an’ilay Andriamanitry ny famonjena azy. Fantatsika fa resy tokoa i Samaria tamin’ny andron’i Mika. Ahoana kosa ny amintsika sy ny fotoana iainantsika? Raha manao jery todika ny fiainanao ianao, nanao safidy tsara ve ianao raha ny amin’ny asa fivelomana na ny fomba fiaina na ny fanompoana manontolo andro? Marina fa tsy fantatsika “ny amin’izany andro sy ora izany.” (Matio 24:36-42) Hendry anefa isika raha miezaka hanana toe-tsaina toy ny an’i Mika, ka manao zavatra mifanaraka amin’izany. Rehefa ho velona indray izy ao amin’ny paradisa eto an-tany, dia ho faly tokoa hahafantatra fa nahasoa antsika ny hafatra notoriny sy ny modely navelany! Ny maha eo antsika koa amin’izay fotoana izay dia ho porofo fa Andriamanitry ny famonjena tokoa i Jehovah!

18, 19. a) Inona no fanamelohana nambaran’i Obadia? b) Inona no fampanantenana ho an’ny Israely ao amin’ny bokin’i Obadia?

18 Manana antony marim-pototra iandrasana ny andron’i Jehovah isika. Diniho, ohatra, ny bokin’i Obadia. Hitantsika ao ny fanamelohan’i Jehovah an’i Edoma fahiny, izay nampahory ny Israely ‘rahalahiny.’ (Obadia 12) Nilaza i Obadia fa ho rava i Edoma, ary nitranga tokoa izany araka ny hitantsika tao amin’ny Toko faha-10. Resin’ny tafika babylonianina notarihin’i Nabonida izy io tamin’ny taona 550 T.K. tany ho any, ary tsy misy intsony io firenena io izao. Misy hevi-dehibe hafa koa anefa ao amin’ny bokin’i Obadia, ary hanampy antsika hiandry an’ilay andro lehiben’i Jehovah izany.

19 Ilay firenena (Babylona) nandresy an’i Edoma ihany no nampiasain’Andriamanitra hampihatra ny didim-pitsarany tamin’ny vahoakany, izay nivadika taminy. Noravan’ny Babylonianina i Jerosalema tamin’ny taona 607 T.K., ary nataony sesitany ny Jiosy. Nanjary lao ny tanin’izy ireo. Tsy nisy azo nantenaina intsony anefa ve? Nilaza i Jehovah fa hiverina amin’ny taniny indray ny Israelita, araka izao fampanantenana mampahery ao amin’ny Obadia 17 izao: “Eo amin’ny Tendrombohitra Ziona no hisy an’ireo ho afa-mandositra, ary ho lasa zava-masina izy io. Ary halain’ny taranak’i Jakoba ho fananany ireo zavatra tokony ho azy.”

20, 21. Nahoana no mampahery antsika ny Obadia 17?

20 Porofoin’ny tantara fa tena nitranga izay nolazain’i Obadia. Efa nambaran’Andriamanitra mialoha izany ary tanteraka. Jiosy an’arivony no niverina tany an-tanindrazany tamin’ny taona 537 T.K. Nampian’i Jehovah izy ireo ka afaka nanova an’ilay tany lao ho paradisa maitso mavana. Efa hitanao tao amin’ny Isaia 11:6-9 sy 35:1-7 angamba ny faminaniana momba izany. Ny zava-dehibe indrindra tamin’izay dia ny hoe naverina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina, tao amin’ny tempolin’i Jehovah naorina indray. Porofoin’ny Obadia 17 koa àry fa azo antoka ny fampanantenan’i Jehovah, satria tanteraka foana.

21 Namarana ny faminaniany toy izao i Obadia: “Ho lasan’i Jehovah ny fanjakana.” (Obadia 21) Matoky an’izany fampanantenana izany isika, ka miandry an’ilay fotoana be voninahitra hanjakan’i Jehovah. Hampiasa an’i Jesosy Kristy ho solontenany Izy amin’izay, ary tsy hisy hanohitra Azy intsony manerana izao rehetra izao, anisan’izany eto an-tany. Afaka matoky tokoa ianao fa ho tanteraka izany fampanantenana izany, na vao haingana na efa ela ianao no niandry an’ilay andro lehiben’i Jehovah sy ny fitahiana aorian’izany.

Faly manompo an’i Jehovah isika, ary manantena ny hiaina mandrakizay

22. Nahoana isika no mila manaraka ny voalazan’ny Habakoka 2:3 sy ny Mika 4:5?

22 Tsara àry ny hamerenana ilay fanomezan-toky ao amin’ny Habakoka 2:3, izay mihatra koa amin’izao androntsika izao, manao hoe: “Mbola ho amin’ny fotoana voatondro vao ho tanteraka ilay fahitana, sady mihazakazaka mafy ho amin’ny farany ka tsy handainga. Ary na dia ela fiavy aza izany, dia andraso ihany, fa tsy maintsy ho tanteraka. Tsy ho tara izany.” Na dia mihevitra aza isika olombelona hoe ela fiavy ilay andro lehiben’i Jehovah, dia tsy maintsy ho tonga ara-potoana izy io. Izany no ampanantenain’i Jehovah antsika. Afaka miara-mandroso àry isika mpanompony, na ny efa ela na ny vao haingana, sady matoky fa ho vitantsika ny hanaraka izao voalazan’ny Mika 4:5 izao: “Isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika, mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.”